Faha 15 taonan’ny chorale FEFIA Ambohimalaza

Feno 15 taona ny chorale FEFIA Ambohimalaza; hanamarika izany izy ireo ny sabata 26 jolay 2014 ho avy izao. Hisy lanonam-pifaliana hotanterahina eny amin’ny Fiangonana Apokalypsy Ambohimalaza ny androtr’io izay hanasana ireo vahiny maro samihafa sy ny mpiray fanantenana rehetra eto amin’ny rezionaly Antananarivo sy ny manodidina. Hisy seho manokana ihany ihany koa izay iarahany amin’ny mpanankanto maro tsy ampoizinao ary ny tarika Pray’f, Teen’s Voice Alasora, TriA Ambohimanambola Fifaliana ho azy ireo araka izany ny manasa anao ho tonga hanontrona azy ireo amin’izany fotoana rehetra izany.