Fivoriana Nasionaly 2012

Ho an’ny FAM MANERANA NY NOSY

  • Vondrom-bavaka rehetra
  • Fiangonana rehetra
  • Paroasy rehetra
  • FAM France
  • Foibe Nasionaly

Fivoriambe Nasionaly 2012

Fanamarihana ny faha 15 taona FAM

Nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia ilazana mialoha isika fa raha sitrapon’Andriamanitra dia hotanterahina ny 03 ka hatramin’ny 09 SEPTAMBRA 2012 eto Antananarivo ny FIVORIAMBE NASIONALY Faha 4 an’ny FIKAMBANANA APOKALYPSY ETO MADAGASIKARA.

Amin’izany ihany koa no hotanterahina ny FANAMARIHANA NY FAHA 15 TAONA amin’ny sehatra Nasionaly ho voninahitr’Andriamanitra.

Koa dia mirary antsika samy ho tratran’izany fotoana lehibe izany.

« Fa raha mbola hisy koa ny FARANY tsy ho foana ny FANANTENAKO » Ohab 23.18

Ny Filoha Mpanorina Maneran-tany FAM

Pasteur MAILHOL André Christian Dieu Donné

Une pensée sur “Fivoriana Nasionaly 2012

  • 17 juin 2012 à 17 h 34 min
    Permalink

    Ny programme eo anivon’ny Régional Anosy izay tarihin’i Pasteur RAZAFINIHARY Jean Anito:
    Nanomboka ny alahady faha 17 juillet 2012 ny fampianarana ny bokin’ny Apokalipsy izay tarihan’i Pasteur MAILHOL André Christian Dieu Donné ao amin’ny onjampeo matanjaka anankiray eto Tolagnaro dia ny radio Josvah 90FM ao anatin’ny efabolana.
    Fihaonambe régional amin’ny faha 7 juillet ho avy izao, fanokananan diakona iarahna amin’i PAsteur RAZAFINIHARY Anito.
    9 mianadahy no vita batisa tao amin’ny paroasin’i Tsiharoa ny 16 juillet 2012, 20 ny zaza notsofindrano.
    Mirary ny herin’ny faherezana ho antsika FAM maneran-tany.

Commentaires fermés.