Lesona tsara ho fantatra

DIOVY INDRAY, REFESO INDRAY NY TEMPOLY 

Teny sava ravina 

Nomena lohateny toa manaitra indray ity andian-desona manaraka ity : « Diovy indray, refeso indray ny tempoly », toa tsy manaitra fotsiny ihany  koa anefa, fa tena fanairana mihitsy, ny antony dia tsotra ihany : JEHOVAH Andriamanitra Ilay tsy miova omaly sy anio ary  ho mandrakizay, Izy no Andriamanitsika, tena mahagaga tokoa araka ny Anarany, ka anisan’ny mahagaga indrindra amin’izany ny fitiavany hihaona mivantana amin’ny olony araka ny fomba izay tiany sy heveriny fa mety sy tsara, ary tsy misy olombelona mahalala izay antony sy fiheverany ny amin’izany,  nanankinana andraikitra mavesatra tokoa izahay mpanoratra ny boky araka ny iraky ny Fanahy, koa dia mino izahay fa misy sitrapony tsy ho takatry ny sain-tsika ao ambadik’izany, raisina indray ary ity teny nomeny an’i Mosesy fahizay ity, hanamafisana izany iraka  izany manao hoe:

EKS 25:1 “ Asaivo manao fitoerana masina ho Ahy izy dia honina eo aminy Aho “

Zavatra roa lehibe anefa no tsy miova, ary tsy hiova mandrakizay, izay manamarika io toro-marika nomen’Andriamanitra antsika io, raha ny amin’ny toerana sy ny fomba fomba fihaonana aminy, dia ny hoe : « fitoerana masina sy ny honina eo aminy Aho”.   Hatramin’izay ka mandrak’ankehitriny dia io fitoerana masina  io no tandindon’ny tempoly, na ny toeram-pivavahan-tsika, na koa ilay fanononana tsara indrindra mahazatra antsika hoe : “ an-tranon’ Andriamanitra “, raha iaraha-manaiky ihany anefa izany,  dia tsy maintsy mitandrina ny teny nampitondraina an’Isaia mpaminany isika manao hoe :

ISA 56: 7 . . . Fa ny tranoko atao hoe: trano fivavahana ho an’ny firenenana rehetra »

Ny fiavavahana dia ampatsiahivina antsika indray fa firesahana amin’Andriamanitra no dikany ( ary na dia eo amin’ny finoana hafa aza dia izany ihany koa no filazan’ny olona sy firesahany amin’andriamaniny ), mazava loatra arak’izany fa tsy maintsy mifanatrika izay mifampiresaka, ny finoan-tsika dia manaiky fa manatrika antsika mandrakariva Andriamanitra na dia tsy hita maso, Izy raha teo efa nilaza fa : “ . . . na aiza na aiza no hiangoanan’ny roa na telo aminareo, dia ho eo afovoany mandrakariva Aho » Mat 18 : 20, koa mainka ve fa ny ao an-tempoly.  Tsy miova ary arak’izany ny hevitry ny teny natoan’Andriamanitra fony IZY nampanorina ny fitoerana masina dia ny hoe : « . . . dia honina eo aminareo Aho » EKS 25 :1 , fa dia tsy miova arak’izany  ihany koa ny fahamasinany rehetra, satria dia voalazany mazava tsara fa Izy, Ilay tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay.   Raha mandinika tsara ny Soratra Masina ihany koa anefa isika, dia tsy misy soratra mihitsy ao na dia iray aza milaza fa efa nanaisotra ampahany na manontolo amin’ny fahamasinany Jehovah Andriamanitra, tena mbola amin’ny fahafenoany ary tsy miova izany fahamasinany izany, na dia efa hafa tanteraka aza ny toerana sy ny fotoana ankehitriny


Tiana ihany koa anefa arak’izany ny mampahatsiahy antsika fa tsy mba sitrak’Andriamanitra velively ny toetra mihatsara vela-tsihy, ka ho  amin’ny fotoana izay hankanesana ao an-tranony ihany isika vao hanamasina ny tenan-tsika, fa dia eo amin’ny fiainan-tsika manontolo mihitsy no itakiany izany, fomban’Andriamanitra mantsy ny miteny hoe : “  na aiza na aiza”,  fony tany babylona ohatra ny zanak’Isiraely, izay mazava loatra fa tsy nisy ny tempoly natao ivavahana Aminy, dia izao no hafatra nolazainy taminy :

EZEK 11: 16 « . . . Na dia nampandehaniko lavitra any amin’ny jentilisa aza izy ka naeliko any amin’ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin’ny tany izay alehany »

Ny apostoly Paoly na dia taona maro taty aorian’izany aza dia nanamafy izany indray ka nanoratra tao amin’ny epistily ho an’ny Korintianina manao hoe:

I KOR 3: 16 « Tsy fantrareo va tempolin’Andriamanitra ny tenenanareo . . . ,  fa masina ny tempolin’ Andriamanitra, dia hianareo izany »

Fiononana lehibe ho antsika anefa no tena hevitr’ireo Teny ireo, fa na aiza na aiza izany no misy antsika dia vonona mandrakariva Izy homba sy  honina amin-tsika, saingy ny fanontaniana dia  ny hoe : ao amin’ny mari-drefy tadiavin’Andriamanitra ary ve ny Tempoly hitoerany, na ny tempoly vantany io na ny tenan-tsika izany?

Koa manainga antsika ary mba samy handinin-tena lalina eo am-pamakiana ny boky, hianatra, ary mba ho sahy hanapa-kevitra hiverina amin’ny mari-drefy takian’Andriamanitra hatrany am-boalohany, raha toa ka mbola hivavaka aminy ihany isika.     Raha mitaona antsika ary ny Fanahy Masina ka mibitsika ny hoe :    “ diovy indray, refeso indray ny tempoly “  dia maloto, na koa fa efa voaloto izy izany  matoa asainy diovina, na koa tsy araka ny mari-drefy efa nasainy nanaovana azy,  koa dia mahereza ary fa mbola misy ny azo hatao ary fotoany mihitsy izao, koa mahazoa :FAHENDRENA = FAHENDRENA = VOA TSARA

NY TEMPOLY FAHINY, LESONA HO ANTSIKA

 

Tari-dresaka momba ny Tempoly

Rehefa nofotorana tsara dia tsy tena teny malagasy akory ny tempoly, fa teny vahiny nogasina avy hatrany dia ny teny  frantsay hoe: ”temple”, izay azo adika malalaka hoe: trano fivavahana, azo heverina ihany ny antony nahatonga izany fandikana  tsotra izany, satria dia tsy mba nanana  trano fivavahana ny malagasy fahiny, na dia azo lazaina efa nahalala an’Andriamanitra hatry ny ela aza izy; fa ny fihevitry ny ntaolo  malagasy  izany hoe: Zanahary na Andriananahary, na koa  Andriamanitra izany dia hita fa mino ny fisiany izy na dia mbola tsy tamin’ny fahalalana toa antsika aza.   Maro eran-tany ny  karazana tempoly, satria raha ahompana amin’ny resaka finoana fotsiny izany dia saiky isak’ireo andriamanitra misy eo amin’ny tany iray dia samy manana ny trano fivavahany na ny tempoliny avokoa, ary etoana dia sarihina sahady ny sain-tsika handinika fa tsy rehefa mandre ny teny tempoly dia roso hivavaka ao, indrindra fa mety hiantso andriamanitra ihany koa ny ao, saingy mety tsy hanonona ny anaran’ilay andriamanitra ka dia ho voafitaka ao isika, eny mety hampiasa ny baiboly mihitsy aza izy, ary izany indrindra no hanairana ny sain-tsika handinika tsara izay voasoratra.

Raha ny tempolin’i Jehovah izay tena vonto atin’ny lesona ary dia ilay tabernakely izay midika hoe fonenana kely, izay nasainy namboarin’i Mosesy sy ny zanak’Isiraely no azo lazaina fa voalohany indrindra tamin’izany tempoliny izany (EKS 25: 8-9), tamin’izany sahady ihany anefa dia efa hita ny maha hafa indrindra azy satria dia Izy Andriamanitra mihitsy no nanome ny toro marika rehetra nenti-nanorina, ka tsy misy azo nodisoina izay rehetra nasainy hatao, tamin’izay ho endriny sy refiny ary ny fomba namitana ny asa, EKS 25:40 “Ary tandremo mba hataonao araka ny endriny naseho anao tao an-tendrombohitra izy”, ary dia hita fa tandindon’io, eny tokony ho tandindon’io avokoa ny tempoliny rehetra aty aorina, ny lehibe sy nalaza indrindra tamin’ireny moa dia ilay nataon’I Solomona, izay toro marika avy tamin’Andriamanitra toy ny teo aloha ihany koa no nanaovana azy, I TANT 29:19: “ Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin’i Jehovah ahy tamin’ny soratra avy tamin’ny tanany, izay aty amiko“,  lehibe sy nalaza tokoa hono izany fa raha ny isan’ny mpiasa nanao izany fotsiny  ohatra dia voalaza fa nahatratra 150 000 teo ho eo, ny sinibe fitehirizan-drano vita tamin’ny vy sy varahina izay misy tongony sarin’omby varahina 12, dia mahazaka rano 110 000 litatra, izany hoe raha lanjaina dia mahatratra 110 taonina ny rano zakany, ankoatr’izany ny volamena sy vatosoa ary ny hazo sarobidy lany tao dia maro dia maro tokoa (misy nahita tamin’ny fanadihadina aza fa nisy avy aty madagasikara hono ny sasany tamin’izany), santionany ihany ireo fa tsy ho ary voatanisa daholo, fa ny tsy tokony hadino koa dia fito taona no nanamboarana azy, ny taona 1034 hatramin’ny 1027  talohan’I Kristy.

Ny zavatra manaitra ihany koa dia ny lazan’ireny tempoly ireny, fa misy voatandro fatratra ery izy ireny na ny diony na filaminany na ny endrika amam-bikany, eny hatramin’ny lalàna sy ny fitsipika samihafa fanao raha hiditra hivavaka ao koa aza, ohatra:  nalaza dia nalaza tokoa izany tempolin’i Jehovah izany, dia ilay tempoly nataon’I Solomona II TANT 2-7,  fa ao amin’ny Soratra Masina koa dia misy ny malaza na dia tsy mitovy tamin’ny an’i Jehovah aza, tahaka izany ny tempolin’I Dagona andriamanitry ny filistina tao Asdoda, I SAM 5: 1-7 , I TANT 10:10, izay nohamasinin’dry zareo fatratra tokoa, ka na dia ny fiaran’ny fanekena aza mba nampidirina tao koa satria noheveriny fa tao no toerana masina indrindra; ao koa izany tempolin’I Diana andriamani-bavy efesiana izany, ASA 19:23-41, izay araka ny voasoratra dia nanan-danja tamin’dry zareo efesiana tokoa izy io, ary tsapa ary fa saika lasa vato nisakana ny fitorian’I Paoly ny filazan-tsara mihitsy ny fisian’izany.   Fa na dia amin’izao fotoana izao koa aza anefa dia maro eran’ny vazan-tany efatra ny tempoly malaza, na ny an’ireo milaza azy ho mivavaka amin’i Jehovah izany, na ny an’ireo mivavaka amin’ireo andriamani-kafa, ary hita fa samy manao izay hampalaza ny azy avy, fa eto amintsika ohatra dia toa anarana maneho ny lazan’ny fiangonana iray ny fanampin’anarana hoe: “trano vato”.   Mbola maro arak’izany no azo  resahana  momba ny tempoly eran-tany, na ny endriny, na ny lazany, na ny tompony, na ny fomba fanao ao sy ny sisa.

Ny hanairana ny sain-tsika aty am-piandohana ary dia izao; raha izany tantaran’nireo tempoly eran-tany ireo sy ny momba azy , izay samy manana izay maha izy azy eo imason’ny tompony sy mpivavaka ao aminy, no mbola mifangaro amin’ny fomba fanao sy ny toetran’ny olona amin’izao fotoana izao rehefa mivavaka , no mbola miampy ny foto-pinoana  efa maro tsy hita isa, na dia ny eo amin’ny samy kristianina aza,  dia tsy rariny loatra ve hoy isiska raha manome baiko antsika Jehovah Andriamanitra hoe: ” diovy indray, refeso indray ny tempoly”,  ary araka ny lesona omen’ny Soratra Masina antsika, na ny tempoly vatan-trano sy ny momba azy io, na ny tempolin’ny Fanahy dia ny tenan-tsika izany, dia tratran’izany baiko izany avokoa ankehitriny

.Tsoa-kevitra:     Ho an’ny tenany sa ho an’Andriamanitra? 

Rehefa natao tokoa ny fanadihadina dia hita fa anisan’ny mahatonga ny olona maro mitana ny finoany, izay tsy sarahiny amin’ny anaram-piangonana, na dia hita miharihary izao fa diso tsy araka ny Soratra Masina aza, dia satria tsy foiny ny tempoly hivavahany izay madio sy milamina ary azo lazaina fa mamirapitra sy malaza tokoa, koa isika izay milaza fa manana ny marina ara-tSoratra Masina mba vonona ve hifampitaha amin’izy ireo ve?  eny mety hilaza hianao hoe:  tsy manetry tena izy matoa tsy mety miala ao, fa ny fahatsaran’ny tempoly aloha no resahana eto, fa raha jerena ivelany aza dia toa manakaiky bebe kokoa ny zavatra takin’Andriamanitra ny fikajin’izy ireo ny fahadIovan’ny tempoly ivavahany, ohatra: ny dion’ny kianja, ny lokon’ny tempoly, ny manda manodidina, ny vonikazo sy ravaka isan-karazany, eny hatramin’ny olona miditra sy mivoaka ao aza toa manahaka izay dion’ny tempoliny izay ihany koa, tsy misy lalàna manohitra izany fa tena lalàn’Andriamanitra mihitsy aza ny fahadiovan’ny olona mankao an-tempoly,  toa tsy ho azo heverina akory ohatra ny ahitana ao anaty, na eny  eo an-kianjan’ny “cathedrale” iray, tavoahangy na harona ”plastique” miparitaka etsy sy eroa, na fonon-tsakafo samihafa


Lesona: Hoy ny Tompo:  Lioka 16:8” Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria manan-tsaina izy. Fa ny zanak’izao tontolo izao dia mana-tsaina kokoa ny amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava”

Mila fahendrena lalina tokoa isika mihaino izany tenin’ny Tompo izany, satria dia toa maniraka antsika  hifampitaha amin’ny zanak’izao tontolo izao Izy amin’ireo sehetra samihafa izay tsy maintsy hifaneraserana eto an-tany, toa manaitra ny sain-tsika Izy eto fa na dia mpivavaka aza isika dia ilaina ny manao sy manana zavatra miendrika ny voninahiny, izay omeny antsika rahateo ihany, koa tokony tsy ho mena-mitahy amin’ny an’izao tontolo izao isika, ary angamba tsy ho an’ny tempoly ihany aza izany lesona izany, fa lafim-piainan-tsika manontolo mihitsy na ny ao an-tokan-trano, na ny any am-piasana, na ny any am-pianarana, na eny an-dàlana aza, ary indrindra any amin’ny ireo samy milaza azy ho kristianina sy ny sisa.     Koa satria ary isika milaza fa ny tenan-tsika no tempoly velona dia diniho ary izany lesona izany, ary inona no lesona tokony ho raisina amin’izany?

Lesona:  Hoy ny Tompo:  JAO 17:16” . . . Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao, no anirahako azy ireo ho amin’izao tontolo izao koa”

Toa midika ve izany hoe: tsy maintsy atao hitan’izao tontolo, na koa hatao miavaka amin’izao ny maha tempolin’ny Fanahy antsika, raha toa ka ny lalàna nizoran’ny Tompo ihany no arahan-tsika?

Lesona I)     Refeso indray, diovy indray, ary isao izay mivavaka ao

Raha ny tena baiko ao amin’ny Soratra Masina dia tsy io loatra no voasoratra momba ny lesona, fa ny Apokalypsy 11:1“Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangana, ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao”.  Ny teny baiko nomen’Andriamanitra : ”refeso” no hita fa tena vonto atin’ny lesona ao amin’io andian-tSoratra Masina noraisin-tsika io, kanefa dia tsy azo sarahana amin’ny hoe: ”diovy” izany, tsotra ny antony, ny tempoly izay nambaran’Andriamanitra hatrany am-boalohany fa fioterana masina dia mitaky avy hatrany fahadiovana, ary ny zavatra hita ary amin’izao fotoana izao aza, na dia samy manana ny refiny noho ny famindrapon’Andriamanitra ny tempoly maro, dia tsy misy na dia iray aza sahy manao fanahiniana handoto ny tempoly.    Aoka tsy hiala ao an-tsain-tsika mandrakariva ihany koa anefa fa tsy misy fahamasinana miaraka amin’ny fahalotona izany, na amin’ny lafiny inona izany na lafiny inona

a) Refeso indray: Tena nisy tokoa izay refy ara-bakiteny izay ao amin’ny Soratra Masina raha ny tempolin’Jehovah no resahana, satria ny teniny  voalohany tamin’i  Mosesy hoe: ” manaova fitoerana masina ho Ahy”,  dia efa nametraka mazava tsara Izy fa aoka tsy hivoana amin’izay refiny sy endriny ary koa ny fanaka rehetra hatao ao anatiny, izay efa nomeny tany an-tendrombohitra masina no hanaovana izany tempoly izany, tempoly tokoa no ilazan-tsika azy satria dia nataon’Andriamanitra  fihaonana sy firesahana (vavaka) tamin’ny olony ihany koa izany fitoerana masina izany, EKS 33:7-11,   koa dia hentitra dia hentitra tokoa Izy tamin’izany endriny sy refiny ary ny fanaka momba azy izany, EKS 25:8-9, 40; 26:30.

Efa voalaza teo fa taty aoriana ihany koa rehefa ho tanterahany ilay fikasan’ny olony hanao ny tena tempoly, satria dia trano mafy sy lehibe amin’izay rehetra momba azy izany, dia mbola toy izay ihany koa no nataony tamin’i Davida sy Solomona ITANT 28: 11-13.     Koa inoana ary heverina fa mandrak’ankehitriny dia tsy mba kisendrasendra velively akory ny refy sy endrika nanaovana ireny Tempolin’Andriamanitra ireny, fa na tsindrimandry na fitarihan’ny Fanahy ny nanaovana azy.

Tsy mety koa  izany amin’izao andron-tsika izao raha toa ka mihevitra izay tempolin’Andriamanitra izay isika, na alohan’ny hananganana, na eo am-pananganana, na efa nahatsangana ka manao kitohatoha na mosalahy, fa tokony hanana finoana fa an’Andriamanitra amin’io asa io ka hitandro ny fahamasinany mandrakariva, ka raha mandrafitra hazo isika ohatra dia aoka mba hitovy refy tsara na ny elan’elany na ny ahavony, ho voadio sy voaloko ihany koa raha azo hatao, ny fandiavana ho voafafa tsara raha tany, voasasa raha kapila “carreau”, voahosotra savoka raha hazo, ny rindrina ho maridrefy tsara tsy  mivilambilana, tsara lalotra sy ho voaloko ihany koa raha azo hatao, ny fanaka rehetra dia hamasinina araka izay azo hatao mihitsy fa zava-masina ao an-tranon’I Jehovah ireny, tsy mety ohatra raha Jiafotsy fampiasa ao an-tranon’Andriamanitra no entina hanahazam-bary, na ampiasaina amin’ny fety aman-danonana samihafa, satria mazava fa tsy miova hevitra amin’izany fahamasinana izany Izy.     (Mba jereo anie ny lesona omen’ny fiangonana katolika ny amin’ny atao hoe: sacrilège)

Koa ankehitriny ary, na dia samy hafa amin’ny baiko nomeny an’dry Mosesy sy Davida aza ny fitarihan’ny Fanahy antsika hanao ny tempoliny, dia tsy miova ny fototra nomeny dia ny fahamasinany izany, ary tsarovy mandrakariva fa misy fototra lehibe sady mafy indrindra efa nomeny antsika hatry ny fahagola, dia Jesosy Izany,  ka tsy maintsy ao aminy no hanakinan-tsika ny mari-drefy rehetra ilain’Andriamanitra, Efes 2:19a-20 ”.. . fa Kristy no fehizoro indrindra, ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo

Tsoa-kevitra: raha mandinika manokana ny momba an’i Mosesy, Davida ary Solomona isika dia mahita fa olona tena voafidin’Andriamanitra izy ireo hanao ny tempoliny, ary tsy hoe tsy fantatra izay antony nifidianany azy, fa dia hita maso teo amin’ny fiaraha-monina ny toetra nasehony, koa inoana ary tsy hisalasalana ihany koa fa izany no antony iray nanendren’Andriamanitra azy hanao ny Tempoly, jereo Davida ohatra: nankasitrahan’Andriamanitra ny fikasany hanao ny tempoly ary nekeny daholo ireo ezaka nataony namory ny zavatra ho enti-manana, fa ny tanany handray ny asa mihitsy no tsy  mety amin’Andriamanitra noho izy miaramila mpiady ka efa nandatsa-drà, nefa dia azo heverina tsara fa na dia ny toetra nasehony tamin’ny maha miaramila azy aza dia efa anisan’ny nankasitrahan’Andriamanitra azy, satria dia anisan’ny mpanafika ny Isiraely izy, fanaony ohatra rehefa handeha hiady no maka ny hevitr’i Jehovah.  Raha izany no izy, dia hita fa hatramin’ny lafiny madinika indrindra eo amin’ny toetry ny olony dia tsy avelany atao kitohatoha, koa tsy tokony ve hiroso tanteraka, na misimisy kokoa amin’ny fanoloran-tena ve ny fiangonana raha mikasa hanao ny tempoly, satria hita izany izao araka ny lesona fa tsy maintsy manana olona ao anatin’ny fiangonana Izy homeny izay toro-marika izay, fa tsy tokony hataon-tsika velively ny mifampitsara sy mifanditra ny amin’ny karazany

Lesona:  FIL 2: 13-14:Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo, na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.  Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi- fimonomononana sy tsi-fisalasalana

Fahendrena, hakingan-tsaina, sa asan’ny Fanahy ve hoy isika no nisy tamin’izany, fa araka ny voasoratra dia tsy nandrenesana ny feon’ny tantanana na fiasana hafa tao anatin’ny Tempoly nandritra ny fotoana nandrafetana azy, I MPANJ 6:7?

Ny zavatra azo hambara dia tsotra ihany, raha manaraka tsara ny toro-marika avy amin’Andriamanitra ny olona, dia Izy  no miditra an-tsehatra mahatanteraka ny zavatra rehetra, izay mety tsy ho takatry ny sain’ny olombelona mihitsy aza  indraindray, toy ny olona iray lasa niova tampoka ho amin’ny fanavaozana tanteraka, satria nihaino ary nandatsaka am-po ny teny reny izy ohatra; mety ho ara-drefy takian’Andriamanitra ary ve   isika milaza ho tempoly io raha toa ka mbola misy fimonomononana lava amin’ny fandaminana ao amintsika?

 Lesona:  JAO 2: 19: “ Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy”

Izao no fanontaniana:  Hevi-panahy lalina no anontaniana antsika etoana, satria raha tena nandrava tokoa ve ny olona dia tena vitan’i Jesosy ny fanamboarana tao anaty telo andro? ny zavatra tsapa ihany koa nefa vokatr’izay dia nisy faminanina efa nomen’ny Tompo nilaza fa ho fongotra hatramin’ny fotony io tempoly io, ary tanteraka izany, asa satria tokoa ve tsy nety nandrava ny olona?

Ahoana no hevitrao: raha misy olona tojo an’i Jesosy Ilay araka ny Soratra Masina, nilevina 3 andro sy 3 alina, ka tsy mandrava ny tempoly diso refy (ny tenan-tsika izany), mino va hianao fa ho rava tanteraka toa ny tempoly fahiny, izay efa nolazainy fa havaoziny indray afaka hatelona izany olona izany?   Inona ary ny zava-miafin’ny telo andro sy telo alina foto-pinoantsika mifandraika amin’izany hoy hianao?  Ary raha tojo Azy ka nino dia nandrava, ahoana koa ny vokany aty aoriana, ary raha tojo Azy, nino kanefa tsy nandrava ahoana ihany koa  ny vokany?

b) Diovy indray

Masina, ka mila diovina fa voaloto

Tsy  voasoratra miaraka amin’ny hoe: ”refeso indray”  akory ny hoe: ” diovy ” hoy isika teo aloha, asa nohon’ny ankamaroan’ny ireo olony taloha  nahatandro izay fahadiovany izay angamba no antony, kanefa raha tena vonona ny hiverina amin’ny mari-drefy isika dia hanaiky fa tsy afa-misaraka  amin’ny mari-drefy ny fahadiovana, izao no hafatra nampitondrainy an’i Ezekiela mpaminany:

Lesona:   EZEK 43:12: “ Izao no lalàna amin’ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon’ny tendrombohitra. Eny, izany no lalàna amin’ny trano“

         Na iza tompony na iza, dia tsy hisy hanaiky izay efa nohamasininy ho lotolotoina foana, koa tsy rariny loatra ve hoy isika raha toa ka manome lalàna tahaka izao Jehovah, fa ny lesona ho raisina amin’izany dia hoe: hatraiza ny fihazonan-tsika izany ankehitriny, fa voasoratra mazva izao ny hoe: ”izay rehetra voafaritra”

Maro mantsy ny zavatra ataon’ny mpivavaka amin’izao fotoana izao no hita fa mandoto ny Tempolin’Andriamanitra, raha eken’ny rehetra ohatra fa tsy maintsy madio ny Tempoly, dia misy tokoa  mitandro izany fatratra, kanefa dia ny hita maso fa madio ihany no tandroviny fatratra amin’izany, saingy rehefa tena dinihna dia hita fa maro ny fahalotoana tsy ankasitrahan’Andriamanitra tafiditra ao an-tempoly noho ny ataon’ny olony, raha tsy voantandrina anefa izany dia handoto ny Tempoly ka hiteraka ny fahatezeran’Andriamanitra , raha jerena  akaiky ohatra dia misy loto tena mahaloto mihitsy  ampidirin’ny olona, ary raisin’ny olona araka ny fiheverany azy, izay tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ka mety hahatezitra Azy tokoa; toy ny fitondra faty ohatra, na koa ny fahamasinan-tenan’ny mpivavaka, fa voasoratra mazava tsara ohatra ny hoe: ”aza mikasi-behivavy akory hianareo amin’izay andro natokanareo hivavahana ( fehin’ny  I KOR 7: 5), na koa ny hoe: ”am-panasao ny fitafiany ny olona fa hihaona amin’i Jehovah”  sy  ireo maro hafa araka ny voasoratra tahatahaka izany. Heverina ary fa rariny loatra raha tsy sarahana amin’ny fandrefesana ny fanadiovana

Raha dinihina lalina tokoa mantsy ny tantara, dia ny fitandroana ny fahadiovan’ny tempoly aza no tena mafy sy sarotra  noho ny fihazonana ny maridrefy , satria rehefa voahorina ara-drefy eo am-piandohana  izy dia tsy misy zavatra ahiana intsony fa dia ny mampiasa azy araka ny tokony ho izy sisa no atao, fa ny fahadiovany kosa dia saiky andro aman-alina no tsy maintsy hitandremana izany, satria tsy vitan’ny hoe: amin’ny andro ivavahana ihany no mety haloto, fa dia saiky isan’andro izao dia mitakosona amin’ny loto ny olona,  kanefa  izay dia mety hitera-pahavoazana ho azy raha sanatria tsy voatandrina ka tongany hatrao an-tempoly, diniho ohatra ny LEV 5: 2-5, izay milaza fa misy sazin’ota mihitsy raha mahakasika ireny loto ireny, kanefa dia fahita eo amin’ny fiainana andavan’andro izany matetika, mitera-pahavoazana  anefa izany raha sanatria tonga ao an-tempoly.

Eto izany rehefa fintinina izay voaresaka teo ambony, dia ny fahalotoana entin’ny olona no hita fa  miteraka ny fahalotoan’ny tempoly, satria dia mazava loatra fa vao mikasika ny tempoly ny  olona dia efa misy ireo fepetra maro, hita na tsy hita maso tsy maintsy toavina, ary ny mpiandry tempoly sy ny mpisorona tsy hanaiky velively ny hidiran’izany ao amin’ny tempoly (II TANT 23:19);  ankehitriny anefa dia hita fa tena maro dia maro ireny, ary saika vokatry ny kajikajy ataon’ny olona ihany no mahatonga azy,  inoana fa manohina an’Andriamanitra ireny ka mahatonga Azy manome indray izao lesona izao ho antsika, satria olony isika, ary sitrany tokoa raha mitoetra ao an-tempoliny isika, nefa amin’ny fahamasinana tanteraka ka isan’izany ny fahadiovana

LesonaHAGAY 2: 11-12-13”  Izao no lazain’ Jehovah Tompon’ny maro: Andeha maka hevitra amin’ny mpisorona hoe:  Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.   Ary hoy Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo.”

Lesona roa no azo tsoahina anatin’izany:  voalohany dia manamafy Andriamanitra fa ny mpisorona no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fahadiovan’ny tempoly, ka tokony hanaraka tsara izay toro marika omen’ny mpisorona momba izany ny fiangonana, satria nahazo ny hosotra masina izy ireo ka mahalala tsara izay sitrapon’Andriamanitra momba izany, fa setrin’izay koa anefa dia topon’andraikitra avy hatrany ihany koa izy ireo raha mampianatra ny olona zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra, izao no teny manambara izany:

MAL 2:7fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalàlana, ary ny lalàna ho tadiavina eo ambavany, satria irak’i Jehovah  tompon’ny maro izy”, ary nahatezitra Azy ny tsy fahatanterahan’izany teo anivon’ny fiangonana, satria hoy ihany Izy hoe:

EZEK 22:26Ny mpisorona dia nandika ny lalàko sy nandoto ny zavatra masina, tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na nampiseho ny tsy fitovian’ny maloto sy  ny madio, . . .”

Aoka ho sokafana tsara ny lesona momba izany fa tena iankinan’ny aim-panahin’ny fiangonana mihitsy, satria dia mazava tsara izany fa tena misaraka tanteraka ireo eo anatrehan’Andriamanitra, dia ny masina sy ny tsy masina, ary ny maloto sy ny madio (diniho lalina ity lesona ity indrindra ho an’ny mpisorona)

Tsoa-kevitra:     Mihemotra sa mandroso?

Ireto seho ara-tSoratra Masina ireto no andeha iheveran-tsika izany;  tany am-piandohana ary dia nomena baiko  Mosesy sy Arona  hanisy ny tavy fisasana tao amin’ny taberana kely, dia natao izany araka ny refy sy bikany  efa nandidina azy ireo, ary tena fisasana tokoa io;  taty aoriana koa anefa dia vao mainka lehibe lavitra noho io no nataon’I Solomona, satria araka ny voalaza dia mahalany rano 110 000 litatra izany, toa manamafy amintsika izany fa mavesa-danja amin’ireo taloha ny tokoa ny fahadiovan’ny tempoly sy ny momba azy, satria fantatra araka ny tantara fa efa maro ny fivezivezena mankao an-tempoly ka dia maro koa ny filàna, kanefa tsy nanao mosalahy tamin’izany ry zareo fa nihezaka nanao izay nahatomombana izany, tsy hita ho tanisaina intsony ankoatr’izany ireo fomba fidiovana sy fanamasinan-tenan’ny mpikarakara rehetra, toy ny fanokanana fitafiana, EKS 29:4-5, ny  fitandremana ny fotoana fidiovana voatendry amin’ny maloto am-paty, ny marary mitsinika, ny boka sy ny sisa, LEV 12-13-14-15, NOM 19, ny tsy firaisana ara-nofo izay mbola nohamafisin’I Paoly tatay aoriana indray.

Raha heverina arak’izany dia maha lasa saina ihany ny zava-misy? satria ireo olona taloha izany dia hita fa miady mafy ary nanao izay hitandroana fatratra ny fahadiovana takin’Andriamanitra, fa ny ankehitriny kosa dia mikaroka ny fomba rehetra tsy hanaovana izany, ary raikitra daholo izao kajikajy rehetra izao, nefa dia kajy hialàna amin’ny sitrapon’Andriamanitra daholo izany, inona no mba heverinao  ho anton’ izany?

Lesona :  ROM 15:4  “ Fa izay rehetra  voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianaran-tsika hananan-tsika fanantenana amin’ny faharetana, sy ny fiononana avy amin’ny Sorata Masina”, efa misy fomba maro ahafahan-tsika manao madio ankehitriny, koa nahoana ny olona no mihemotra amin’izany indray, sao sanatria ny tahotra an’Andriamanitra mhitsy no efa manjavozavo?

 Tsianjery: JAO 3:3Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy koa”  

APOK 22:11” . . . ; izay maloto dia mbola haloto ihany . . .

Anontaniana ary isika ka aoka samy hamaly ao am-po, ka ho sahy hanambara ny valiny amin’Andriamanitra, satria zary lasa fomban’olombelona izany rehetra izany, koa eken-tsika ve fa Izy no mihitsy no mitaky izany fahamasinana amin’ny mari-drefy izany?

 b-2 – Ny rà, fanadiovana araka ny lalàna (heb 9:22)

Tsianjery: LEV 17:11” Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny rà; ary nomeko anareo izany hatao eo ambony alitara hanao fanavotana ho an’ny ainareo

Anisan’ny fomba fanadiovana ny Tempoly na ny fitoerana masina iray maha lasa saina lalina tokoa ity toro marika nomen’Andriamanitra an’i Mosesy ity, ary nodidiny tsy maintsy hataon’ Arona sy ny zanany izay handimby azy izany, ary amin’ny ny fomba fanadiovana rehetra dia azo lazaina fa ity no tena mahasarotiny Azy indrindra.  Andro fanavota moa no ilazana ny fotoana iray fanaovana izany teo amin’ny tantaran’ny zanak’Isirely, ary indray mandeha isan’taona ihany no azo hanaovana azy dia andro fahafolo amin’ny volana fahafito izany, LEV 16:34 Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana  fanavotana ho an’ny zanak’Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin’ny fahalotoany rehetra.  Mbola eo koa anefa ny ran’ny biby atao fanatitra noho ny ota, izay voasoratra mazava tsara fa fanadiovana ny otan’ny olona. Voatsindry mafy tokoa eto ny fahalotoany rehetra izay manamafy indray ny voalazantsika teo ambony  fa mahasarotiny Azy, ary mbola nohamafisiny mihitsy aza moa hoe: izay rehetra mahakasika ny tempoly no diovina amin’izany, LEV 16:33 Dia hanao fanavotana ho an’ny fitoerana masina izy sy  ho an’ny trano lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin’ny fiangonana

Tsy maintsy mamono biby hatao fanatitra ny fiangonana araka ny karazany votendry avy, ka ràn’ireny no entina manao izay fanadiovna izay; raha heverina amin’ny rà azy anefa dia hita maso fa vao mainka mandoto aza, saingy io no fanadiovana ankasitraha indrindra ary tsy tokony hifamatra amin’Andriamanitra ny amin’izany isika.                    Misy lesona lehibe sahady anefa omen’izany antsika dia izao: tsy misy avelan’Andriamanitra tsy hadio izany eo amintsika raha te hanana  fifandraisana aminy isika; fa efa voaresan-tsika teo aloha ohatra fa tena nasiana rano  mihitsy tao amin’ny Tempoly fahiny hisasan’izay miditra ao, dia fidiovana hita maso izany, fa raha heverina ary dinihina kosa ity faharoa ity dia ny rà, dia tsapa fa mahakasika mivantana na akaikikaiky kokoa  an’Andriamanitra mihitsy, satria dia voasoratra mazava tsara fa Izy dia Fanahy, JAONA 4:24, tsy hita maso izany, toy izany  koa  ny fitambaran’ireo loton’ny fahotana sy adalana rehetra nentina teo anatrehany tao amin’ny tempoly ka asainy diovina amin’ny rà, ny rà dia hita maso; fa na ny ota, ary koa Izy Andriamanitra dia tsy azo tsapain-tanana, kanefa dia nodidiny mazava tsara fa izay no fanadiovana tsy maintsy hatao, inona no ary ny lesona?

Mbola hanana lesona lava isika ny amin’ny ràn’ny Zanak’ondry fa izao aloha ny lesona voalohany ho raisin-tsika: DEO 12:23 Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà dia aina . . . “, eo antarehan’Andriamanitra izany dia mavesatra tokoa ny fahotantsika, ary hitany fa mihatra amin’ny aina izany, satria dia mazava teny milaza hoe:  I JAONA 1:15Ary  ny filàna rehetra torotoroina dia miteraka ota, ary ny  ota rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana”,  izany hoe: izay rehetra ota tanterahan-tsika na hita maso na tsia (inona avy no mba mety ho tsaroanao amin’izany?), dia mitondra antsika ho any  amin’ny fahafatesana avokoa, fa fahafatesana no tambin’ny ota.

Ireo  ota rehetra  ireo izay midika  tsy fanarahan-dalàna sy fandikana ny didy ary tsy fahamarinana anefa, dia tsy maintsy entina eo antrehany avokoa raha mbola velona isika ka mihevitra ny ho ao an-tranony ihany, mazava loatra anefa fa ny fahafatesana izay tambin’ny ota dia fahalotoana eo anatrehan’Andriamanitra (maloto ny faty eo anatrehany), ary hitany daholo izay nataon’ny tsirairay manomboka amin’ny mpisoroana be, toa an’I Arona, izay voatendry manokana hiditra manoloana Azy amin’ny fotoana fanavotana ohatra, ka hatramin’ny fiangonana manontolo;  dia inoana ary fa izany no antony nanaovana izany fandatsahan-drà izany, satria izay rehetra nanota niditra ny tempoly dia toy ny faty avokoa ka madoto ny tempoly, kanefa noho ny famindrapon’Andriamanitra mba tsy hahalany ritra ny olona, satria ny voasoratra manao hoe: “ fa tsy misy olona izay tsy nanota” II TANT 6: 36, dia ny ràn’ireo biby izay novonoina natao fanatitra no solon’ny ain’izy ireo, satria raha maty ny olona iray dia voakosoka ny anarany sy momba azy ka tsy hita anoloan’Andriamanitra intsony, ka nekeny fa voadio ny fahalotoana rehetra naterak’izay ota izay, fa efa maty  ilay nanota noho ilay  biby natao fanatitra nisolo azy.

Tena zava-dalina dia lalina momba an’Andriamanitra ity lesona iray ity, fa ny azo antoka sy azo andikana azy dia tsotra ihany, EZEK 18:23 “Moa sitrako akory va ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy?”, ka matoa nanoro ny fomba mety hahadio ny tempoly amin’ny ota Izy, dia tiany hitohy mandrakariva ny fifandraisan-tsika aminy.  Mbola hisy lesona manokana momba ny ràn’ny zanak’ondry aoriana fa izao indray aloha no lesona omena antsika amin’ity:

Lesona:  ROM 6:7” fa izay efa maty dia afaka amin’ny ota”

Na inona fampianarana momba ny rà sy ny asany ao amin’ny Soratra Masina na inona, dia izao aloha no lesona maika ary mifarana amin’ny fanontaniana tokony hovalina: ao an-tranon’Andriamanitra isika fiangonana isaky ny Sabata dia manana fotoana fifona, ary tsy tapaka mihitsy izany, fa izao no maha lasa saina mba iaraha-mizara; moa mety vonoina ve ny efa maty?  Raha atao tokoa mantsy ny fanadihadina, asa mba ho firy re ny olona tena manambara mivantana amin’Andriamanitra ny heloka izay nataony (ny mahazatra ny olona dia ny hoe: mamelà ny helokay fa tsy sahy mitanisa izany amin’ Anndriamanitra)? Ary ny Sabata manaraka, raha manana heloka ho lazaina amin’Andriamanitra indray isika ka ho toy izany ihany koa amin’ny manaraka, dia mba hevero anie, vonoina in-52 ve izany isika ao anatin’ny taona iray raha hilaza foana isaky ny Sabata izao hoe: mamelà ny helokay?  Marina fa voasoratra hoe: tsy misy olombelona izay tsy diso kanefa hatraiza ny fetran’izany? Ary hiantehatra amin’izany foana ve?

d) Isao izay mivavaka ao

 Tsianjery: Sal 18:25-26 “Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa  marina; ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiholakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina

         Nofidiana manokana ve sa fitarihin’ny Fanahy no antony nanomezana io tsianjery io, fa toa mifanohitra amin’ny zana-dohahevitra eo ambony, ny hevitra fonosiny no manambara izany ao am-apontsika tsirairay avy, fa ny tian’ny teny hambara dia izao: manavaka tsara tokoa ny olona rehetra miditra ao an-tempoliny Izy, ka na toa inona toetra’ilay olona na toa inona dia fantany hatramin’izay miafina indrindra izany, koa mila mihevitra izany mandrakariva isika.

SarihIna sahady ny sain-tsika ahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra antsika manokana, fa tany am-piandohana   fony ilay tempoly voalohany indrindra dia tsy nisy olona nivavaka tao fa ny mpisorona ihany no nahazo niditra tao, fa ity lesona ity izay noraisina tao amin’ny bokin’ny andro farany dia ny Apokalypsy, izay nilazana tamin’I Jaona ny zavatra hiseho aty aoriana ela, izany hoe: amin’izao fotoana misy antsika izao, dia midika fa  hitan’Andriamanitra ary ekeny izany isika miditra ao an-tempoly  amin’izao fotoana izao, saingy tsy miova ny fiheviny momba izany fahamasinana izany, na amin’ny endriny manao ahona na manao ahoana?

Na dia efa azo natao tokoa aza mantsy ny niditra tao an-tranon’Andriamanitra fahiny dia olona voatokana ihany no nahazo niditra tao dia ny mpisorona sy ireo efa voatendry amin’izany, saingy dia mazava tsara ny fepetra fidirana tao, dia ny fahamasinana tanteraka araka izay efa nandidiny, ary izany fahamasinana izany dia tsy inona ny fitambaran’ireo fomba sy fanao rehetra tao, ny fotoana, ny zavatra natao, ny fomba fanao sy fihetsika indrindra fa ny fitafy, ka ny tsy fanatontosana ireo an-tsakany sy an-davany dia miteraka ny fahatezarany, ka dia fahafatesana no hita, jereo ny tantaran’I Nadaba sy Abio Lev 10: 1-2-3, izay olona efa voatendry ho isan’ny mpisorona mahazo miditra ao amin’ny tabernakely, nanana fahasoavan-dehibe fa efa voahosotra ka afaka nifanerasera tamin’Andriamanitra, kanefa nolaviny fa nanao zavatra tsy araka ny sitrapony

Hita fa tena tsy mihova hevitra mihitsy Andriamanitra amin’ny fahamasinan’ny Tempoliny, fa na dia ny akaiky Azy dia hentitra tokoa Izy amin’ny fanatanterahana izany, Lev 10:3” Dia hoy Mosesy tamin’I Arona: Izany dia ilay nolazain’I Jehovah hoe: Amin’izay akaiky ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan’ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina i Arona”

Isaorana Azy ny fitiavana, fa io faminaniana nomeny an’ Jaona io, APOK 11:1 dia fahitana ny izay mety ho amin’izao andron-tsika izao, ka dia mazava tsara fa tena ekeny ny fivavahana aminy ao amin’ny Tempoly izay efa natombok’i Solomona, saingy toa manaitra ny saina ihany  ny voalaza amin’ny tapany voalohany ao amin’ny APOK 11:2 manao hoe: “ fa ny kianja eo ivelan’ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany”,  midika avy hatrany tokoa izany fa tsy hiova mihitsy Izy amin’ny fahamasinana, satria na dia voalaza aza eo ambony fa ekeny ny fivavahan-tsika ao an-Tempoly, dia misy an-tokon’olona tsy afaka miditra ao amin’ny  kianja anatiny mihitsy, dia ny jentilisa izany ( iza no jentilisa ankehitriny?)

Tamin’ny firafitry ny Tempoly fahiny tokoa mantsy dia nisy ny atao hoe kianja anatiny sy ivelany, ka ny anatiny dia olona voatendry ary voahosotra ihany no mahazo miditra ao, fa ny kianja ivelany kosa dia azon’ny rehetra idirana nefa tao anaty fefy iray ihany ireo, ary fanaon’ny olona mihitsy aza ny manao fivoriana masina sy mandinika Soratra Masina teo an-kianja, ary na dia ny Tompo Jesosy aza mba nanao toy izany koa, satria tsy mba anisan’ny levita Izy tamin’izany, ( Zanak’ Andriamanitra i Jesosy koa inona no nanakana Azy tsy niditra tao amin’ny kianja antiny?)

Tsy mitovy amin’izany intsony anefa ny lesona ankehitriny satria ny tempoly ivavahana aza dia efa hafa ny firafiny sy fivavahana ao, na dia tandindon’ny taloha ihany aza izany, ary tokony ho izany mihitsy; fa ny lesona tiana hampitaina raha izany no izy dia mazava tsara: satria isika dia zanaka ara-panahy, dia hevi-panahy  tsy azo aholakolaka  sy afenina koa no azo anazavana izany, fa ireo izay mbola mifikitra amin’ny toetra sy fanahy jentilisa  no tsy mba  anisan’izay ho voaisa, ary tsy mba hahazo fankatoavana hiditra ao amin’ny kianja masina anatiny, izay raha atao hevi-panahy ihany koa dia hoe: mihaona mivantana amin’Andriamanitra izany, na amin’ny alàlan’ny valim-bavaka sy fahasoavana sy ny fitahiana isan-karazany na ety an-tany izany na ny ho fiainana mandrakizay.

Lesona: APOK 22:15” Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga

Efa any am-bavahadin’ny lanitra ny lesona eto, Ka izao no fanontaniana: mety ho tonga any koa ve ny alika, na koa ny mpamosavy? Jereo inona no ifandraisan’izany amin’ireto toko sy andininy ireto: I JAONA 3: 15 –JAKOBA 3:8, ary ny MATIO 7:12-23, inona marina no tian’ny Soratra Masina lazaina etoana?

Mety hisy koa anefa indraindray halaim-panahy hilaza fa efa rovitra anie ny efitra lamba nampisaraka ny fitoerana roa tamin’ny andro nahataperan’ny ain’ ny Tompo teo ambony hazo fijaliana, marina izany saingy tsy nisy izany raha tsy efa vita ny asa nataony dia ny fanadiovana  ny tempoly sy ny mpivavaka, tamin’ny ràny izay nalatsany, ary ireo dia izay nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany ka nibebaka niala tamin’ny ratsy fanaony, niova fo tanteraka, efa niala tamin’ny toetra jentilisa;  ary eo indrindra no ametrahana fanontaniana amintsika hoe: efa voadion’ny ràn’i Kristy tokoa ve isika, ary efa voavonjy tokoa ve ka tsy misy fifandraisana  intsony amin’ny fomba  sy toetra  jentilisa, ary efa tafiditra ao anatin’ny tempoly ve? sao mety  ho sasa-poana ihany mantsy raha heverina amin’ izao lesona nomen’ny Tompo antsika izao, ka hiandry ao ivelan’ny vavahady fotsiny

Andeha handinika lalina izao lesona manaraka izao isika, ka hihevitra izay tokony hatao fa mbola misy ny fotoana ahazoana mikatsaka ny anjara ao an-tanàna masina

Lesona: JAONA 4:23Fa avy ny andro sady tonga ankehitriny, raha  mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany”

Jesosy Tompo sy ilay vehivavy samaritana.  Hafa indrindra ny fomba nentiny nilazana ny fotoana, izay midika hoe: na oviana na oviana no mandre izany isika, dia izay no fotoana ahatongavan’ny sitrapon’Andriamanitra momba izany ho antsika, safidio ary izay tian-tsika na io teny io na ireto tsianjery manaraka ireto, fa azo ambara mivantana raha izay voaresan-tsika rehetra teo fa tena manisa tokoa ny mpivavaka ao an-Tempoly Izy, kanefa toa manaitra saina tokoa izany, fa rehefa dinihina hay, dia amin’ny toetran’ny olona no anisany azy fa tsy ny hamaroany

Tsianjery:  ISAIA 1: 12 Raha avy  miseho eo anatrehako hianareo, iza moa no mitady anareo hanatsakitsaka ny  kianjako, aza mitondra fanati-pisaorana intsony;  fofona fahavetavetana eo anatrehako izany, ny voaloham-bolanareo sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana, tsy zakako ny fivoriana masina haroarom-paharatsina”   tsara raha dinihina manontolo ny Isaia 1

II KOR 6: 14-18Aza mety hasina zioga izay tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana amin’ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’I Kristy sy beliala? Ary inona no iraisan’ny anjaran’ny mino sy tsy mino? Ary inona no inona no ikambanan’ny Tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?

Mola maro ny teny voasoratra mitovy amin’ireo, izay toa milaza fa tena misy tokoa ny karazan’olona tsy ankatoavin’Andriamanitra hiditra an-tempoly, ary raha mandinika tsara isika dia hahita fa na ara-bakiteny io na ara-panahy dia mitombona tsara hatrany ny heviny.  Inona no lesona azo tsoahina amin’izany?

Tsoa-kevitra:   Raha izany no fisehon’ny lesona, dia maha lasa saina ihany ny toerana misy ny mpivavaka ankehitriny, zary lasa resaka ifandresen-dahatra amin’ny filazana izay heverina ho fahamarinana mantsy ny fiteny hoe ”Andriamanitra Iray ihany no ivavahana”, dia ampiana toko sy andininy sasan-tsasany toy ny hoe” izay manantona ahy tsy misy holaviko mihitsy”, marina daholo izany fa ny tokony tsy hiala ao an-tsaina izany manomboka izao dia ny hoe: mahita sy mijery ny mpivavaka Izy, ary mahalala tsara ny hevitry ny fo sy ny sain’ny tsirairay avy JER 17:11” Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona  rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany”, todio koa anie ny lesona nampitondrainy an’I Jeremia ihany ny amin’ireo aviavy roa sobika  JER 24:1-10, ary dia amin’izany no itsarany sahady dieny ety an-tany ny mpivavaka, mbola azon-tsika ampiana ihany koa ny ohatra nomen’ny Tompo Jesosy ao amin’ny Matio 13:29-30 “ Fa hoy  Izy: tsia fandrao raha manongotra ny tsimparifary hianareo, dia hongotanareo miaraka aminy  koa ny vary, aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambarapiavin’ny fararano, ary amin’ny fararano dia ho lazaiko amin’ny mpijinja hoe: angony aloha ny tsimparifary ka atovy amboara ho dorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitra

Vokatr’izay ary dia ho gaga ve isika raha misy olona sasany ao am-piangonana tena hita fa tondraky ny fitahina sy fahasoavana, kanefa dia misy  koa ny ataon’ny olona hoe: sasatry ny miarina amin’ny ireo olona sy aretina samihafa, ary toa tsy mahita mangirana mihitsy eo amin’ny fiainany aza, na ny mety hifanohitra amin’izany koa aza indraindray, saria mety ho tondraka hiany koa ny vola aman-karena saingy toa tsy misy fiadanan-tsaina sy fanahy eo amin’ny  fiainana, ary mba todiho kely anie ny isan’ny antsoina ho Kristianina eto madagasikara, ny isan’ny fiangonana na trano fivavahana, kanefa dia mahonena ny fahantran’ny malagasy maro, izay araka ny fanadihadiana dia mpivavaka daholo ny ankamaroany.  Raha hianao ary no anontaniana hoe: mety hisy fifandraisany amin’ny fandrefesana Tempoly ve ny mahatonga izany amin’ny malagasy? Jereo anie ny tantaran’ny zanak’Isiraely rehefa nahatsiaro ho tena resy teo amin’ny fiainana, MPITSARA 6: 1-13

Lesona:  EFES 2:9    ”Tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha”    bola ara-nofo ihany izany fa  tena ho loza tokoa ny voalaza araka ny Matio 7:22, manao hoe: ” Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka  demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; miala amiko hianareo mpanao meloka.

Io dia azo adika tsotra hoe: tsy mba naman’ny voaisa ireo olona ireo tamin’ny andro nisian’ny fanisana ny mpivavaka manana mari-drefy, na dia fantatra tsara aza ny asa nataony teo amin’ny fiangonana, inona no antony hoy hianao?

Ireto andinin-tSoratra Masina ireto ary dia hanamafisana amintsika fa tena mijery dia mijery tokoa ny mpivavaka Andriamanitra, ary mahay manavaka tsara ny masina sy ny tsy masina, ny marina sy ny tsy marina, ny maloto sy ny madio, ka sao isika indray no hanao kajikajy fa ny Azy dia efa voasoratra mazava: DEO 23: 2-3, ISAIA 1: 12-17, ISAIA 56: 6-7, JER 14: 11-12, EZEK 8:1-18, AMOSA 5: 22-24, MAT 13: 24-30

Lesona II)Aoka ho masina hoa Ahy hianareo, satria Masina Aho”                                            Jehovah

a) Nahoana no tsy maintsy masina?

          Ny fahamasinana tanteraka no mampiavaka an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ireo andriamanitra hafa;  maro ny teny ao amin’ny Soratra Masina no milaza izany fahamasinany izany, ka tsy fireharehana na fanandratan-tena  anefa no anton’izany fa tena mampianatra ny olony mihitsy Izy hitandro izay fahamasinana  izay,  mba tena ho tafaray aminy isika, satria raha mitaha amin’ny izay lazaina fa andriamani-kafa  sy ny mpomba azy, Izy sy ny azy, dia hita miharihary ny tsy fitoviana, mety ho masina amin’ny toerana sy ny fombafomba izy ireny, fa dia tsy mba masina amin’ny fihinana ohatra, na koa ny mifanohitra amin’izany, tsy mba masina amin’ny fiteny, na koa amin’ny fitafy, eny hatramin’ny fitondran-tena mihitsy aza,  ary mbola maro aza no azo resahana ny  amin’izany.

Koa raha te ho olony isika, ary Izy ho Andriamanitsika dia tsy maintsy mitandro izay fahamasinany izay mihoatra noho ny an’izay andriamani-kafa rehetra isika, ary amin’ny lafiny rehetra mihitsy izany fa tsy misy fotoana na toerana manokana fa rehefa momba Azy, dia tokony ho hita amintsika mandrakariva izay  fahamasinana izay, na koa  tsy ao an-tempoly ihany  akory  vao manamasin-tena fa na aiza na aiza, na andro na alina, ny an ‘ireo andriamani-kafa mantsy  dia toy izany tokoa satria izy ireny ohatra dia tsy  mihetsika amin’ny toerana iray, ka tsy mahagaga raha eo amin’izay  fitoerany ihany no masina aminy, izao no voasoratra: ISAIA 45: 7-6 ” Izay mandraraka volamena avy an-kitapo sy mandanja volafotsy amin’ny mizana, dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany. Dia betainy iny ho eny an-tsorony ka entiny, ary apetrany eo amin’ny fitoerany iny ka dia mitoetra eo” fa izao kosa no fomban’Andriamanin-tsika: ASA 17: 27-28 ” mba hitady an’Andriamnaitra izy, raha tahiny  ka hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy; fa Izy no iveloman-tsika, sy ihetsehan-tsika ary iainan-tsika, . . .”

    Misy fampitahana roa azo raisina tsara etoana, raha eo amin’ny fiainana an-davan’andro no resahana fa misy anton-javatra maha lasa eritreritra tokoa ny vokatr’ireo, ka tokony  hampisaina lalina ny Kristianina, ny amin’ny finoana ohatra, satria na ny mponompo sampy na ny mpivavaka dia samy finoana ihany izany;  fa diniho anie ny toeotry ny olona amin’ireny doany sy sampy ireny, fa matetika na dia ny tsy mpomba azy aza tsy sahy mandoto ny toerana misy ireny, ary jereo ny fanarahany izay lazain’ireo ambarany fa mpitaiza azy, fa mba manao ahoana kosa ny fitandroan’ny ny kristianina sasany ny fahamasinan’ny toeram-pivavahany? (nahoana ohatra no mbola misy olona sasany sahy tsy manala kiraro ihany  miditra an-tempoly na dia manao izany aza ny maro, ary mba manao ahoana ny fankatoavana ny mpitandrina sy izay lazainy?)

Ny fahamasinana midika ho fiavahana na tsy fitoviana:  Mila asongadina sy azo tsapain-tanana mihitsy izay tsy fitoaviany izay, mba hampitombona tsara ny hevitry ny teny hoe masina, amin’izay sehetra na koa vanim-potoana rehetra mety ilana azy, ka eo amin’ny fivavahana ohatra dia tsy maintsy ankatoavin’izay rehetra miaraka amin’Andriamanitra izany; ka ny zavatra tokony ho tsapa amin’izany, dia ny hahitana fa voakasiky ny fahamasinana avokoa  ireo ny seha-piainan’ny olona rehetra, ary ho hita mazava ny tsy fitoviana, ireto misy ohatra: ny Fanahy Masina sy ny fanahy hafa, ny Sabata andro fahafito , androko masina hoy ny Tompo sy ireo andro hafa, ny alahady ohatra; ny fihinan’ny olon’i Jehovah sy ny olona hafa, ny fitafy andavan’andro sy  ny fitafy masina fitondran’ny mpisorona,  fa na ny olombelona koa aza dia ao ny ataon’ ny fiaraha-monina hoe: olon-tsotra sy ny olo-masina satria dia tsarain’ny olona amin’ny fomba fiainany eny , eny fa na dia hatramin’ny zavatra tsotra toy ny vato aza dia misy tsy fitoviany eo amin’ny fiaraha-monina, satria izay nahita soa taminy araka ny fiheverany dia milaza fa vato masina io ka dia tsy ampitoviany amin’ny vato hafa mihitsy;  ireo ohatra ireo izao dia efa ahatsapan-tsika fa eo amin’ny tsy fitoviana na ny tsy fampitoviana no hamaritana ny masina sy ny tsy masina, ka ny tsirairay avy izany na izay fivondronany  ihany  no manamasina ny azy araky ny fiheverany, koa mba ahoana hianao sy ny Andriamanitrao, ny soa fianatra fa samy manompo ny azy, nefa misy sehatra izay hihoaran’ny mpanompo sampy lavitra antsika

         Ny fahamasinana, maha saro-piaro an’i JEHOVAH Andriamanitra:   Fepetra napetrany dia ny mialoha izany raha nanaiky ny hiaraka amin’ny zanak’Isiraely Izy, LEV 20:26 “ Aoka ho masina ho AHY hianareo, satria masina Aho JEHOVAH; ary efa navahako tamin’ny firenena samy hafa hianareo mba ho Ahy “.    lesona iray tsy  fanadino mihitsy ny nanjo an’i Nadaba sy Abiho zanak’i Arona, ary porofo iray lehibe izany ka tsy tokony hanaovan-tsika tsirambina mihitsy, eny fa na dia atao hoe tsy mitovy aza ny vanim-potoana sy ny toerana, dia misy foana ny fepetra mifandraika amin’izany tsy maintsy tandremana toy ny anakandriamaso, ary izao no teny voasoratra tamin’ny fiafaran-izany : lev 10: 3 “  Dia hoy Mosesy tamin’i Arona : Izany dia ilay nolazain’i JEHOVAH hoe : Amin’izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan’ny olona rehetra no hampiseoakao ny voninahitro. Dia sina Arona “    Tao anaty tabernakely ilay tandindona marin’ny tempoly no nisehoan’izany, ary raha hitsara araka ny zava-misy isika, dia hita fa tsy misy azo tsinitsinina mihitsy ny nataon’Andriamanitra, na dia fiteny aza ny hoe:”Zanahary tsy omem-pondro”, satria i Nadaba sy Abio dia mpisorona ka efa nahalala tsara ny fepetra rehetra notakiny sy napetrany momba ny fahamasinana, indrindra raha miditra ao an-tranony, satria Masina Izy.

Tsy manilika na miavona amin’ny olony Izy, na dia Ilay Masina indrindra aza, fa kosa mampianatra ny olony  hitandro izay  fahamasinana izay;  raha todihina ihany koa mantsy ny zava-nisy tao an-tendrombohitry Sinay, tamin’ny andro nidinan’i JEHOVAH nanome ny lalàna, dia tamin’izany no efa nandidiny ny zanak’Isiraely mba hanamasina ny tenany sy ny toerana izay natao hihaonana aminy satria masina Izy, izao no voasoratra:

EKS 19 : 10  « Ary hoy JEHOVAH tamin’i Mosesy : Mandehana ho eny amin’ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy, . . . 10 Dia hanisy fefy manodidina ho an’ny olona hianao ka hanao hoe : Mitandrema hianareo mba tsy hiakatra ao amin’ny tendrombohitra, na hikaksika ny sisiny akory aza ; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa, . . .15 Ary hoy izy tamin’ny olona : Miomàna hianareo  ho amin’ny andro fahatelo ; aza manakaiky vehivavy akory ».            Tamin’izany ary dia hita fa misy lafin-javatra telo sahady no takin’Andriamanitra hahamasina ny olona dia: ny fitafy, ny toerana, ary fahamasinam-batana ; ary dia nohamafisiny tsara fa tena mety hahafaty  mihitsy ny tsy fitandremana izany .     Andeha hazavaina tsotra amintsika ary ireo telo ireo:

Ny fitafy:  raha misy raiamandreny tsara sitrapo eo amin’ny fiaraha-monina dia tsy hamela ny zanany hanao fitafiana maloto sy tsy mendrika velively mihitsy izy, indrindra fa raha avy ka hifanerasera na hitakosina mivantana aminy ilay zanany izy, Andriamanitra dia Ray mihoatra ny ray rehetra ka tokony hihevitra ohatr’izany koa isika, ary momba ny fitafy ao amin’ny Soratra Masina dia maro sy isan-tsokajiny ny fepetra napetrany momba azy, ary saika eo amin’ny sokajin’olona rehetra dia nomeny hatrany izany fepetra izany, ohatra: fitafy nohamasinina manokana ho an’ny mpisorona:

Lev 6: 3-4” ary hiankanjoan’ny mpisorona ny ankanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handroaka ny lavenona avy amin’ny fanatitra odorana izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara, ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby amin’izay fitoerana madio”, na koa ny fitafy manavaka ny lahy sy ny vavy:

DEO 22:5 “Aoka ny vehivavy tsy hitafy fitafian-dehilahy, ary ny lehilahy tsy hitafy fitafiam-behivavy, fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany” na koa ny fitafy tsy mampiseho ny fitanjahana:

EKS 28:42 “Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanaronany ny fitanjahany, hatramin’ny valahany ka hatramin’ny feny no hisy azy” ary ao koa ny fitafy maontina sy mendrika:

I TIM 2:9 “Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin’ny fitafiana mahamendrika mbamin’ny fahamaontinana sy fahononan-tena,” , koa raha izany ary ny taloha efa ela dia ela, mainka ve fa ireo karazam-pitafy manaraka toetr’andro ankehitriny, dia azo heverina ve fa hankasitraka ireny hanantonana Azy Izy?

Tiana ary ny mifampizara aminao fa tsy filam-baniny ny ataon’ny mpanoratra raha milaza sy manoro anao izany, fa anisan’ny fahamasinana takin’Andriamanitra ny fitafy enti-manantona Azy aloha, nefa koa na dia eo anivon’ny izao tontolo izao dia nandidy Izy hoe: “aoka ho masina hianareo, fa efa navahako tamin’ny firenena hafa”, izay midika fa tsy ny andro hankanesana ao an-tempoly ihany no hanavahana izany fitafy izany, fa eo amin’ny fiainana andavan’andro mihitsy eo anivon’izao tontolo izao; mba hahatanteraka ny voasoratra hoe; “hanitr’i Kristy eny tontolo rehetra eny”  

Tsoa-kevitra:  Misy antoko-pinoana vitsivitsy tazana eto amintsika, miezaka manao fitafy manokana mihitsy na andavan’andro na mivavaka, zokiny indrindra amin’ireny ny ”fifohazana“, manaitra ny sain’olona sasany ireny ary miteraka resaka maro samihafa; kanefa aza mbola mitsara aloha isika hoe marina ireny na diso, fa mba jereo sy diniho tsara aloha fa ny fiheverana ny fanamasinan-tenany ho an’Andriamanitra no anton’ireny, izay azo adika tsara hoe: manan- tahotra sy fitiavana an’Andriamanitra tokoa ry zareo, na manao ahoana fijeri-tsika ny  foto-pinoany na manao ahoana

Lesona: I PET 2: 9” Fa hianareo dia fanjakam-pisorona, firenena masina.

Raha eken-tsika fa natao ho antsika ny voalazan’I Petera ao amin’io epistily voalohany io dia misy fampianarana iray manambara izay antony iray ilàn’Andriamanitra antsika ao, indrindra fa isika izay efa samy manaiky fa mahalala fahamarinana maro ao amin’ny Soratra Masina, ka ny anontaniana dia izao:  hevero avy hatrany, aiza ho aiza an’ireo lesona eo ambony ireo hianao sy ny fitafinao manantona an’Andriamanitra, na lahy hianao na vavy? ary raha tsy mba manamasin-tena eo amin’ny fitafy ve ny olona iray dia mety ho lasa fanjakam-pisorona sy firenena masina araka ny fikasan’Andriamanitra?

Ny toerana:  efa nitondrana lesona lava teo ambony ity resaka iray ity, ka fanamafisana ihany no lazaina satria ity no tena azo lazaina fa ivon’ny lesona fandrefesana sy fanadiovana Tempoly.  “ Asaivo manao fitoerana masina ho Ahy izy dia honina eo aminy  Aho”,  izany no baiko nomeny an’I Mosesy  rehefa tapak’evitra honina teo amin’ny fiangonana Izy,  manambara sady manamafy  anefa izany fa ny fitoerany dia tsy maintsy masina mandrakariva, ary raha mbola iveranan-tsika ihany koa aza ilay  hoe: ” masina “  teo aloha, dia mazava tsara  fa tsy mitovy velively amin’ny fitoerana hafa izany ny Azy,  indrindra fa ny tempoly, ary azo lazaina fa ny tsy nahatanterahan-tsika izany no antony nandidiny indray hoe:  diovy, refeso indray ny Tempoly, fanantenana lehibe ho antsika anefa izany, satria dia midika avy hatrany izany fa mba vonona ny hitoetra amintsika Izy.

         Raha tsiahivina fotsiny ohatra, fony Izy niansto an’I Mosesy hanantona Azy tany an-tendrombohitra tao amin’ny memy dia efa nandidy Izy hoe:”Esory ny kapanao fa tany masina no hitsahinao”, mazava loatra izany satria nanatrika teo Izy ka masina ny faritra rehetra misy Azy

Mbola toy izany ihany koa no niseho fony Izy niseho ho komandin’ny miaramilan’I Jehovah tamin’ny Josoa, nialoha ny handravana an’i Jeriko, fa hoy Izy tamin’I Josoa: ” Esory amin’ny tongotrao ny kapanao fa masina io tany ijanonanao io

Izany zava-nisy rehetra izany sy ny maro hafa mbola tsy voatanisa ary dia manamafy amintsika ny fahamasinana takin’Andriamanitra eo amin’ny toerana rehetra momba Azy, ary izaho sy hianao mino fa tsy miova Izy omaly sy anio ary ho mandrakizay, koa nahoana no mihemotra amin’ny izany ny maro amintsika amin’izao fotoana izao?

Aoka tsy ho diso hevitra, na hanadino ary isika, fa efa nilaza Izy fa na aiza na aiza no hiangonanareo ary hiantsoanareo ny Anarako dia ho eo afovoany Aho, tsy dia azo adika akory izany hoe: voatery hanala kiraro foana ve izany na aiza na aiza, fa inona no fanamasinan-tena takin’Andriamanitra aminao isaky ny manonona ny Anarany hianao

Lesona:  EZEK 46:12: “Izao no lalàna amin’ny trano, ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon’ny tendrombohitra, eny, izany no lalàna amin’ny trano

Afaka manana fijery toy zao ve hianao: na inona na inona lesona momba ny tempoly, dia tsy maintsy raisina ka arahana sy tandremana tsara toy ny anakandriamaso daholo, raha mbola tratry ny aina sy fanahy ihany, satria dia izany hevitr’io andinin-tSoratra Masina io.

b) Ny Alitara, toerana tena masina ao tempoly

EKS 29 :37 “Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy.“

         Niniana natao lesona manokana mihitsy ity momba ny alitara ity, na dia tafaray ao anatin’ny fahamasinan’ny tempoly ihany aza izy, ny maha zava-masina manokana azy ao anaty tempoly eo ihany, fa ny lesona omeny no tena lehibe amintsika.    “Altaria” teny latina no dika fototra nandraisana azy, azo adika tsotra hoe: toerana avoavo miendrika latabatra natokana hanaterana na hametrahana zavatra iray voatokana, na natokana, maro ny teny milaza azy ao amin’ny baiboly fa ny mpandinika Baiboly dia nahita fa miisa 305 ny teny hoe: “alitara”,  hita ihany koa anefa ao amin’ny Soratra Masina fa maro karazana izany, asa noho ilay fanazavana ny asany nomena teo ambony angamba no antony, ka samy nanana izay niheveriny azy, ka rafitra samy  nanangana ny azy izay nanana andriamanitra, talohan’ny tempoly ihany koa ireo olon’Andriamanitra toa an’dry Noa, Abrahama, Jakoba, Samoela, Davida, Saoly sy ny maro hafa, dia samy nanorina teo amin’ny toerana sy fotoana izay  noheveriny fa mety amin’izany, indraindray aza moa dia nafangaron’ny olona izy ireny, ary dia anisan’izay zavatra nahatezitra indrindra an’i Jehovah

Rehefa hita ary fa na dia ny andrimani-kafa aza mba nanaovan’ny olony alitara ihany koa, dia itodihana indray ny hevitry ny teny hoe: masina, izay efa nianaran-tsika teo aloha, azo ampiasaina tsara ihany koa mantsy eto ny dikany manao hoe: hafa amin’ny fijerin’ny tompony ka tsy ampitoviany amin’ny karazany, ary rariny loatra Izy raha nitaky sy nandidy mihitsy ny hanamasinina ny alitarany, ka na dia azo lazaina aza fa mety ho nitovitovy endrika na fitaovana namonoranana tamin’ny hafa izy ireny,  dia nampiasaina manaraka ny lalàna sy fitsipika mazava tsara kosa ny alitaran’i Jehovah, Andriamanitra tena Izy.

Ny tantara momba  an’Andriamanitra sy ny olony tao an-tempoly ary ny alitara, dia manome lesona lehibe tokoa ho antsika amin’izao andron-tsika izao;  tsapa mantsy tamin’ny tantaran’ireo mpanompony maro fa saiky tafahaona tamin’Andriamanitra avokoa izy ireny rehefa nanao ny nantaony araka ny didin’Andriamanitra teo ambony alitara, toy ny  vavaka, namono fanatitra, nandoro fanatitra; satria tsapa araka ny  voasoratra fa tsy nanao  ny alitra araka izay fantany izy tao an-tempoly, fa nisy tokoa ny fomba sy fitsipika nodidin’i Jehovah hatao ho an’ny alitra, ka dia notanterahan’izy ireo izany, na dia voalaza aza fa misy tamin’izy ireo no nanao alitara ho an’i Jehovah arak’izay zava-nitranga teo amin’ny fiainany, dia tsy mba sahy nanova na nikitika izay didin’I Jehovah izy ireo rehefa tao an-tempoly, indreto misy toro marika vitsivitsy tamin’ireo nasain’Andriamamnitra natao ho an’ny alitarany:

Rava vato no hatao: EKS20:25-26”Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza vato voapaika no hanaovanao azy, fa raha manainga ny fandrakao ho aminy hianao, dia handoto azy

Raha hazo aksia: EKS 27:1” ary manaova ny alitara amin’ny hazo akasia, dimy ankiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro tsy mivadi-mandry izy, ary telo ankiho ny hahavony

Ny alitara volamena dia Izy ihany no nandidy ny toerana hasiana azy; EKS 40:5”Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ny fiaran’ny vavolombelona

Ny alitara varahina fandoroana fanatitra dia nataony hoe: EKS 40:6” Ary ny alitara fandorona fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ny tabernakelin’ny trano lay fihaonana”

Lesona: tanisao, diniho iza avy, ary taiza avy, fotoana inona avy, no nanaovan’ireo olon’Andriamanitra alitara ivelan’ny tempoly, ary efa nisy nomen’Andriamanitra baiko ve izy ireo tamin’izany?   ary raha samy nahazoana valim-bavaka ihany izany, nahoana ireo no tsy sahy nanova mihitsy ny alitran’i Jehovah tao an-tempoly araka izay nolazainy izy ireo, nefa izy ireo ihany no nasainy nanamboatra azy?

Tsoa-kevitra

  1. a) Nohamasinina tokoa ve ny alitara fahiny?

.     Efa namabaran-tsika teo aloha fa ny fijery iray hafa koa ny teny hoe: masina dia miankina ihany koa amin’izay mampiasa azy, ka raha miampy ireo fepetra izay napetrany dia azo porofoina tsara ny mahamasina tanteraka ny alitran’i Jehovah, ndeha ho jeren-tsika akaiky dia akaiky isan’isany anie ireto antony ireto:

  1. a) Ireo mpanompony: Noa no manomboka voalohany nanao alitara ho an’i Jehovah GEN 8:20, ary dia nanohy ireo mpanompony maro taty aoriana, dia Abrahama, Jakoba, Mosesy, Davida sy ireo maro hafa ihany koa, ka ny zavatra tsapa dia hita fa tena natokany ho an’Andriamanitra tokoa izany, na dia tsy mbola nisy didy nomen’Andriamanitra azy aza tamin’izany, satria ireo trangan-javatra lehibe voamarika nisy teo amin’ny fiainany dia nekeny fa avy tamin’Andriamanitra avokoa,  indrindra fa ireo fitahiana ka dia nanorina alitara izy hanaterany fanatitra ho Azy, masina amin’izy ireo izany alitara izany satria nataony ho an’Andriamanitra, ohatra Jakoba, GEN 35:7.

Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hœ El-betela no anaran’izany tany izany; fa teo no nisehoan’Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan’ny rahalahiny. “

  1. b) Ireo fitaovana: na dia maro aza ny nanana sy nanao alitara, dia Jehovah Irery ihany no nanondro ny zavatra hanaovana ny alitarany ary koa ny fomba hanaovana azy, ohatra: ny EKS 20:25“ Ary raha alitara vato no hataonao, dia aza vato voapaika no hanaovanao azy; fandrao raha manainga ny fandrakao hianao, dia handoto azy”, koa dia nohamasininy izany ny alitarany
  1. d) Ny zavatra aterina: Hita fa tsy kisendrasendra velively, na sanatria fitiavana karazany maro ihany no nanomezany baiko hanaovana ny alitara amin’ny zavatra maro karazany, fa hitany sy nodidiny daholo izay hatao eo amboniny, ohatra: EKS 20:24a“ Alitara tany no hataonao ho Ahy, ha haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao“, na koa ny EKS 30:1“Ary manaova alitara handroorana dinti-kazo manitra: hazo akasia no hanaovanao azy“ , ary dia nomeny hatrany ny toro marika fa masina aminy ny alitarany
  1. e) Ireo fomba fanao teo amin’ny alitara: Inty no heverina fa lesona iray tena saro-pady indrindra, ka itaomana antsika mba handinika tsara. Ny vato , volamena, varahina, ny  hazo, eny hatramin’ny fanatitra aza dia zavatra ihany ireny tsy mba misaina na  miteny fa ny olona izay manatona rehetra ny alitara dia nomeny fepetra avokoa, ary mazava tsara arak’izany rahateo fa raha sanatria misy ny fahatezerany dia tsy andraikitr’ireo zavatra voatanisa teo ireo izany,  na koa izay  mety vokatry ny fahatezerany, fa dia amin’ilay olona avy hatrany hiantraikan’ny izay  atao eo amin’ny alitara

Mizara roa avy hatrany ny lesona, ary niniana apetraka dia ny mialoha izany mba tsy hahatonga antsika hamita-tena ka haka tahaka be fahatany fotsiny an’dry Noa sy ry Abrahama, satria nanao sy nampiasa alitara araka ny fitiavany an’Andriamanitra izy ireny, ka dia Izy ihany no nahalala izay hevitra niheverany azy; ankehitriny rahateo efa natsahatra ny fanatitra dorana sy alatsa-drà rehetra ka dia tsy misy intsony koa ireny karazana alitara ireny

Ny tao an-tempoly

Ny tao an-tempoly no tena nahitana sy nitakin’Andriamanitra izay fahamasinan’ny alitarany izay, ary nahatsapana fa tena maha sarotiny azy indridnra izany, tsy hadinon’ny mpivavaka mandrakizay ohatra ny nanjo an’i Nadaba sy Abio raha vao resaka fahamasinan’ny tempoly sy ny momba azy, ary araka ny voalazan-tsika teo aloha tokoa dia saiky amin’ny olona hatrany no ipetrahan’izany fepetra izany:

Voalohany: EKS 33:30  “Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy, ny mpisorona izay voasoratra in-700 mahery ao amin’ny Soratra Masina, dia eken’ny rehetra na taloha na ankehitriny fa izy ireo no olona nansain’Andriamanitra nohosorana manokana, mba hanana fahefana hiditra sy hivoaka ao an-tranony masina, ary manao ny asa rehetra na mivantana toy ny famonoana sy fandororna fanatitra izany, na amin’ny asa fisoronana miaraka amin’ny fanandratam-bavaka, ary dia Arona sy ny zanany moa no voatendry tamin’izany.  Ny hosory sy hamasino dia midika avy hatrany hoe: atokany, izay midika avy hatrany koa fa tsy ny olona rehetra no afaka manakaiky ny alitara, satria dia ny alitara tao an-tempoly ny lesona eto ka dia izy ireo ihany raha teo no mananana fahefana hiditra sy hivoaka ny tempoly,  ary maro dia maro ny fepetra niaraka tamin’izany fanosorana izany, izay manamafy fa tsy ny rehetra no afaka hatao sy manao izany, fa tsy maintsy taranaky Arona sy  ny zanany ihany; ireo rahalahin’I Arona avy amin’ny taranak’i Levy dia nasainy nanampy azy amin’ny fanompoana saingy noferany tsara tsy hanakaiky ny alitara, NOM 18:3dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny tano lay izy, kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa”

Faharoa: Ny fitafin’ ny mpisorona izay nohamafisiny tokoa araka ny EKS 28:2 fa vonihanitra sy fahatsaran’tarehy no fiheverany azy, ary nodidiny amin’ny an-tsipiriny mihitsy ny hanaovana izany ho an’i Arona sy ny zanany, EKS 28:1-43, ary dia tsy maintsy hanaovana mandrakariva izy ireny raha vao miditra ny tempoly izay mazava loatra fa toerana misy ireo alitara isan-karazany.  Mbola fepetra iray miaraka amin’izany ihany koa indrindra raha mankeo amin’ny alitara ny fitanjahana vokatry ny fitafy, ka izao no didy:”Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany, hatramin’ny valahany ka hatramin’ny feny no hisy azy”,   izany fepetra izany sy ny maro hafa tsy voatanisan-tsika eto, dia manamafy hatrany fa masina amin’Andriamanitra ny fitafin’ny mpisorona noho ny fitoerany masina sy ny alitarany izay hanompoany, fa masina aminy ny alitarany 

Fahatelo:  NOM 28:2Mandidia ny Zanak’Isirely hoe: ny fanatitra ho ahy dia ny haniko, izay fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka ho tandremanareo ny hananterana izany ho Ahy amin’ny fotoany avy”, manaitra sy mampisaina lalina tokoa ny nambarany tamin’ny fiangonana fa hay ny fanatitra izay aterina eo amin’alitara dia haniny, koa dia tsy maintsy hamasinina avokoa izay rehetra momba izany, ary  dia tsy afa-misaraka amin’ireo fepetra maro voatanisa teo aloha izany, koa dia natokana ny mpisorona, voatokana ny fitafiny, tsy maintsy hamasinina ny alitara fa ny hanin’Andriamanitra no aterina eo ( jereo ny hevi-teny alitra tany aloha, miendrika latabatra), izany koa dia midika fa masina aminy ny alitarany 

Fahaefatra:  NOM 18:1Ary hoy Jehovah tamin’I Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary hianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo”, ireo heloka voatanisanisa teo ireo dia tsy inona fa ireo vokatry ny fahotana rehetra nataon’ny zanak’Isiraely hatramin’i Arona sy ny zanany, ka tonga teo anatrehan’I Jehovah, kanefa ny hevitry ny teny voasoratra dia hoe: tsy eken’Andriamanitra velively izay rehetra atao amin’ny fitoerana masina, ary indrindra izay hatao eo ambony alitara raha tsy Arona sy ny zanany ihany no manao azy, noho izy ireo efa nasainy nohosorana manokana mba ho mpisorony, ary aoka ho tsaroana fa na dia Arona sy ny zanany aza mbola misy fepetra maro momba ny tenan’izy ireo manokana, toy ny hoe: ny misy kilema samihafa tsy mahazo manao ny raharahan’ny mpisorona, ny tratran’ny fahalotoana maro samihafa sy ny maro hafa koa.   Ity farany ity ary dia hiankinan’ny ain’ny fiangonana tokoa, satria inona no hanjo azy raha tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitra noho ny ota, sy ireo hafa izay ateriny eo ambony alitara, raha sanatira tokoa ka olona tsy anksitrahany no mitondra izany eo anatrehany ambony alitara

Fahadimy: ny fahadiovam-batana, heverin-tsika ho zavatra kely foana izany nefa ireo ireo mpisorona nohosorany dia tsy sahy manao kitohatoha amin’izany satria efa nodidiny izany:

EKS 40:32 ” Raha niditra tao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary raha manakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay nandidin’i Jehovah an’I Mosesy, tsy maintsy madio vatana ny mpisorona fa masina ny alitarany

  1. b) Ahoana ny alitara,fa efa rava ny tempoly?

Ireo voahosotra hitondra fanatitra hanatona azy no tena lesona eto, satria maro no mihevitra fa rava daholo izany rehetra izany rehefa tonga Jesosy.  Tsy tsara ny mamaly maimaika izany, satria ny aim-panahin’ny olona mihitsy no hiantefan’izany.

Tena tetik’asan’Andriamanitra mihitsy ny nandravana ny tempoly sy ny fomba hita maso natao tamin’izany teo amin’ny asa fisoronana, izay heverina fa ny hampitsaharana ireo tsy fitandremana ny fahamasinana nataon’ny mpisorona no antony, ka mba ahazoan’ny olona famonjena amin’ny alàlan’i Jesosy; izao mantsy ny toetry ny mpisorona nampahitana an’i Ezekiela mpaminany, 22: 26Ny mpisorona dia nandika ny lalàko sy nandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny  masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsy fitovian’ny  maloto sy ny  madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsirainy ao aminy Aho” 

Raha vakina tsy asiana ady hevitra io dia mazava tsara izany fa tapaka ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona noho ny ataon’ny mpisorona, izay azo ambara mandrak’ankehitriny fa hany mpanelan’elana nekeny amin’ny alàn’ny asa fisoronana voatendry hataony, kanefa raha tapaka tsy hitohy izany dia inona moa izany no maha Andriamanitsika Azy?   Tsara Jehovah ka mendrika ho deraina mandrakizay, izay manambara ny lalàm-pamonjena antsika ho mandrakizay, satria tsy nisy azon’Andriamanitra nanteanina intsony izany ireo mpisorona tamin’izany, ary asa angamba izany no naharava tanteraka ny tempoly satria tsy afaka nitoeran’Andriamanitra.

JAONA 14:6” Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy  olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”,  Fomonjena,  Mpamonjy, tsy afa-misaraka amin’ny Anaran’ny Tompo mandrakizay ireo teny ireo, satria tokoa raha misy olona tsy manana fahefana hiaona amin’Andriamanitra dia fahaverezana no dikan’izay raha eo ny mpamonjy

Izy no Mpisoronabe mandrakizay ho antsika

Tena marina tsy hiadin-kevitra tokoa ireo fiteny sy resaka mahazatra antsika, toy ny hoe: Jesosy  no mpanalalana, Jesosy mifona ho antsika, Jesosy mitondra ny heloky olona, Izy no mifona ho antsika sy ny sisa, kanefa aza hadino fa izay mihitsy no asan’ny mpisorona fahiny, ary izany no manamafy fa Izy dia tena Mpisorona be tokoa ary voatendry toa an’i Arona ihany koa: HEB 5:5” Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: “ Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”  Toko sy andiny ilaina: Heb 4:14-16; 5; 7; 8; 9

Mitohy indray ny fifandraisana

Voasolo mandrakizay izany ny Mpisoronabe, ka mitohy ny fahafahantsika mankao an-tempoly mandrakizao, satria izao no voasoratra, JOBA 33:27Ary hamindra fo aminy Aho ka nanao hoe: Vonjeo ny ainy tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra ho azy Aho”, mbola misy anefa ny tandindona tsy azo novana ao an-tempoly ao, fa mihazona ny fahamarinana mandrakizay ireny, ka anisan’izany ny alitara, izay raha iverenana ny fanazavana natao tany aloha dia ilay hoe: toerana avoavo miendrika latabatra natao hananterana na ametrahana javatra,  amin’izao fotoana izao ao an-tempoly dia misy izany ary eo isika no manatira ny fantitra sy ny vavaka isaky ny mivavaka, na inona no fanazavana na ionone dia resy lahatra ny rehetra fa alitara io

Tsy azo ovana ny fahamasinan’ny alitara

Ny mpisoronabe no nosoloina, fa ny alitara sy ny fahamasinany tsy miova mandrakizay, na miova aza ny endriky ny tempoly sy ny momba azy amin’izao fotoana izao, tsarovy ny teny farany nomeny ao amin’n APOK 22:11b “, ary izay masina, aoka mbola hihamasina hatrany izy “.    Hoy isika tany aloha: tena loza ny nanjo an-dry Nadaba sy Abio fa maty teo no ho eo, satria tsy nitandro ny fahamasinan’ny alitara sy ny momba azy, fa masina ny alitaran’I Jehovah.

Ilay Mpisoronabe vaovao koa efa nanome toky fa hoe: “Angataho izay rehetra angatahanareo, amin’ny anarako fa ho azonareo izany”, tsy izay no misy fa maro ny mangataka ao an-tempoly rehefa Sabata, fa maro no tsy mahazo: aretina tsy sitrana, olana miampy olana, hakivina, ady sy fanafihana tsy misy farany, TSY MIFAMPITSARA ISIKA FA MIANATRA, sao mba tokony ho jerena ny fahamasinan’ny alitara, fa maro aza ny fiangonana no toa any an-tokantrano indray no mahazo valim-bavaka.   Mbola misy ihany koa anefa ny fiangonana toa hita fa maty fanahy mihitsy, izay zary lasa tandindon’ny fahafatesana ara-nofo nanjo an’i Nadaba,  fa na dia ao an-tranon’Andriamanitra Sabata aza dia mifanditra sy mifamaly, mifampifosa, ary ny tena loza fa na ny fijangajangana aza dia tafiditra eo anivon’ny fiangonana, fa mbola loza tahak’izany fa misy dia ny  mpisorona mihitsy no misy tsy mahatoky amin’ny fahafolokarena sy ny fanatitra, koa tsy fahafatesana ara-panahy ve izany ? sao mba tokony ho jerena ny momba ny alitaran-tsika, izay natao hiantsona ny anaran’i Jehovah, hanandratam-bavaka, hifonana, hananterana fanatitra, nefa todiho tsara ny didy nomeny momba izany, fa tsy nisy olona nahazo nanantona ny alitara afa-tsy ny voahosotra ihany

Raha ny aretina fotsiny no resahana ohatra, izay ahitana fa mbola no mamatotra ny olona, na dia tsy mitsahatra aza ny fametrahan-tanana, dia izao no teny fikasana nomeny:  ISAIA 33:24”Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka miresaka indrindra ny amin’I Ziona ny Soratra eto, izay tsy iza fa ny tandindon’ny tempoly ihany.

Ny Lesona izany eto dia ny hoe: mitsahatra ny aretina fa voavela ny heloka rehefa mitoetra ao an-tempoly, ka voavela heloka satria noraisin’Andriamanitra ny fifonana sy zavatra rehetra nataon’ny mpisorona voahosotra teo ambony alitara, izay araka ny didin’ I Jehovah ihany, tsiahivina eto mantsy ilay nampilazany an’Arona manao hoe:“ hianao sy ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fisorona sy ny momba azy, dia ny fiangonana izany ”           Andeha hifanontany tena isika, mety ho azo avy hatrany koa ve amin’izao andron-tsika izao ny valim-bavaka raha ny mifamadika amin’izay no atao?  ka ny avy amin’ny fiangonana indray no mitondra ny heloka fa ny mpisorona miandry valim-bavaka?  Maro ny toko sy andininy azo hamaliana izany, fa ny maika sy lehibe eto aloha dia momba ny fahamasinan’ny alitara.

Tsy azo hodian-tsy hita koa ankehitriny fa mitsitongana tokoa ny fitondran-tenan’ny maro amin’ny fiangonana, araka ny voalaza teo aloha, ka na dia ny vokatry ny Fanahy voalaza ao amin’ny GAL 5:22 aza dia manjavozavo tokoa amin’ny maro, isaorana Azy aloha ny famindrampony fa tsy ny rehetra no tratran’izany hatreto, kanefa tsy izany ve no hatao hoe faka mangidy mitsimoka, ka handoto ny maro?

Ilay Mpisoronabe vaovao efa nanambara fa tsy foana ary tsy misy azo foanana ny amin’ny didy sy lalàna, na dia tendro-tsoratra iray aza, koa aoka isika tsy hatoky tena fa mety daholo izay kaikajy ataon-tsika na dia manalavitra izay voasoratra aza

Andeha izao no hatao

Na dia tsy mitovy intsony amin’ny fomba fomba, ny endriny taloha aza ny alitra sy ny momba azy, dia misy tandindona tsy azontsika kosehina velively dia ireto avy :Ny fahamasinana – ny mpisorona – ny fitafy – ny fanatitra – ny vavaka, ndeha tsiahivina indray ny hafatra farany nomeny momba izany ao amin’ny APOK 22:10-11 “Ary hoy Izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity, fa antomotra ny andro.  Izay manao ny tsy  marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy, izay maloto aoka mbola hihaloto ihany izy, ary izay marina kosa aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy”.  Ny sehatra rehetra eo amin’ny fifandraisana aminy no hiantefan’izany teny izany, ka midika izany fa ny fiangonana rehetra no hilazana, ka tokony hatao maika aloha dia fandraisan’andraikitry ny tsirairay, fa tsy misy ho afaka amin’ny fahatezarany isika raha sanatria hisy izany, noho ny tsy fahamasinan-tsika, koa rehefa fantarao ary fa maloto hianao, asa mety tsy nisaika akory aza angamba, izay zavatra faran’izay tsotra indrindra nefa nanafaran’Andriamanitra ireo mpisorona tsy maintsy hatao, dia aza miakatra eo amin’ny alitara aloha; rehefa fantatrao fa tsy anjaranao ny ho eo(toy ny vehivavy, ny kilemaina) dia aza miakatra eo, rehefa fantatrao fa tsy voahosotra ho eo hianao satria hianao ihany dia afaka mahafantatra ny tenanao, fa efa nomena anao izay ny lesona momba ny fahamasianan’ny alitara, dia aza miakatra eo (TANDREMO: samy hafa ny lesona momba ny hosotry Fanahy Masina sy ny fanosorana mpisorona, lazaina etoana izany mba tsy hamitaka antsika, na dia lesona aoriana aza, fa hoy ny Teny: ”zarazaraina samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia Iray ihany, I KOR 12: 3); mamitaka antsika ihany koa anefa ny fiheverana fa ny vehivahy ihany no tsy tokony hiakatra eo ambony alitara, fa ratsy lavitra noho izany ny lehilahy  tsy manamasin-tena.

Aoka ary samy hihevitra izany isika fa ny fandringanana fahiny dia nihantra tamin’ny fiangonana iray manontolo, na dia tsy hitovy amin’izany instony aza ny fomban’ Andriamanitra ankehitriny 

Lesona III)      Iza no tena tempolin’ny Fanahy?

Raha mbola Kristianina ihany ka efa mba namaky tsara ny baioboly dia samy mahay mamaly avokoa io loha hevitra zary fanotaniana io, tsy mahasoa antsika nefa izany satria dia maro no hita fa mamita-tena ihany, ka zary lasa fitenena fotsiny ihany izany fa tsy mahalala akory isika hoe: oviana tamin’ny fiainan-tsika no tena marina izany, izao no lesona:

         Jao 4: 24b « ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana »

Isaoran-tsika Azy ny fitiavany ka nanomezany ny Fanahy, Izay mampianatra antsika ny fahamarinana rehetra, fa raha sanatria tokoa mantsy tsy fantan-tsika izay antony kanefa ho sahisahy hanantona Azy amin’ny tena sy fanahy tsy masina isika dia ho very maina ihany izay rehetra natao hatrizay.

Raha ny lesona nentin’ny EZEK 43:12 teo aloha dia milaza fa masina avokoa izay rehetra voafaritra ho an’ny tempoly, ary fanampin’izay dia aoka tsy hadinoina velively fa fitoeran’Andriamanitra ny tempoly, midika avy hatrany koa izany fa na ny miditra na ny mivoaka, na ny ao anatiny dia masina avokoa, koa tsy azo valiana moramora foana io loha hevitra io, fa aleo aloha mianatra tsara, ary indrindra mamantatra tsara ny tena  vao mamaly.

Taloha mantsy dia maty teo no ho eo ny olona rehefa miditra tao fitoerany masina ka tsy mitandro ny fahamasinana takiny (toa ny nanjo an’i Nadaba sy Abiho), fa amin’izao fotoana izao noho ny amin’i Jesosy Kristy dia tsy toy izany intsony no fanaon’Andriamanitra, fa araka ny voalaza etsy ambony dia mampianatra antsika mandrakariva amin’ny alalan’ny Fanahiny IZY, mba hahalala toy ny hoe:

  • EZEK 37:14” Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona hianareo”
  • JAO 4 : 11 “  . . . Andriamanitra dia Fanahy ka izay mivavaka aminy  dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana ”
  • ROM 8:9  “  tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy “
  • ROM 8 :16   “ Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahin-tsika fa zanak’Andriamanitraisika”
  • I KOR 3:16 “ Tsy fantatrareo va tempolin’ Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’ Andriamanitra mitoetra ao anatinareo”

Mazava arak’ireo, ary mitombona tsara ny filazana fa zanaka ara-panahy isika, ary izay raha teo moa no efa mandresy lahatra antsika Kristianina amin’izao fotoana izao, izany hoe: olon’Andriamanitra ara-panahy isika, tsy misy mihitsy anefa Soratra na dia iray aza milaza fa ny zanaka ara-panahy dia tsy tokony hitandro intsony ny fahamasinana, izay fepetra voalohany amin’ny tranon’Andriamanitra dia ny tempoly izany, kanefa tena maha saro-piaro an’Andriamanitra mihitsy izany

Fanontaniana: tena vonona tanteraka ve isika ny ho tempolin’ny Fanahy Masina? 

Tsianjery: Jaona 14:6 “ Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana . . . “, teny fanantenana  tsara indrindra izany, fa saingy ahoana no hahatanteraka azy, satria na olona manao ahoana na ahoana, izay mahita io dia milaza azy ho kristianina dia afaka mandray izany daholo 

  1. a) Inona no tena fahamarinana?

Ny maha Kristianina dia midika ho fanarahana an’i Kristy, fa saingy toa tsy iainan’ny olona ilay maha Kristy an’Kristy, fa zary lasa anarana ifampiantsoana fotsiny ihany sisa, hany ka ny fahasoavana nentin’iKristy indray no zary lasa ozona, izao mantsy no tenin’ny Tompo ny amin’ny lalàn’Andriamanitra : «  Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany, tsy tonga Aho handrava fa hanantanteraka  », anisan’ny vontoatin’ny didy sy ny fitsipika ary ny lalàna eo amin’ny fiarahana amin’ Andriamanitra ny fahamasinana, ary ny  fitandroana izany no tena fahamarinana eo anatrehany.    Mazava tsara izany raha manetry tena isika mandinika izay voasoratra dia izao no fahamarinana voalohany: fa tsy ho tonga zanak’Andriamanitra mihitsy isika raha tsy amin’ny alalàn’ny Jesosy Tompo, ary manaiky hanatanteraka izay nampianariny, amin’ny alalàn’ny fanatanterahana ny didy sy lalàna, ka ny ivon’izany dia ny maridrefin’ny tempoly

Lesona: fahamarianana mira maharitra amin’ny teny: Izao no teny nolazain’ny Tompo: JAONA 8:31-32a “Dia hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa, ka ho fantatrareo ny marina. . .”, ny tena fahamarinana izany dia tsy maintsy maharitra amin’ny tenin’i Kristy, ary lehibe amin’ireny ny fanarahana ny didy sy mitandrina ny lalàna, ary maro amin’izy ireny anefa no sarotra sy mafy ny miaina sy manatanteraka azy eo amin’ny fiainana;  mandraisa sasan-tsasany amin’ny Sorara Masina

lesona: fahamarinana mira firaisana amin’ny Tompo: JAONA 15:6 ”Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, . . . ”   Niniana tsy notohizana mihitsy io andinin-tsoratra Masina io mba hanamafisana amintsika ilay tena firaisana amin’ny Tompo, fa mazava tsara izany izao ny tokony hatao fa ny Teny aloha no tsy maintsy mitoetra ao anati-tsika, fa Izy Zanaka aza dia manamafy fa Izy ao amin’ny Ray, ary ny Ray ao aminy; ary nambarany fa ny fomban’ny Ray ihany no fombany: JAO 5:19b” fa na inona na inona no ataon’ny Ray, dia toy izany  koa no hataon’ny Zanaka” fa ny tranga ivelany kosa dia hitarafan’ny olona ny mari-drefy, ary ny olona dia mandrefy araka ny hitany, koa raha mahatsiaro tena ho refesin’ny olona lava izao hianao, inona no tokony  hataonao, fa raha sahy milaza izany hianao fa kritsy no velona ao anatinao, dia tokony ho toa Azy sy ny Ray koa izany hianao sy Izy?  izany no fijery ivelany ny tempoly? Hianaro ny lesona Jaona 1:1-18

  1. b) Inona no tena fiainana?

Ndeha aloha ho raisina izay tandrify akaiky antsika dia izao fiainana izao, fa hoy ny Apostoly Paoly: ” Fa Kristy no antony ahavelomako, . . .” FILP 1:21, ampy hisainana sahady izany fa ny tena fiainana dia ny fahavelomana ao amin’iKristy, fa mbola nambarany koa hoe: “ tsy izaho intsony no velona ato anatiko fa Kristy, sy ny hoe: “ na zovy na zovy no natao batisa ao amin’I Kristy dia mitafy an’I Kristy” .         Koa rehefa ary izany rehetra izany, dia tsy maintsy hita amintsika ao anaty sy ivelany toy ny tempoly ihany ny koa izany ny fahamasinana, ka toy ny fanaka ao anatiny dia nohamasinina avokoa, ary ny ety ivelany dia mazava be ny voasoratra ao amin’ny EZEKIELA 43:12, milaza fa izay rehetra voafaritra natao ho an’ny Tempoly dia masina avokoa.

Lesona: SAL 84:4 “ Sambatra izay miotetra ao an-tranonao, hidera anao mandrakizay izy“, ny miteotra ao an-tranony izay voalazan’ny Salamo izay, fa mainka ve fa ny itoeran’ny Tompo?  Fijery sy fisainana tsara hitan’ny olona momba ny tempoly izany, ary rariny loatra izany satria famonjena, fitahina, fahasoavana no mivoaka avy tao an-tempoly, koa manao ahoana ny refin’izao tempoly lazaina manaraka izao:

Matio 15:18: “ Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo,  ka izany no mahaloto ny olona“,  fanontaniana avy hatrany:  mety hitoeran’ny Fanahy Masina ve raha misy fahalotona ao anaty, satria nanampy lesona ny Tompo manao hoe:

Matio 15:19 “Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy“, mbola azo raisina ihany hanampy ny fanazavana ny hoe: raha velona ao anaty tokoa ve kristy, dia mbola mety hifanohitra amin’izay nivoaka avy tao an-tempoly fahiny ve ny mivoka avy ao amin’ny tempoly vaovao dia ny tenan-tsika izany ?

Fehiny: Aleo tsy mandrefy ny tempolin’ny hafa fa ny an’ny tena aloha refesina, satria hianao ihany dia afaka mahalala sy mandinika, ohatra: amin’ny fiteny, anontanio ny tenanao hoe: ny Tompo avy ao anatiko ve no mampiteny ahy izany, na mampanao ahy izao?  Dia hainao avy hatrany ny tokony ho refin’ny tempolinao

Lesona fanampiny: Mika 4:2“ Eny maro ny  jentilisa  no hianiga ka  hanao hoe: andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ I Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitry Jakoba, mba hampianarany antsika amin’ny làlany, ka handehanan-tsika amin’ny atorony, fa avy ao  ziona no ivoahan’ny lalàna, ary avy any  Jerosalema ny  tenin’I Jehovah.    Fijerin’ny jentilisa ny amin’ny tempoly sy ny momba azy izany, inona avy kosa no mba hevitrao ny amin’izany? Ary raha mbola mihevitra ny ho tempoly hianao inona no tokony hataonao amin’izany?

Fa ao ambadik’io Soratra Masina io dia misy fikasan’Andriamanitra ny amiko sy aminao, raha feno ny fepetra maha tempolin’ny Fanahy ahy sy hianao 

Famintinanana

.     I pet 4: 17 ‘ fa tonga ny andro hiatombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’Andriamanitra. . .”

Ny fitsarana dia misy lafiny maro no azo andraisana azy, fa tsy votery ho fanasazina sy didy foana akory izany; ary amin’ny maha Andriamanitra fitiavana ny Andriamanitsika, dia izao no andikan-tsika azy aloha ankehitriny, mitaky amintsika Izy, mba hitsaran-tsika ny mari-drefin’ny tenantsika, izany hoe hanamarina ny mari-drefy, ary mba hamerenan-tsika azy haingana amin’ny tokony ho izy, dieny mbola misy ny fotoana fa tsy fantatra izany, izay hihavian’Ilay tena fitsarana, izay tsy maintsy kosa hamoahany didy fanasazina sy famaizany araka ny mari-drefin’ny tsirairay avy, ary mety ho ny fiangonana koa aza angamba.  Ny zavatra tsy maintsy ho avy izay resahana aminao izay, fa ny ankehitriny aloha dia efa misy fampieritreretana iray homena antsika ity.

I PET 3 :7 «  Ary toy izany koa hianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny  marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo »,  mba hevero kely anie; eto dia ny tsy fahamasinan-toetran’ny lehilahy manoloana ny vadiny no voateny, kanefa dia ny vavaka atao mihitsy no voasakana, tsy noresahany ny maha diakona, na loholona, na mpitandrina, na fahafolo-karena, na fanatitra, na fanompoana hafa, fa ny toetra tsy masina asehon’ny lehilahy amin’ny vadiny dia mahasakana ny valim-bavaka ho an’ilay tokan-trano, ary raha sanatria aza moa mpanompon’Andriamanitra izany lehilahy izany,  dia tsy azo heverina a ny valim-bavaka ho an’ny ondry andrasany na ny fiangonana ihany koa dia voasakana?   satria aza adino fa ny fiangonana dia efa nofofoin’Andriamanitra no vadiny amin’ny rariny sy hitsiny mandrakizay, ka mitovy amin’ny lehilahy iray tsy masina amin’ny vadiny ihany ny mpisorona tsy masina eo amin’ny fiangonana,, ka dia voasakana ihany koa ny vavaka hatao

Alao hery ary fa mbola tsy tara isika, raiso ny anjara biriky entin’ny lesona ho an-tsika mba hanorenana Tempoly vaovao mendrika hitoeran’Andriamanitra dia ny tenan-tsika sy ny momba azy izany, diniho ny Soratra Masina, mandraisa fanapahan-kevitra, dia mahazoa: FAHALALANA =      FAHENDRENA   =     VOA TSARA  

 

Refeso indray ny Tempoly