FAMINTINANA NY FIANGONANA FITO

Tanana izay nisy tany azia minora (Asie Mineure) izany no miseho amin‟ity tantaran‟ny fiangonana ity, ary dia hiainantsika hatramin‟izao fotoana misy antsika izao.

NY EFESOSY

Ny EFESOSY no nanehoany ny tantaran‟ny fiangonana voalohany, ka io fiangonana io dia fiangonana apostolika. Ny teny hoe efesosy dia azo adika hoe mahatsiriritra, ary noho izany dia nankasitrahan‟i Jesosy Kristy ny faharetany sy ny tsy fahazakany izay mpanao ratsy, ary ny nizahan‟ny fiangonana toetra ireto apostoly ireto, izay manao azy ho jiosy nefa tsy izy hoy Izy, fa mpandainga. Ary nanana faharetana ka niaritra noho ny anarany ity fiangonana ity nefa tsy reraka. Hazavaintsika avokoa izany toetran‟ny fiangonana apostolika izany, dia ny amin‟ny fahadiovany, sy ny fahamarinany sy ny fandreseny sy ny faharetany sy ny tsy fahazakany ny mpanao ratsy.
Izy io dia ny soavaly fotsy no nifanitsy taminy tany amin‟ny toko faha 6, ary dia izay nitaingina azy dia nanana tsipika nivoaka nandresy sady mbola handresy izany.
Sary nanehoana ny fiangonana tamin‟ny taonjato voalohany izany, ka na dia izany aza dia nokianin‟i Jesosy Kristy ihany ity fiangonana ity satria niala tamin‟ny fitiavana voalohany. Ka na dia nokianiny aza izy ity, dia nomeny toro-hevitra ihany ny amin‟ny hoe mibebaha ary manova ny asa voalohany, ary miorena tsara, tsarovy izay mbola nitoeranao, fa raha tsy izany dia ho avy Aho ka hamindra ny fanovanjironao. Izay manatsofina sy izay mpandresy dia omen‟i Jesosy Kristy ireo hazon‟aina ao amparadisa.

SMYRNA

Ny SMYRNA dia hita tamin‟ny taonjato faharoa sy fahatelo izany hoe ny taona 100 – 313. Dia nahitana ny fiangonana apostolika ihany, fa niharan‟ny fangidiana fanenjehan‟ny fanjakana romana ny kristiana, ka namonoana sy nandripahana ny kristiana, ary izay no nahatonga an‟i Jesosy Kristy nilaza hoe “aza matahotra izay efa hiaretanao, indro ny devoly efa manao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina mba ho voazaha toetra ianareo ary hampahoriana hafoloana, aoka hatoky hatramin’ny fahafatesana dia omeko anao ny satroboninahitry ny fiainana”,. Dia niseho tokoa ny fandripahan‟ny romana ny kristiana nanomboka taty amin‟ny taona faha 100 – 313. Ka soavaly mena moa no nifanandrify tamin‟io tany amin‟ny toko faha 6 ary nomena sabatra ary navela hifamono ny olona, ary navela hanaisotra ny fihavanana. Ny teny farany nomena ny Smyrna moa dia ny hoe: “aoka hatoky hatramin’ny fahafatesana ianao dia omeko anao ny satroboninahitry ny fiainana”. Dia mazava ho azy izany fa misy hifamono ao, novonoina ny Kristina

PERGAMOSY

Ny PERGAMOSY dia hita tamin‟ny vanim-potoana na taona 313 hatramin‟ny taona 538, vanim-potoana izay niovan‟ny amperora romana ho kristiana. Nivadika ny paikady na stratégie an‟i satana, fa tsy namono ny kristiana intsony indray satana tamin‟ny alalan‟ny fanjakana romana fa ny hamily ny fahazavana handeha ho any amin‟ny fahamaizinana ka nampifangaroan‟i satana tao am-piangonana ny fanompoan-tsampy sy ny fahamarinana. Ny fiainan‟izao tontolo izao Babyloniana sy ny fiainana any Jerosalema ka nahitana ny tantaran‟i Balama sy Balaka izay sady mahay atsy no mahay aroa. Fa na dia izany aza dia mbola nisy ihany ny vahoaka nijoro tamin‟ny fahamarinana sy nitàna ny fanompoana an‟Andriamanitra tamin‟ny fahazavana sy fahamarinana tsy niditra tamin‟ny fanompoan-tsampy sy nihinana ny hena naterina tamin‟ny sampy, ka dia nankasitrahan‟i Jesosy Kristy ireo, izay maty maritiora sy nitana ny finoana an‟i Jesosy Kristy. Na dia tao anatin‟ny fampifangaroharoana ny marina sy ny diso, ny mazava sy ny maizina ny sampy sy ny fivavahana marina tamin‟Andriamanitra, dia nisy ny olona tao pergamosy no tsy tafiditra tao anatin‟izany tetidratsin‟i satana izany, fa nitana ilay finoana an‟Andriamanitra marina. Dia io fiangonana Pergamosy io izany no tetezamita nentina niampita taty amin‟ny fiangonana Kristiana katolika sy ny fiangonana kristiana apostolika. Ary hitantsika fa nifanandrify tamin‟io Pergamosy io, dia ny soavaly mainty, ka ny loko mainty dia midika ho loko fisaonana sy fahamaizinana, maizina ny tenin‟Andriamanitra, maty ny tenin‟Andriamanitra satria tsy ny baiboly intsony no nifehy ny olona, fa ny lovan-tsofina sy ny fomban-drazana no nanjary nibahana nifehy ny fiangonana.

TYATIRA

Ny TYATIRA no nanehoana ny tantaran‟ny fiangonana katolika, rehefa nahazo sy nomena fahefana tamin‟ny alalan‟ny amperora Justinien ny evekan‟ny roma, dia ny Papa tamin‟ny taona 538. Dia nihalehibe izany ary dia nahavita asa lehibe tokoa, tamin‟ny asa izay napetrak‟Andriamanitra taminy izy hatraty amin‟ny taona 1517 moyen âge io. Ary io vanim-potoana io no nahitana ny tantaran‟ity fiangonana Tyatira ity (538 – 1517). Nankasitrahan‟i Jesosy Kristy ity fiangonana ity noho ny finoany sy ny faharetany, ny asany sy ny fanompoany. Ka ny asany farany dia lehibe noho ny voalohany. Ary dia nazavaintsika tamin‟izany fa ny eglizy katolika no nanana fahefana hitondra ny filazantsara manerana ny tany voalohany indrindra, ary na dia hatramin‟izao vanim-potoana hiainantsika izao aza, dia saika ahitana ny eglizy katolika avokoa eny fa na dia any amin‟ny toerana sarotra izay heverina ho manahirana indrindra ny hitondrana izany filazantsara izany, dia mbola ny eglizy katolika hatrany no nahavaky lay voalohany izany toerana rehetra izany, ka nampijoroany ny fiangonana mijoalajoala be amin‟ireny toerana rehetra ireny. Na dia teo aza ny toetran‟ny fiangonan Tyatira, na katolika izay nankasitrahan‟i Jesosy Kristy azy izay, dia nisy nanankianany azy ihany koa ny amin‟ny toetran‟i Jezebela mampianatra sady manoloky ny mpanompony hijangajanga sy hihinana hena naterina tamin’ny sampy. Nomena andro hibebahana izy, nefa tsy nibebaka noho ny fijangajangana. Nokianin‟i Jesosy Kristy ihany koa ity fiangonana ity, na dia teo aza izay asa lehibe vitany izay. Manaraka izany dia nomen‟i Jesosy Kristy ihany koa ny torohevitra dia ny hoe: “Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany, sady tsy mba mahalala ny ataon’ireo hoe « sain-dalin’i Satana », dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa ianareo kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko”. Azony mafy izany ilay fahazavana kely mamirapiratra io, satria io dia nasain‟i Jesosy Kristy tandremana mba tsy ho very izay rehetra manana azy ity.

Ny soavaly fahaefatra dia ny soavaly hatsatra no nifanandrify tamin‟izy ity. Izay nahitantsika hoe ny fahafatesana sy ny fianinan-tsi-hita no manaraka azy. Hita teo ihany koa ny fandripahana ireo izay nahazo anarana ho eretika. Naripaka ireo izay nanohitra ny fotom-pampianaran‟ny eglizy katolika, ka nipoitra tao anatin‟izany ny fiangonana protestante. Dia mazava ho azy fa ny fiangonana Sardisy indray no hidirantsika.

SARDISY

Ny SARDISY na ny fiangonana protestanta no mifanandrify aminy. Izay lazainy hoe manana anarana ho velona nefa maty ihany. Ny taona (1517 – 1798) no nahitana azy io. Ary io no nahitana ny tantaran‟ny fiangonana hoe vanim-potoana ny fanavaozana ara-pivavahana izany fotoana izany. Nankasitrahan‟i Jesosy Kristy izy, ka nolazainy hoe “nanana anarana ho velona ary, niambina, tsy nandoto ny fitafiany, ary nitana mafy ny anaran’i Jesosy Kristy ka nihazona tsara izay teny fiakasana homena azy izany”. Nokianin‟i Jesosy Kristy ihany koa ity fiangonana ity, satria na dia nanana anarana ho velona aza izy ity, dia maty ihany, ka izay fahafatesana izay no nanankianan‟i Jesosy Kristy azy. Kanefa na dia izany aza, dia nambarany ihany koa ny fankasitrahana hoe: “misy olona* vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy”. Izany hoe misy vahoaka mendrika ihany izany ao amin‟ity fiangonana Sardisy ity, ka dia Andriamanitra izany no mahalala izany. Any amin‟ny tombo-kase faha dimy moa izany dia tsy nisy soavaly intsony fa ireo izay vahoaka nitaraina ny amin‟ny famonoana sy ny fanenjehana izay nihantra taminy no hita, kanefa ireo izay maty ho maritiora dia navela hiala sasatra kely, fa ny namany aza dia mbola ho vonoina ohatra azy ihany koa. Izay maharesy dia omena fitafiana fotsy.

FILADELFIA

Ny FILADELFIA na ny fiangonana sekta izay nivoaka avy tamin‟ny fiangonana protestanta izy ity, ary dia tsy mba nahitana fanankianana, fa dia fankasitrahana avy hatrany no nomen‟i Jesosy Kristy azy ity. “Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao”. Ity fiangonana ity ihany koa dia ambaran‟i Jesosy Kristy, fa teo no fisokafan‟ny varavarana ka nilazany hoe: “Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako”. Avy tamin‟ny alalan‟ity Filadelfia ity na ity sekta ity, no niroborobon‟ny fitoriana ny filazantsara izay nandeha araka izay fahazavana. Nitombo isaky ny taonjato mifandimby ny fisian‟ny fikambanana mpampiely baiboly, izay niparitaka eran-tany, varavarana misokatra daholo izany, fa na dia any amin‟ny tany mizolmana aza dia nahatongavan‟izany filazantsara kristiana izany, na dia atao hoe mihatra aman‟aina aza izany. Dia nazavaintsika ihany koa tamin‟izany ny atao hoe sekta, fa tsy araka izay hiheveran‟ny maro azy hoe izay ivelan‟ny fiangonana FFKM akory no atao hoe sekta, fa ny atao hoe sekta dia ireo izay fiangonana niendaka tamin‟ny fiangonan-drazany, ka dia lasa nanangana antokom-pivavahana iray vaovao manaraka ilay mpitarika na ilay mpaminany mitarika azy. Izay no définitions na famaritana nomen‟ireo mpanoratra manampahaizana protestanta, sy katolika ireo. Ka dia hita fa na dia ny fiangonana kristiana voalohany aza dia hita fa efa sekta Nazareana, izay niendaka tamin‟ny fiangonana jodaisme ary dia nanaraka fiangonana iray vaovao, ka nanaraka mpampianatra iray na mpaminany iray, dia tsy iza fa i Jesosy Kristy no mpaminany tamin‟izany.

Ary rehefa novakiana ny Asa 24: 5, amin‟ny dikan-teny frantsay, dia nibaribary tao tokoa fa i Paoly no voalazan‟ireo mpitondra fivavahana Jiosy tamin‟ny mpitondra fanjakana Romana tamin‟izany fa mpitarika na lehiben‟ny sekta nazareana iray izay mpanankorontana saim-bahoaka ka tahaka ny aretina pesta, ka tsara ho fongorina eto amin‟ny tany sy ny fiaraha-monina mihitsy satria manankorontana ny fianakaviana. Ka raha zohina ny famaritana ny sekta hoe niala tamin‟ny fiangonana iray ara-tantara, dia namorona fiangonana iray vaovao, ary nanaraka mpitarika iray izay mpaminany, dia hita taratra tamin‟izany fa ry Paoly izany no nampangain‟ireto mpitondra fivavahana Jodaisme ireto fa hoe sekta. Ka noho izany dia ny fivavahana kristiana rehetra izany dia sekta Nazareana daholo raha ilay Asa 24:5 no jerena. Ka noho izany dia diso avokoa ny fomba famaritana ny sekta hoe: rehefa ivelan‟ny fiangonana 4 tonta dia sekta avokoa. Fa rehefa niendaka tamin‟ny toerana nisy azy ka namorona fivavahana hafa dia sekta avokoa izay. Hatrany amin‟ny fiangonana Apostolika, niendaka tamin‟ny fiangonana Jodaisme, ny Protestante niendaka tamin‟ny fiangonana Katolika, ireo lazaina hoe sekta niendaka tamin‟ny fiangonana Protestanta, dia efa izy avokoa. Dia toy izany koa ireo sekta hafa ireo koa aza dia mbola niendaka tamin‟ny fiangonana hafa, ohatra izao hoe: ny Apokalypsy dia niendaka tamin‟ny fiangonana Adventiste, ka raha izaho manokana dia tsy mba menatra mihintsy ny ho lazaina hoe sekta, satria izaho dia sekta Nazareana, ary i Paoly no lehiben‟io sekta Nazareana io, ary dia mino ny filazantsaran‟i Paoly aho, koa inona no hahamenatra ahy holazaina hoe sekta Nazareana izany.

LAODIKIA

Ho fintiniko farany izany ity Laodikia ity, mba ahafantarantsika hoe: làlana mankaiza tokoa ary izany no tokony ho harahinao. Dia be tokoa ny olona manontany manao hoe: fito ny fiangonana ao amin‟ny baiboly ary izahay no Laodikia hoy ny sasany, ianareo izany mba fiagonana faha firy? Dia izay izany ilay hoe mividy odi-maso e! raha tsy mividy odi-maso dia tsy ho mahalala an‟izany. Hoe aiza ho aiza amin‟ity fiangonana faha fito ity no misy anao.
Mizara roa ny fiafaran‟ity fiangonana ity:
– ny ankolafy iray ao Laodikia amin‟ny maha vahoakan‟ny fitsarana azy, dia ny iray ho voaheloka ho any amin‟ny fahaverezana mandrakizay na dia mponina ao Laodikia aza izy.
– Ary ny iray kosa ho afaka amin‟ny fitsarana amin‟ny fanamelohana azy, ka ho any amin‟ny fiainana mandrakizay. Izay no fiafaran‟ny tantaran‟ny Laodikia.
Ary ireto mponina ao Laodikia ireto dia tsy maintsy misaraka roa na tiany na tsy tiany. Dia mazava ho azy fa ny 100% amin‟ny mponinin‟ny Laodikia, ary tsy ny maro an‟isa amin‟ny mponin‟i Laodikia, no miditra amin‟ny fanjakan‟ny lanitra, satria maro no nantsoina fa vitsy no fidiana, ary malalaka ny lalana mankany amin‟ny fahaverezana ka dia maro no mahita azy; fa tery sady sarotra ny làlana mankany amin‟ny fiainana ka vitsy no mahita azy. Dia ny vitsy an‟isa izany no ho tafiditra amin‟izany fiainana izany raha ny mponina ao Laodikia no resahina, satria ny ankamaroan‟ny olona izany, dia sady tsy mafana no tsy mangatsiaka izany hoe matimaty. Ary izay no mahatonga azy ankilany hoe: “vahoakan‟ny fahaverezana” ankilany, ary “vahoakan‟Andriamanitra ho an‟ny fiainana mandrakizay” andaniny.
Dia izao no firafitr‟ilay izy: ireo vahoaka izay andeha ho any amin‟ny fahaverezana izany dia izao, rehefa reny ity hafatra ho an‟ny Laodikia ity dia tsy hahazaka velively izy ny fanankianana mahery vaika sy mavaivay nataon‟i Jesosy Kristy ho azy ity, satria tokoa dia ny fanankianana nomen‟i Jesosy Kristy an‟ny fiangonana tao Laodikia ity no mafy indrindra, ary dia tsy mba nisy fankasitrahana mihitsy nomeny ity fiangonana ity fa tena fanankianana mavaivay avokoa no nomeny. Ka nisy vahoaka ao Laodikia izany, izay hanana izay avonavom-panahy izay, satria mihevi-tena ho manan-karena izy ka dia hilaza izy hoe: iza ianao no mba hitsaratsara sy hiteniteny anay? Aza mifanenjika, aza mifanaratsy. Ny antony mahatonga ny vahoakan‟ny Laodikia ankilany izany miteny zavatra toy izany dia satria izy mihevitra ny tenany fa manan-karena: tsy ny anareo no marina, fa ny anay no marina. Izahay anie efa nisy hatramin‟izay fa ianareo vao oviana, tahaka an‟i Jesosy Kristy izay nahazo ny hoe : fa iza moa ianao ity no handiso ny tantara efa nisy tamin‟ny andron-dry Abrahama sy Mosesy, Mosesy no fantatray fa ny anao tsy fantatray; ianao izay vao omaly io, mitaritarika mpianatra izay 12 kely io, tsy manana fiangonana fa eny an-kalamanjana eny fotsiny, eny no mitaona vahoaka sy mandrebireby vahoaka sy manankorontana vahoaka fotsiny; eny an-tendrombohitra eny no mba mivavaka, fa na dia trano hivavahana aza tsy misy? Avy eo dia tsy menatra akory aza i Jesosy Kristy milaza fa hoe ny amboho haolo manana lavaka hisitrihany, ny voro-manidina manana ny ankaniny, fa ny zanak‟olona tsy mba manana ny asian‟ny lohany!! Dia iza ihany koa no hanaraka an‟izany? Kanefa ny olona manana fiangonana mijoalajoala, mirentinrety mahafinaritra ery, dia avonavona no handraisan‟ilay olona an‟izany, dia ireo no ilay ankilany. Ireo olona ireo ihany koa izany dia voalaza fa tsy hividy volamena izy izany, tsy hividy fitafiana fotsy sy odi-maso izy, ary ny fibebahana ataony dia fibebahana sarin-tsariny fotsiny fa tsy tena izy, fibebahana ivelambelany, fisehoana ivelany fotsiny, hoe iny izahay fa mandeha mivavaka, dia manao rakitra, fa izao ny toetrako dia toetrako hatrany, ny fankahalako, dia fankahalako ihany, ny fanaratsiako dia mbola fanaratsiako ihany, ny hambompoko, dia hambompoko ihany, ny avonavoko dia mbola avonavoko ihany, ny fialonako mijanona ho fialonako ihany, ary harangarangako ho rem-poko ho ren-danitra fa dia izao: izahay dia mivavaka fotsiny araka ilay nolazain‟i Isaia 4:1 « Ary amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin’ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso »

Io izany ilay fiangonana fito satria ny coden‟ny vehivavy dia fiangonana, ka ny fiangonana fito mihazona lehilahy iray dia hanao an‟izao, ny haninay ihany no haninay ny lambanay ihany no tafianany, fa izao ihany no angatahinay:” aoka ho tononina amin‟ny anaranao ihany izahay ka afaho tondromaso, izany hoe izahay kristiana foana fa ny sakafonay, ny fisotronay, ny lamodinay, dia tsy problèmes io na manao mini jupe kely misy varavarankely aza izahay, na manao juste au corps na manao fitafiana Babyloniana, fa izao ny foko no hitan‟ny Tompo fa tsy ny kavina na ny lokomena amin‟ny molotra na ny fitafiana, na mifoka izahay na migoka dia tsy maninona, fa tonony fotsiny izahay hoe kristiana dia izay ihany no tadiavinay. Dia ireo izany ny antokon‟olona iray ao Laodikia, izay manao fibebahana ivelambelany fotsiny fa tsy tena latsa-paka ao anaty, ka tsy hita avy ety ivelany ny vokatr‟izay fibebahana izay, araka ny voalazan‟i Jaona mpanao batisa milaza hoe: “mamoaza voa miendrika ny fibebahana, ianareo fa efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky, fa ny hazo rehetra izay tsy mamokatra dia efa ho voakapa sahady”. Ka ny ampahany mponina ao Laodikia izany dia manana izany fibebahana amin‟ny endrika ivelambelany izany fotsiny. Dia mazava ho azy, fa sarotra aminy mihitsy ny hanokatra ny fony hidiran‟i Jesosy Kristy, ary sarotra amin‟izany vahoaka izany tokoa ny ho mivoaka mpandresy satria, sady tsy mafana izy no tsy mangatsiaka, ka dia tsy nividy volamena, sy fitafiana fotsy, sy odi-maso, ary dia fibebahana ivelambelany fotsiny no ataony, ka dia tsy hamoa varavarana izy, ary dia faharesena izany no ho azony.

Fa misy koa ny vahoaka any Laodikia hafa kosa ankilany, na dia maharary sy mavaivay aza ny fanankianana izay nataon‟i Jesosy Kristy tamin‟ny mponin‟i Laodikia, dia nandinin-tena izy, ka dia tonga saina sahala amin‟ilay zanaka adala, ka dia nanapa-kevitra ny hivoaka amin‟ity fahamatimatesana ity, amin‟ity toerana matimaty sy fiangonana sady tsy mafana no tsy mangatsiaka ity. Hivoahako ity hoy izy, ary dia nahita izy fa mitanjaka, ory sy jamba dia nandeha niala tamin‟izany toerana izany, ka nandray ny toro-marika izay nolazain‟i Jesosy Kristy: nandeha nividy volamena izy aloha, ary nividy fitafiana fotsy sy nividy odi-maso ihany koa izy, ary dia nibebaka tamin‟ny fony sy ny sainy manontolo, ary dia moramora taminy, ny namoa ny varavaran‟ny fony, ka dia niditra i Jesosy Kristy ka dia nonina tao aminy sy niara-nisakafo taminy. Tsy afaka miara-mandeha izany ny mponina ao Laodikia, izay mbola matory, sady tsy mafana no tsy mangatsiaka, fa matimaty, sy ny mpionina ao Laodikia izay efa mifoha ka miala amin‟ny fahamatimatesana, ilay mponin‟ny Laodikia izany efa nividy volamena, sy fitafiana fotsy sy odi-maso, sy tonga amin‟ny tena fibebahana marina.

Tsy mitovy koa ny toerana misy azy ireo, satria ny iray dia nahazo ny batisan‟ny Fanahy Masina, ka dia mitombo hatrany ny hafanan‟ny fiangonana, sy ny mponina ao Laodikia ankilany izay tsy misy ny Fanahy Masina fa hatramin‟izao dia mbola miandry ilay ranonorana farany. Zavatra roa samihafa ireo, ary io izany ilay lazain‟i Jesosy Kristy ny amin‟ilay fanoharana nataony hoe: virjina adala sy virjina hendry. Ka ny virjina 5 adala dia hoarin„i Jesosy Kristy amin‟ireo Laodikia izay tsy mbola nividy, volamena na fitafiana fotsy, na odi-maso ary tsy tonga amin‟ny tena fibebahana marina, fa mihevi-tena ho manan-karena sy manana ny fahalalana rehetra; ary ankilany kosa ireo virjina 5 hendry dia oharin‟i Jesosy Kristy amin‟ireo mponin‟i Laodikia koa izay nahatsapa fa ory sy mahantra sy jamba sy mitanjaka ka nanapa-kevitra ny hividy ny volamena, sy fitafiana fotsy, sy odi-maso, ary dia tena niroso tamin‟ny fibebahana marina, ireo no ampy solika ka dia niala tamin‟ny fahamatimatesana fa tena nafanain‟ny fanahy masina tokoa.
Ireo dia mahita (satria nividy odi-maso izy ireo), fa tena mizara roa tokoa ity mponina ao Laodikia ity, ka na dia samy miandry ny mpampakatra aza izy ireo, na dia samy eo amin‟ny toerana iray aza, dia ny solika no samihafa. Dia mazava ho azy izany fa matoa tsy ampy solika ireo virjina adala, dia maty izany ny jirony no sady tsy misy hafanana, ary dia matimaty izany ilay hafanana. Ary dia nalohan‟ny vavan‟i Jesosy Kristy izy, sy lasa any amin‟ny fahaverezana izany izy, ka na dia virjina aza io fiangonana io dia tsy ampy solika satria adala. Fa ankilany kosa dia ireo ampy solika, satria efa nangatahiny sy nokatsahiny tamin‟ny fanahiny manontolo io, ka dia ampy solika ka tonga amin‟ny hafanana tadiavin‟i Jesosy Kristy, ka dia naira-nisakafo tamin‟i Jesosy Kristy izy ireo.
Dia mazava ho azy izany fa io karazany faharoa ao amin‟ny Laodikia io, na dia ao amin‟ny laharana faha fito aza no misy azy, dia io no maha valo ny isan‟ity fiangonana ity, satria mizara roa ny fiangonana Laodikia, ny iray dia virjina 5 adala, ary ny iray dia virjina 5 hendry ampy solika. Ka dia mazava tsara izany fa tsy maintsy misy fanavaozana ny rafitra sy ny fomba fitondrana izany ao anatin‟ny fiangonana vao hahazo ilay hafanana izy. Ka dia izay no mahatonga ny fanavaozana. Anjaran‟ny tsirairay izany no manontany tsara ny tenany na ho any amin‟ilay fiangonana Laodikia matimaty hatrany izy na kosa ho any amin‟ilay fiangonana Laodikia izay efa nahatsapa ny tenany ho mitanjaka sy ory sy malahelo, sy jamba ka efa nividy volamena sy fitafiana sy odi-maso ary dia tonga amin‟ilay fibebahana marina ka dia feno ny hafanana.
Ka hatrany am-piandohana dia efa nilaza isika fa ny fiangonana Adventiste no mifanitsy amin‟ity fiangonaa Laodikia ity, ka dia tsy ho gaga izany isika raha mahita fa tsy ny fiangonana Adventiste irery intsony no mivavaka amin‟ny andro sabata amin‟izao fotoana izao, fa misy maro ny fiangonana no manao an‟izany, ary io izany dia efa sary hanokafan‟Andriamanitra ny mason‟izay mana-maso ka mahiratra fa hoe efa mirona mankany amin‟ny fizarana roa ny fiangonana Laodikia io.

Mizara roa mazava tsara izy ity.
Ity misy boky nosoratan‟i Ellen White, ilay mpaminany vavin‟ny fiangonana Adventiste, mitondra ny lohateny hoe “FIOMANANA AMIN‟NY RANONORANA FARANY” pejy faha 9, paragraphe 4.
“io toetry ny fiangonana sy ny virjina adala dia lazaina koa fa toetry ny vahoakan’ny Laodikia.” Izany hoe hoarin‟ity mpaminany vavy ity ho toy ny virjiny 5 hendry sy virjina 5 adala izany ny fiangonana Laodikia. Ka ity fiangonana Laodikia ity dia faha 7, fa ilay adala dia misintaka miala amin‟ilay hendry ary rehefa misintaka izany ilay adala dia fantatsika, fa ny Hendry dia tafiditra tao amin‟ny vavahady, fa ny adala tsy tafiditra tao. Dia lasa mizara roa izany ny fiangonana , ka tsy fito intsony ny isan‟ny fiagonana fa valo, satria ity farany dia mizara roa.

Ka ny iray izany dia ilay hoe :Apokalypsy 3:15-16 «15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao; » Io izany ilay fiangonana Laodikia iray izay matimaty, ka alohan‟ny vavany. Io fiagonana io ilay lazain‟i Jesosy hoe Apokalypsy 3:17 « fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; » Na dia mihevitra ny tenany ho manan-karena aza izy, dia ambaran‟i Jesosy Kristy fa ory sy mahantra sy mitanjaka, sy jamba. Ka na dia nomen‟i Jesosy Kristy torohevitra aza izy ireo: Apokalypsy 3:18 « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. » dia na nomena izany torohevitra izany aza ireto virjina adala ireto dia tsy nividy izy, ary na nasaina mibebaka aza izy dia izy tsy mety mibebaka. Dia tonga i Jesosy Kristy mandondona varavarana dia tsy mety hampandrosoany satria efa milaza izy fa efa manana Jesosy, ka tsy hampandroso Jesosy hafa ntsony, ny anay hoy izy ilay jesosinay ilay tsy mibebaka, ny jesosinay ilay tsy mividy, ilay jesosinay ilay miseho azy manan-karena, ilay jesosinay ilay matimaty.

Fa ny Laodikia anakiray indray rehefa nividy odi-maso izy ireo dia nahita tokoa, fa tena matimaty izy ireo, tena nahita fa tena mahantra izy ireo, na dia nihevi-tena ho manan-karena aza ka dia nandeha nividy volamena, fitafiana fotsy, ary odi-maso, fa jamba isika. Dia tena nibebaka ka dia namoha ny varavarany. Dia io izany ilay virjina hendry.
Mizara roa mazava tsara izany ny fiangonana Laodikia, ny iray ilay virjina dimy adala, ary ny iray ilay virjina dmy hendry, izany hoe ny iray tsy ampy solika ny iray ampy solika. Ny iray mbola lasa nividy solika,
Ka inona moa izany ny hoe solika? Io izany ilay fanahy masina io, ka ny iray milaza ny tenany hoe ampy ilay fanahy masina ao anatiny, nefa tsy ampy ilay izy teo ampiandrasana dia lasa nandeha hividy Fanahy Masina indray, ka tsy nisy intsony tao amin‟ny mpivarotra fa niverina avy any ry zareo dia efa tara loatra. Ka misy olona izany efa miaina amin‟ilay ranonorana farany, ilay Fanahy Masina efa mirotsaka izany, fa misy kosa mbola tsy miaina amin‟ilay ranonorana farany. Dia mazava ho azy izany, fa tsy ampy ilay solika ao aminy, ka rehefa tsy ampy dia tsy mafana izy izany fa matimaty. Ka na tianao na tsy tianao, dia mizara roa ilay fiangonana ao Laodikia. Hitantsika amin‟izao fotoana izao fa andalana tokoa ilay fizarana roa ny fiangonana Laodikia. Taloha isika dia nahita tsara fa ny fivavahana Jiosy dia iray ihany: mivavaka sabata sy ny zavatra tandremany rehetra, ka na efa tonga aza i Jesosy Kristy dia izay ihany no tazoniny.

Fa taty aoriana dia nanjary nisy ny nivavaka alahady, maty izany ilay nivavaka sabata. Taty aoriana dia niverina indray ilay nivavaka sabata, fa tsy nisy hafa tsy ny fiangonana Adventiste irery ihany no nivavaka sabata, fa amin‟izao fotoana hiainantsika izao, dia tsy ny Adventiste irery ihany intsony no nivavaka sabotsy fa lasa be dia be tokoa, dia efa andalan‟ilay fizarana izany io. Ilay virjina 5 adala sy 5 hendry, ilay manana solika sy tsy manana solika, ilay fantatry Jesosy sy ilay tsy fantany. Mizara roa mihitsy izy io amin‟izao fotoana izao. Ka ho hitantsika moa fa ilay fitafiana ity mihitsy no hampiavaka azy satria misy ny hatao batisa amin‟ilay Jesosy Kristy maty zoma mitsangana alahady, ary misy ny atao batisa amin‟ny Jesosy Kristy maty amin‟ny antsasaky ny herinandro mitsangana sabata. Ka samy mivavaka sabata ireo, fa misy ny mafana ary misy ny mangatsiaka ary misy manao ny fitafian‟ilay maty zoma mitsangana alahady, ary misy ny maty alarobia mitsangana sabata. Dia mizara roa tsara izany izay ny lalana dia izay mividy odi-maso aloha dia tena hahita an‟ilay Jesosy tena izy. Dia izay no tantaran‟ny fiangonana Laodikia, ny iray virjiana 5 adala ny iray kosa dia ilay virjina 5 Hendry.

Mipetraka ny fanontaniana aiza no misy anao?. Jereo ny marimpanan‟ny fiangonantsika amin‟izao fotoana izao, mbola ao anatin‟io maripana 50% io ihany ny maripana misy ny fiangonanao ao sa ahoana? Ny baiboly dia manoro hevitra anao hoe: mivoaha ao amin‟izany fiangoana izany ianao. Izay maharesy dia miandry azy ny seza fiandrianan‟Andriamanitra, satria mazava tsara ny planin‟ity boky apokalypsy ity.