Fankalazana ny faha-2 taonan’ny Fandresena Vao Maraina – RFA

Ho fankalazana ny faha-2 taonan’ny Fandresena Vao Maraina, dia hisy ny lanonana iarahana amin’izy ireo ny Alahady 10 Aogositra 2014 ho avy izao, etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely. Sady fihaonana voalohany amin’ny Naman’ny Mpandresy, no fizarana mari-pankasitrahana ho an’izay nandresy tamin’ny fifaninana sary famantarana “logo” ho an’ny Fandresena Vao maraina io fotoana io. Amin’ny 09 ora maraina no manomboka ny lanonana ary hisy mpanakanto handravaka izany toy ny tarika Prai’f sy ny TRIA Ambohimanambola. Tsy misy vidim-pidirana fa asaina hanao fitafiana marevaka kosa izay rehetra ho avy amin’io fotoana lehibe io.