FIANGONANA FAHENINA: FILADELFIA

FIANGONANA FITO TOMBO-KASE FITO (Apokalypsy toko fahenina)
FIANGONANA FAHENINA: FILADELFIA Ny Tombo-kase fahenina
Apokalypsy 3:7 – 13 «7 [Filadelfia] Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana*[* Gr. eklesia] any Filadelfia: Izao no lazain’izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: 8 Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina*[* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc] ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. 9 Indro, alaiko ny sasany amin’ny synagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. 12 Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao. 13 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] »

Io no fiangonana fahenina dia ilay filazàna ny fifankatiavan‟ny rahalahy.

NY HEVITRY NY TENY

Ny hevitry ny teny hoe FILADELFIA dia fitambaran‟ny teny roa nosarahina dia ny hoe : FILIA izay midika ho FITIAVANA sy DELFIA izay midika ho RAHALAHY ; izany hoe : ny teny hoe FILADELFIA izany dia midika hoe “FIFANKATIAVAN‟NY RAHALAHY”.

(Marihina fa misy karazany telo ny fitiavana dia ny : Ny fitiavana FILIA = fitiava-namana Ny fitiavana EROS = fitiavana ara-nofo, Ny fitiavana AGAPE = fitiavan‟Andriamanitra )

Apokalypsy 6:12 – 17 «12 Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana. 13 Ary ny kintana tamin’ny lanitra dia niraraka tamin’ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin’ny rivotra mahery izy. 14 Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ny fitoerany. 15 Ary ny mpanjakan’ny tany sy ny lehibe sy ny mpifehy arivo sy ny mpanankarena sy ny lehilahy mahery mbamin’ny andevo rehetra sy ny tsy andevo rehetra dia niery tao amin’ny lavaka sy tao amin’ny vatolampy eny an-tendrombohitra; 16 ary hoy izy tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy; Mianjerà aminay, ka afeno izahay amin’ny tavan’ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy amin’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry; 17 fa tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’ireo*, ka iza no mahajanona? [* Na: ny fahatezerany] »

Raha mamaky an‟io an-dalan-tsoratra masina io isika dia ahita fa ilay famantarana ny fiahavian‟i Jesosy Kristy no hita ao. Izao no voasoratra ao amin‟ny :

Matio 24:29 – 31 «29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. 30 Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. 31 Ary amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany* efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.»

Dia mbola hitantsika ihany io ato amin’ny

Lioka 21:25 – 27 «25 Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, 26 ka ho reraka ny fon*’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina.[* Na: ka hisy ho faty aza] 27 Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. »

 

NY VANIMPOTONA NAHITANA NY TANTARA

Ny nahitana ny tantara dia ny 1755 – 1844. Izany hoe: karazany ny nifandrirotra tamin‟ny tantaran‟ny fiangonana Sardisy izy ity, satria ny fiangonana Sardisy dia tapitra taty amin‟ny taona 1798, fa ny an‟ny fiangonana Filadelfia dia taty amin‟ny taona 1755 izy no efa nanomboka. Ny tantaran‟ny fiangonana sekta no tena ho hita ato. Raha vao miresaka sekta izany ianao, dia amin‟ny olona izany dia efa tena zava-doza mihitsy. Raha vao mahita banderole mipetaka hoe fampianarana apokalypsy, dia efa mibetrobetroka ny sasany hoe: izahay indray dia tsy miditra amin‟ireny sekta ireny mihitsy, ny adala sy vendrana ihany no mihaino izany fampianaran‟ny sekta izany,ary izahay dia tsy mba mampandroso an-trano ireny sekta ireny mihitsy. Ka normal raha miteny izany ny olona, satria tsy hainy ny dikan‟ity teny hoe sekta ity. Fa aminy dia rehefa ivelan‟ireo fiangonana 4 tonta lazaina fa lehibe, dia efa sekta izany aminy, ary dia tena zava-doza tsy azo hatonina mihitsy.Any misy boky iray nivoaka milaza hoe.: “vonjeo fa lasan’ny sekta ny olona”.

Dia gaga tokoa ny tena raha mandinika an‟izany ary dia lasa mametram-panontaniana mihitsy aza hoe: Fa maninona moa ny olona no hatahorana ho lasan‟ny sekta? Fa nahoana ihany koa no hoe tena mila vonjena mihitsy izany?. Mazava ho azy fa mipetaka indray ny sonia eto:

SONIA NA ENTETE NA FAMANTARANA

Izao no lazain’izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha”: io dia mbola i Jesosy Kristy ihany io voalaza io.

Izany hoe ity voalaza ato amin‟ny tombo-kase faha enina io dia milaza ny faharavan‟izao tontolo izao, sy ny fihavian‟i Jesosy Kristy, dia nanomboka tokoa tamin‟ny taon-jato niainan‟ny fiangonana Filadelfia io (1755 – 1844). Izany dia nanomboka nitory amin‟izay ny kristiana lazaina fa sekta, fa hoe mibebaha ianareo fa akaiky ny fanjakan‟Andriamanitra. Dia nisy aza ny fiangonana kilasiana ho sekta tamin‟izany andro izany, izay nanentana ny olona mihitsy ary nanao kajy tamin‟ireny faminanian‟i Daniela ireny fa hoe: ho avy amin‟ny taona 1844 ny Tompo dia namidy daholo ny fananana, sy izay rehetra nananana, ary dia teny an-tendrombohitra no niandry, ary dia samy nanao ankanjo fotsy daholo, fa hoe ho avy i Jesosy Kristy, kanjo tsy tonga i Jesosy Kristy, fa ilay rahilahy no tonga, ka ilay rahilahy aza moa hatramin‟izao dia mbola mitory any amin‟ny radio, mandrava didy folo, dia mbola miteny hoe izaho no Jesosy amin‟izao fotoana izao. Tsy mahagaga izany fa efa voasoratra any amin‟ny Soratra Masina izany, ka efa nampitandrina ny Soratra Masina manao hoe mitandrema fa sao hisy hamitaka anareo, fa maro no hilaza fa hoe izaho no kristy, ka maro no hovoafitany. Ka tsy atao mahagaga antsika izany. Fa isika kosa mianatra soratra masina tsy azo fitapitahina.

 

NY FIDERANA AZY, NA FANKASITRAHANA AZY Tsy mba misy fanankianana io fiangonana io ary dia roa ihany no fiangonana tsy mba nokianin‟i Jesosy Kristy dia ny Smyrna sy ny Filadelfia izany.

Apokalypsy 3:8 « Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako» Ao amin‟ny Sardisy kosa dia misy zavatra tsy tonga amin‟ny tanjona tokony hanaovana azy tao, satria mafy loatra ny fanenjehana sy ny fandripahana ny kristiana izay nahazo anarana hoe eretika dia najary tsy tonga hatramin‟ny farany ilay fanavaozana, ka izay no nahatonga izay fanavaozana kely efa azo tsy hiverin-dalana izay. Izany hoe tsy hiverina intsony izany ny fiangonana protestanta hanao kofesy na hanao arahaba ry Maria, na hanao sari-masina ao ampiangonana na angata-bavaka amin‟ireo olo-masina. Ka dia izany no mahatonga ny protestanta hanakiana ny eglizy katolika milaza hoe: ny anareo ny Jesosinareo dia mbola mifantsika amin‟ny hazo fijaliana hatrany, fa ny anay efa tsy eo intsony. Dia mba jereo anie ny hazo fijaliana any amin‟ireo fiangonana protestanta ireo fa efa tsy misy sarin‟i Jesosy intsony. Tsy misy Jesoa mifantsika intsony any amin‟ny protestanta. Ka izay zavatra efa notazonin‟ny protestanta dia notazoniny hatramin‟ny farany, ohatra tsy misy protestanta mankalaza ny daty 15 aogositra izany.

Rehefa tonga aty amin‟ny fiangonana Filadelfia kosa dia izao no hilazany azy: Apokalypsy 3:8 « Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina* ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [* Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc] »

 

Nasiana varavarana mivoha eo anoloany, dia ny varavaran‟ny filazantsara. Iarahantsika mahalala tsara, fa tsy mba afaka mamaky baiboly ny olona talohan‟ny taona 1755. Fa nanomboka tamin‟ny taona 1755 vokatr‟ilay fanavaozana ara-pivavahana dia nitsangana ny fikambanana mpampiely baiboly. Satria ilay baiboly tany ampiandohana dia vita tamin‟ny teny grika, sy hebreo, sy teny latina, dia olona vitsy ihany no mahay mamakyizany.Fatato aoriana dia nanjary voadika tamin‟ny teny anglisy, alemana, ary frantsay izany baiboly izany. Dia avy eo lasa voadika tamin‟ny fiteny marosamihafa izany ny baiboly, ka nanjary varavarana tsy nety nikatona teo alohany. Dia tsy voasakantsakana intsony izany ny olona amin‟ny fianarana ny baiboly, satria efa samy misy dikany amin‟ny fiteny maro samihafa izy rehetra.

Hita amin‟ny fiteny maro samihafa ireny na sovietika, na sinoa na kongoley na arabo, na espaniola, na romana, sns… Afaka mamaky baiboly izany ny olona amin‟ny fiteniny avy. Ka ilay varavarana misokatra izany, raha eo amin‟ny tantaran‟ny fiangonana no jerena dia ilay fotoana izay nanombohan‟ny fahafahan‟ny ny olona namaky ny baiboly tamin‟ny 1755. Satria tany alemana no nanomboka nitrangan‟izany tamin‟ny andron‟i Luther, ary izy no nandika ny baiboly tamin‟ny teny alemana. Dia akory ny hafalian‟ny olona satria nanjary lany andro teo ampamakiana baiboly ny olona, satria efa ela izy ireo no nitsiriritra mba te hamaky izany baiboly izany fa tsy afaka, satria natokana ho an‟ireo Mopera sy pasitera fotsiny no afaka namaky baiboly.

Ka rehefa nitsangana ilay fikambanana mpampiely baiboly, dia naparitaka ny baiboly, ka izay hananan‟ny olona baiboly fotsiny aloha no tanjona tao anatin‟izany. Satria tsarovy fa nisy ny vanimpotoana izay tsy namelana ny hananan‟ny olona baiboly mihitsy tao an-tokatranony, ka raha sanatria nahatratrarana an‟izany tao aminao, dia mety maha voaheloka ho faty mihitsy izany, satria ny famakiana baiboly tamin‟izany dia natokana fotsiny ihany ho an‟ireo mpitondra fivavahana, ka ny ataon‟ny mpino izany dia ny manaiky fotsiny ihany izay voalazan‟ireo mpitondra fivavahana satria ireo no efa nomen‟ Andriamanitra fahendrena sy fahalalana ny soratra masina, fa ny vahoaka dia dondrom-belona avokoa.

Ka ny fahatratrarana baiboly tao an-tranonao tamin‟izany dia mahavoasazy sy mahafaty mihitsy aza. Fa rehefa tonga teo an-tanan‟ny olona ny baiboly dia nanomboka namaky izany izy, ary dia niha- nahiratra ny mason‟ny olona, ary mbola nisy mpanoratra aza tao amin‟ny fiangonana katolika nilaza fa hoe: “fahadisoana lehibe anie hoy izy ny nataon’ndry Calvin sy ry Luther namela malalaka ny olona hamaky baiboly. Jereo ny vokatr’izany famelana ny olona hamaky baiboly izany, (satria tamin’izany dia mbola tsy nisy fiangonana hafa tsy ny katolika sy ny protestanta), dia jereo hoy izy ireo ny fiparitaky ny olona ho lasa any amin’ny protestanta, eny fa na dia ry zareo protestanta aza hoy izy, dia mbola hiparitaka tsy misy hoatra izany aorian’ny famelana malalaka ny famakiana ity baiboly ity. Nanao hadalana be, sy fahadisosana be, ireo nanaparitaka ny baiboly, fa jereo tamin’ny fotoana tsy mbola namelàna ny famakiana ny baiboly dia tsy nisy niparitaka izany ny vahoaka, fa nijanona tamin’ny toerana iray nandritra ny 1000 taona be izao. Ka noho ny hadalana nataon‟ireto mpanavao fivavahana izany dia niparitaka io fiangonana io.

 

Ka inona ny zava-nisy taty aoriana, fa na dia ny protestanta izay nanaparitaka ny baiboly ihany koa aza dia mba niparitaka ihany koa, dia nivoaka avy tao ohatra ny “Batista Biblika”; ny” Méthodiste”, ny “Assemblé de Dieu”, ny “Adventiste”, ny” Bahai,” ny” Sentoisme”, ny “Témoin de Jehovah” sns be dia be. Ny antony dia tsotra ihany, namaky baiboly daholo ny olona, ka dia nahita zava-baovao nipoitra hatrany. Ka niseho ny fiparitahana, satria rehefa misy fahamarinana na “zava-baovao miseho sy hita, dia tsy maintsy misedra fanoherana hatrany izany, mandram-pahatongan‟iny tena ho volamena mamirapiratra any amin‟ny olona, nefa tsy maintsy mihatra aman‟aina, sy fisedrana fanoherana izany. Mitondra fisarahana sy korontana rehefa misy fahamarinana mipoitra.

Dia jereo ny tantaran‟ny fiangonana tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy, nitondra fampianarana i Jesosy Kristy kanefa dia nitarika korontana izany teo amin‟ny fivavahana Jodaisme. Nitondra fisarahana teo amin‟ny fianankaviana, satria ny fiangonan-drazana ilay fiangonana jodaisme, kanefa dia nipoitra ny fampianaran‟i Jesosy Kristy, dia raikitra ny ady tao anivon‟ny tokatrano iray, raikitra ny hoe mivadim-pinoana ianareo, raha mbola te ho zanako ialahy dia tsy mivadika ho amin‟izany fiangonana kristiana izany, fa ny fiangonan-drazantsika dia jodaisme ihany, tsy mahazo miditra amin‟ny fasan-drazana, esorina amin‟ialahy daholo ny tombotsoan‟ialahy raha manaraka an‟izany Jesosy Jesosy izany, ary dia ny niafarany dia niafara tamin‟ny famonoana an‟i Jesosy mihitsy. Ka na ny apostoly Paoly aza fony mbola Saoly no anarany tamin‟izany, dia nifofofofo mihitsy izy handripaka izay mpanaradia an‟i Kristy, ka ny kristiana izay manaraka io Kristy io dia nenjehina satria tsy izy io Jesosy Kristy io hoy izy. Jereo ihany koa, rehefa tonga ny fanavaozana izany finoana izany dia niaritra ny mafy tokoa, satria nametraka ny lehibe, fa isika katolika hatrany, fa izay mivadika amin‟ny katolika dia very, tsy misy mivadibadim-pinoana izany eo. Niala tao ireto protestanta ireto nitondra izay fanazavana efa hitany, ary dia niorina tamin‟izany izy. Rehefa tonga ny fisokafan‟ny famakiana ny baiboly, dia nanjary nisy olona nahita zava-baovao indray, ataoko ohatra fotsiny: rehefa nisokatra ity varavarana ity ka afaka nahita zavatra hafa ny olona, toy ny hoe tsy tokony ho ny zaza no hatao batisa fa ny lehibe, dia novohizin‟ireto olona protestanta ireto indray izany, fa ny lehibe no atao batisa fa ny batisan-jaza dia nolovaina avy tamin‟ny fampianaran‟ny katolika.

Fa ny baiboly dia milaza hoe: “mandehana ka ataovy mpianatro ny firenena rehetra, izay ianareo vao manao batisa azy, mibebàha ka aoka atao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, izay mino sy hatao batisa no vonjena, ary izay mino ka nandray ny toromarika dia natao batisa”.

 

Izany hoe: ny olona atao batisa izany dia: – ny olona efa nianatra, afaka mino, ary afaka manolo-tena hatao batisa. Izany hoe olona afaka mianatra izany no olona hatao batisa.

Dia mbola olona afaka mibebaka ihany koa izany no hatao batisa. Izany hoe olona efa nianatra ny soratra masina, ary afaka mino, sy mibebaka no olona hatao batisa. – Izany no midika fa hoe: raharahan‟olon-dehibe fa tsy raharahan-jaza izany batisa izany. Dia novohizin‟ireto olona vaovao indray izany zavatra izany, ka dia nisedra fanoherana indray izany tao amin‟ny protestanta, ary dia raikitra ny hoe adala ve izany ry Calvin sy ry Luther ka tsy nahita hoe: ny olona lehibe izany no hatao batisa fa ianareo vao omaly ireo indray no hahita an‟izany? Raikitra indray ny fisarahana tao amin‟ny fiangonana, jereontsika tsara, fa ny fiangonana izay niorina taty aorian‟ity Filadelfia ity, (izany hoe taorian‟ny 1798) ka nitondra sy nankasitraka ny batisan‟olon-dehibe ity, dia niala na nitsoaka tao amin‟ny fiangonana protestanta, fa ny fiangonana katolika sy ny protestanta izay nanao ny batisan‟ankizy dia mbola mitazona ny hoe: zazakely daholo no tokony hatao batisa, fa izay fiangonana nanao batisa olon-dehibe indray dia lasa nantsoina hoe “sekta”. Izany hoe ny fiangonana nivoaka avy tao amin‟ny katolika ka nanao ilay fanavaozam-pinoana dia nantsoiny hoe “eretika” mba ahazava-doza azy, ary ahazoany manenjika azy, fa ireto izay nivoaka avy tamin‟ny fiangonana protestanta kosa, dia tsy nataony intsony hoe “eretika” no nilazany azy, fa nataony hoe “SEKTA”, satria niala tao amin‟ny fiangonan-drazany protestanta izy ireo.

Eto izany dia ho dinihantsika tsara, fa ny kristiana dia niala tao amin‟ny fiangonan-drazany Jodaisme, ny katolika ihany koa dia niala tao amin‟ny fiangonan-drazany kristiana, ny protestanta niala tao amin‟ny fiangonan-drazany katolika izay nantsoina hoe eretika, ny niala tao amin‟ny fiangonan-drazany protestanta kosa nantsoiny hoe sekta. Dia nahazo anaran-doza foana izany izy ireo mba ahafahana milaza azy hoe: zava-doza rehefa eretika, ary zava-doza rehefa sekta.

Fa ahoana kosa no filazan‟i Jesosy Kristy?

Apokalypsy 3:9 – 11 «9 Indro, alaiko ny sasany amin’ny synagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. 10 Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany. 11 Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. »

Ilay asain‟i Jesosy Kristy ho “tànana mafy” io, dia tsy anaram-piangonana io akory, fa ilay fahamarinan‟ny soratra masina, dia ilay fanavaozana niainga avy tany amin‟ny Sardisy ka niafara hatraty amin‟ny Filadelfia. Io no asainy notànana mafy fa tsy ilay fiangonan-drazana sy anaram-piangonana akory. Fa misy mantsy dia io anaram-piangonana io no manjary tanany mafy, ka tsy io no tanana mafy fa ilay satro-boninahitra efa nomena anao, ilay fanavaozana marina izay efa tonga ao anatinao no asainy Tanana mafy.

 

FAMINTINANA:

Fanazavana ny hoe SEKTA: Ity fiangonana Filadelfia ity no miresaka ny tantaran‟ny fiangonana sekta raha ny taon-jato nipotrany no jerena dia ny 1755 – 1844. Ireto karazana sekta ireto dia misy fiangonana maro no nivoaka tamin‟io taon-jato 18 – 19 io, ary ny malaza indrindra tamin‟izy ireny moa izany dia ny « Adventiste », ny « Vavolombelon‟i Jehovah ny Pantekotiste », ny « Bahaii, » ny ny « Néo apostolique », ny « Rose Croix », ny « Mormon », ny « Sekta Moon », ny « Aram-pilazantsara », ny « Jesosy Mamonjy », sns hatraty amin‟ny FAM na Apokalypsy.

Ka amin‟ny olona raha ny zava-misy amin‟izao fotoana izao no jerena, ny zavatra tonga ao an-tsaina voalohany raha vao miresaka hoe sekta, dia efa zava-doza hatrany no tonga ao an-tsaina. Satria efa niaraha-nahita tokoa, fa misy ireo fiangonana sekta no tena manao zavatra tena mamoa-doza tokoa raha araka ny efa hitantsika amin‟ny gazety, any ampitan-dranomasina any. Soa ihany teto amintsika, fa tsy mbola nisy fiangonana sekta nandoro olona na niboridana, na nifampikapa famaky. Fa ny hita teto aloha dia hoe sekta mifoka rongony. Tratran‟ny polisy tao ry ingahy Ranaivo, kanefa dia nazavain‟dry ingahy Ranaivo tao amin‟ny televiziona iray “TVPlus” fa hoe “ny olona afaka hoy izy na mpandresy no mifoka rongony, satria izay maharesy no mitafy fitafiana fotsy, ary io fitafiana fotsy io hoy izy dia vita amin‟ny rongony madinika”, ary hain-dRanaivo tsara no nanazava azy ka dia hoy izy hoe ny anareo ny olona mpandresy indray no gadrainareo, fa ianareo raha mbola resy dia tsy mifoka rongony izany mihitsy hoy ingahy Ranaivo. Ka zava-doza ny sekta raha tahatahak‟izany.

Fa ny eto Madagasikara kosa aloha ohatra, raha vao misy fivavahana iray mipoitra dia tsy maintsy misy olom-panjakana tonga mijery sy manao fanadihadiana mahakasika io fiangonana io. Ohatra iray izao, eto amintsika dia misy ny fiangonana iray antsoina hoe Mormon, maro be ny olona milaza fa hoe ireo Mormon ireo mitanjaka e! sy miboridana daholo ao am-piangonana e!. dia hoy aho hoe: tsy mba marina kosa izany, satria ny ERD sy ny FPVM aza tsy nisy niboridana nefa nofoanan‟ny fanjakana, ka raha sanatria tokoa ve miboridana daholo ny mpiara-mivavaka ao amin‟ny Mormon dia tsy ho samborin‟ny fanjakana. Aza mba minomino foana ohatra an‟izany kosa aloha isika, ary aza dia manaratsiratsy fiangonan‟olona toy izany, fa raha zavatra tsy misy porofo izany ve dia ho tenintenenina fotsiny amin‟izao. Ka tena marinamihitsy fa tena misy vavolombelona mihitsy izany! Dia tena fanjakana adalamihitsy izany ity misy eto amintsika raha izany ka ny fiangonana mampiboridana olona no tsy akatony fa ny fiangonana tsy mampiboridana olona indray no akatony.

 

Aza mba miteniteny foana ohatra an‟izany moa ry olona, fa mba lanjalanjao ihany ny zavatra tenenina. Ny eto amintsika dia tsy mbola misy izany sekta izay atao hoe mampitahotra izany. Fa ho an‟ny olona mantsy ny antsoina hoe “sekta” dia izay ivelan‟ny FFKM, (FJKM, EKAR, Loterana, Anglikana). Raha vao ivelan‟ireo dia efa heverin‟ny olona hoe sekta. Ka marina izany satria, efa izany no nalentika tao antsain‟ny olona, ka ny fiangonana ivelan‟ireo dia efa sekta avokoa no hilazan‟ny olona azy, eny fa na ireo mpanao Gazety aza milaza an‟izany hoe: ny fiangonana sekta izao na izaroa, ka tsy misy iraharahin‟ny mpanao gazety izay famaritana na hevitry ny teny hoe sekta izany, satria izany no efa nampianarina azy.

Fa isika kosa eto, dia tsy mba anao fijery tokana na lalan-tokana ohatra izany, amin‟ny famaritana sy ny fomba fijery ny teny hoe sekta, fa hijery kosa isika ny tena famaritana sy ny tena dikan‟ny teny hoe sekta, ary amantatra ny hoe: – Iza no tena sekta?. – Dia marina tokoa ve fa hoe: tena zava-doza tokoa ny sekta sa tsy marina izany?. – Raha zava-doza ny sekta, inona ilay sekta mamoa-doza?, – Ary inona ilay sekta tsy mamoa-doza?. – Dia raha hianatra azy ity izany isika, dia ho jerentsika daholo ny mahakasika an‟izany rehetra izany, ary ny amaranana azy dia ny hoe: ilaina ve ny sekta sa tsy ilaina? Ary raha ilaina izy, dia mazava ho azy fa tsy tokony ho foanana fa raha tsy ilaina izy dia tokony ho foanana. Satria misy fiangonana milaza fa hoe tokony akatona ny sekta fa mandrebireby olona, tokony ho foanana ny sekta satria mpangoron-karena fotsiny.

Dia hoy ny sasany aiza ko ry pasitera Mailhol vao oviana no niforonany dia efa manana 4×4 sahady!! Dia tsy hitan‟ny olona ve sa tsy mampaninona azy raha ny fiangonan-dehibe manana 4×4, toa tsy misy miteny fa raha vao ny fiangonana zandriny no manana dia mampaharary azy, ary avy dia hoe: “akatony any ireo fa mpangoron-karena fotsiny!!”. O ry zalahy a! aza dia akatona toy izany ity fomba fijerintsika ity, fa raha lazaina fa mpangoron-karena i Pasitera Mailhol sy ny Fikambanana Apokalypsy dia mba ampahafirin‟ny haren‟ireo fiangonan-dehibe ireo tokoa ary ny haren‟ny Fiangonana Apokalypsy?,