Fiangonana Itaosy

Isan-tsabata dia misy hatrany ny fiaraha-mivavaka amin’ny fiangonana Apokalypsy rehetra manerana an’i Madagasikara sy ny any ampitan-dranomasina. Raha ny tetsy amin’ny fiangonana Apokalypsy Ambohimarina Itaosy dia maro hatrany ireo vahoakan’Andriamanitra tonga manatrika izay fotoam-bavaka izay. Ny loholona Olivier RATSIMIZAHO no nitondra ny toriteny tamin’ny fotoana maraina, ka ny fanetren-tena no nivoitra tao anatin’izay toriteny izay. Marihina fa misy ny perikopa iraisan’ny fiangonana Apokalypsy rehetra ka ny tamin’ny sabata 10 Desambra 2011 lasa teo dia nalaina tao amin’ny Mika 6:6-8; Jaona 12: 20-23 ary Hebreo 6: 13-19 izay tenin’Andriamanitra izay.

Ny tapany hariva kosa dia nitohy ny sekoly sabata, mbola eo amin’ny fifandraisan’ny ray sy ny zanaka hatrany ny lesona tamin’izany. Ny fiangonana Apokalypsy Ambohitrimanjaka kosa no notsidihin’ny Ray aman-dReny Pasitera Mailhol sy ny ankohonany ny sabata lasa teo. Izy noho izany no nitondra ny toriteny fampaherezana ho an’ireo vahoakan’Andriamanitra tonga teny an-toerana.