Fifidianana filohampirenena 2013

Araka ny fantatra izany dia ny voalohan’ny volana aogositra ho avy izao no hanambara amim-pomba ofisialy ny tetiandrom-pifidianana, dingana faharoa ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena momba ny fifidianana (Cenit), ary izany dia aorian’ny fihaonan’ity rafitra natao hikarakara ny fifidianana ity amin’ireo manam-pahaizana avy amin’ny Firenena Mikambana, izay ho aorin’ny fiaraha-midinika ihany koa amin’ireo solontenan’ny rafitra isan-tsokajiny eo anivon’ny fianakaviambe iraisampirenena. Fa mialohan’io dia tsy maintsy hanome hasina an’ireo mpitarika politika niara-nanao sonia ny Tondrozotra ny Cenit.

Ny efa azo antoka aloha izany izao, satria ny fitondram-panjakana miseho ho mitaky ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona ity, no tena manipika fa ny voalazan’ireo manam-pahaizan’ny Firenena Mikambana no hoekena hanaovana ny fifidianana (2013).

Eo anoloan’izany rehetra izany, na saika tsy nisy niraharaha ny hevitra voizin’ny Pastora Mailhol aza tany alohaloha tany ny mpanao politika amin’ny ankapobeany, dia zary lasa mametraka azy ho karazan’ny fahavalo iombonana aty aorina.

Manasokajy ny Pastora Mailhol ny maro amin’ireo mpanao politika satria zary lasa manaiky ny lanjan’ny herim-panahin’ny Pastora Mailhol. Io raharaham-pirenena amin’ny taona 2013 io no lasa mampiaiky, ny maro amin’izao fotoana izao satria ny Pastora Mailhol mihitsy no nanazava tamin’ny antsipirihany ny ho zotram-piainanan’ny firenena malagasy, ary dia mipaka amin’izay voalazan’ity filohan’ny fikamabanana Apokalypsy ity ny raharaha.

Misy ny mpanao politika no zary manaiky avy hatrany ankehitriny fa « ho lasan’ny Pastora Mailhol mora ny baolina ».

Source : Gazety TeloNohorefy

9 pensées sur “Fifidianana filohampirenena 2013

  • 13 août 2012 à 18 h 09 min
    Permalink

    O re olona o, mba fantatrao moa ny famaritana ny atao hoe politika? FANATSARANA NY FIAINAN’NY FIARAHAMONINA IRAY NA FARITRA IRAY ka Andriamanitra ve re olona de hamela ny vahoaka hianjadian’izany fahantràna izany? Ny GFFM koa anie dia GIDEONA FANDRESENA NY FAHANTRANA ETO MADAGASIKARA e raha halavaina, ka tsy politika toy ny politika mahazatra anao hatrizay io re olona o fa Andriamanitra midina hamonjy ny vahoakany ka noho izany dia programan’Andriamanitra izany io fa hafa ny taloha e dia maniry anao handray anjara mavitrika handray anjara amiun’ny fanarenana ny firenenao raha resy lahatra ianao fa andron’ny fandraisana andraikitra izao dia misaotra e

  • 24 août 2012 à 13 h 16 min
    Permalink

    ka tsy mety amin’nay anie le fivavahana manao politika hitondra fanjakana, izany ihany no nahatonga ny ady lehibe voalohany tany an-danitra

  • 26 août 2012 à 12 h 42 min
    Permalink

    Tsotra fotsiny, fantaro ny hevitry ny teny hoe # Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny# ao ny secret ny zavadrehetra

    • 4 septembre 2012 à 14 h 03 min
      Permalink

      Tena tsara ilay ilay hoe “Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny” saingy aza adino fa olombelona anie i Pasteur Mailhol fa tsy Andriamanitr é sady tsy midika hoe ra tsy pasteur no mitondra dia tsy ho tahin’Andriamanitra ny firenena iray…

  • 27 août 2012 à 14 h 52 min
    Permalink

    Ka raha tahiny ary ve ka ho tonga eo tokoa P Mailhol, hivadika ho Kristiana izany ity firenena ity fa tsy hatao laika intsony,

    tena sahy hijoro amin izay ve sa mody aodinkodina indray ny resaka oe ao anatin ny fanantotoloana?

    Tena

  • 27 août 2012 à 14 h 56 min
    Permalink

    Tena sahy hamadika ny andro Sabotsy ho andro tsy hiasana sa avy eo hiteny indray oe tsy maintsy misintona ny mpampiasa vola isika ka tsy azo atao oe andro tsy fiasana io ?

    P Maihol anie teny amboalohany nazava tsara ny teniny fa Fevrier 2013 no hahazo fitondrana fa tsy Mai na Juill e!!!! ary tsy hilatsaka ho fidiana araka ny teniny fa HATOLOTRA!!!!

    K aiza ho aiza no fahatatnterahin ny ity oe faminaniana dradradraina etsy sy eroa ity!!!

    So dia kajikajy politika ianny tyu zavatra ity fa tsy resak famiananiana velively!!!

  • 3 septembre 2012 à 10 h 44 min
    Permalink

    aza mivaky loha amin ny apetraka sy tsy apetraka fa aleo andrasana fotsiny e……

  • 7 septembre 2012 à 4 h 50 min
    Permalink

    Mba loza koa ty enao ry patrick avy any chine, olon-dehibe manana ny mahaizy azy ange pasitera Mailhol e . Tsy miteniteny foana izy ary mieritreritra tsara alohan”ny hamoahany izany ka no hoe aza mivaky loha amizay nolazainy. Ary Aldira koa mino aho fa olona mpandalina tsotra mila fanazavana misimisy kokoa fotsiny. Fanazavana fanampiny kely fotsiny no ilainy dia izay fa aza compliquena lay zavatra.
    Sady tsotrakely ho an’ny Pasitera ny mamerina indray manazava an’io fa i Aldira angamba tsy nahazo azy tsara t@ilay fanazavana voalohany.

    • 13 octobre 2012 à 6 h 01 min
      Permalink

      HO menatra eo i pastera mailhol amin 2013,ny vahoaka malagasy anie mahalala ny tena feon’ny mpaninany marina sy avy amin’ny andriamanitra e,Aza manaiky ho rebirebeny, ny mpino entiny no manaiky azy ho ( garou) fa tsy ny valala be mandry rehatra,, Ireo mpino entiny raha ilazany hoe azo hohanina ny alika dia hihinana tokoa

Commentaires fermés.