Fivoriana Nasionaly 2012

Ho an’ny FAM MANERANA NY NOSY

  • Vondrom-bavaka rehetra
  • Fiangonana rehetra
  • Paroasy rehetra
  • FAM France
  • Foibe Nasionaly

Fivoriambe Nasionaly 2012

Fanamarihana ny faha 15 taona FAM

Nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia ilazana mialoha isika fa raha sitrapon’Andriamanitra dia hotanterahina ny 03 ka hatramin’ny 09 SEPTAMBRA 2012 eto Antananarivo ny FIVORIAMBE NASIONALY Faha 4 an’ny FIKAMBANANA APOKALYPSY ETO MADAGASIKARA.

Amin’izany ihany koa no hotanterahina ny FANAMARIHANA NY FAHA 15 TAONA amin’ny sehatra Nasionaly ho voninahitr’Andriamanitra.

Koa dia mirary antsika samy ho tratran’izany fotoana lehibe izany.

« Fa raha mbola hisy koa ny FARANY tsy ho foana ny FANANTENAKO » Ohab 23.18

Ny Filoha Mpanorina Maneran-tany FAM

Pasteur MAILHOL André Christian Dieu Donné