345 mianadahy natao batisa ny sabotsy 24 martsa 2018

Nanatanteraka batisa lehibe indray ny fiangonana Apokalypsy rezionaly Antananarivo ny sabata 24 martsa 2018 lasa teo tetsy Antohibe Ambohidratrimo, izay efa misy fiangonana Apokalypsy lehibe dia lehibe ary anisan’ny nosokajiana ho isan’ny goavana indrindra amin’ny fiangonana Apokalypsy eto madagasikara raha ity fiangonana lehibe ity.

Toy ny sabata rehetra dia nialohavana fotoam-bavaka lehibe izany, narahina fideràna sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Teo ihany koa ny hafatra mafonja izay nentin’ny pasteur Mailhol nampahery ireo vahoakan’Andriamanitra no sady ihany koa nentiny nanafatra ireo izay sambany vao resilahatra tamin’ny fampianarana nomena azy ireo.



Batisa voalohany amin’ny taona 2018 ity notontosaina ity, ary raha ny zavatra hita tokoa dia ankavitsiana ny fiangonana misy olona anjatony maro resilahatra hanolo-tena ho an’Andriamanitra izany.

Na dia teo aza ireo fanaratsiana sy fanaovana tsinontsinona ny pasteur Mailhol sy ity fiangonana tarihiny ity dia tsy nahasakana ireo 345 mianadahy niroso izany satria raha ny nambaran’izy ireo dia: « tsy olona no arahinay ao amin’ny fiangonana fa ny fahamarinana, io no fototra iorenanan’ny finoanay. » Hany ka na dia maro aza ireo eson-teny sy latsa ataon’ny manodidina dia niroso hatrany izy 345 mianadahy ireto.

« …Sarotra sy mafy ny lalàna kanefa ny fanahy tsy azo amidy…. » hoy ny renim-pianakaviana iray raha nanontaniana ny antony nirosoany

tamin’ny batisa.

« ….na dia eo aza ny hatanorana dia mila tsinjovina ny ho avy, dia ny fiainana mandrakizay fa tsy ho variana amin’ny rendrarendran’izao tontolo izao…. » hoy ny tanora izay nanontaniana ny heviny.

Zava-dehibe tokoa araka izany, ary dingana lehibe tsy maintsy lalovana ity batisa ity raha ny baiboly manokana no jerena. Toy ny tamin’ny andron’ny zanak’israely dia nisy ny fiampitana ny ranomasina mena, nisy ihany koa ny fihitàna an’i jordana izay samy ambaran’ireo apôstoly aty afara avokoa fa tandindon’ity batisa lehibe ity.

Laisser un commentaire