1996-2016 roapolo taona ny Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany
ARAHABAINA NAHATRATRA NY FAHA-20 TAONA
Miarahaba anao tonga soa ato amin’ity tranokala manokana ity izay natao indrindra hanomezana fahafaham-po ho anao tia karokaroka sy liam-baovao. Hitanao ato amin’ity tranokala ity avokoa ireo vaovao rehetra momba ny Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany izay tarin’i Pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné, ireo tsara ho fantatra maro samihafa, toro-hevitra mahasoa, ary indrindra dia misy pejy manokana natokana ho anao tia miady hevitra sy tia mitsikera.
Tsy manavaka antoko na saranga izahay fa dia mandray izay rehetra te hifandray sy hitafatafa aminay; efa ireo mipetraka eo ambony ireo avokoa ny laharana ahafahanao mifandray sy mitafa fa anisan’ny mampiavaka ity tranokala ity ihany koa ny fahafahanao manaraka ireo vaovao farany momba izao tontolo izao sy ny eto Madagasikara ary indrindra ireo fandaharan’asa maro isan-karazany eto anivon’ny Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany sy ny Radio Fanambarana.
Misokatra ho anao ary araka izany ity tranokala ity mba ahafahana mifampizara ireo vaovao tsara ho fantatra sy azo ifampizarana.
Eto ihany koa izahay dia manasa anao sahady hanaraka ny onjam-peon’ny Radio Fanambarana FM 98.400 na koa ny www.famfrance.fr . Maro ny zavatra azonao trandrahana ao toy ireo mahaliana maro samihafa, fampianarana maro samihafa, sns sns… Tsarovy koa anefa fa misokatra ho anao ny Fiangonana Apokalypsy rehetra any amin’izay faritra misy anao na eto Madagasikara ianao na koa ivelan’i Madagasikara. Tsy manavaka foko na fiaviana na firazanana na koa fari-piainana ny fiangonana fa vonona ny handray anao hatrany amin’ny fotoana fivavahana rehetra.
Isaky ny sabata na sabotsy no andro natokana ivavahana ho an’ny Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany ary miditra amin’ny 9 ora sy 30 minitra maraina, ary mirava kosa amin’ny 4 ora sy 30 minitra na 16h30 ny hariva. Tsy mijanona fotsiny eo amin’izay isaky ny sabata na sabotsy izay fotsiny anefa ny fiangonana fa mbola misy koa ireo vondrombaravaka maro samihafa izay misokatra ho anao arakaraky ny fandaharam-potoana misy isaky ny faritra izay misy anao.
Eto am-pamaranana ary izahay dia mirary soa ho anao sahady ary maniry ihany koa ny hahitanao soa sy fahombiazana indrindra fifaliana mandritra ny fotoana itsidihanao ity tranokala manokana ity.
Sabata Paska lehibe Apokalypsy ny 11 Jolay 2015 Boky Sekoly Sabata F.A.M 2015 Vaovao samihafa