Ambohimarina, Sabata 05 Oktobra 2013

Sabata 05 Oktobra 2013, daty manan-danja lehibe ho an’ny Fiangonana Apokalypsy maneran-tany satria io fotoana io no fihaonam-be rezionaly Antananarivo faha 5 tamin’ity taona 2013 ity. Nampiavaka ity fotoana ity ny famaranana ny fanoloran-tena 40 sabata nandritra ny 7 taona izay nataon’ireo mpino nanomboka izany tamin’ny taona 2006. Araka izany dia nisy ny fitondrana am-bavaka azy ireo, sy ireo izay mbola tsy nahavita ka mikasa hanohy izany mandrapahavitan’ny 7 taona manaraka. Fa mialohan’izay dia nitondra am-bavaka ireo kandida hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ihany koa ny Fiangonana mba ho ny sitrapon’Andriamanitra no ho tanteraka eto amin’ny firenena. Nisy rahateo ny solotenan’izy ireo izay namaly ny fanasana tamin’io, dia ny kandida Hery RAJAONARIMAMPIANINA avy amin’ny antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara. Tao aorian’izay rehetra izay dia niroso tamin’ny toriteny ny pasitera Mailhol, toriteny izay nalaina tao amin’ny Josoa 1 : 6, sy ny Matio 12 : 22-32 ary ny Jakoba 3 : 1-12. Notsongaina manokana tamin’izany kosa ny Matio 12 : 22-32 izay nanambaran’ny pasitera Mailhol ny hahazo ireo izay miteny ratsy ny Fanahy Masin’Andriamanitra. Ny fotoana tapany hariva kosa dia nisy ny hafatra manokana ho an’ny mpikambana Apokalypsy rehetra maneran-tany.