Androhibe Antsahadinta ny sabata 19 09 15

Ny Fiangonana Antsahadinta ao anatin’ny fanorenana Dôme

Rehefa avy namangy ny Fiangonana Apokalypsy Ifarihy sy Ankeniheny Anosimahavelona ny Pasteur Mailhol ny sabata faha 12 septambra 2015 lasa teo dia nitodika manokana teny amin’ny paroasy Androhibe Antsahadinta indray. Fitsidihana miavaka no notontosainy tamin’izany satria na dia tsy niomana ny ho amin’ny fihaonam-be ny paroasy aza ireto fiangonana ireto dia saika hita teny an-toerana avokoa ireo solon-tena isam-piangonana mandrafitra ity paroasy Androhibe ity. Anisan’ny nanamarika izany ihany koa ny fanatrehan’ny ben’ny Tanàna izay vao voafidy teny an-toerana nanome voninahitra an’Andriamanitra sy nanontrona nandritra ity fotoana miavaka ity.

Ireo olona tao an-tokotany
Ireo olona tao an-tokotany

Feno hipoka ny fiangonana ary dia na ny taty ivelan’ny fiangonana aza dia tsy araka ny niheverana azy hoe tanàna ambanivohitra ka mety ho vitsy olona fa dia feno olona atraty an-tokotany.

Ireo olona tao an-tokotany
Ireo olona tao an-tokotany

Nifaly, niravo, nidera an’Andriamanitra ny vahoakany tonga teny an-toerana ary taorian’izay dia nisy ihany koa nyhafatra manokana izay noentin’ny Pasteur Mailhol izay nampahatsiahivany ny mahakasika ireo mpanenjika ary koa ireo ady sy olana nolalovan’ny vahoakan’Andriamanitra araka izay voasoratra tao amin’ny Habakoaka « Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy….dia mbola hanantena an’i Jehovah aho. »

Maro tokoa raha ny ady sy ny olana izay nolalovan’ny Fiangona

na Apokalypsy nandritra ny andro sy taona vitsivitsy izay, teo ireo ady sy olana maro hafa ary tsy takona afenina tamin’izany ny zava-nisy teto amin’ny firenena izay nisian’ny hain-tany mahamay, tondra-drano mahatsiravina sy ireo loza voajanahary maro samihafa izay nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny firenena malagasy ary dia niantraika hatrany amin’ny fiainam-piangonana izany. Teo no nampaherezan’ny pasteur Mailhol ny fiangonana Apokalypsy manerana izao tontolo izao fa efa tapitra hatreo izany loza rehetra izany fa ho avy ny fotoana hihinana ny maniry ho azy ny vahoakan’ANdriamanitra ary tokony hanantena ny voninahitr’Andriamanitra ny olony satria Izy dia tsy miova na mivadika amin’ny teniny fa tsy maintsy tohaviny ny teny fikasany indrindra ny fanambinana izay homeny ny olony.

Toriteny Pasteur Mailhol Antsahadinta le 12 Septembre 2015