Ankeniheny Ambohidroa ny Sabata 01 Aogositra 2015

Fiangonana Aokalypsy Ankeniheny Ambohidroa
Fiangonana Aokalypsy Ankeniheny Ambohidroa

Avy nitsidika ny faritra Miarinarivo ny Pasteur Mailhol dia nitsidika indray ny fiangonana Apokalypsy tetsy Ankeniheny Ambohidroa ny sabata 01 Aogositra 2015 lasa teo. Toy ny sabata rehetra atramin’izay rehefa miaraka amin’ny Pasteur Mailhol dia fifaliam-be no hita teny an-toerana, fiderana makotrokotroka, hafatra miezinezina ho an’ireo mpino sy mpikambana ao anatin’ny Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany.

DSCF0628

Nisongadina manokana tao anatin’izany fotoana izany ny hafatra fampahatsiahivana ny tantaran’ny zanak’Israely fony vao niainga avy tany Egypta mandra-pihita ny ranomasina mena, ary rehefa tonga tao an’Efitra dia nisy ny hafatra manokana nampitondraina an’i Mosesy mba ho tanterahin’ny vahoaka rehefa tafita ny Jordana. Tamin’io sabata io indrindra ary no novakiana na naverina novakiana ny hafatra manokana mahakasika ireo didy sy fitsipika ary lalàna maro samihafa natao ho arahin’ny zanak’Israely rehefa avy niady tamin’ny fahavalony izy ka naharesy azy. Novakiana avokoa araka izany izay voalaza sy voasoratra tao amin’ny Deotoronomia 18. Tao no nisy ireo teny fanozonana sy tso-drano ary hafatrafatra natao ho arahin’ny zanak’Israely rehefa tafita ny onin’ny Jordana izy ireo.

Tsy nijanona teo fotsiny anefa ny Pasteur Mailhol fa mbola nanafatra manokana ihany koa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra mbola ao anatin’ny fiangonana ny mba hifankatiavana fa tsy tokony hifampiandaniana, « fotoana tokony hanehoana firaisan-kina izao »  hoy ny mpanompon’Andriamanitra nanamafy ny hafatra efa nampitainy fony mbola tany Miarinarivo. « Tsy fotoana ifampitsikerana na koa ifampiandaniana fa fotoana tokny hanambarana ny hery satria lehibe ny voninahitr’Andriamanitra efa nomeny antsika » io no ambetin-teny re tato ho ato rehefa mitoriteny ny pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné. Nampitainy manokana koa fa tsy ilainy ny manilika ireo olona izay mitaona ny mpino efa ato anatin’ny fiangonana ivoaka fa ireny dia anisan’ny sivana lehibe natao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ; ahalalana fa tena mafy orina na mitsingevaeva ny mpino ato anatin’ny fiangonana. « mpiara-miasa mahafinaritra ireny » hoy ny pasteur Mailhol nanamafy izany, « raha ho any amin’ny fiangonana hafa ireny no hitaona olona tsy hahazo » hoy hatrany izy nanamafy izany fa « ato anatin’ny fiangonana ihany ireny no afaka mitaona izay tsy miorina tsara,…. ary eo no ahitana hoe vahoakan’Andriamanitra miorina sa tsy  miorina ny Apokalypsy ? »

 

Ny tapany hariva moa dia nanome toro-marika ho an’ireo vahoakan’Andriamanitra tonga teny Ankeniheny ny Pasteur Mailhol mahakasika ireo sakafo ara-pahasalamana manoloana ny hafatra izay efa nambarany tany aloha fa tsy nohariana hihinana hena ny zanak’olombelona fa nomeny ny zava-boaary rehetra tamin’ny andron’ny famoronana fa kosa rehefa nanota, taty aorian’ny safodrano dia nasain’Andriamanitra nihinana hena nohon’ny fahasimban’ny tontolo iainana. Anisan’ny torohevitra nomeny tamin’izany ary ny fisotroana rano matetika na koa isa-maraina vao mifoha (cure d’eau) izay anisany mahatsara ny fahasalamana, eo ihany koa ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana mahasolo ireo akora azo avy amn’ny fihinanan-kena, toy ny tsaramaso sns….nofaranana tamin’ny fiderana avy teo ny fotoana rehetra ka dia nihofahofa ireo lamba maro loko samihafa izay fihetsika tsy dia oviana loatra fa efa nisy tamin’ny andro taloha ary niha-nahazo vahana izany taty aoriana satria rehefa miatrika ireny karazana fety aman-danonana maro samihafa ireny ny olona dia saika mitsinjaka daholo ary samy maneho ny hafaliany koa mainka ve fa ny zanak’Andriamanitra tsy tokony hanao mihoatra lavitra noho izany ?

Fiangonana Ankeniheny Ambohidroa
Fiangonana Aokalypsy Ankeniheny Ambohidroa