Batisa 29 12 2018: Fiangonana Apokalypsy, mandroso hatrany

Taorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena dia be dia be ireo nihevitra fa ho rava sy ho potika ary hizarazara ny fiangonana Apokalypsy izay tarihin’ny pasteur Mailhol, tsy nampiontsona ireo mpino anefa izany, ary koa tsy nanakana ireo naniry ny hiditra ho mpikambana vaovao ho tonga. Porofon’izany, 225 mianadahy mianaka ireo niroso tamin’ny ranon’ny batisa ny sabata 29 desambra 2018 namarana ny taona teo.

Zava-dehibe ho an’ireto olom-baovao ireto ny fanahy, ary tsy olona no arahin’izy ireo fa ny fahamarinana izay nambaran’ny pasteur Mailhol, izay filoha mpanorina ity fiangonana ity.
Diso araka izany ny filazana fa ataon’ny pasteur Mailhol fitaovana politika ireo mpino, satria na izy tenanany amin’ny maha-pasteur azy aza dia nanambara fa iraka no tontosainy, ary rehefa tsy ilain’ny vahoaka malagasy izy dia mijanona amin’ny maha-pasteur azy, kanefa izany dia tsy manakana azy tsy hitondra ny anjara fampandrosoana eo amin’ny firenena.

Laisser un commentaire