Ity bokin‟ny Apokalypsy ity, dia misy sarisary an‟ohatra marobe ihany koa. Misy hevitra ara-panoharana be dia be, izy tsy milaza zavatra mivantana!ohatra raha ilaza fiangonana izy dia tsy milaza an‟izany mivantana, fa resahiny amin‟ny teny miafina na teny an‟ohatra na “code” ny fiangonana.
Ka ny fiangonana izany dia ambarany amin‟ny endrika vehivavy, dia misy filazana vehivavy be dia be ato amin‟ny bokin‟ny apokalypsy: misy ny vehivavy janga lehibe mipetraka eny ambony rano, misy ny vehivavy mitafy masoandro, dia sahirana ianao raha tsy mahalala ny hevitr‟izany fanoharana be dia be izay, satria mety ilaza ianao hoe zazavavindrano ary ve izany ity vehivavy janga lehibe mipetraka eny ambony rano ity, sa inona ny tiany resahina.
Mety ho variana ihany koa ianao raha hahita ny hoe: iza izany vehivavy mitafy masoandro izany? Ka tsy ho may ve izany? Nefa tsy izay ihany, fa marobe ihany nybiby resahiny ato, misy ny biby miakatra avy amin‟ny ranomasina?misy ny biby manana loha fito?, misy ny manana tandroka folo. Dia ho sahirana isika raha tsy mahafantatra ny hevitra ambadika ambaran‟izany rehetra izanyna ny “code”.
Misy karazana isa marobe ihany koa ato, izay tokony ho fantarina ihany koa ny dikan‟izany isa marobe izany: raha toa ka mamaky ny boky apokalypsy ianao, dia misy heviny izany.
Misy loko maro isan-karazany ihany koa ao, ary dia misy dikany avokoa izany rehetra izany. Ohatra izao ny antsika malagasy dia hoe: izay mena valala izay tiana malala, misy ny hoe ny maitso no fanantenana, ianao no fanantenan‟ny foko amin‟izao akanjonao maintso izao; dia misy koa ny hoe loko mavo, mavo adala, sns…, ny sasany manao hoe manga ny lanitra, avo ka tsy takatro e!. Ka ireo loko rehetra ireo izany dia misy heviny avokoa, ka mbola ho hazavaintsika eto ihany ireo rehetra ireo ao aoriana kely.
Rehefa hanazava ity bokin‟ny apokalypsy ity ihany koa izany isika dia tsy afa-misaraka amin‟ny bokin‟i Daniela sy ny bokin‟i Ezekiela izy ity. Ny bokin‟i Ezekiela dia anisan‟ny iray milaza zavatra apokalyptika ihany koa fa ny tena mifameno aminy ary tsy hahavita manazava ny bokin‟ny Apokalypsy mihitsy ianao izany raha tsy mamaky ny bokin‟i Daniela. Fa ny fitambaran‟ireo boky telo ireo dia ny Ezekiela, Daniela, ary ny Apokalypsy no ambaran‟ireo teolojiana fa hoe boky apokalyptika na koa hoe “livres apocaliptiques”, na ihany koa hoe bokin‟ny andro farany. Ka izay no mahatonga ny olona miresaka sy miteny, raha vao misy miresaka ny boky apokalypsy hoe: inona ihany koa no hiresahana an‟izany boky izany, fa bokin‟ny andro farany anie izany e!? Nefa raha vao milaza an‟izany ilay olona, dia efa tsy mahita ny” angle”, na rirany, na lafy, na zoro tokony hijerena ilay boky; na ilay lafin-javatra noresahintsika teo aloha teo hoe: ny lasa ny ho avy ny ankehitriny, fa ny azy ny fahitany ny bokin‟ny apokalypsy dia zavatra mbola ho avy avokoa ny ahitany azy. Ary misy mpanoratra boky be dia be, (anjaratsika no manao fikarohana amin‟ireo mpanoratra ny boky apokalypsy ireo), fa na ilay olona dia amin‟ny endrika zavatra efa lasa avokoa no hanazavany ny boky, na izy hanazava ny boky amin‟ny lafiny mbola ho avy rano iray no hanazavany azy, na ilay olona dia amin‟ny lafiny ratsy avokoa no hanazavany ny boky apokalypsy, ka dia zava-doza hatrany no hitany, na ireo olona raha vao maheno hoe apokalypsy dia efa avy hatrany dia milaza hoe sekta izany e!
Dia lasa miresaka momba ny sekta hatrany izy, ka tsy fantany ny dikan‟ny sekta, inona ny famaritana ny momba ny sekta? Fa ny azy dia tsy misy hafa tsy ny lafiratsin‟ny sekta no mibahana ao an-tsainy, toy ny hoe: raha vao miresaka fomban-drazana dia ny lafiratsiny hatrany no mibahana ao an-tsain‟ny olona, nefa anie izy rehefa mamangy fahorina dia mbola mahateny ihany hoearaka ny fomban-drazana izay tsy misy maharatsy azy, dia tonga izahay mitondra “solon-drambondamba ho an‟ny maty ary solon-dranom-bary ho an‟ny velona”.
Dia milaza mazava tsara izy fa fomban-drazana tsy hita izay maharatsy azy, ka ahoana no hilazanao fa sampy daholo raha vao fomban-drazana? Dia heritrereto amin‟izay fa tsy azo atao bambaray ohatra izany ilay izy, fa arakaraky ny zavatra entin‟ilay olona sy ny natoro azy no hitondrana ilay fanazavana. Ka ho antsika izay mianatra ity boky Apokalypsy ity izay hiarahana amin‟ny Pasitera Mailhol ity, dia hinoako fa tsy hitovy amin‟ny fampianarana izay efa rentsika tamin‟ny olon-kafa tany no entina eto, satria izaho tsy nianatra an‟izy ity, izaho tsy nandalo sekoly, na oniversiteteolojiana, ka ilaza fa efa nandalina sy nianatra ka mahay ny bokin‟ny Apokalypsy, fa izy ity dia nomen‟Andriamanitra manokana mihitsy.
Izay no mahatonga ny fanazavana miavaka amin‟ny an‟ny olona rehetra. Noho izany, raha misy olona manazava ny bokin‟ny Apokalypsy, ka manana planina na drafitra tsara ohatra ity hanazavan‟i Pasitera azy ity, dia mazava tsara fa nalaina tahaka tamin‟ny fanazavan‟i Pasitera Mailhol izany izay fanazavana izay, ka aza dia taitra isika ny amin‟izany zavatra izay. Noho izany ny fanazavana izay entintsika izany dia misy drafitra mazava tsara hatrany, fa tsy zavatra apetapetaka na sambosamborina akory.
Mifampitohitohy, sy misy drafitra sy rindran-damina tsara izany izy ity, ka ny boky Apokalyptika, izany hoe, ny bokin‟i Ezekiela sy Daniela sy ny Apokalypsy izany no mitambatra ho boky Apokalyptika na ihany koa hoe:“bokin‟ny andro farany”. Ireo dia ahitana ny toko sy andininy marobe, ahitana an‟izany resaka andro farany izany:
Daniela 2:28 « kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ny lohanao teo amin’ny farafaranao dia izao: »
Daniela 8:17 « Ary dia nankeo amin’ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany. »
Daniela 8:19 « Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin’ny fahatezerana farany; fa ho amin’ny fotoana any am-parany izany. »
Io fahitana noresahin‟i Daniela io, dia niseho tamin‟ny fotoana lavitra be mihitsy, talohan‟i Jesosy Kristy izany hoe mbola 500 taona talohan‟i JESOSY KRISTY. Isika ireto aza dia mbola tsisy teraka tamin‟izany andro izany
Daniela 11:27 « Ary ny fon’ireo mpanjaka roa ireo dia samy ta-hanao ratsy, ary eo an-databatra iray no hiresahany lainga; nefa tsy hambinina izany; fa ny farany dia ho amin’ny fotoana ihany. »
Izany hoe, tsy dia atao zavatra mahataitra ihany izany raha misy mpanjaka miresaka lainga, fa io dia politika na polifika, ka dia tsy misy zavatra mahitsy na fitiava-namana, fa dia filazana lainga hatrany no miseho eo. Io hoy izy dia mbola any amin‟ny farany any ihany no hiresahany azy.
Daniela 11:35 « Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan’ny andro farany, fa mbola ho amin’ny fotoana ihany izany. »
Daniela 12:4 « [Teny farany] Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany; maro no hazoto mandinika*, ka hitombo ny fahalalana.[Heb. hivoivoy] »
Asio tombo-kase io fahitana io hoy izy, fa io dia hitranga rehefa any amparany any, ka dia maty foana ve izany i Daniela fa tsy nitranga izany zavatra izany? fa na dia amintsika izao aza dia mbola misy tsy nitranga izany zavatra rehetra izany.
Na ny Apokalypsy ihany koa aza, rehefa vakiantsika, dia miresaka an‟io andro farany io avokoa. Tsy manondro fotoana fa rehefa miresaka izy, dia milaza fa hoe: “any amparany any”, satria ny ankamaroan‟ilay zavatra, dia tsy hipoitra na hiseho amin‟ny vanimpotoana niainan‟izy ireo, izay nahazo ilay faminaniana fa mbola any amin‟ny taonjato 10 na mbola lavitra any no mety hisehoan‟izany.
Apokalypsy 1:3 « Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. »
Izany hoe raha tamin‟ny andron‟i Jaona izy no lazainy fa hoe antomotra, dia raha amin „izao fotoana izao izany dia angamba efa tena akaiky tokoa izany andro izany amin‟izao fotoana taon-sjato faha 20 izao.
Apokalypsy 22:20 « Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo! » Tapitra ny bokin‟ny apokalypsy dia hoy izy ho avy Jesosy Tompo.
Hiroso ny amin‟ny tena ventin-dresaka ary isika amin‟ity fampianarana ny bokin‟ny apokalypsy ity, satria tsy maintsy misy ihany ny fisavasavana ny raviny mba ahitana ny fotony.
Ny fomba hitondrana ny fanazavana izany dia izao :
– Voalohany dia omentsika ny hevitry ny teny hoe Apokalypsy sy Daniela ity, hevi-teny aloha no entina;
– Ny faharoa dia omentsika ny fomba hanazavana an‟ity boky apokalypsy ity
– Entina ihany koa ny fanazavana ny sary an‟ohatra misy ato anatin‟ny boky apokalypsy, antsoina ihany koa hoe “langage codé”, izay misy lafiny teny, dia ny loko na “couleur”, sary an‟ohatra na “images,” ary ny isa na “chiffres.”