Tao aorian’ny fanosorana loholona teny amin’ny fiangonana Ambohimarina; ny Fiangonana Apokalypsy teto Madagasikara dia nanolotra « conférence » lehibe izay nitondrana fanazavana ny baiboly amin’ny lafiny mahtematique, physique, spiritulle izay natao teo amin’ny foiben’ny Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany tetsy Ambodin’Isotry. Izany dia mitohy ny alarobia 30, Alakamisy 31, ary ny zoma 01 volana Aogositra taona 2014. Zavatra maro no ho hitanao mandrittra izany conférence lehibe izany toy ny fanalahidi’ny fialana amin’ny sigara, paraky, toaka, aretina maro isan-karazany, fahantrana!
Manasa anao araka izany mba ho tonga hanatrika izany famelabelarana ara-baiboly izany raha mahaliana anao fa tsy hanenina ianao!!!
« Fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara »