FANAZAVANA NY BOKY APOKALYPSY

Tonga eo amin‟ny fanazavana ny boky Apokalypsy ary isika satria, efa haintsika tsara izay ny tompon‟ity fanambarana ity, ary dia efa nekentsika tsara fa tena io ilay tompon‟ity fanambarana ity. Ka izany rehetra izany tsy hevitry Pasitera Mailhol, na ihany koa ity boky nosoratany ity no manambara an‟izany, fa dia niarahantsika nahita teo fa avy tao amin‟ny Soratra Masina avokoa no nakantsika an‟izany rehetra izany.

Ho raisintsika voalohany ary ny Apokalypsy 1:1-3
Apokalypsy 1:1-3 «1 [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony, 2 Izay nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany. 3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. »

Raha atao kisarisary ilay izy dia ohatra an‟izao: Andriamanitra na Zanahary izay no anarany amin‟ny teny Malagasy, na antsoina koa hoe God amin‟ny teny anglisy, na koa hoe Dieu amin‟ny teny frantsay, na Théos amin‟ny teny grika, na Elohim amin‟ny teny hebreo, na Allah amin‟ny teny mizolmana, izay izany no tompon‟ity fanambarana ity. Ka io Andriamanitra io na Iza hiantsoana Azy, na Iza, dia io no nanome ny fanambarana an‟i Jesosy Kristy, avy eo i Jesosy Kristy indray no nanome izany ho an‟ny anjely ary ny anjely nanome izany ho an‟i apostoly Jaona ary dia tonga amin‟izao vaninandro hiainantsika izao, dia noraisin‟i Pasitera Mailhol indray ny fanazavana izany.

(sary)

Apokalypsy 1:2 « Izay nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana an’i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany. »
Izany hoe ity apokalypsy ity izay dia Tenin‟Andriamanitra, ka na inona na inona ny antokom-pinoana misy anao, ka mbola mivavaka amin‟io Andriamanitra io ihany, na inona hiantsoana azy (na Allah, na Elohim, na Dieu na God), dia tenin‟izany Andriamanitra izany, izay nampitaina amintsika rehetra io boky Apokalypsy io.

Apokalypsy 1:3 « Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. »
Misy zavatra ngeza be io andininy fahatelo io. Hoy isika tany ampiandohana hoe: marobe ny olona te ho sambatra, ao ny hoe te hanan-taranaka mba ho sambatra, te hanan-karena be mba ho sambatra, te hanam-bola be mba ho sambatra, te ho salama sy matanjaka tsara mba ho sambatra fa aza mba marary ihany. Fa eto koa izany dia anisan‟ny hahazoana izany fahasambarana izany, ny mamaky ny bokin‟ny Apokalypsy ary ny mihaino izay lazainy ato, ary mihaino ny tenin‟ity faminanina ity. Fa ity bokin‟ny Apokalypsy ity moa izany dia faminaniana daholo no voalaza ao. Ary tsy vitan‟ny hoe mamaky sy mihaino fotsiny fa ny mitandrina ihany koa.

Dia misy zavatra telo lehibe ato anatin‟ity bokin‟ny apokalypsy ity. Apokalypsy 1:3 « Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. »
Ka io teny io, na inona io na inona, na didy io na fitiavana io, na lalàna io, na toro-marika io na toro-hevitra dia hahazoanao fahasambarana izany.
Andeha ho velabelarintsika tsikelikely izany hoe: “mamaky”, “mihaino”, sy “mitandrina” izany, satria efa antomotra ny andro. Ity fanambarana ity dia nomena an‟i Jaona teo amin‟ny taona faha-100 taorian‟ny taona voalohany no nazahoan‟i Jaona ity fanambarana ity, izay hilazany hoe antomotra ny andro. Ka dia be dia be tokoa ny olona efa maty taorian‟izany. Antomotra ny andro satria, ny olona iray dia tsy misy velona mihoatra ny zato taona izany na isika mamaky ity fampianarana ity aza, dia tsy afaka hihoatra izany fe-potoana izany, ka izay no midika fa efa antomotra ny andro.

Inona no hevitry ny teny hoe: MAMAKY?

Ity teny hoe mamaky ity izany, raha ny heviny amin‟ny teny original na dikan-teny fototra amin‟ny teny Grika dia “ANAGINOSKON” no teny nihaviany. Ny heviny dia hoe “MANOVO FAHALALANA”. Ka raha ovana amin‟io heviny io izany ilay teny hoe “mamaky” dia: “sambatra izay mamaky” dia midika hoe “sambatra izay manovo fahalalana” ato anatin‟ity boky ity. Ka mazava ho azy fa tsy maintsy mamaky aloha ianao vao afaka manovo fahalalana.

Inona ny hevitry ny hoe MIHAINO?

Ny hevitry ny “MIHAINO” amin‟ny dika-teny fototra na teny Grika dia “ACOUNTES”. Izay midika hoe “MANONGILAN-TSOFINA”.
Izany hoe: toy ny olona iray mihaino radio, ka raha mandeha fotsiny eo ilay radio tsy misy miraharaha dia tsy manongilan-tsofina izany, fa ny atao hoe manongilan-tsofina izany dia izao: mifantoka ao ny fonao, ny masonao, ny tenanao manontolo dia mihaino. Toy ny olona mihaino tantara iray, ka raha misy mampihomehy ao dia mihomehy ianao, raha misy mahatezitra ao, dia mba tezitra koa ianao, raha misy mampalahelo voalaza ao dia mba malahelo ihany koa ianao, eny mety sady miteny mihitsy aza ianao amin‟izany hoe sssh! Izany koa ve dia mba marina, na hoe inona koa ny dikan‟izany, na hoe izaho kosa aloha dia tsy mba hatao an‟izany e! sns… Ka raha vao manao an‟izany ianao dia tena mifantoka ao izany ny sainao.

Voalaza ary fa sambatra izany izay olona tena mifantoka tsara mihitsy ny fony sy ny sainy mihaino azy ity. Toa antsika taloha mihaino tantara tamin‟ny radio RNM fahiny na (Radio Nasionaly Malagasy), satria mbola tsy nisy radio hafa tamin‟izany fa mbola tokana ny radio nisy teto. Ka tamin‟izany dia mandeha” pille” ilay radio, ary ny” pille” amin‟io efa ho lany, efa tena tahitahiana mihitsy. Dia tena tsy misy miteny mihitsy ny mpianakavy mihaino radio, ka indraindray rehefa tena ao anatin‟ilay tena mampangitangitaka iny mihitsy no mitomany tampoka ilay zaza dia mikorontana mihitsy ny ao an-trano hoe avoahay any izao zaza izao fa tsy misy hihainoana zavatra mihitsy.

Na ihany koa rehefa ao anatin‟ilay mampangitangitaka iny ilay izy no mikasaoka indray ilay radio, ka amin‟izany dia misy olona tsy maharitra loatra ka mikitika ny onde hoe atao “mise au point” tsara hono, dia vao mainka mikasaoka be tsy ifandrenesana intsony ilay izy, dia raikitra ny sahotaka ao an-trano, inona ary no ikitikitihana an‟io radio io, sahala amin‟ny adala tsy misy saina, zavatra efa mandeha tsara io dia mbola kitikitihana ihany, izay tsy misy mandeha intsony ilay izy. Dia ohatra izay izany no tiana ho resahina eto, hoe tena mifantoka tanteraka mihitsy isika na ny saina na ny fo na ny fijery.

Ohatra antsika mamaky ity boky ity izany na mihaino ahy amin‟ny radio, raha misy zavatra mampihomehy voalaza eto dia mba mihomehy isika, na misy zavatra tsy mifanaraka amin‟ny hevitrao ny voalaza eto dia mihivingivina isika hoe: aiza ihany koa no misy an‟izany, tsy marina izany, ity ve adala e! sy ny sisa. Na misy zavatra mahasosotra dia mihisitrisitra mihitsy isika hoe sssh! miteniteny foana izany e! izany koa ve dia mitombina e!

Inona no dikan’ny hoe MITANDRINA?

Ny dikan‟ny teny hoe “MITANDRINA” amin‟ny teny fototra Grika dia hoe “TEREO”. Ka tsy hoe tandremana tsy ho very no dikan‟izany, tsy izany fotsiny,fa tena zavatra lehibe amin‟ny fiainanao manontolo mihitsy ny zavatra voalaza ao ka tsy avelanao ho simba na ho potika, na ho voan‟ny vovoka, fa tena kenakenainao mihitsy, tandremanao toy ny anakandriamaso, ary dia ankatoavinao amin‟ny antsipirihina mihitsy izay rehetra voasoratra ato.

Ka raha raisina izany ilay teny hoe Apokalypsy 1:3 « Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. » dia midika fa: antoka iray hahazoana fahasambarana mihitsy izany, ny fanovozana fahalalana ato anatin‟ity Tenin‟ Andriamanitra ity, indrindra fa ity boky apokalypsy ity, izay milaza ny Tenin‟Andriamanitra, sy ny filazana an‟i Jesosy Kristy, ary milaza ny faminaniana. Sahala amin‟ny hoe: misy zavatra telo ihany koa izany ao, toy ny hoe: mihaino, mamaky ary mitandrina.

Voalaza ihany koa fa antomotra ny andro, izay midika fa hoe: ny fotoana hiainantsika izany dia kely sy fohy daholo. Ka tsy ho velona ohatra ny talohan‟ny safodrano intsony isika, ka hahatratra 500 na 600 taona, fa manodidina ny zato taona daholo, ary ny mateza indrindra dia 120 ans. Ka tsy ahoanao izay hahafatesanao, fa rehefa manaraka tsara izany fanambarana ny boky apokalypsy izany fotsiny isika, dia azo antoka ny hoavinao, ka dia mandry ampiadanana tokoa isika satria raha mitsangana avy eo isika, dia fiadanana no miandry antsika. Izay ilay hoe: antomotra ny andro.

Apokalypsy 1:4–5 «4 Jaona mamangy ny fiangonana*[* Gr. eklesia] fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza fiandrianany; 5 ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. Ho an’izay tia antsika ka namaha*[* Gr. nanasa] antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny ràny, »

Eto izany dia misy sonia mipetraka eto, efa nisy sonia teo ambony an! dia ny hoe: Apokalypsy 1:1 « [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony, »

Fa eto amin‟ity andinin-teny ity, dia haveriny indray ilay sonia hoe: “ity hafatra ity izany, dia avy amin‟Ilay ankehitriny taloha ary ho avy, zavatra telo ihany izany, kanefa mitambatra ho iray ihany izy eto.

Iza moa ilay ankehitriny sy taloha ary ny ho avy io?

Io dia tsy iza fa Ilay Andriamanitra Ray.Avy amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza fiandrianany io izany Ilay Fanahin‟Andriamanitra, io ilay noresahintsika hoe Andriamanitra dia iray, fa misy Fanahy ao aminy ary misy Teny ihany koa ao anatiny. Ka izay mivavaka amin‟Andriamanitra dia mivavaka amin‟ny Fanahy sy Fahamarinana, satria Andriamanitra dia Fanahy. Dia miresaka be dia be an‟izany isika rehefa mianatra ity boky apokalypsy ity. Mbola hiresaka an‟ity Andriamanitra taloha, ankehitriny ary ny ho avy ity ihany koa isika ao aoriana. Ary mbola hiresaka be dia be ihany koa isika momba ny Fanahin‟Andriamanitra, na ny Fanahy Masina izay ato amin‟ity boky ity; ka mazava ho azy; fa rehefa miresaka izany Fanahy Masina izany koa isika, dia tsy maintsy hiresaka izay fanahy mamitaka ihany koa.

Apokalypsy 1:5ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina”. Jereo izany fa manao sonia ato Andriamanitra, ato koa ny sonian‟ny Fanahy Masina, ary ato koa ny sonian‟i Jesosy Kristy, Ilay Tenin‟Andriamanitra natao tonga nofo izay nirahina ho tonga tety ambonin‟ny tany no manao sonia eto. Ka io Jesosy Kristy io dia tsy ny anarany ihany no nanaovany sonia eto, fa mbola nampiany ihany koa hoe: “vavolombelona marina”, sy hoe “Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany”. Dia mbola hiresaka be dia be ny momba an‟io Jesosy Kristy marina io izany isika, satria, misy ihany koa ny Jesosy Kristy sandoka araka ny efa nahitantsika azy teo ambony.

Misy koa ny antsoina hoe: vavolombelona mandainga, mpamitaka, mpisoloky, milaza fa ho Kristy nefa tsy izy. Dia hiresaka be dia be ihany koa izany isika momba ity boky Apokalypsy ity, ny amin‟ny maha vavolombelona marina an‟i Jesosy Kristy, ary ny maha-lahimatoa amin‟ny maty azy.

Dia mbola hanazava ihany koa izany isika, fa io Jesosy Kristy io dia maty, nilevina sy nitsangana tamin‟ny maty. Io fanazavana io no tena tsy zanak-ondry losifera sy ry belzeboba, sy ry satana mihitsy, fa rehefa tonga any amin‟io fanazavana miresaka momba ny nahafatesan‟i Jesosy Kristy io, dia tena maro be tokoa ny olona no tafintohana mafy mandre io fanazavana io. Ka tsy ilay olona no tsy mahazaka ilay fanazavana, fa ilay fanahy mamitaka ao anatiny no tsy mahatanty mihitsy mandre io fanazavana io, ary ny fanahin‟i satana no tena tsy mahatanty mihaino io fanazavana io, hany ka raha vao maheno fotsiny izy hoe: “maty i Jesosy Kristy araka ny soratra masina, nilevina izy araka ny soratra masina, ary nitsangana izy araka ny soratra masina”, dia tsy tantiny mihitsy izany.

Ka na dia eto aza izao no misy olona mamaky ity fanazavana ity, dia efa te hijanona sahady sy hiteny hoe: “inona ihany koa no hamakiako itony boky itony fa fandanian‟andro fotsiny izany”. Tsy zakany ilay izy. Io dia mazava fa tsy ilay olona no tsy mahazaka io fanazavana io, fa ilay devoly satria tena tsy zakan‟i satana mihitsy no maheno ilay nahafatesany io, satria io no fototry ny famonjena. Ny amin‟io nahafatesany io, dia resahiny teo fa lahimatoa amin‟ny maty Izy, ary lehiben‟ny mpanjakan‟ny tany. Dia hiresaka momba izany nahafatesany izany koa isika rehefa hianatra ity boky ity, toy ny hoe: andro inona marina no nahafatesany? ny nilevenany? ny nitsanganany?

Io dia misy fanazavana anankiroa, fa mbola ho hitantsika eo moa ny mahakasika an‟izany, satria misy ny sasany milaza fa hoe maty zoma izy dia nitsangana alahady, ao ny sasany milaza fa hoe maty alarobia izy dia nitsangana sabotsy e! ao indray ny sasany izay milaza fa hoe: ny anay rangahy tsy raharahanay na maty inona izy na maty inona, na talata na alarobia na zoma, tsy raharahanay izany, fa ny anay rehefa maty ho anay fotsiny izy dia efa ampy ho anay izany a!. Ka izany rehetra izany, dia resaky ny olona tsy mivaky loha, fa ho an‟ny olona mivaky loha kosa dia mikaroka izy.

Ka isika moa izany raha mianatra ity bokin‟ny Apokalypsy ity dia hamantatra ilay Jesosy Kristy tena Izy sy marina, izay voalaza fa vavolombelona marina ka tsy hamorona isika na hilaza zavatra hafa, fa izay marina ihany no holazaintsika.

Apokalypsy 1: 5 “Ho an’izay tia antsika ka namaha* [* Gr. nanasa] antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny ràny,” Izany hoe Ilay Jesosy Kristy maty io izany tamin‟ny fahafatesany, dia nandatsaka ny ràny mba hanafahana, na hanasana antsika amin‟ny fahotantsika. Dia hiresaka be dia be koa izany isika momba ity “Ràn‟ny Zanak‟ondry” ity.
Ka jereo tsara ihany koa, fa ireo mpivavaka amin‟ny fanaon-drazana aza dia izay lazaintsika fa manompo sampy io, dia io koa fa mitondra biby atao sorona, no mandatsaka ny ràn‟ilay biby, ka rehefa manao sorona moa izany dia mampiasa rà ihany koa. Dia hiresaka betsaka momba izany fahotana izany koa isika.

Inona moa izany hoe FAHOTANA izany?

1 Jaona 3:4–9 «4 Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. 5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] 6 Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. 7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. 8 Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. 9 Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra. »

Raha jerena izany izay teny izay, dia ahitantsika ny “définition” ny OTA, na ny famaritana ny teny hoe OTA. Dia mazava tsara izany fa “Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna”. Ary izay rehetra manota dia avy amin‟ny devoly. Ka raha soloina fotsiny izany ny dikan‟ny teny hoe ota dia mazava tsara fa :“izay mandika lalàna dia avy amin’ny devoly”, Fantatrareo fa izy no naseho hanaisotra ny ota, izany hoe i Jesosy Kristy izany no natao hanaisotra ny fandikana lalàna, satria ny lalàna izany dia mipetraka eo hatrany, fa ny ataon‟ny zanak‟olombelona izany dia ny handika lalàna hatrany. Ka ny hiafaran‟ny zanak‟olombelona izany dia ny hoe: “hanafoana ny lalàna”. Ary dia misy tokoa ny miteny hoe: “foano any rangahy io lalàna io”, satria rehefa misy ota izany dia tsy maintsy misy izay fandikana lalàna izay.

Toy ny hoe raha vao misy lalàna, dia misy fandikana lalàna. Ka ny hiafarany dia hezaina ny tsy handikàna lalàna, ka dia ilay lalàna mihitsy no hezahina ho foanana, satria rehefa tsy misy lalàna dia inona intsony moa no hampahatonga ny olona handika io lalàna izay efa tsy misy io. Ka hiresaka be dia be momba io ran‟ny zanak‟ondry sy ny fahotana io ihany koa isika. Izany hoe rehefa tsy te hanota fotsiny izany ianao, dia foano ilay didy izay manelingelina anao, dia afaka ianao amin‟ny fahotana e!

Ohatra hoe: “ny didy folo milaza fa hoe aza mijangajanga”, ianao anefa te hijangajanga dia foano fotsiny ilay didy folo dia afaka mijaganjanga ianao e!
Ohatra koa hoe: “ireo olona mpivaron-tena sy mpijangajanga ireo dia efa nofoanan-dry zareo ilay lalàna milaza hoe “aza mijangajanga” izany ka dia hiainany sy hivelomany mihitsy izany hoe fijangajangana izany.
Toy izany koa izao ny any amin‟ny fomban-drazana izany: ny Malagasy sasany any amin‟ny faritra atsimo any dia tsy mahazo manam-bady raha tsy managalatr‟omby, ka ilay lalàna hoe “aza mangalatra” izany no nofoanany dia mangalatr‟ omby izy aloha vao mangata-bady, dia manolotra vodiomby na vodiondry. Satria ny azy dia efa nofoanany ilay lalàna milaza hoe “aza mangalatra”.

Dia aza gaga ihany koa izany isika raha mihaino fampianarana fa hoe: efa foana rangahy io didy folo io satria manelingelina azy ilay didy, dia nofoanany ny didy folo. Ka zavatra tsy maintsy hisy izany, na koa aza efa tena misy tokoa amin‟izao fotoana izao.
Apokalypsy 1:6 « sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Ray, ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. »
Isika izao no natao mpisorona, fa maninona moa isika no natao ho mpisorona.

Inona no asan’ny mpisorona?

Ny asan‟ny mpisorona dia izao, mpanelanelana ny Zanak‟Isiraely sy Andriamanitra. Tsy maintsy mitondra biby ny Zanak‟Isiraely halatsaka ny ràny, mba hahazoany famelan-keloka amin’ny fahotana, dia eo amin‟ny mpisorona izy no mikofesy eo no itondrany ny fahotany, ary dia izay ny mpisorona vao mitondra ny helony eo amin‟Andriamanitra.

Fa isika kosa rehefa latsaka izany ny ràn‟i Jesosy Kristy teo ambony hazo fijaliana, dia mivantana amin„izay ny fivavahantsika, fa tsy mila mikofesy intsony, fa avy dia mivantana amin‟Andriamanitra izany. Tsy mikofesy amin‟i Mopera na Pasitera intsony izany ny olona, fa avy dia mivantana amin‟Andriamanitra ny fivavahana nataony. Dia natao sonia eto ihany koa izany.

Apokalypsy 1:7 « Indro Izy avy amin’ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, Amena. »

Dia jereo tsara fa anisan‟ny sonia ato amin‟ny toko voalohany ihany koa izany fa, ho avy eny amin‟ny rahon‟ny lanitra io Jesosy Kristy io. Natao sonia ato fa maty izy, kanefa natao sonia ato ihany koa fa hoe velona Izy ary dia niakatra any an-danitra Izy, ary dia mbola ho avy Izy hitsara ny velona sy ny maty. Dia hiresaka ihany koa izany isika ny fihavian‟io Jesosy Kristy io, satria hisy ihany koa ny fihavian‟ilay Jesosy Kristy sandoka, dia tsy maintsy ho jerentsika avokoa ireo rehetra ireo.
Apokalypsy 1:8 « Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha. »
Izay vao vita ny fitarianteny. Dia manao sonia ato daholo izany ny momba an‟Andriamanitra rehetra:
– ny fahefany,
– ny voninahiny,

– ny fahamboniany,
– ny heriny,
– ny zavatra ho ataony,
– ny planin‟Andriamanitra.

Dia ato amin„ny toko voalohany ato daholo izany, hita ato amin‟ny fitarianteny ato daholo izany. Ny dikan‟izany dia izao: raha hiresaka ity bokin‟ny Apokalypsy ity izany isika, dia tsy maintsy hiresaka ny :
 Momba an‟Andriamanitra amin‟ny maha taloha sy ankehitriny ary ny ho avy Azy,
 Momba an‟Andriamanitra amin‟ny maha Alfa sy Omega Azy
 Momba an‟Andriamanitra amin‟ny maha Tompo Andriamanitra Azy,
 Momba an‟Andriamanitra amin‟ny maha Tsitoha Azy

Hiresaka ihany koa isika ny momba an‟i Jesosy Kristy:
– Momba an‟i Jesosy Kristy ny amin‟ny maha -Vavolombelona marina Azy
– Momba an‟i Jesosy Kristy ny amin‟ny maha -Lahimatoa amin‟ny maty Azy
– Momba an‟i Jesosy Kristy ny amin‟ny nandatsahany ny ràny sy ny nanafahany ny fahotana,
– Momba an‟i Jesosy Kristy ny amin‟ny maha -Lehiben‟ny mpanjakan‟ny tany Azy,
– Momba an‟i Jesosy Kristy ny amin‟ny maha -Mbola ho avy Azy indray ety an-tany,

Efa napetraka aty amin‟ny fampidirana aty daholo izany rehetra izany. Nefa ho hita ato ihany koa anefa etsy andanin‟izany:
– Ny mahakasika ilay Jesosy Kristy sandoka rehetra,
– ny fampianarana sandoka,
– ny sain-dalin‟i satana sy ny fitaka rehetra
– ny fandravana sy ny fanapotehana an‟izany, ary izay no mahatonga ity boky ity ho boky feno misitery, ary dia tsy maintsy mitady ihany koa i satana ny hevitra izay anapotehana ity bokin‟ny apokalypsy ity, mba ho tonga ny zavatra tsy izy no arahan‟ny olona fa tsy ny zavatra tena marina.