Hiroso ary isika amin‟ny fanazavana ny bokin‟ny apokalypsy ity araka ireo drafitra na planina efa noraisintsika ireo. Fa alohan‟ny tena hidirantsika ao anatin‟izany dia ho raisintsika vetivety aloha izay voasoratra ao amin‟ny bokin‟ny apokalypsy 1:3
Ny antsoina hoe fahasambarana
Apokalypsy 1:3 « Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. »
Misy teny hoe “SAMBATRA” ao izay, mila hazavaina aloha. Betsaka ny tokoa ny olona mba tena mikatsaka izany hoe tena fahasambarana izany, ao ohatra ireo olona izay mitady izany amin‟ny fananana taranaka izany satria tsy manana na iray aza. Dia mitady ny fomba rehetra mba hananana taranaka satria hoe mandringa ihany ny tokatrano tsy mba manana an‟izany ka dia fahasambarana ho an‟ny mpivady ny mahazo taranaka. Ka vao mifoha ao am-pandriana dia efa tsenain‟ilay zaza amin‟ny tsikitsiky, ka na dia ianao saika ho kamokamo iny aza, tonga dia mazoto sy mavitribitrika tsy misy sahala amin‟izany, na ihany koa, ianao efa reraka avy miasa ihany iny koa aza, rehefa tsenain‟ilay zaza amin‟ny fifaliana ka sakambininy sy antsoantsoiny hoe iny eny dada, dia feno fifaliana na dia reraka sy torovana aza. Ka raha mba hisy dia aleha dia idongian‟ilayzaza hoe zaho koa andeha hany ka hitsoahana indray aza ilay zaza rehefa tsy maintsy andeha. Ao ihany koa ny olona mitady fahasambarana amin‟ny fitadiavana vola aman-karena, fa hoe mampiadana ny fananana vola aman-karena be.
Ao ihany koa ny mitady fahasambarana ny amin‟ny fananana tranobe, ao koa ny mitady izany amin‟ny fanaovana hira fa te halaza hono ka dia manao hira mba ampahalaza azy.
Fa anisan‟ny mahasambatra ihany koa raha araka ny voalazan‟ny baiboly, ankoatra izay heverin‟ny olona hahitana fahasambarana, ny famakiana ity bokin‟ny apokalypsy ity. Fa voalazany fa hoe sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. Ka io resaka hoe mamaky io aloha no hitondrana fanazavana alohan‟ny hanazavana izay voalazan‟ny planina hataontsika, satria io planina io no tsy maintsy ho arahintsika tsara sy matotra tsara.
Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin‟ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny.
Misy zavatra telo izany ao:
– Ny voalohany dia ny hoe mamaky,
– Ny faharoa dia ny hoe mihaino,
– Ary fahatelo dia ny hoe mitandrina.
Hovakiantsika ary aloha ny ao amin‟ny” prologue” na” introduction” na ny fampidirana