Fanokafana faha-10 taona F.A.M ALASORA ny sabata 29 Aogositra 2015

Logo faha 10 taona F.A.M Alasora
Logo faha 10 taona F.A.M Alasora

Taorian’ny fitsidihana ireo fiangonana manodidina ny renivohitra izay mbola ao anatin’ny fanorenana  dia nitsidika manokana ny Fiangonana Apokalypsy tetsy Alasora indray ny pasteur Mailhol sy ny ankohonany ; izay marihina manokana moa fa nanokatra ny fanamarihana ny faha 10  taonany ity fiangonana ity ny sabata faha 29 Aogositra lasa teo. Fotoana hafa indrindra raha samy fotoana ity satria dia niavaka raha samy hetsika fanokafana teoanivon’ny Fiangonana Apokalypsy noho izy natao ivelan’ny toerana fivavahana mahazatra. Ny Kianja maintso Alasora no nanatanterahana ny fotoam-bavaka ary dia maro tokoa ny olona tonga nanamarika izany fanokafana  faha-10 taonany Fiangonana alasora izany tamin’io sabata io. Raha atao jery todika kely ireo fiangonana izay efa notsidihin’ny Pasteur Mailhol dia toa saika manamarika ny faha 10 taona niorenany avokoa izy ireo ka anisan’izany ity tetsy Alasora ity.

Fiangonana Apokalypsy Alasora
Fiangonana Apokalypsy Alasora

 

 

Raha ny tantaran’ny fiangonana Apokalypsy Alasora manokana no asian-teny dia fiangonana anisan’ny zandriny taty aoriana izy izay nivoaka avy tao amin’ny fiangonana Apokalypsy Ambohimanambola ary mbola io ihany no paroasy reniny izay misy azy hatramin’izao. Tamin’ny 28 feboary 2006 no nisokafan’ity fiangonana ity izay niainga tamin’ny trano hazokely tsy nisy na dia rindrina aza fa toa fefy jiafotsy na gony no namefena azy, nihitatra izany taty aoriana ka lasa niha nitombo ny mpino tao ary dia tsy maintsy nohitarina ihany koa ny haben’ny Trano fivavahana. 5 taona taty aoriana dia efa nahitam-pivoarana be ny fiangonana satria dia avo efatra (4) heny ny fitombon’ny mpivavaka tao amin’ny fiangonana ary dia voatery ho tsy maintsy nanao ezaka fanitarana fiangonana indray. 10 taona izy ankehitriny, nosokafana tamin’ny fomba manetriketrika tokoa raha izay no azo ilazana azy satria dia fety be roa sosona no nentina nanokatra izany ; fotoam-pivavahana lehibe ny sabata 29 Aogositra 2015 lasa teo ary dia feno hipoka ny kianja maitso tao Alasora nandritra izany fotoana niarahana tamin’ny Pasteur Mailhol izany. Hita taratra nandritra izany ny firaisan-tsain’ny mpino satria dia nirantiranty tao anatin’ny kianja na tety ivelany ny loko manga sy fotsy, teo ihany koa ny samboady manokana mitondrany loko manga lokon-danitra narahin’ny soratra faha-10 taona Alasora, ny akanjo moa dia efa tsy lazaina intsony ny loko izay efa nitambaran’ny fiangonana hatramin’izay dia ny manga sy fotsy.

Fihetsika mirindra ao anaty fidearàna

Fideràna, horakoram-pifaliana, dihy, tsikitsiky, izany no hita sy re raha vao nanakaiky ny toeranana natanterahana ny fotoam-pivavahana. Tsy latsa-danja tao anatin’izany ihany koa ny feon’ny manodidina izay samy nilaza fa Apokalypsy no ao ary nisy mihintsy aza moa ny nangarangarana nijery ny zava-niseho sy nitranga tao anatin’ny kianja. Nanamarika ity fotoana ity ihany koa ny hafatra manokana izay nentin’ny pasteur Mailhol izay avy tao anatin’ny perikopa mahakasika ny fitahiana izay ho azon’ny vahoakan’Andriamanitra, ary nambarany tao anatin’izany fa dia efa milatsaka ny teny fa handray avo roa heny ny zanak’Andriamanitra ka dia nisy mihintsy moa ny fananganana tanana ny amin’ny hoe izay te handray fitahiana sy fanambinana avo roa heny ka dia maro no nino sy sahy tao antin’izany ary dia hita tokoa ny voninahitr’Andriamanitra niseho satria dia tao ny marary sitrana, ny manana olana voavaha sy ny maro hafa koa.

Tsy nijanona tao anatin’izay ihany anefa ity fanamarihana ity fa dia mbola nitohy ny alahady faha 30 ny volana AOgositra teo amin’ity toerana ity ihany. Nisy araka izany ny fety be izay notanterahina io andron’nyAlahady 30 Aogositra io izay niarahana tamin’ireo mpanakanto sangany teto anivon’ny Fiangonana Apokalypsy sy ireo mpanakanto hafa ivelan’ny Fiangonana toa an’i  Joseph D’AF sy Barry’s izay samy nanome aina izany hetsika fanokafana ny faha-10 taonan’ity Fiangonana ity izay. Ny masoandro mody moa no nampalahelo teto satria dia efa tafiditra tanteraka tao anatin’ny haizina ny andro mbola tsy niravany fety fa dia mbola nitohy ny horakoraka sy fiderana tao anatin’ny kianja.

Mbola mitohy araka izany hetsika izay marihina manokana indray amin’ny alalan’ny seminera maro samihafa, anisan’izany ny an’ny ankizy, tanora, vehivavy, lehilahy, tanora, ary mpivady. Marihina manokana moa fa raha araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fanamarihana ity fankalazana ity sy ny tompon’andraikitra eoanivon’ny fiangonana dia any amin’ny volana febroary 2016 any ho any no hamaranana ity fankalazana ny faha-10 taonan’ny fiangonana ity ary dia mbola amin’ny fomba manetriketrika hatrany no ho entina mamarana izany. Raha ny vinavina ao anatin’izay famaranana ny fankalazana izay moa dia tena hiavaka tokoa satria dia hiditra kely ny renivohitra mihintsy ny fanamarihana izany ; izay vinavinaina sy kasaina ho tanterahina eo amin’ny lapan’ny fanatanjahan_tena sy ny kolon-tsaina etsy Mahamasina raha sitrapon’ny Tompo. Mbola lavitra araka izany ny lalana mbola ho lalovan’ity fiangonana Alasora ity ary dia milany tolo-tanana feno avy amin’ireo izay afaka miara-miasa aminy satria dia raha ny tsikaritra sy hita dia efa tokony hiitatra indray ny haben’ity fiangonana ity nohon’ny habetsahan’ny olona izay tsy mitsaha-mitombo. Vinan’ny Fiangonana ao anatin’izany ary ny hanitarana indray ny fiangonana ho misy rihana satria dia efa saika tapitra ny toerana ahafana manitatra ny fiangonana na amin’ny lavany na ny amin’ny sakany ka dia tsy maintsy ny haavony indray no ho ezahina ho atao izay hiakarany ambony kokoa.

Atsangano ny tanan'izay vonona handray fitahiana avo roa heny
Atsangano ny tanan’izay vonona handray fitahiana avo roa heny

Raha fehezina amin’ny teny tokana dia feno ny fandaharam-potoanan’ity fiangonana ity raha ny fanamarihana ny faha-10 taona manokana no resahina satria dia tsy mitsahatra ny misy fandaharam-potoana ity fiangonana ity mandritra izany fankalazana izany.

Ireo vahoaka maniry ny handray fanambinana
Ireo vahoaka maniry ny handray fanambinana