Avy namangy ny Fiangonana Apokalypsy Mahitsy ny pasteur Mailhol dia nitsidika manokana indray ny fiangonana tao Ambodifasina Avarajozoro ny sabata 22 Aogositra 2015 lasa teo, izay marihana etoana fa ao anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taona niorenany ity fiangonana ity. Mbola ao anaty fanorenana tanteraka ity fiangonana ity ary efa saika tafakatra avokoa ny rindrina roa fa eo amin’ny rairaindriana (ferme) no hany sisa mbola tsy vita dia hiditra amin’ny fanafoana izany fiangonana ao Avarajozoro izany.
Fotoam-bavaka niavaka no nisy tao tamin’io sabotsy faha 22 Aogositra io satria dia ankoatrin’ny fahatongavan’ny pasteur Mailhol dia nisy ihany koa moa ny fihaonan’ny Paroasy Ankeniheny Ambohidroa izay misy ireto fiangonana manaraka ireo : Ankeniheny
Ambohidroa, Andalanomby, Ambohimarina Ivato…,izay samy nitondra ny anjara-birikiny avy ho fanohanana ny asan’Andriamanitra izay atao teo amin’io toerana io. Raha hitodihana kely ny lasan’ity fiangonana ity dia nandalo ady sarotra sy mafy vao tonga amin’izao faha-10 taona nijoroany izao. Teo ny ady tamin’ny haratsian’ny lalana, indrindra moa fa ny halaviran’ny toerana satria dia tsy mba misy irony fiara fitateram-bahoaka mandeha matetika ireny any amin’ity toerana ity. Amin’izao ankehitriny izao kosa anefa nohon’ny fisiana foto-drafitr’asa mijoro eny amin’ny faritra manodidina dia efa misy fahatsarany izany lalana izany ary dia tsy sarotra intsony ny fifamoivoizana ankehitriny.
Faly araka izany ireo fiangonana satria dia efa ela no nanirian’izy ireo ny hahatongavan’ny Pasteur Mailhol tany amin’izy ireo ary dia tontosa soamantsara ny fotoam-bavaka tamin’io sabata io narahina hafatra manokana avy tamin’ny Soratra Masina; ary mbola teo ihany koa ireo tolo-tanana maro samihafa avy teo anivon’ny foibe sy rantsana maro samihafa tao anatin’ny fiangonana sy ny paroasy.
Mbola maro anefa na izany aza ny asa miandry ity fiangonana ity koa dia maniry ny fanohanana feno avy amin’ireo izay tsara sitrapo ka afaka manome tanana azy ireo izy ireo ny amin’ny fanorenana sy fanitarana ny ambain-dain’ny fanjakan’Andriamanitra.