Fiangonana Apokalypsy Ambohimangakely ny sabata 05 Septambra 2015

 

 

 

Ny fiangonana Apokalypsy Ambohimangakely indray no notsidihin’ny Pasteur Mailhol rehefa avy nitsidika ny ny Fiangonana Alasora tao anatin’ny fanokafana ny faha 10 taona nijoroany. Raha ny zava-nitranga tao amin’ity fiangonana ity moa no asian-teny kely dia: nisy nikasa handoro ny fiangonana ny alatsinainy 31 septambra 2015 lasa teo, saingy tsy nahavita ny fikasan-dratsiny ireto olon-dratsy izay nikasa ny hanatanteraka izany fandoroana fiangonana izany noho ny fitiavan’Andriamanitra, raha vantany vao niakatra mantsy ny afo dia efa nisy nahatsikaritra ka namonjy namono izany na dia nisy ihany aza ny ampahany may teo amin’ny fiangonana saingy tsy dia niteraka fahavoazana be ho an’ity fiangonana ity izany.

 

Raha ny hita ten an-toerana mantsy dia ny ampahany avy taty amin’ny faritra aorian’ny fiangonana no kila main’ny afo fa ny tohiny kosa dia nalaky voavonjy ka tsy niteraka ny fihitaran’ny afo. Raha tsy nalaky voavonjy araka izany ity afo nirehitra ity dia saika ratsy ny fahavoazana ho an’ity fiangonana ity.

Fiangonana Apokalypsy Ambohimangakely
Fiangonana Apokalypsy Ambohimangakely

Raha vantany vao nahare izany kosa ny teo anivon’ny fitondram-piangonana foibe dia nidina nijery ifotony ny zava-nisy ary nitondra ihany koa ny anjara-birikiny ho fanampiana sy ho fanarenana ny simba tamin’izany fiangonana izany ka dia toa tsy hita soritra izany ny sabata nandritra ny fandalovan’ny Pasteur Mailhol teny an-toerana ny faha 05 septambra 2015 lasa teo. Tsy nitazam-potsiny araka izany ny teo anivon’ny foibe fa dia sady nitondra fampaherezana manokana indrindra ny fandalovan’ny Pasteur Mailhol teny an-toerana tamin’io sabata io. Hafatra manokana ho an’ity fiangonana ity araka izany ny fampahatsiahivana ny fisian’ny ady masina izay tsy maintsy atrehin’ny fiangonana ka nanambarany fa anisan’ny ady masina daholo izany ary mbola mety hisy aza ny mafy noho izany hoy ity filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany ity. Teo ihany koa moa ny nanambrany ny amin’I Gideona izay nifanandrify indrindra tamin’ny perikopa ny fiangonana tamin’io sabata faha 05 Septambra 2015 io. Nampahatsiahivin’ny mpanompon’Andriamanitra tamin’izany ny lalana izay nolalovan’i Gideona sy fomba nifandraisan’i Gideona tamin’Andriamanitra; mbola nampahatsiahy ihany koa ny Pasteur Mailhol tao anatin’izay ny niandohan’ny fiteny hoe “sabatr’I Jehovah sy Pasteur Mailhol” izay nomarihiny manokana moa hoe fa maninona no tsy hoe “sabatr’I Jehovah sy Gideona” intsony? Nambarany ary fa I Gideona dia olombelona toa antsika ihany saingy nofidin’Andriamanitra ho mpitarika ny zanak’Israely tamin’izany fotoana izany ary efa maty izy ankehitriny, izany no midika hoy ny Pasteur Mailhol fa efa fomban’Andriamanitra ny mifidy olona hitarika ny olony ary anisan’izany olom-boafidy izany koa ny tenany satria avy tao amin’ny no nipoiran’ny fampianarana mahakasika ny “Jesosy Kristy maty tamin’ny antsasaky ny herinandro” izany hoe: “maty, nilevina ary nitsangana araka ny Soratra Masina”. Rariny araka izany hoy izy raha toa ka “sabatr’I Jehovah sy Pasteur Mailhol” no redonina amin’izao vanin’andro izao fa tsy “Gideona” intsony satria i Gideona dia efa maty ary ny fiangonana Apokalypsy Maneran-tany tsy mivavaka amin’ny maty na koa mamnompo sampy ka faty no horedonina. Izy no velona amin’izao vanin’andro iainantsika izao ary izy no mpitarika izany hoe solon’I Gideona.

Tsy nijanona teo ny hafatra nentin’ny mpanompon’Andriamanitra fa mbola nitondra lesona ho an’ny mpivavaka ihany koa ny tenany fa azo atao tsara mihintsy hoy izy ny manontany an’I Jehovah rehefa misy zavatra tiana hatao mba tsy handehanana an-jambany eo amin’ny fiainana. “Ilaina ny maka saina avy amin’I Jehovah alohan’ny hanaovana zavatra iray” hoy ny mpanompon’Andriamanitra ka nataony ohatra akaiky tamin’izany moa ny zava-nisy teo anivon’ny fiangonana izay mialohan’ny hividianana tany dia nanontany an’I Jehovah hoe hovidiana sa tsia? Ary dia mamaly araka izany tokoa Jehovah ka manoro ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao. Nambarany nandritra izany ihany koa fa tamin’ny andron’I Gideona dia nanaiky ny olona izay maharay baikon’I Jehovah fa tsy mbola be ady hevitra saingy amin’izao vanin’andro izao hoy ny mpanompon’Andriamanitra dia miteraka ady hevitra ny zavatra iray raha vao misy milaza hafatra avy amin’Andriamanitra na avy amin’ny Anjely. Rariny loatra izany hoy ny Pasteur Mailhol raha amin’izao vanin’andro izao kanefa na izany aza dia efa nomen’Andriamanitra mpitarika isika hoy izy ka tsy tokony hiteraka ady hevitra intsony izany fa tokony hiteraka fandrosoana eo amin’ny tsirairay.

Raha fehezina ary dia hafatra goavana no nentin’ny mpanompon’Andriamanitra nandritra ny fandalovany tetsy amin’ny Fiangonana Apokalypsy Ambohimangakely, ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ary dia voky ny matavy tokoa ny vahoakan’Andriamanitra nandritra izany sabata niavaka izany. Ary fany moa dia nanisy fanamarihana manokana momba ny fanatitra sy ampahafolony ny Pasteur Mailhol teny an-toerana. Nambarany fa alohan’ny toriteny dia tokony fitatazana fanatitra roa (2) ihany ny eo aloha izany hoe ny haron’ny ampahafolony sy ny fanatitra ihany fa aorian’ny toriteny kosa vao manatanteraka ireo fanatitra maro samihafa singy notsindriny manokana kosa fa harona telo (3) ihany no tokony ho hita amin’izany : “ny Fanorenana, ny Rano ary ny Radio”; ireo amin’ny ankapobeany no tokony ho hita rehefa isan-tsabata fa tsy tokony hisy harona hafa ankoatra ireo.

Izay no vontoatin’ny hafatra nentin’ny mpanompon’Andriamanitra araka izany nandritra ity fotoana nandalovany teny Ambohimangakely ity.