FIANGONANA FAHADIMY: SARDISY

FIANGONANA FITO TOMBO-KASE FITO (Apokalypsy toko fahenina)
FIANGONANA FAHADIMY: SARDISY Ny Tombo-kase fahadimy
Apokalypsy 3:1 – 6 «1 [Sardisy] Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain’ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. 2 Miambena*[* Gr. Miareta tory], ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako**[** Na: (tsy hitako)] tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro. 3 Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina*[* Gr. hiari-tory] ianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. 4 Kanefa misy olona*[* Gr. anarana] vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria mendrika Izy. 5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] »

INONA NO DIKAN’NY TENY HOE SARDISY?

Ny teny hoe Sardisy dia midika hoe SISA no heviny. Izany hoe ambiny, na ambin-javatra

NY TAONA NAHITANA AZY Taon-jato 15 – 17 (1517 – 1798)

NY TANTARAN’NY SARDISY Dia ahoana indray izany ny momba ity tantaran’ny Sardisy ity? Eto dia miresaka ny tantaran‟ny fiangonana protestanta indray isika eto.

Apokalypsy 6:9 – 11«9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’izay voavono noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. 10 Ary niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin’izay monina eny ambonin’ny tany? 11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa. » Dia mbola tsy mitsahatra ihany izany eto ny resaka famonoana an‟ireo krsitsiana izay mihorina amin‟ny fahamarinana

Raha mijery isika tany amin‟ny toko faha 6 nandritra io fanavaozana ny fiangonana io, dia nisy fanenjehana ny mpanavao ny fivavahana tamin‟izany, ary hita fa betsaka kokoa ny olona matin‟ny eglizy katolika (satria nanohitra ny fampianarany ka nahazo anarana eretika), noho ny matin‟ny fanjakana Romana tamin‟ny taon-jato voalohany. Izany hoe: tsy ny romana Jentilisa intsony izany no namono ny kristiana, fa ny fiangonana kristiana indray no namono ny rahalahiny ka tsy nitovy hevitra taminy. Izay no voalazan‟ny Apokalypsy 6:9 –

 

Dia mbola tsy mitsahatra ihany izany eto ny resaka famonoana an‟ireo kristiana izay miorina amin‟ny fahamarinana. Dia araka ny mahazatra, dia hijery izay manao sonia isika mba hialàna amin‟ny mety ho filazana fa hevitry Pastera Mailhol ity, fa averiko ihany fa tsy hevitry Pastera Mailhol izy ity fa hevitr‟Andriamanitra, ka asiany sonia hatrany izany teny izany.

SONIA NA ENTETE NA FAMANTARANA

Apokalypsy 3:1 « [Sardisy] Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain’ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito:” Io izany dia mbola hitantsika ao amin‟ny toko voalohany hatrany fa mbola i Jesosy Kristy ihany io. Tanàna tena nisy izany ity Sardisy ity tamin‟izany vanim-potona niainan‟i Jesosy Kristy izany, fa aty amin‟ny taonjato faha 15 – 17 izany vao miverina ny tantara, ary dia ny tantaran‟ny fiangonana protestanta no mifanitsy amin‟izany. Vao manomboka izy ity dia avy hatrany dia fanankianana no nomen‟i Jesosy Kristy azy ity :

NY FANANKIANANA HATAO AZY

Apokalypsy 3:1 « [Sardisy] Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia] »

Ahoana moa no mahatonga Azy hiteny hoe: “manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany izany”?

Izy ity izany rehefa tonga ny fanoheran‟ny fiangonana protestanta ny fiangonana katolika, dia nipoitra ry Jean Huss, ry Jean Hugh, ry Hugh, ry Muller, ry Hitler, ry Jean Calvin, sns ka maromaro ireo reformiste ireo na ireo mpanavao fivavahana ireo, ary niparitaka tamin‟ny toerana maromaro: misy tany Frantsa izy ireo, nisy tany Suisse, nisy tany Angleterra, nisy tany Allemagne, ka dia velona sy nirehitra tanteraka tokoa izy ireo tany ampiandohana, kanefa taty aoriana kely dia nihamaty indray.

10«9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’izay voavono noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. 10 Ary niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin’izay monina eny ambonin’ny tany? » Tena niharan‟ny fahafatesana sy ny fijaliana mihitsy izany ireto mpanavao fivavahana ireto, ary izay nitondra anarana na nisora-tena ho mpanova na mpanavao fivavahana, na nahazo anarana ho eretika dia miomàna, fa miandry anao ny fanampahan-doha, ny fahafatesana, miandry anao ny fasana.

Zava-nisy tamin‟ny tantaran‟ny fiangonana izany fa tsy hoe noforinina akory. Tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy izany dia faminaniana, fa amin‟izao fotoana izao kosa, dia zavatra efa lasa. Tokony hiorina tsara izany isika hihazona izay sisa tavela amin‟ny fanavaozana izay efa azo.

Apokalypsy 6:9 – 11«9 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’izay voavono noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny. 10 Ary niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin’izay monina eny ambonin’ny tany? 11 Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa. »

 

Ka ahoana moa no nahatonga ilay hoe nanana anarana ho velona kanjo maty indray?

Satria rehefa nipoitra ry Martin Luther, ry Jean Calvin, ry Zwingli Ulrich, ry Mickael Satller, ry Martin Putzer, ry Thomas Mulsher, ry Jan Hus, ry Jerome, sns…, izay nitondra izany fanavaozana ara-pivavahana izany, izay tena nihatra tamin‟ny aina mihitsy, fa tsy mora ny nitondra izany fanavaozana ara-pivavahana izany,indrindra raha nahazo anarana ho “éretique “izany ianao dia tena tsy mora mihitsyno nahazo tamin‟izany, fa mihatra amin‟ny aina mihitsy. Ka ny vanim-potoana nisian‟izany dia 1517 – 1798, ary dia nahery vaika tokoa ny fanenjehana nahazo ireo mpitondra fanavaozana ara-pivavahana ireo, izay nataon‟ireo mpitondra fivavahana nisy tamin‟izany fotoana izany, izay hita fa nanaraka ny fivavahana izay tsy niorina ara-tsoratra masina, izay niainana tao, ka dia tafavoaka tao mihitsy aza ry zareo, ary dia nanorina fiangonana lehibe dia lehibe tokoa. Toy izany ohatra ny fiangonana anglikana izay nahorin‟ireo mpanavao fivavahana avy tany Angletera; ny loterana izay nahorin‟ireo mpanavao fivavahana avy tany Alemana, ny FJKM izay fiangonana protestanta izay nahorin‟ireo mpanavao fivavahana avy tany Soisa no nitondra azy io. Ka ny zavatra hita dia ity: io firoboroboana io dia lasa tsy nitovy indray ny zavatra hita-ndry zareo mpanavao ara-pivavahana ireto, toa an‟dry Luther sy ry Calvin, tsy nitovy ny fijerin‟dry zareo ireo. Ary na dia teo amin‟ireo samy mpanavao fivavahana, sy ny mpanaradia azy ireo koa aza, dia nisy ny fifandonana sy ady teo amin‟izy ireo.

Nisy ny fampidirana am-ponja, sy ny famonoana ihany koa. Ka izay fisaran-tsarahana nisy tamin‟ireo samy protestanta ireo izany, no nahatonga an‟i Jesosy Kristy hilaza hoe “manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany.“ Tsy nitovy ny fomba fijerin‟izy ireo, fa izay nanara-dia an‟i Luther dia nijanona tamin‟ny fotom-pampianaran‟i Luther ihany, nefa fanavaozana ampahany ihany no hitan‟i Luther, dia tahaka izany koa ohatra izay nanaraka an‟i Calvin. Dia jereo tsara, fa na dia tamin‟ny fomba fijery ny didy folo aza dia samihafa ny foto-mpampianarana nisy teo amin‟ny Loterana sy ny FJKM, ary na dia ny litorjia ho an‟ny Anglikana aza moa, dia tena tsy mifanalavitra amin‟ny an‟ny fivavahana katolika mihitsy; eny fa na dia ny katolika ihany koa aza dia nisaraka ihany koa, ary dia nipoitra ny katolika”orthodoxe”. Ka io tsy fifanarahana io, sy ny fisarantsarahana io, no nahatonga an‟i Jesosy Kristy hilaza hoe “manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany“

NY TORO-HEVITRA

Ny toro-hevitra nomeny dia ny nilazany hoe “Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro”. Izany hoe nafaran‟i Jesosy Kristy ihany izany ireto fiangonana ireto hoe: tazony tsara ihany ireo fanavaozana izay efa vitanareo ireo, na dia misarantsaraka aza ianareo, mba tsy hiverina tahaka ny tany aloha intsony, satria tsy mbola tanteraka io fanavaozana nataonareo io.

Hiarahantsika mahalala, fa ny taona 1517 – 1798 no vanim-potona nitrangan‟izany, izay fotoana nirehetan‟ny fanavaozana ny fivavahana izany. Ary dia nampirongatra ihany koa ny famonoana ireo lazaina ho mpanova fivavahana. Ohatra tamin‟izany: tany frantsa dia nisy olona 15 000 tany ho any no nalatsaka tao anaty lavaka iray ary dia notifirina tao. Naripaka tao ireo olona ireo, satria ny fanjakana sy ny fiangonana no niaraka tamin‟izany. Marihina fa ny nametraka ny amperora tao dia ny Papa. Nisy boky iray izay novakiako izay dia nitantara ny fihetsiky ny amperora iray izay nampanantsoin‟ny Papa, dia niavonavona be ilay amperora nanao hoe:nahoana no tsy izy no mankaty fa izaho izay amperora be ity indray ve no aninona any aminy. Dia hoy ny Papa hoy: hay ve, tsy maninona fa dia hifankahita ary isika. Vetivety teo dia tonga ny fihetseham-bahoaka mitaky fa hoe tsy maintsyika mahalala, fa ny taona 1517 – 1798 no vanim-potona nitrangan‟izany, izay fotoana nirehetan‟ny fanavaozana ny fivavahana izany. Ary dia nampirongatra ihany koa ny famonoana ireo lazaina ho mpanova fivavahana. Ohatra tamin‟izany: tany frantsa dia nisy olona 15 000 tany ho any no nalatsaka tao anaty lavaka iray ary dia notifirina tao. Naripaka tao ireo olona ireo, satria ny fanjakana sy ny fiangonana no niaraka tamin‟izany. Marihina fa ny nametraka ny amperora tao dia ny Papa. Nisy boky iray izay novakiako izay dia nitantara ny fihetsiky ny amperora iray izay nampanantsoin‟ny Papa, dia niavonavona be ilay amperora nanao hoe:nahoana no tsy izy no mankaty fa izaho izay amperora be ity indray ve no aninona any aminy. Dia hoy ny Papa hoy: hay ve, tsy maninona fa dia hifankahita ary isika. Vetivety teo dia tonga ny fihetseham-bahoaka mitaky fa hoe tsy maintsy ahongana ny amperora. Dia tonga niazakazaka avy any ilay amperora nanantona ny Papa ary dia nanoroka ny tànana sy ny tongotrin‟ny Papa mihitsy.

Dia hoy ny Papa, sao dia nanao hadisoana lehibe dia lehibe ianao andriamatoa Amperora tonga taty amiko, fa izaho no tokony ho any aminao, ka ianao indray no manoroka ny tongotro, ianao no amperora. Dia nitomany tena mihitsy ilay amperora nifompona tamin‟ny Papa vao tafaverina tamin‟ny toerany. Dia tena raharaha be tokoa anie re olona ity ataon‟ny mpanao politika ity e! fa tsy maintsy miankina amin‟ny mpitondra fivavahana ihany koa, satria raha vao tsy mitoraka voninkazo ny mpitondra fivavahana ny mpanao potlitika dia atahorana ny hahavoahongana azy amin‟ny toerany, satria manana hery sy tanjaka tsy hay heritreretina mihitsy ireto mpitondra fivavahana ireto. Ka tamin‟izany dia niaraka ny fiangonana sy ny fanjakana, ny fanajakana voabaikon‟ny fiangonana ka izay fotom-pampianarana manohintohina ny fampianaran‟ny fiangonana dia ny fanjakana no mamono izany olona izany. “Hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’izay voavono noho ny tenin’Andriamanitra sy ny filazana izay nohazoniny”. satria tsy mbola nisy izany tamin‟ny andron‟i Jaona fa faminaniana zavatra mbola vao ho avy izany.

Apokalypsy 6:10 « Ary niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Tompo masina sy marina Ô, mandra-pahoviana no tsy hitsaranao sy hamalianao ny rànay amin’izay monina eny ambonin’ny tany? »

 

“Tsy hitako tanteraka ny asanareo”, tsy tonga tamin‟ny tokony ho izy izany ilay fanavaozana, ary dia izany no nahatonga ny fiangonana protestanta amin‟izao fotoana izao tsy ho tafaverina intsony ao anatin‟ny fiangonana katolika. Tsy misy fiangonana protestanta intsony izany, na dia iray aza miverina manao ny litorjia katolika toy ny hoe: mikofesy, na mivavaka amin‟ny olo-masina isan-karazany (Masina Maria, ry masindahy Piera, na ry masindahy Paoly na ry masindahy Louis de Conzague sns) tsy misy protestanta manao izany intsony; tsy misy protestanta izay mbola mankasitraka ny afo fandiovana izany intsony; tsy protestanta no hangatam-pitahiana amin‟ny olo-masina efa maty izany. Ka dia diniho izany zavatra lazaiko izany raha marina, fa tsy hitanao any amin‟ny fiangonana protestanta intsony izany zavatra rehetra voalaza izany. Ka izay no mahatonga io tenin‟i Jesosy Kristy io milaza hoe: “Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro.”

FAMINTINANA

Miresaka ny fiangonana Protestanta ity fiangonana Sardisy ity. Tanàna iray na “commune” iray, tamin‟izany vanim-potoana izany, izay nisy fiangonana Kristiana izany izy ity no nakan‟i Jesosy Kristy ohatra.

Ny dikan‟ilay teny hoe: SARDISY aloha dia milaza hoe “SISA TAVELA”. Ary ny vanimpotoana nisehoany dia ny taona 1517 ka hatramin‟ny 1798. Ity fiangonana Sardisy ity dia mifanitsy amin‟ny ilay any amin‟ny tombo-kase fahadimy. I Jesosy Kristy ihany no manao sonia eo, ary misy ny fanankianana sy torohevitra nomeny azy ao, dia ny hoe “Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia] » sy ny hoe: Apokalypsy 3:2 « Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro. » Ny hoe: “manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany”. Io dia miresaka ilay fanavaozana ara-pivavahana. Mirehitra sy velona mihitsy izany ny” reforme” na ny fanavaozana nentin-dry, Gigli, ry Jan Hus, ry Calvin sy ny Luther, sns…, ary dia nisy firehetam-panahy mihitsy teo mba hialàna amin‟ny foto-kevitra diso, sy ny fampianaran-diso io, fa tokony hiverina sy andeha amin‟izay hiaina araka ny soratra masina. Kanefa hoy Jesosy Kristy dia maty ihany izy io,

Fa nahoana izy io no maty? Satria vokatr‟izay fisarasarahana nisy teo amin‟ity fiangonana Sardisy ity, fa tsy nitambatra ny herin‟izy ireto dia ny loterana, ny anglikana, ny” orthodoxe”, ny FJKM, dia saika naka ho azy avokoa arakaraky ny foto-pampianarana nentin‟ny mpitarika azy avy, tahaka ny loterana, na ny calveniste (FJKM). Fa ny olana dia teo amin‟ireto mpanaradia azy ireto, satria rehefa maty ny mpitarika azy ireto, dia samy nihizingizina ny mpanaradia azy avy, ka samy nitana ny azy. Eny, fa na dia amin‟izao fotoana izao aza dia ny fihirana FFPM no hitambarana, fa ny litorjia dia tena tsy mitovy velively fa samy manana ny azy. Dia hoy Jesosy Kristy

Apokalypsy 3:2 « Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro”. Tsy tonga hatramin‟ny farany ny foto-mpampianarana fa izay zavatra sisa tavela no tazomy tsara mba tsy ho faty na ho very indray izay efa azo.

Apokalypsy 3:3 « Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-tory] » Nanafatra ihany i Jesosy Kristy ho an‟ny fiangonana Sardisy, hoe tadidio tsara ny fotoana nisian‟ny fifohazana sy ny fanavaozana ara-pivavahana ity, dia tano mafy io foto-mpampianarana io aloha, satria toy ny mason-tsokina io, ka ny kely ananana no ahiratra. Tano mafy io fampianarana io, ary aza miverin-dalana intsony. Ka raha toa ka tsy miambina ny mpino ao, dia ho tampoka aminy ny fihavian‟i Kristy satria misy zavatra be dia be tsy ho fantany izany.

Na izany na tsy izany dia hoy Jesosy Kristy : Apokalypsy 3:4 « Kanefa misy olona* vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana] »

Mandritra ny fotoana fanenjehana no nisian‟io, izany ve dia ahoana? Tokony mbola hiaritra izao fanenjehana izao foana ve izany izahay ry Tompo.

Apokalypsy 6:11 « Ary samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina niala sasatra kely aloha izy mandra-pahatapitry ny mpanompo namany sy ny rahalahiny, izay efa hovonoina tahaka azy koa. » Mbola ho avy ihany koa izany ny fanenjehana ny kristiana izay mitory ny fahamarinana, dia aza gaga ianao raha marobe tokoa ny mpitondra fivavahana manompanompa sy mitoatoa an‟i Pasitera Mailhol. Aza atao mahagaga ireny, satria tsy misy mpanenjika avy ao aloha fa avy ao aoriana hatrany, ary voninahitra ho an‟Andriamanitra irery ihany satria dia hita fa tsy fahavalo akory ireny mitoatoa sy mpanenjika antsika ireny. Fa raha fahavalo ireny dia mamaly azy ireny hatrany no hataontsika eto amin‟ny radio. Fa isika kosa dia ny mitady an‟Andriamanitra, mitady ny fahazavana sy ny fahamarinana no ataontsika.

FANONTANIANA METY MIPETRAKA

Naninona ary ny tombo-kase voalohany no nisy soavaly fotsy, Tombo-kase faharoa soavaly mena Tombo-kase fahatelo soavaly mainty Tombo-kase fahefatra soavaly hatsatra Fa aty amin‟ny tombo-kase fahadimy tsy nisy soavaly intsony ny fahenina tsy nisy soavaly intsony ihany koa, fa ilay efatra voalohany ihany no nisy soavaly azo hitaingenana.

Inona no anton’izany?

Ny anton‟izany dia izao:

Ny hevitry ny hoe soavaly dia izao: ny firaisan‟ny mpino ary ny mpitaingina azy dia ny fahefana mifehy io mpino na soavaly io. Ka aty amin‟ny tombo-kase fahadimy dia tsy misy soavaly intsony, satria ny taonjato nahitana ity tombo-kase fahadimy ity, dia ilay vanim-potoana fanavaozana ara-pivavahana na ilay vanim-potoana tantaran‟ny fiangonana Sardisy. Ny zavatra misy dia ity: tsy voafehin‟ny fiangonana katolika intsony izany ny fiangonana tamin‟izany vokatry ny fihetsehana sy ny fifohazana ara-panahy izay nitranga avy tamin‟ireto mpanavao fivavahana ireto. Ka rehefa tsy voafehiny intsony ny fiangonana, dia lasa niparika ilay fiangonana ka ny katolika dia nisy lasa orthodoxe, lasa anglikana, lasa loterana, lasa FJKM. Ka noho ireo fiparitahana ireo, dia tsy voaverina tao amin‟ny fiangonana iray intsony, na hotarihan‟ny fahefana iray, fa lasa nizara ilay fiangonana ka samy nanana fahefana nitondra azy amin‟izay, samy nanana foto-pampianarana, samy nanana foto-kevitra avy. Ka izay no nahatonga azy ho tsy nisy soavaly intsony ho azo fehezina. Ka io no fomba iray azo amaliana ny olona mpilaza matetika hoe : “inona ihany koa no hiainona na hianarana io bokin‟ny apokalypsy io?” hanontanio azy ny hoe ianao izany milaza fa tsy misy tokony hilana mianatra io bokin‟ny apokalypsy io, ny dikan‟izany dia hoe hainao tsara ny zavatra voalaza ao. Dia raha mamaly izy hoe: inona koa no tsy ho haiko amin‟io?, dia mba hanontanio azy ny hoe fa maninona aty amin‟ny toko fahenina no misy soavaly avokoa ny tombo-kase voalohany sy faharoa, sy fahatelo, sy fahefatra, fa manomboka eo amin‟ny fahadimy sy ny fahenina dia tsy misy soavaly intsony, inona no dikan‟izany? Mba hazavao hoe? Ka raha mahavaly an‟izany izy dia matanjaka, ary dia efa nihaino ity fampianarana apokalypsy ity izy matoa mahavaly an‟izany.

 

Ny tantaran‟ity fiangonana ity moa izany, dia nisy ny fanenjehana nahazo azy, ka raha tany aloha dia ny romana jentilisa no nandripaka ny kristiana tamin‟ny taonjato voalohany sy faharoa, fa rehefa niova ho kristiana kosa ireo mpitondra romana tamin‟ny taon-jato fahadimy sy fahenina, dia nivadika indray izany toe-javatra izany, fa nanjary ny fiangonana katolika romana indray no nandripaka ny protestantisma, izay nanohitra ny foto-mpampianaran‟nyfiangonana, satria ny hoe : protestanta mantsy dia avy amin‟ny teny frantsay hoe “protester”, na hoe “mpanohitra”, ka izay rehetra nanohitra ny foto-pampianaran‟ny eglizy katolika rehetra, araka ny tantaran‟ny fiangonana dia naripaka daholo. Ary tsy vao ela fa tamin‟ny taona 1998, tamin‟ny fahaveloman‟ny Papa Jean Paul II dia nanao fanambarana miezinezina izy, nifona tamin‟ireo namana protestanta izay niharan‟izany fandripahana nataon‟ireo zokiny fahiny izany, noho ny tsy fitovian-kevitra nataony. Ka izay toe-javatra izay no nahatonga an‟i Jesosy Kristy hilaza ihany koa hoe:

« Kanefa misy olona* vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana] » Apokalypsy 3:4

Ahoana moa no hilazany hoe tsy handoto ny fitafiany tamin’ny Sardisy?. Misy amin‟ireo vahoaka Sardisy ireo izany, na dia nahita izany famonoana natao tamin‟ireo Sardisy aza, dia nanaiky mihitsy ny ho maritiora. Izany hoe: tena tsy nanaiky mihitsy ny fampianarana tsy izy, izay tsy araka ny soratra masina, tsy anaiky mihitsy ireo foto-mpampianarana lovan-tsofina, tsy afaka hiray petsapetsa mihitsy na anaraka ny foto-mpampianarana lovan-drazana nefa tsy miorina araka ny soratra masina. Ka na dia tonga hatramin‟ny fandrahonana maro isan-karazany aza, toy ny hoe fanamelohana ho faty, na tsy hiditra fasan-drazana izany (ary dia tena mafy tokoa izany hoe tsy hiditra fasan-drazana izany, indrindra moa amintsika Malagasy, dia tena mafy tokoa izany hoe tsy hiditra fasan-drazana izany).

Ka nisy izany tao fandrahonana sy fanamelohana ho faty mihitsy aza, ka na dia efa misy varavaram-pasana misokatra aza eo anoloany hidirana raha manaraka izany fanavaozana ara-pivavahana izany, dia tsy nanaiky mihitsy ireo fa aleony maty toy izay hanaraka izay fampianarana tsy araka ny soratra masina.

Apokalypsy 3:5 – 6 «5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] » Izay maharesy izany, ka tafavoaka tamin‟ny fampianaran-diso, na ny fitaky satana, na ny saindalin‟i satana, na ireo karazana fahalemena sy fahazaran-dratsy isan-karazany, ka tsy azon‟izany rehetra izany, dia nomen‟i Jesosy Kristy teny hoe: dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny. Zava-dehibe ho an‟ny Kristiana ny hoe: ho voasoratra eo amin‟izany bokin‟ny fiainana izany ny anaranao.

Ka raha sanatria izany ka maty isika kanefa tsy voasoratra ao amin‟izany bokin‟ny fiainana izany ny anarantsika dia izao no voalaza:

Apokalypsy 20:15 « Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy. » Izany hoe: ny olona tsy tafavoaka tao amin‟ny fampianaran-diso, na tsy nahita ny fahazavana, na nikiribiby sy nihirim-belona tamin‟ny tsy fanarahana ny soratra masina izany, dia tsy hahita na hahazo io fitafiana fotsy io; ka ny coden‟ny loko fotsy moa dia fantatsika, fa fahamarinana, fahadiovana ary fandresena. Dia raha vao misedra ady ary izany izy dia tsy tafavoaka, na dia samy miady hevitra amin‟ny Soratra Masina aza izy dia tsy tafavoaka ao mihitsy, ary tsy ho voasoratra ao amin‟ny bokin‟ny fiainana mihitsy izany ny anaran‟izany olona izany. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*.