FIANGONANA FAHAFITO: LAODIKIA

FIANGONANA FITO TOMBO-KASE FITO (Apokalypsy toko fahenina)
FIANGONANA FAHAFITO: LAODIKIA Ny Tombo-kase fahafito
Tsara ny hanamarihana azy fa tena fiangonana miavaka amin‟ny fiangonana rehetra tokoa ity fiangonana faha fito ity.

Apokalypsy 3:14 – 22 «14 [Laodikia] Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana* [* Gr. eklesia] any Laodikia: Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’izao zavatra noharin’Andriamanitra izao: 15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao; 17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; 18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. 19 Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. 21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany. 22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] »

Apokalypsy 8:1 « [Ny namahana ny tombo-kase fahafito, sy ny nitsofana ny trompetra efatra] Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra. » Jereontsika anie ilay planin‟ity boky ity e! fa avy dia sokafany dieny izao ny saintsika mba hahitantsika azy.Fa rehefa niresaka ny fiangonana fito isika, dia vao vita ny fitantarana ny tantaran‟ny fiangonana fito, dia naseho ny seza fiandrianan‟Andriamanitra sy ny fiasan‟ny ataontsika hoe: ireo olona na ny anjely na ireo zava-manan‟aina izay niasa tao anatin‟ity govenemantan‟ny fanjakan‟Andriamanitra ity. Dia nasehony moa tao amin‟ny toko fahaefatra sy ny toko fahadimy ilay izy. Izany hoe vao vita ny tantaran‟ny fiangonana fito izany dia naseho ny lanitra sy ny seza fiandrianan‟Andriamanitra. Izany hoe: ireo fiangonana fito ireo izany no hanomana ny olona hankany amin‟ny fiainana mandrakizay. Dia miditra amin‟ny fizarana faharoa izany isika, satria ny fizarana voalohany dia ny tantaran‟ny fiangonana,ary ny fizarana faharoa indray dia ny tombo-kase fito. Fa rehefa tonga teo amin‟ny tombo-kase fahenina indray izany isika, dia efa naseho sahady ihany koa ny fihavian‟i Jesosy Kristy, naseho ihany koa ny seza fiandrianan‟Andriamanitra ao amin‟ny toko fahafito alohan‟ny hamahana ny tombo-kase fahafito. Izany hoe rehefa vita izany ny tantaran‟ny fiangonana, dia naseho ny seza fiandrianan‟Andriamanitra. Vita ihany koa ny tantaran‟ny fiangonana dia miditra lalindalina ato amin‟ity tombo-kase fito ity indray isika; dia io fa naseho ihany koa ny seza fiandrianan‟Andriamanitra. Ka raha raisintsika izany ny amin‟ny hamahana ity tombo-kasefahafito ity ato amin‟ny toko fahavalo izany, dia nangina tokony ho antsasak‟ora tany an-danitra.

 

NY VANIMPOTOANA NISY AZY

1844 ka hatramin‟izao vanimpotoana hiainantsika izao.

INONA NY HEVITRY NY TENY LAODIKIA?

Teny grika roa natambatra izy io dia ny: LAOS = VAHOAKA; DIKIA = FITSARANA; ny fitambarany izany dia ny hoe “VAHOAKAN‟NY FITSARANA” Ny taon-jato faha 18 no mankatia no ahitana azy ity. Ary raha ny tanàna nahitana azy dia tena tanàna iray tokoa no nisy azy ity, ary nolazaina fa hoe: “sady tsy mafana no tsy mangatsiaka izy ity” ka io no nakan‟i Jesosy Kristy ohatra. Nisy tanàna izay nanana volkano efa maty sahalan‟nyany Antsirabe ireny izany tany, fa mbola misy rano mafana mivoaka avy ao anatin‟io volkano io. Ka izy io dia tany amin‟ny 6 km miala amin‟ny tananan‟i Laodikia no misy io volkano io. Notarihin‟ny mponina tao Laodikia tamin‟ny lakan-drano kely izany io rano mivoaka any amin‟ny volkano io hiditra any an-tanana, ka any am-potony io rano io dia mangotrangotraka be, fa rehefa tonga aty an-tanàna kosa izy ity dia efa mangatsiaka, matimaty, izay vao tonga ao an-tanana. Dia izay no nampahatonga an‟i Jesosy Kristy hilaza hoe: ny tanànan‟i Laodikia. Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. Ity tanànan‟i Laodikia ity ihany koa dia nolazain‟i Jesosy Kristy ihany koa ny amin‟ny hoe: “Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory;”

Inona ary no anton’izay fahanginana antsasak’ora izay?

Ny antsika olombelona raha misy maty, dia misy fahanginana iray minitra, fa tsy hoe fahanginana antsasak‟ora. Ka raha isika olombelona no hitsatoka hijoro hangina antsasak‟oraeo, dia angamba hisy hiakapoka ho torana eo raha misy izany. Ka inona ary ny anton‟io fahanginana antsasak‟oraio? Io izany dia mila velabelarina satria dia misy zavatra miafina ao anatin‟io. Fantatra fa misy mponina any an-danitra any.

Ka iza no mponina any?

Dia mazava fa ny anjely no tena mponina maro an‟isa any. Fa ny hitantsika ao amin‟ny Soratra Masina dia hoe, nisy ny niakatra velona tany an-danitra, ary anisan‟izanyny lehilahy iray antsoina hoe Enoka. Ary ny amin‟ny mpaminany indray kosa dia i Elia no niakatra velona tany an-danitra, ary i Mosesy dia maty kanefa tsy hita intsony ny fatiny, ary rehefa avy eo dia tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy indray vao hita io Mosesy sy Elia io teo afovoan‟i Jesosy Kristy tamin‟izany vanim-potoana izany. Ka raha jerena izay rehetra izay dia mazava ho azy fa nisy olona ihany niakatra velona tany an-danitra izany.

Genesisy 5:21-24 «21 Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’i Enoka, dia niteraka an’i Metosela izy. 22 Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian’ny niterahany an’i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 23 Ary ny andro rehetra niainan’i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona. 24 Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’Andriamanitra. » Nentin‟Andriamanitra izy ka tsy fantatra hoe nentiny ho aiza?, any Paris sa any Amerika sa aiza? Fa ny azo antoka aloha dia ny hoe nentin‟Andriamanitra any an-danitra izy.

 

Dia mazava ihany koa izany, fa ity tanàna ity koa dia tena manan-karena mihitsy tamin‟ny androny, satria izy ity, dia mpitrandraka volamena ny olona tao an-tanàna, no sady mpanao akanjo “fourure” vita tamin‟ny volonondry. Ny “fourure noire” na ny akanjo vita amin‟ny volon‟ondry mainty no tena manavanana sy mampalaza azy ity, ary dia olona maro tokoa no tonga tao Laodikia nividy izany. Dia voalaza ihany koa, fa nanana orinasa mpanao fanafody maso ny tao Laodikia, (misy vato fotsy izany hono tao izay nokosehina, ary nampiana karazan-javatra hafa dia lasa nampiasaina ho odi-maso izany). Dia izay izany no nahatonga an‟i Jesosy Kristy hilazalaza ny tantaran‟ity Laodikia ity ho fampitahana ny tantaran‟ny fiangonana nanomboka teo amin‟ny taon-jato 18 no ho mankaty.

Apokalypsy 3:15 – 17 «15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao; 17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; » Ireto Laodikia ireto izany dia milaza fa manan-karena sy nihary fananana be izy (avy tamin‟ny fitrandrahana volamena sy ilay fanaovana akanjo volon‟ondry mainty, sy ilay ody maso) kanefa hoy i Jesosy Kristy hoe: “mahantra ianao, malahelo sy jamba ary mitanjaka”.

Izy miheritreritra ny tenany hoe mpanao fitafiana volon‟ondry mainty kanefa mitanjaka ry zareo. Ka ny fiheveran-tena hoe mpanankarena dia mitondra avonavona izany, avonavom-po, avonavom-panahy, avonavona ara-nofo, avonavom-pitondratena. Ka izay no nahatonga an‟i Jesosy Kristy hilaza hoe: “ianao mihevi-tena ho manan-karena ka tsy manajava-mahaory, kanjo tsy fanatatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka”;

NY MANAO SONIA

Ny manaitra indrindra amin‟ity tantaran‟ny Laodikia ity ihany koa, raha vao manomboka izy ity, dia i Jesosy Kristy no manao sonia ao amin‟ny andininy faha 14. Izao no lazainy ato: Apokalypsy 3:14 « [Laodikia] Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana* [* Gr. eklesia] any Laodikia: Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’izao zavatra noharin’Andriamanitra izao: » Izay no sonia napetraka ao. Dia iarahantsika mahita, fa ny tantaran‟ny fiangonana dia misy ny sonia aloha dia avy eo ny fankasitrahana, ary ny fanankianana. Fa ity Laodikia ity dia mifanohitra amin‟ny Filadelfia: ny Filadelfia raha vakiantsika dia mipetraka ny sonia dia avy dia miditra ny fankasitrahana, fa tsy misy fanankianana mihitsy. Ny Filadelfia sy ny Smyrna no misy an‟izay, fa ny an‟ity Laodikia ity kosa, vao manomboka dia avy dia tefa-tsofina, fanankianana mahavaivay mihitsy no nomen‟i Jesosy Kristy azy. Ary soa ihany fa Jesosy Kristy no nilaza an‟io fa tsy i Pasitera Mailhol. Satria dia rehefa avy eo indray dia ho betsaka indray no hilaza hoe: tsy misy hataon‟ilay rangahy io hafa tsy ny manenjika olona ve?

Ny nampakarana an’iElia ho any an-danitra

2 Mpanjaka 2:9-14 «9 Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ny fanahinao mba ho ahy. 10 Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany. 11 Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra. 12 Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin’nyNy nampakarana an’iElia ho any an-danitra 2 Mpanjaka 2:9-14 «9 Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ny fanahinao mba ho ahy. 10 Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany. 11 Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra. 12 Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin’ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa. 13 Ary nalainy ny kapôtin’i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’i Jordana. 14 Dia noraisin’i Elisa ny kapôtin’i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr’i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy. »

Tsy dia handalo fahafatesana daholo akory ny olona rehetra fa hisy hiakatra velona any an-danitra, Fa hisy ihany koa fahanginana antsasak‟oraany an-danitra. Iza ihany koa moa ny mponina any an-danitra, ka nampisy izany fahanginana izany? Matio 25:31-32 «31 Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; 32 ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy*;» Amin‟ny fihavian‟i Jesosy Kristy izany, dia hiaraka aminy ireo anjely rehetra any an-danitra Izy. Ka hanao inona ireo anjely marobe ireo?

 

Fa izaho eto ampiandohana dia efa miala, fa tsy izaho no manao ity fanambarana ity, tsy izaho ilay “Amen”, tsy izaho “Ilay Vavolombelona sy marina”, tsy izaho no “niandohan’izao rehetra izao”. Fa io no manao sonia, ka vao manomboka dia avy dia tefa-tsofina no mahazo, teny maharary, teny levilevy, ary teny fanalam-baraka mihitsy koa aza no azo ilazana azy. Satria hoy izy Apokalypsy 3:15 – 16 «15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao; » Makaloiloy izany ity fiangonana ity, mampandoa no dikan‟izany. Ohatra iray no omena antsika ny amin‟izany hoe mampandoa sy mampaloiloy izany: nandeha “taxi-brousse” izahay indray mandeha tamin‟ny mbola 14 taona tany ho any, (miala tsiny aloha raha toa ka misakafo ianao no mamaky ity boky ity) dia rehefa mandeha voyage izany moa isika dia maloiloy te handoa, ka rehefa mandoa dia atao anaty” sachet” ilay izy. Ka rehefa avy nihinana hena-kisoa avy teo Maevatanana, na Ambohimandroso, na Manerinerina, dia ny fiara mandeha ihany ary ny sachet manaraka ao amposy ao ihany koa. Ny tena moa kelikely vola ihany any am-paosy, ka rehefa te handoa dia atao ao anaty sachet, ary rehefa noana dia avoaka ny sotro dia misakafo eny ambony fiara ihany indray, avoaka ilay sachet teo dia hiverenana izany, satria sarotra ny fiainana. Dia tahaka antsika mari-koditra sy maharikoriko mamaky ity boky ity, dia tahaka izany ihany koa izany no mampaharikoriko an‟i Jesosy Kristy mijery ity Laodikia ity:

Apokalypsy 3:16 « Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao; » Mampaloiloy izany ilay fiangonana Laodikia, ka miala tsiny moa raha toa ka misakafo ianao, fa mazotoa ihany mihinana e!

NY TOROHEVITRA NOMENA AZY

Misy torohevitra nomena eo amin‟ny andininy faha 18: Apokalypsy 3:18 « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao” (Io no ilay noresahiko teo hoe mpitrandraka volamena ny olona tao ka dia hosoloina volamena voasedra izany ny volamenany), ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, (io koa ilay hoe mpanao “fourure” mainty ny mponina tao ka ho soloina fitafiana fotsy izany), ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao (satria jamba ny mponina tao Laodikia dia nasaina nividy odi-maso izy, mpanao odi-maso ry zareo ireo kanefa dia jamba ihany). » Nomeny ihany koa ny torohevitra Apokalypsy 3:19 – 22 «19 Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. 21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany. 22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] »

Matio 24:30-31 «30 Ary amin’izany andro izany dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. 31 Ary amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin‟ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany* efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.[*Gr. rivotra] » Izany hoe ny mponin‟ny lanitra izany dia tsy iza tsy akory, fa ny anjely rehetra sy ny olona niakatra velona tany an-danitra ihany koa, dia anisan‟ny mponin‟ny lanitra sy izay niaraka tamin‟i JesosyKristy tany amin‟ny voninahiny. Dia efa hitantsika teo fa anisan‟izany ry Mosesy sy ry Elia, ary ry Enoka izany. Ka raha izay no jerena izany, dia raha raisina hoe: ahoana moa izany ilay fahanginana antsasak‟ora izany?dia izao dikany: i Jesosy Kristy sy ny anjeliny rehetra izany dia niala ny lanitra avokoa ka nandeha tety an-tany tety, ary dia teo amin‟ny rahon‟ny lanitra teo izy no naniraka ny anjeliny rehetra ka nanangona ny olom-boafidy eran‟ny vazan-tany efatra sy ny tety ambonin‟ny tany, satria io anjeliny io dia hitsoka sy hampaneno mafy ny trompetra ary hanagona ny olomboafidy, hanavaka ny ondry sy ny osy, ary dia tsy maintsy mbola ho hitantsika hatrany moa ny fanazavana an‟izany, fa amin‟izao fotoana izao, dia amin‟ny ankapobeny fotsiny ny fanazavantsika. Ka amin‟izay fotoana hidinan‟ny anjely marobe sy Jesosy Kristy izay dia nisy fahanginana atsasak‟ora izany.

Ahoana moa izany no fikajiana izany antsasak‟ora izany? Efa nianarantsika moa izany fa ny andro iray dia midika ho taona iray. Araka ny voalazan‟i Nomery 14: 34 sy ny Ezekiela 4: 6. Ka ny andro iray ara-bakiteny izany dia soloina taona iray ara-paminaniana. Ka raha milaza izany izy hoe 40 andro no hitondranao ny helokao, dia efapolo taona izany izay no hitondranao izany. Raha milaza izy izany hoe: 1260 andro dia ireny izany no manome taona, ary ny andro iray soloina taona iray. Ka ho antsika tsy naharaka ny code tany aloha dia tsara mba hiverenana kely ihany izany mba hahamora ny fanazavana.

Nomery 14:34 « Araka ny isan’ny andro efa-polo izay nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray hosoloana taona iray no hitondranareo ny helokareo efa-polo taona; ka dia ho fantatrareo ny fahafoizako anareo. »

Ny andro iray ho soloina taona iray no hitondranareo ny helokareo 40 taona. Izany hoe 40 andro no nisafoanareo ny tany, ka ny andro iray izany dia soloina taona iray dia lasa 40 taona izy izany. Dia mitovitovy amin‟io ihany ny Ezekiela 4:6 « Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak’i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon’ny herintaona ho anao. »

 

Izany hoe ity fiangonana Laodikia ity, dia tsy mba nisy mihitsy fankasitrahana fa avy dia levilevy sy kapoka no nomeny azy, kanefa na izany aza dia nomeny ihany ny torohevitra, ary napetrany ihany hoe : « fitiavana no namelivelesany azy ka izao dia mitsangana eo am-baravarana izy mandondona ».

Rehefa izany dia fantatra izany fa tsy maintsy hizara roa ny fanazavana ity fiangonana Laodikia ity na tiana na tsy tiana: – Ny ankilany dia ilay sady tsy mafana no tsy mangatsiaka ka alohan‟ny vavan‟i Jesosy Kristy. – Fa andaniny kosa dia ireo izay haharesy dia avelany hiara-mipetraka aminy eo ambonin‟ny seza fiandrianany, ary izay tafavoaka ao anatin‟io fiangonana tsy mafana no tsy mangatsiaka io no hiara-hisakafo amin‟i Jesosy Kristy. Fa misy izany no tsy ho tafavoaka ao mihitsy, ka tafajanona ao Laodikia mijanona matimaty eo foana. Nomeny torohevitra ihany koa izany ireto olona ireto hoe mba hividy aminy volamena, fitafiana fotsy, sy odi-maso. Dia misy olona mizara roa ihany koa izany ao: – misy olona hividy volamena ao Laodikia, – ary misy kosa olona tsy hividy ao. Izany hoe ilay olona sady tsy mafana no tsy mangatsiaka fa alohan‟ny vavan‟i Jesosy dia tsy mividy, fa ilay olona lasa mafana, dia mividy. Dia mbola omeny ihany koa ny torohevitra hoe: manoro hevitra anao koa aho hoe mividiana amiko volamena, ka mibebaha. Izany hoe: – misy olona hibebaka izany ao – ary misy olona tsy hibebaka.

Misy tsy hiala ao anatin‟ilay fahamatimatesana, fa sady tsy hividy volamena izy no tsy hividy fitafiana, no tsy hividy hodi-maso, ary dia tsy hibebaka ihany koa. Fa misy dia sady hividy izany rehetra izany no hibebaka ihany koa ka dia afaka tao anatin‟izany fahamatimatesana izany fa tonga mafana.

Dia misy koa ny hoe Apokalypsy 3:20 « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. »

Ka raha anaovantsika kajy matematika tsotsotra fotsiny izany ity antsasak‟ora voalaza fa nahitana fahanginana tany an-danitra ity dia izao no hita:

– ny anton‟io fahanginana antsasak‟ora io aloha dia midika fa hoe: nidina tety an-tany izany Jesosy Kristy sy ny anjeliny rehetra, handray ny olomboafidiny rehetra any amin‟ny vazan-tany efatra izany. – Dia hafiriana ary izany antsasak‟ora izany mba ahitantsika ny heviny ara-bakiteny?, Ny iray andro ara-bakiteny dia soloina taona iray ara-paminanina. Izany hoe : 1 ANDRO = 1 TAONA, araka izay efa nahitantsika azy tamin‟ny vakiteny tany aloha. Dia satria antsasak‟ora no resahiny eto, dia io antsasak‟ora io izany no tadiavintsika eto hoe misy hafiriana izany ny halavan‟ioantsasak‟ora io? Ny indray (1) andro dia misy 24 ORA, izay raha atao amin‟ny dikany ara-paminaniana dia midika ho iray (1) taona na 360 andro. Io no mahamora ny hikajiana ilay antsasak‟ora nisian‟ilay fahanginana tany an-danitra. Ka eto izany isika dia tsy maintsy manao kajy tsotsotra dia ireny raiki-telo hoy ny malagasy na ilay antsoina hoe régle de trois mba ahamora ny kajy :

(sary)

Dia jereo tsara fa misy isa 7 mipoitra eto amin‟ity fanazavana ny tombo-kasen‟Andriamanitra ity: – Ny tombo-kase fahafito dia tsy mba vahana, raha tsy mazava ny toko fahafito. Izany hoe ny toko fahafito izany dia efa fito iray, – ary rehefa vahana ny tombo-kase fahafito dia mazava ho azy fa efa fito manaraka izay – ary rehefa kajiana indray ilay antsasak‟ora dia isa fito indray no omeny, izany hoe misy isa fito miverina in-telo eo. – Ka jereo tsara ny isa tri 7 fa raha ataonao analana iray daholo ireo isa 7 miverina in-telo ireo, dia lasa 666. – Ka na ianao hipetahan‟ny isa 777 izay efa nazavaintsika teo ambony io, na hipetahan‟ny isa 666 izay mbola hazavaina manaraka.

 

– Ny iray dia sady tsy mafana no tsy mangatsiaka, ary izy io dia miseho azy ho manan-karena nefa mahantra, dia tsy mividy izy io (na volamena na fitafiana na odi-maso, ary tsy mibebaka ihany koa izy ao anatin‟izany, ary rehefa mandondona Jesosy dia tsy mamoha ny varavarana mihitsy izy, fa lazainy fa Jesosy Kristy sandoka io mandondona azy io, dia tsy mamoha ny varavarany mihitsy izy. Izay no kilasin‟ny Laodikia iray.

– Fa ny iray hafa kosa dia ilay Laodikia izay tonga amin‟ny hafanany, ka mazava hoa azy fa nividy izy volamena, nividy izy fitafiana fotsy, nividy izy odi-maso, ka rehefa nividy izany izy dia tonga amin‟ny fibebahana marina, ary rehefa tonga amin‟izany izy nandondona i Jesosy Kristy dia niditra ka niara-nisakafo taminy. Ka raha fintinina izany ity fiangonana Laodikia ity dia izao: fiangonana iray ity fiangonana Laodikia ity fa tsy maintsy mizara roa, ka na ho inona no atao, na ho inona dia tsy afaka miala amin‟io làlana io ny Laodikia. Io ilay lazain‟i Jesosy Kristy hoe “vehivavy anankiroa mitoto vary , ny iray ho raisina ny iray avela” io ilay lazain‟i Jesosy Kristy ihany koa hoe virjinina 10 ny dimy adala tsy ampy solika, ary ny 5 hendry ampy solika,ny iray tsy tafiditra.

Ka ity Laodikia ity izany dia tsy maintsy mizara roa, ary raha mijery ny tantaran‟ny fiangonana amin‟izao fotoana izao isika, dia efa hita mihitsy io fizaran‟ny Laodikia roa io. Dia mbola ho entitsika eto daholo ny fanazavana azy rehetra ireo ao aoriana kely. Voalohany: Lazaina izany fa ity vahoakan‟ny Laodikia ity dia vahoakan‟ny fitsarana.

Ahoana no ilazana an’izany vahoakan’ny fitsarana izany?

Satria ao amin‟ny fitsarana no anapahana farany ny hoavin‟ny olona iray na ho meloka izy ka ho voasazy, na tsy meloka dia ho afaka madiodio. Ka ny fitsarana indray raha aty amin‟ny baiboly dia midika fa any amin‟ny fihafaran‟ny tantara no hisian‟ny fitsarana. Ka raha miresaka ny vahoakan‟ny Laodikia izany isika dia midika fa manomboka ny fitsarana. Faharoa: Lazaina koa izany fa ity Laodikia ity, dia vahoakan‟ny fihavahana, na koa hoe vahoakan‟ny fahamarinana na vahoakan‟ny fahaverezana. Samy ilazana azy avokoa izany. Ka ahoana no anazavana azy:

Vahoakan’ny fihavahana

– miavaka ny vahoakan‟ny Laodikia amin‟ny fomba fihinana, izy tsy mba mihinana ny fihinan‟ny olona. Maro mantsy ny olona izay mihinana izao rehetra izao: na kadradraka amidy amin‟ny kapoaka, na vitsika amidy amin‟ny kapoaka, na olitra amidy amin‟ny kapoaka, na” scorpion”, … dia hoanin‟ny olona daholo na maloto na madio. Fa ny an‟ny Laodikia dia miavaka ny sakafo hoaniny.

– Miavaka ihany koa izy raha ara-pitafiana, satria ny an‟ny olona dia hanaovany daholo na pataloha mifinjifinjy ho an‟ny vehivavy, na mini jupe misy varavarankely na aloha na aoriana, ny sasany moa dia tsy varavaran-kely fotsiny fa varavarambe mihitsy, tsy miraharaha an‟izany izy fa rehefa fitafiana dia fitafiana.

Vahoakan’ny fahaverezana:

satria sady tsy mafana no tsy mangatsiaka Dia alohan‟ny vavany, makaloiloy, mampandoa, toa ireny mitaingina fiara ireny dia mandoa dia atao anaty sachet dia akana sotro indray dia hiverenana satria mbola ao tsara daholo ilay hena-kisoa sy tsaramaso, sy vary mety mbola misy lasary kokombra ihany koa aza izany. Ka izay no maha vahoakan‟ny fahaverezana azy, satria ilay sakafo tokony hamelona ny tena no naloha sy nariana tao..

 

Vahoakan’ny fahamarinana

satria hoy ny Tompo: Apokalypsy 3:17 « fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; » Io ilay hoe manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahaory io, dia ny fiheveran-tena fa manana ny marina eo amin‟ny Soratra Masina, ka tsy misy fivavahana marina ankoatra ny Laodikia, fa raha vao ankoatra ny Laodikia dia very. Dia azo amaritana ihany koa izany io fa hoe: izay fivavahana manana io toetra mihevi-tena ho izy irery io no marina, dia Laodikia daholo. Ohatra: hoy ny sasany hoe raha mbola mitoetra amin‟io didy folo io, dia very, dia Laodikia izany no dikan‟izany. Hoy koa ny sasany hoe raha mbola mivavaka sabotsy ianao dia very, misy koa ny sasany milaza hoe raha mbola mivavaka alahady ianao dia very, misy koa ny sasany milaza hoe raha mbola mivavaka sabotsy na alahady ianao dia very fa azo hivavahana daholo ny andro rehetra. Dia misy koa ny sasany manao hoe raha vao tsy ato aminay dia very, satria mihevitra ny tenany ho marina izy izany ka dia mipetraka ho vahoakan‟ny fahamarinana izany olona izany.

Ka amin‟ny maha-vahoakan‟ny Laodikia azy; dia misy zavatra maro mifamahofaho ato anatin‟ity tantaran‟ity fiangonana Laodikia ity, ka mazava ho azy izany, fa raha vao miresaka Laodikia isika, dia tsy maintsy hiresaka ny andro farany, amin‟ny maha vahoakan‟ny andro farany azy. Tsy maintsy hiresaka ny amin‟ny maha vahoakan‟ny fanavahana azy, dia tsy maintsy hiresaka ny maha vahoakan‟ny fahamarinana azy, dia ny maha vahoakan‟ny andro farany azy.

Ireo no zavatra tsy maintsy ho resahintsika rehefa miresaka azy ity isika. Matetika ary izany ny olona nanoratra sy nanondro ny tenany hoe Laodikia dia ny fiangonana Adventiste, sady tsy mafana no tsy mangatsiaka. Ka ny anandrafetan‟ny tsirairay sy hamaritany izany marimpana izany dia ny fanarahana ny lesona sekoly sabata. Satria rehefa manao io sekoly sabata io ny fiangonana Adventiste dia misy vakilapelina na fiantsoana anarana ahafantarana izay tonga eo, ary amin‟iny fotoana iny no hanontaniana ny tsirairay hoe impiry ianao no nianatra ny sekoly sabata nandritra ny herinandro. Dia eo no handrefesana ny tsirairay, raha toa ka nahatratra im-pito ianao no nianatra dia midika izany fa nianatra nandritra ny herinandro ianao izany.

Dia arakarak‟izay, satria dia atambatra daholo ny tatit‟ireo mpampianatra rehetra rehefa avy eo, Ka hanaovana tatitra ao ampiangonana, dia atao salanisa eo ilay izy: dia tononina eny aloha hoe ny 45% na 50% na 60% no nahavita nianatra ny sekoly sabata tamin‟iny herinandro iny. Ka rehefa mbola manodidina ny 45% ka hatramin‟ny 55% eo ho eo ny salan‟isan‟izay nahavita nianatra nandritra ny herinandro izay dia milaza hatrany ireo mpanentana ery aloha ery hoe: raha izao dia mbola sakafo tapa-kibo hatrany no mbola nohanintsika, no sady tsy mafana no tsy mangatsika, ka isika moa dia vahoaka Laodikia, noho izany dia entanina isika mba hiala amin‟ity fahamatimatesana ity.

Zava-misy izany ka dia tanterina amintsika eto fotsiny. Satria mbola ny fiangonana Adventista irery hatreto no mametraka ny tenany hoe Laodikia, kanefa tsy mbola mijanona eo isika fa mbola hiditra lalindalina hijery hoe izay fiangonana matimaty rehetra dia Laodikia avokoa. Ka tsy vitan‟izany ihany fa izao, hatrizay isika tao anatin‟ny tantaran‟ny fiangonana dia niresaka hatrany an‟ireo fiangonana nivavaka alahady. Fa manomboka eto kosa isika dia iresaka ireo fiangonana mivavaka sabotsy, sy tsy mihinana kisoa.

Ka tsy ny Adventiste ihany no manao izany fa dia maro tokoa izany na eto an-toerana na hatrany ampitan-dranomasina. Fa ny olana dia ity hoe manaiky marina ve aloha ny Adventiste fa izy no Laodikia? Ny valiny dia ho hitantsika araka izay voasoratra ao amin‟ny boky nosoratan‟ilay mpitarika azy. Fa rehefa manana toetra matimaty izany ianao dia tokony handray ampitiavana izay torohevitra nomena anao mba hialàna amin‟izany toetra izany.

 

Eto izao dia misy boky iray mitondra ny lohateny hoe “NY FIOMANANA AMIN‟NY FOTOAN-TSAROTRA FARANY” izay natonta tao amin‟ny imprimerie advetiste, ary nadika avy tamin‟ny teny frantsay “ “La préparation à la crise finale” izay nadikan‟ny teratany Malagasy iray antsoina hoe RASAMOELINA Emilienne. Ka hojerentsika ny ao amin‟ny pejy faha 36 fizarana fahefatra ao anatin‟ity boky “NY FIOMANANA AMIN‟NY FOTOAN-TSAROTRA FARANY” na “LA PREPARATION A LA CRISE FINALE”

Dia izao no voasoratra ao: “ny hafatra ho an‟ny Laodikia dia azo ampiharina amin‟ny Adventiste mitandrina ny andro fahafito. Nandray ny fahazavana lehibe nefa tsy nandeha eo amin‟ny fahazavana, izay manao fanekem-pinoana lehibe nefa tsy manaradia ny mpitarika azy ( Jesosy Kristy ), izay ho alohan‟ny vavany rehefa tsy mibebaka” Io fahazavana lehibe lazainy fa noraisiny sy hitany eto io, dia ny fiverenana mivavaka amin‟ny andro sabata. Fa tsy nisy nahita izany tao anatin‟ny reforme na fanavaozana ara-pivavahana rehetra raha tsy ny Adventiste ihany, ka niverina ho amin‟ny maha tempolin‟ny Fanahy Masina ka tsy ho lotoina tamin‟ny biby maloto sy ny sisa. Dia tsy nisy nahita an‟izany raha tsy ny Adventiste ihany. Dia nanampy an‟izany ihany koa ny fandinihina ny Soratra Masina, izay notarihin-dry William Miller sy ry Ellen Gould White izay anisan‟ny mpaminany vavy namorona ity fiangonana ity. Fa ao anatin‟ity boky ity ihany, ao amin‟ny pejy 32, ary ao amin‟ny fizarana izay milaza ny votoatin‟ny fitoriana ireo hafatra ho an‟ny Laodikia, sy ny fanamarinana ny finoana ara-dalàna fahatelo, dia milaza io hafatra io, fa “hanapotika ny avonavona sy ny fitaky ny fanamarinan-tena sy ny fiheveran-tena ho ampy, ka hiteraka toe-tsaina fibebahana sy fihaiken-keloka marina”. Izany hoe: raha vakiana izany ny tantaran‟ny Laodikia sy ny mampahatonga an‟i Laodikia ho manana ny ampy sy marina dia ny filazana azy ato hoe :

Apokalypsy 3:17 « fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; »

Izany hoe: vokatry ny fahaizana sy ny fahalalana ny soratra masina, izay nihoatra noho ny an‟ny fiangonana nivavaka alahady ireto izany, dia manantombo raha oharina amin‟ireo izany ny Laodikia ka mahatonga azy hiteny hoe manan-karena sy nihary harena be ka tsy mananjava-mahory. Kanefa tsy fantatry ny Laodikia anefa hoy i Jesosy Kristy, fa izy no mahantra sy ory, malahelo sy mitanjaka, ary jamba.

Dia milaza izany ity boky ity fa ity hafatra fanankianana ato amin‟ny fiangonana Laodikia ity dia tokony hitondra fibebahana sy fihainken-keloka marina raha toa ka mandray azy amin‟ny fitiavana marina sy mibebaka marina ny mponina tao Laodikia. Ka ampitaiko tsara izany, fa rehefa manana toe-tsaina sady tsy mafana no tsy mangatsiaka ity izany ianao dia Laodikia koa izany ianao. Ka rehefa mandray ity fanamarihana ity izany ianao dia tokony mandray izany koa, izany hoe: tsy ho hahilikao any amin‟ny Adventista avokoa izany fanankianana izany fa mety ho tratran‟izany avokoa isika rehetra, na inona ny finoana misy anao na inona.

Fa rehefa manana finoana matimaty dia ho tratran‟izany avokoa. Ka ny hitondrantsika ny fanazavana moa izany sy hahamoramora ny fanazavana dia ity fiangonana Adventiste ity. Ka hoy ity boky ity ihany hoe : “rehefa havoaka ity hafatra ho an‟ny Laodikia ity dia tokony hitondra fihainken-keloka sy fibebahana marina ho an‟ny mponina any Laodikia rehetrapejy 33 fizarana voalohany Izao no voasoratra ato.

“Ireo izay mandà ny hafatra ka hisafidy ny hijanona ho matimaty, ho mpanaraka ny fombafomba fotsiny sady feno fanamarinan-tena dia ho kororohina amin‟ny fotoana fanivanana ka ho very”

Izay izany ilay nolazaintsika tary aloha tary manao hoe: “ny vahoakan‟ny Laodikia dia vahoakan‟ny fahamarinana, vahoakan‟ny fahaverezana”, izany hoe misy olona izany dia tsy hanaiky izany hafatra sy fahazavana izay omena izay mihitsy, handà izany izy dia lasa mpanaraka fomba fotsiny any ampiangonana, dia lasa fahazarana fotsiny ny mankany ampiangoana. Lasa mirehareha fotsiny hoe: ny anay no marina dia lasa miady hevitra ary sy atsia fotsiny, nefa dia zavatra fombafomba fotsiny izany.

 

Dia manazava ihany ity boky ity ka milaza fa ho kororohina ny vahoakan‟Andriamanitra. Dia ahoana moa izany hoe hokororohina izany?

Manazava izy hoe: “hitako naseho ahy teo izany noho ny tenin‟ny vavolombelona marina ny torohevitra hiasa ao ampon‟ny mandray azy izany ka hitarika azy hanandratra ny faneva sy hanaparitaka ny fahamarinana madio” Izany hoe: izay olona rehetra izany ka nandray ilay fanankianana, amin‟ilay hoe miseho azy manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; izay nandray izany tambim-pitiavana ka nahatsapa tena tokoa hoe izaho tokoa ilay nihevi-tena ho manan-karena sy tsy manan-java-mahory sy mitanjaka sy jamba, kanefa nahatsapa tena hoe hay izaho tokoa ilay mahantra sy jamba sy mitanjaka sy ory ity, dia ireo olona ireo izany dia tena hiasa amin‟ny alalan‟ny Fanahy Masina dia hitari-dalana an‟ireto olona ireo handeha hanandratra ilay fanevan‟Andriamanitra, hitory ny teny amin‟ny fo madio tokoa.

Fa na dia tao aza io fanankianana natao amin‟ny fiangonana Laodikia io, ohatra hoe ny fiangonana Adventista no mahafeno azy io, ka ny nandrefesana ny hafanan‟ny fiangonana dia ny “rapports” ny fianarana sekoly sabata mandritra ny herinandro, ka ny hafanan‟ny fiangonana dia eo amin‟ny 40 – 50% eo ho eo, sady tsy mety milatsaka amin‟izay no tsy mety mihoatra amin‟izay, ary na dia ny fiangonana aza dia miaiky fa isika tokoa ity Laodikia ity.

Kanefa na dia izany aza dia rehefa nivoaka tokoa izany fanamarihana izany dia ho an‟ireo olona mihevi-tena ho manan-karena sy tsy manan-java-mahory kosa dia misy avonavom-panahy ao anatiny ao, ka tsy hahazaka io teny vavolombelona io. Na dia ity boky nosoratan‟i Ellen White ity aza dia ahitana an‟izany ao amin‟nypejy 33, fizarana voalohany sy ny manaraka io manao hoe: “misy tsy hahazaka io teny vavolombelona marina io hitsangana hanohitra izany izy, ary izany no hahatonga fikororohana eo amin‟ny vahoakan‟Andriamanitra ”.

Izany hoe misy mponina avy ao Laodikia izany, izay tena tsy hahazaka mihitsy izany kianina izany, ka tsy hahatanty izany fanankianana natao izany, fa izy indray no hilaza hoe: “aza mifampitsaratsara aza mifanaratsy aza mifanenjika, isika fa samia miaina amin‟ny azy”. Izany hoe tsy ho zakan‟ny olona sasany io fanankianana io, nefa na dia tsy ho zaka aza ireo, dia misy olona handray izany amin‟ny fo feno fitiavana mihitsy. Ary dia mazava ho azy fa raha tena mivavaka sy manankim-po amin‟Andriamanitra tokoa izany olona izany, dia hahazaka izany fanankianana izany izy, satria ilay nanankiana dia tsy iza fa i Jesosy Kristy.

Ka isika mampianatra azy amin‟ny zava-misy fotsiny hoe izany tokoa ve no zava-misy?

 

Hamaky fizarana iray farany isika momba ity fiangonana Laodikia ity, ka dia mbola ny fiangonana Adventiste ihany no jerentsika satria na dia ilay mpaminany vavy izay namorona ny fiangonana Adventiste aza dia nametraka tsara ihany koa ny amin‟ny toetry ny Laodikia sy ny mba tokony hijerena an‟izany:

Ao amin‟ny boky “FIOMANANA AMIN‟NY FOTOAN-TSAROTRA NY ANDRO FARANY” ity, ao amin‟ny pejy 44 fizarana faha 3, dia misy lohateny hoe “MATIMATY IANAO”.

Dia izao no voasoratra ao: “ny hafatra ho an‟ny Laodikia dia ampiharina amin‟ny vahoakan‟Andriamanitra misora-tena homeny ny fahamarinana. Ny ankabeazany dia olona misora-tena fotsiny ho manana ny anarana, nefa tsy misy hafanam-po. Azo ampiharina amin‟io sokajin‟olona io ny hoe matimaty, milaza ho tia fahamarinana nefa tsy manana ny ampy eo amin‟ny hafanam-po sy ny fitiavam-bavaka kristiana. Tsy sahy manokan-tena tanteraka izy ka miaiky ny loza miantra amin‟ny mpino nefa tsy vonona ny hamela ny izaho ho faty sy hanaraka akaiky ireo foto-kevitra. Betsaka ny mponina Laodikia dia manaiky ny fahamarinana am-bava fotsiny, fa ny fitafiany, ny fiteniny, ny avonavony, ny fomba fiainany dia lasa vato manohana ny hafa tsy hiditra ao amin‟ny fiangonan‟Andriamanitra .”

Misy zavatra maromaro no miseho ao,:

1. tsy manana hafanam-po sy fitiavam-bavaka ny kristiana matimaty sady tsy mafana no tsy mangatsiaka ireo;

2. tsy vonona ny hamono ny hoe IZAHO, ka hanaraka akaiky ny fotokevitry ny finoana. Dia mazava be izany, fa dia ilay fiheveran-tena mihoatra ny hafa dia ny IZAHO no mibahan-toerana eo.

3. ny fibebahana tapatapany dia tsy hamonjy antsika na oviana na oviana; amin‟izao fotoana izao ny mponina ao Laodikia dia miova làlana ho any babylona. Tsy tonga amin‟ny fibebahana marina izy ireo raha araka ny boky nosoratan‟i Helen White ity.

4. ny anankiray ihany koa dia hoe: fomba famoahana ny teny misy avona nefa misora-tena ho manana ny marina. Izany hoe: rehefa miresaka amin‟ny mponin‟ny Laodikia izany ianao, ka hitany ianao fa manana fonja-kevitra mavesatra noho izy, dia hamaly anao amin‟ny fomba fiteniny misy avonavona izy eo amin‟ny fiheveran-tena ho manana ny marina. Dia misy avonavona izany ao anatiny na amin‟ny fomba fiteny na amin‟ny fomba firesahana.

5. dia ambarany ato ihany koa fa hoe “tsy miditra amin-kafanam-po, sy amin‟ny fony rehetra amin‟ny asan‟Andriamanitra izy, ary tsy mampiray ny tombotsoany amin‟ny tombotsoa amin‟ny asan‟Andriamanitra, araka ity boky ity ihany izany. Tsy misy ao ampony ny asa fahasoavana miasa ao anatiny. Alohan‟ny vavan‟i Jesosy izany fiangonana izany, satria sady tsy mafana no tsy mangatsiaka. Mankaloiloy ny rano matimaty, ary ampiasainy ho fampandoavana izany raha misy tratran‟ny poizina. Maharikoriko an‟Andriamanitra ny tsy fisian‟ny fibebahana, ary izay mikiribiby amin‟io toetra io dia ho voaroaka tsy ho eo anatrehan‟ny Ray. Mampalahelo an‟i Jesosy io toetra matimaty io, lazainy ny faniriany amin‟io toe- javatra io, fa aleo mangatsiaka na mafana. Tian‟ny Tompo kokoa izany raha tsy manonona ny anarany na oviana na oviana ireo misora-tena ho mpivavaka ireo, enta-mavesatra ho an‟ireo izay te hanompo an‟i Jesosy izy ireo ary lasa vato fanafitoinana ny hafa.” Tamin‟ny andron‟i apostoly Jaona no nilazain‟i Jesosy Kristy an‟izany hoe haloany izany fiangonana matimaty izany. Raha mijery ny tantara isika izany, dia mahita fa tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy dia azo lazaina fa hoe mbola ho avy izany zavatra izany. Fa amin‟izao fotoana izao ihany koa dia mbola misy mponina ao Laodikia mbola miheritreritra ihany manao hoe, zavatra mbola ho avy izany tenin‟i Jesosy milaza fa halohan‟ny vavany izany mponina ao Laodikia izany fa tsy efa nalohany e. Dia izay ilay nolazain‟ity mpaminany vavy Ellen White ity (ity mpaminany vavin‟ny Adventiste ity) hoe : ilay avonavona ao ampon‟ilay olona. Hoy izy hoe: ny hafatra ho an‟i Laodikia hoy izy dia ampiharina ho an‟ny fiangonana na vahoakan‟ Andriamanitra izay misoratena ho mino ny fahamarinana.

Ny ankabeazany dia olona misora-tena fotsiny, manana ny anarana nefa tsy misy hafanam-po. Lazainy ato koa fa hoe tsy manana hafanam-po sy fitiavam-bavaka fa ny avonavona no mameno ny fon‟ilay olona. Ka ny filazana hoe tamin‟izany izy no nilaza fa hoe haloahan‟ny vavany, dia amin‟izao fotoana izao koa ianao dia mbola hiteny hoe: izany anie dia zavatra mbola andrasana e! dia ireo vahoaka nivelona hatrany amin‟ny andron‟ny Laodikia ka hatramin‟izao fotoana izao izany ve dia mbola tsy nisy maty fa mbola miandry ny handoavan‟i Jesosy Kristy azy izy izany, sa efa firy no maty tamin‟ireo vahoaka tao Laodikia ireo.

Na dia tamintsika teto Madagasikara teto fotsiny ihany aza, efa 80 taona mahery izay no nahatongavan‟izany fiangonana Advetiste izany teto amintsika, dia efa firy ny mponina tao Laodikia no efa maty? Efa firy ihany koa ny mponina tao no efa nivoaka, ary ny rapport ny sekoly sabata ao Laodikia, dia jereo, ary samia isika mandinin-tena, dia efa firy taona isika izay no nivavaka tato, ilay hafanan‟ilay fiangonana ve efa tonga 80% foana isan-kerinandro isan-kerinandro, sa efa nahatratra ny 100 % ve? sa ny 50% aza tsy tratra fa dia mihodina manodidina ny 40-55% eo ho eo hatrany. Raha toa izany ianao ka efa 10 taona nivavahana tao, niala nenina mba hampafana io fiangonana io, nefa dia mbola tavela eo foana ny mari-panany, dia mba mihevera tena ihany.

Inona no anton‟izany? Samia mandinin-tena hoe: inona no anton‟izany zavatra izany, hoe maninona ity fiangonana ity na atao inona na atao inona dia tsy mety miakatra mihitsy ny hafanany a! Fa aza dia feno avonavom-panahy ohatra izany, ka hoe ny anay dia ity ihany ny fiangonan-drazana, ka na misy inona na misy inona, dia ny anay eto foana. Fa maharikoriko an‟i Jesosy hoy izy ny mahita ity fiangonana sady tsy mafana no tsy mangatsiaka ity. Dia ho jerentsika ary izany ny hoe :

 

Inona no mahatonga an’ity fiangonana ity ho antonony sy tsy mety mafana ohatra an’ity?

Na ny fiangonana Laodikia tsy mety mafana, inona no anton’izay? Izao no voalazan‟ny baiboly hoe nahatonga ny fiangonana tamin‟ny andron‟ny apostoly nahazo izay hafanana izay, sy nahatafavoaka tao anatin‟izay toetra matimaty izay. Fony mbola tamin‟i Jesosy Kristy tety ambonin‟ny tany, dia nampianatra izy na tamin‟ireo mpianatra apostoly na tamin‟ny olona.

Ny zava-nisy anefa dia ity: na dia nandroaka devoly aza izy ireo, sy nitory ihany koa rehefa nirahin‟i Jesosy Kristy, dia izao: ny Fanahy Masina dia tsy tao anatin‟izy ireo, ary dia izay no nahatonga azy ireo hifanditra lava isaky izay mandeha, ka nifanontany hoe: rehefa ho lasa i Jesosy Kristy, iza no ho lehibe amintsika. Dia nanambara i Jesosy Kristy ao amin‟ny Jaona 7:38 – 39 «38 Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina. 39 Ary ny Fanahy Masina, Izay efa horaisin’ny mino Azy, no nolazainy tamin’izany; fa ny Fanahy Masina * tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ny voninahiny. [* Na:] »

Ka io Fanahy Masina io moa izany dia voalazan‟ny mpanoratra sasany fa hoe fidiran‟i Jesosy Kristy any amin‟ny fitoerana masina indrindra. Ka fony i Jesosy Kristy mbola niaraka tamin‟ny mpianany izany, dia mbola tsy nisy Fanahy Masina nomena ny mpianatra satria i Jesosy Kristy mihitsy moa no mbola teo koa inona no hilana Fanahy Masina izany. Fa rehefa niditra tany amin‟ny voninahiny kosa Jesosy Kristy dia nirotsaka tamin‟ny mpianatra ny Fanahy Masina, dia ny afon‟ny Fanahy Masina io no nitondra hafanana tao amin‟ny fiangonana, fa rehefa io Fanahy Masina io no tsy ao dia tsy hisy hafanana mihitsy ao amin‟ny fiangonana.

Ka oviana ary i Jesosy Kristy no tonga tany amin‟ny voninahiny ka nahazo ny Fanahy Masina ny mpianatra? Asan’ny Apostoly 1:4 – 5 «4 Ary raha niara-niangona*[*Na: niara-nihinana] teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; 5 fa Jaona nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. » Asan’ny Apostoly 1:8 « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany. »

Alohan‟ny niakaran‟i Jesosy Kristy tany amin‟ny voninahiny izany, dia nampahatsiahivin‟i Jesosy Kristy ny mpianatra izany hoe: “aza mbola mihetsiketsika eto aloha fa izaho mbola tsy afaka manome anareo ny Fanahy Masina raha tsy efa tonga any amin‟ny voninahitro. Fa rehefa tonga any amin‟ny voninahitra aho dia ho avy aminareo io Fanahy Masina io fa ianareo dia natao batisa tamin‟ny rano tamin‟ny batisan‟i Jaona, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin‟ny Fanahy Masina”.

Ny porofo izany fa tonga teo amin‟ny voninahiny i Jesosy Kristy dia ny nilatsahan‟ny Fanahy Masina. Ka oviana ary izany no nilatsahan‟ny Fanahy Masina?

Asan’ny Apostoly 2:1 – 4 «1 [Ny nilatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ny Andro Pentekosta, sy ny toriteny nataon’i Petera tamin’izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy. »

Tonga tao amin‟ny voninahiny izany i Jesosy Kristy matoa nilatsaka ny Fanahy Masina. Io ilay voalaza any amin‟ny Joela hoe mirotsaka ny ranonorana voalohany. Ary rehefa nirotsaka io Fanahy Masina io, dia niteny tamin‟ny fiteny maro samihafa izy ireto. Nisy famantarana maro hita moa tao izany, (ary dia mbola ho resahintsika any aoriana moa ny mahakasika ity batisan‟ny Fanahy Masina ity), fa rehefa nirotsaka ny Fanahy Masina dia nisy famantarana hita tamin‟ireto vahoaka ireto, ka izay Fanahy Masina izay no nitondra hafanana sy fifohazana lehibe, teo amin‟ny fiangonana. Izany hoe niandry ny Fanahy Masina tokoa ry zareo.

Ka raha mbola tsy tonga izany ny Fanahy Masina dia azo lazaina hoe nipetraka tamin‟ny fiangonana sady tsy mafana no tsy mangatsiaka teo izany izy, fa rehefa tonga kosa ny Fanahy Masina, (matoa izy miteny hoe mitarehin‟afo) dia izay no hialana amin‟ilay mangatsiaka fa miditra amin‟ny hafanana, sahala amin‟ny hoe misy zaza mikoaka dia asiana menaka ny tanana dia asaly amin‟ny labozia mirehitra, dia apetaka eo amin‟ny tratran‟ilay zaza. Izany hoe manome hafanana izany ilay Fanahy Masina mitarehin‟afo io. Ka raha mbola tsy tonga io izany dia mangatsiaka teo foana ilay mpianatra.

Tsy hoe mangatsiaka be akory izy, fa izy anie ka niaraka tamin‟i Jesosy Kristy teo foana fa tsy ampy ilay hafanany ka izay no mahatonga ny mpianatra iray namadika azy, nahatonga an-dry Petera ho nandà tsy ho nahalala an‟i Jesosy Kristy. Izany no nahatonga azy ireo niady hevitra be hoe iza ary no ho lehibe amintsika raha lasa tokoa i Jesosy Kristy, satria tsy tao ilay Fanahy Masina dia nahatonga ilay toetra nisy havonavona sy hambo-po, sy matimaty izany ilay mpianatra. Ka inona ary no nahatonga ity fiangonana Laodikia ity ho tsy mety ho mafana?

Ka ilay foto-pampianarana mihitsy no mahatonga an‟izany, (ary azonareo mponina any Laodikia hamarinina mihitsy aho raha diso izany). Izao no foto-pampianarana: tamin‟ny 1844 no nirotsaka ny ranonorana voalohany, izany hoe tamin‟ny 1844 izany i Jesosy Kristy vao niditra tamin‟ny fitoerana masina indrindra ka izay vao nirotsaka ny ranonorana voalohany, ka dia nivoaka daholo izany ny fahamarinana rehetra nanomboka tamin‟izany no mankaty.

Ka dia amin‟izao fotoana izao izany ny mponina ao Laodikia dia miandry ny ranonorana farany, izany hoe miandry ilay Fanahy Masina hirotsaka farany, dia izay no efa latsa-paka ao amin‟ny mponina Laodikia, miandry ilay Fanahy Masina, dia mazava ho azy fa raha miandry ilay Fanahy Masina ianao izany, dia tsy ao ilay hafanana, ary rehefa tsy ao ilay hafanana, dia mivelona amin‟ilay hoe: sady tsy mafana no tsy mangatsiaka ilay fiangonana. Ilay Fanahy Masina io anefa dia efa tamin„ny andro pentekosta no efa nirotsaka, ary raha raisina hoe ny ranonorana farany no nirotsaka, oviana ilay fanahy masina izany no nantsoina hoe ranonorana voalohany sy ranonorana farany?

Ny ranonorana farany izany raha raisina, dia nanomboka taty amin‟ny taon-jato fahavalo ambin‟ny folo no efa nanomboka nirotsaka io ranonorana farany io. Ary ny olona nino azy io ka nandray azy io, dia nahazo fitahiana sy fahasoavana be. Io ilay nolazain‟i Paoly tamin‟ireto fiangonana ireto:

Asan’ny Apostoly 19:1 – 2 «1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy 2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. »

Efa noraisinareo ve ny Fanahy Masina fony vao nino ianareo?, izany hoe vao nanomboka nino izany ianao ka nahalala fa hoe ny Fanahy Masina anie ka efa nirotsaka tamin‟ny Pentekosta, ka nino an‟izany ianao, dia tokony nahazo an‟io Fanahy Masina io, ary tokony hangetaheta hangataka an‟io amin‟ny fahafenoana. Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. Fantatry ry zareo fa hoe misy izany Fanahy Masina izany, fa ahoana moa ny fomba fiasan‟izany? Fantatry ry zareo fa hoe misy ny Fanahy Masina izany fa saingy tsy reny akory hoe ahoana izany fomba fandraisana izany Fanahy Masina izany. Voalaza ato amin‟ny Efesiana 1:13 – 14 «13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ny tenany, ho fiderana ny voninahiny. »

Ao aminy koa ianareo, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. Nefa hoy i Paoly hoe Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. Nefa anie izy dia mitory, sy miady hevitra, mampiasa ny mahampanakarena azy ilay mponina ao Laodikia nefa tsy reny akory ny Fanahy Masina.

Dia ianareo mponina ao Laodikia izay mamaky ity boky ity, ahoana ary ny fahatsapanao sy fandrenesanao fa hoe: tena nandray ny Fanahy Masina tokoa ianao, ary ahoana no vokatr‟izany asan‟ny fanahy masina izany ao amin‟ny tenanao?, dia diniho ny tenanao, fa raha izay zavatra ataonao amin‟ny tenanao dia fankahalana, sy avonavona, sy fanaratsiana, sy hambo-po diso toerana miseho amin‟ny fiainanao sy anananao io ve dia azo ho ampiharinao, ka ho apetraka eo ambonin‟ny mizanan‟ny Fanahy Masina ianao, ka handrefesana hoe ity ny ahy ny vokatry ny fanahy masina nefa izany no toetra hananantsika sy ampiarintsika!!!. Dia io Fanahy Masina mbola handrasana ao Laodikia io izany, io ry Havana malala ao amin‟ny Tompo no mahatonga io fiagonantsika tafajanona ao amin‟ny fahamatimatesana izany, satria mbola andrasantsika izany Fanahy Masina izany fa tsy mbola noraisintsika. Sahala amin‟ny hoe mitsena olona eny amin‟ny aeroport isika izany, dia tara ianao no tonga tany nefa ilay olona efa tonga, dia ianao mbola miandry eo foana ny andro mangatsiaka nefa ilay olona nandrasana efa lasa nody, dia tahaka izany koa ny olona miandry ny Fanahy Masina, ny Fanahy Masina dia efa nirotsaka, ka ny olona nandray azy dia efa nahatsapa avokoa hoe efa voaray izany Fanahy Masina izany ary efa miasa eo aminy ny voakatr‟izany Fanahy Masina izany,

 

Inona ny vokatr’izany fandraisana ny Fanahy Masina izany rehefa nandray izany ny mpianatra?

Asan’ny Apostoly 4:27 – 31 «27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren’ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra, 30 omban’ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran’i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana. »

Nihovitrovitra ny trano satria fenon‟ny Fanahy Masina izy rehetra, ary dia sahy nitory ny Soratra Masina tamin‟ny fahasahiana, na dia hihantra aman‟aina aza izany, na dia hanimba ny tombon-tsoany aza izany. Omeo anay hoy izy ny Fanahy Masina mba haninjiranao ny tananao mba hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran‟i Jesosy. Izany hoe io Fanahy Masina io koa izany rehefa tena mirotsaka (izay raisina fony vao nino ianao), dia manaraka ho azy avokoa ny famantarana sy ny fahagagana rehetra.

Tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy no nisy izany, dia hoy ny Fariseo sy ny Mpanora-dalàna, demonia hoy izy no hanaovan‟io fahagagana sy famantarana, belzeboba hoy izy no hanasitranan‟io olona, satria ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ireo, dia mbola ao anatin‟ilay fiangonana matimaty, sady tsy mafana no tsy mangatsiaka tsy nahazo ny Fanahy Masina, dia inona no zavatra mitranga?, ho an‟i Jesosy Kristy izay nahazo ny Fanahy Masina sy ao anatin‟ny hafanana, dia nanao famantarana sy fahagagana, nanasitrana ny olona dia lazainy fa demonia, mpandainga , mpamitaka, ary amin‟ny teny frantsay aza moa dia lazainy fa hoe “magie” no nataon‟i Jesosy Kristy. Nefa ry zareo milaza fa mino an‟Andriamanitra mahay ny baiboly, mahay ny lalàna amin„ny maha mpanora-dalàna sy Fariseo azy dia tsy mahavita izany zavatra izany, dia manjary feno avonavona sy fialonana ao anatiny.

Dia toy izany koa rehefa tonga ny apostoly, rehefa nandray ny Fanahy Masina izy ireo, dia nitory ny tenin‟Andriamanitra tamin‟ny fahasahina izy ireo, sady tsy vitan‟izany ihany, fa mbola nanao fahagagana maro sy fanasitranana maro ihany koa izy ireo. Dia mbola famantarana sy fahagagana ihany koa izany rehetra izany. Dia amin‟izao fotoana izao ihany koa ny mponina ao Laodikia, izay tsy manao izany famantarana sy fanasitranana izany mihitsy, fa rehefa misy marary dia lasa mankany amin‟ny dokotera, rehefa misy olona hipetrahan‟ny devoly dia entina mankany amin‟ny hopitalin‟ny adala, na any Anjanamasina na any amin‟ny 18 ary dia hiakatra 19 ihany koa angamba, satria tsy voa tamin‟ny fanafody ilay devoly. Dia lazaina fa mpaminany sandoka, mpanao magie, mpamitaka, hipetrahan‟ny demonia ireo sy hamoronana lainga maro isan-karazany indray izay mahavita izany. Ka izay izany no asan‟ny Fanahy Masina, ary dia izany no mahatonga ilay maripanan‟ilay fiangonana tsy hiakatra mihitsy fa manodidina ny matimaty hatrany ho 50%.

Dia resahina fotsiny izany ny Fanahy Masina ao ampiangonana, fa raha apetraka ny fanontaniana izay efa napetraky ny apostoly Paoly tamin‟izany hoe “efa renareo ve ny Fanahy Masina?” Dia tsy hisy mahavaly akory ny olona hoe: efa renay ny Fanahy Masina, satria raha mijery ny tenany izy dia hiteny hoe : an! An! An! tsy mba ny Fanahy Masina mihitsy no ato anatiko, ary tsy mba manana an‟izany aho, fa izy dia miseho mahay baiboly, ary dia mihevitra ny tenany ho manan-karena, nefa kanjo tsy fantany fa izy ilay ory sy mahantra noho ny tsy fisihan‟ny hafanana ao amin‟ny fiangonana. Dia aoka samy hitalao amin‟Andriamanitra tokoa isika ka mba homeny anao tokoa izany hafanana izany, ary dia hiala amin‟ny izany toerana matimaty izany isika.

 

LAODIKIA SY NY HAFANANA ANTONONY ARY NY ODI-MASO

Ny tena antony mahatonga ity fiangonana Laodikia ity ho matimaty dia ny tsy fitarihan‟ny Fanahy azy fa miantehatra amin‟ny fahaizana sy ny fahalalana, fa tsy nandeha araka ny Fanahy. Izany hoe ny fandehanan‟ny olona araka ny fahalalana dia nisian‟ny fitomboana teo amin‟ny fiangonana, fa noho ny Fanahy izay tsy tao anatiny, dia tsy nety nafana mihitsy ity fiangonana ity, nefa izy tsy nety nangatsiaka mihitsy noho ilay fahalalana ny Soratra Masina tao aminy.

Dia nisy boky iray izay nosoratan‟ilay mpaminany vavy Adventista iray ity dia i Ellen G White izay mitondra ny lohateny hoe: “HERY MIFANANDRINA”, pejy 844 paragraphe 3 – 4. Dia misy vakiteny toy izao ao: “tamin‟ny taona 1844, no nidiran‟i Jesosy Kristy tao amin‟ny fitoerana masina indrindra. Tsy mbola niditra tamin‟ny voninahiny izy talohan‟io fotoana io, fa taorian‟io 1844 io izy vao niditra tao amin‟ny voninahiny i Jesosy Kristy ary io izany no atao hoe andro fitsarana”. Ka raha araka io fanoratan‟i Helen White io izany dia midika fa ny fotoana nidirany tamin‟ny fitoerana masina indrindra no nidirany tamin‟ny voninahiny.

Ka raha ny voalaza tao amin‟ity boky ity izany dia hoe: talohan‟ny 1844 io dia mbola tsy niditra tao amin‟ny voninahiny i Jesosy Kristy, fa taorian‟io fotoana io hoy izy vao niditra tao amin‟ny voninahiny izy. Noho izay antony izay izany no mahatonga ilay foto-pampianarana manao hoe, tamin‟ny 1844 no mankaty no vao nirotsaka ny ranonorana voalohany, izany hoe: izay izany i Jesosy Kristy vao tonga ao amin‟ny voninahiny. Ny lesona hitantsika teo aloha anefa dia manambara fa hoe rehefa tonga eo amin‟ny voninahiny i Jesosy Kristy, no mirotsaka ny Fanahy Masina na ranonorana voalohany. Ka raha jerena ny fandehan‟ny tantara dia tamin‟ny andro Pentekosta no nirotsaka ny ranonorana voalohany, na ny Fanahy Masina.

Dia mazava tsara izany, fa io firotsahany Fanahy Masina voalohany io izany, dia tonga tao amin‟ny voninahiny i Jesosy Kristy, ary dia niditra tao amin‟ny fitoerana masina indrindra Izy ary tamin‟ny andro Pentekosta izany, (50 andro taorian‟ny Paska izany). Tafiditra tao amin‟ny voninahiny izany i Jesosy Kristy tamin‟io andro pentekosta io. Dia taiza foana ary izany i Jesosy Kristy raha toa ka tany ami‟ny 1844 vao nirotsaka ny ranonorana voalohany io? Ny lesona hitantsika teo aloha anefa dia manambara fa hoe rehefa tonga eo amin‟ny voninahiny i Jesosy Kristy, no mirotsaka ny Fanahy Masina na ranonorana voalohany. Ka raha jerena ny fandehan‟ny tantara dia tamin‟ny andro Pentekosta no nirotsaka ny ranonorana voalohany, na ny Fanahy Masina. Dia mazava tsara izany, fa io firotsahany Fanahy Masina voalohany io izany, dia tonga tao amin‟ny voninahiny i Jesosy Kristy, ary dia niditra tao amin‟ny fitoerana masina indrindra Izy ary tamin‟ny andro Pentekosta izany, (50 andro taorian‟ny Paska izany). Tafiditra tao amin‟ny voninahiny izany i Jesosy Kristy tamin‟io andro pentekosta io. Dia taiza foana ary izany i Jesosy Kristy raha toa ka tany ami‟ny 1844 vao nirotsaka ny ranonorana voalohany io?

Fa ny firotsahan‟ny ranonorana farany indray kosa dia nanomboka taty amin‟ny fanavaozana ara-mpivavahana izany no nanomboka nirotsaka io ranonorana farany io. Izay no nahatonga ny fiangonana nanomboka taty amin‟ny fanavaozana ara-pivavahana no nanomboka nipoitra tsikelikely ilay fahamarinana, nanomboka tamin‟dry Luther. Ka io dia vokatry ny Fanahy Masina: Jaona 14:26 « fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » ny fanahy masina izay mpananatra no nirahin‟Andriamanitra tamin‟ny anaran‟i Jesosy Kristy no hampianatra sy hampahatsiahy ny olona rehetra.

Jaona 16:12-13 «12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13 Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. » Rehefa tonga izany io Fanahy Masina io, dia io no hitari-dalana antsika ho any amin‟ny marina rehetra. Ka dia nihamatimaty tsikelikely ilay fahamarinana ara-tsoratra masina, izay efa nihamatimaty teo aloha hatrany amin‟ny fiangonana Sardisy, dia niha-nipoitra tsikelikely ilay fanavaozana ara-pivavahana nisy, (dia ny réforme izany, izay nipoitra taty amin‟ny fiangonana Filadelfia na sekta dia nipoitra hatraty amin‟ny fiangonana Laodikia).

 

Ka ny Fanahy Masina izany no nanalonaka ilay fanavaozana ara-pivavahana izay nisy teo amin‟ny fiangonana. Ny olana anefa izany, ka nahatonga ilay fiangonana Laodikia tsy nety mafana, dia satria ny fiangonana Laodikia dia mihevitra fa ilay tamin‟ny 1844 no nirotsaka ny ranonorana voalohany na ny firotsahan‟ny fanahy masina voalohany, ary ny ranonorana farany dia handrasany amin‟ny andro farany, izany hoe amin‟ny andro hivoahan‟ny fanenjehana, izany hoe: rehefa mivoaka araka ny fotom-pampianarany fiangonana Adventiste, fa rehefa mivoaka ny fivavahana momba ny alahady izay fanenjehana ny olona mivavaka sabata, dia amin‟io fotoana io vao mirotsaka ny ranonorana farany, dia hisy fahagagana, hisy fanasitranana, hisy famantarana ho hataon‟ny vahoakan‟Andriamanitra amin‟izay fotoana izay. Izany hoe mbola miandry izay fanenjehana izay izany ry zareo vao hiseho izany.

Dia mazava ho azy tokoa izany fa hatramin‟ilay 1844 no mankaty izany ilay fiangonana sy ilay hafanana tsy mihamiakatra fa mijanona amin‟ny hafanana matimaty hatrany. Ohatra izany ianao mividy fiara vaovao, ka raha miakatra ny hafanana na ny mari-panan‟iny fiara iny dia tsy mihetsika eo amin‟ny afovoany eo mihitsy ilay tabilao fanondroana hafanana iny, tsy miakatra any amin‟ny mafana be izany iny na any amin‟ny mangatsiaka be ihany koa, ary na mandeha adiny firy na adin‟ny firy dia eo afovoany eo foana iny no mipetraka. Na mandeha mafy be sahala amin‟ny inona aza iny dia izay ihany, na mandeha moramora dia eo afovoany eo ihany na miakatra na midina dia tsy mihetsika eo afovoany eo ihany ny fanondroana ny temperature.

Vokatr‟izay fampianarana ny olona mbola hiandry ny ranonorana faharoa izay, dia lasa mbola miandry ny fanahy masina hatrany ny vahoaka, ka izay no mahatonga iny fampianarana hoe tsy maintsy hivoahana io toetra matimaty io. Ka na iza na iza no fiangonana no manana io toe-tsaina matimaty io, dia toe-tsaina Laodikia io ihany izany. Fetsy ny devoly satria tsy maninona ianao raha mahafantatra ny fahamarinana sy ny soratra masina fa tsy avelany hanana hetaheta ny tena fahamarinana sy ny tena hahazo hafanana izany ianao, fa apetrany eo amin‟ny mari-pana antonony na hafanana antonony hatrany ianao. Ka tsy maintsy ialana izany io toetra matimaty hananan‟ny fiangonana Laodikia io izany, ary dia tsy maintsy misy olona tafavoaka ao anatin‟io toetra matimaty io, fa misy kosa olona izay tsy ho tafavoaka ao anatin‟io toetra matimaty io mihitsy.

Karazan’olona ohatra ny ahoana moa izany no tsy ho tafavoaka ao anatin’io toetra antonony io mihitsy?

Dia mazava ho azy izany fa raha vakiana ny soratra masina ka hiverenatsika ilay boky apokalypsy dia ireto ilay olona tsy ho tafavoaka ao amin‟izay toetra antonony izany mihitsy dia: – ireo olona mihevitra ny tenany fa manan-karena be sy tsy manan-java-mahory, sy efa nihary fananana be. Izany hoe ireo olona manana avonavom-panahy, tsy mety miova, kanefa hoy ny baiboly hoe fantaro ny zavatra rehetra ka tazony mafy izay tsara; – izay olona manana fiheveran-tena fa efa ampy ny fahalalana soratra masina ao aminy ka tsy mila mijangajanga ara-panahy sy mandeha mianatra atsy sy ary, ireo olona tsy afaka manetry tena, fa efa manan-karena.

Ka olona manan-karena iza moa no andeha hidina ary ambany ary; ireo olona mihevi-tena fa tsy mananjava-mahory, satria ampy izy amin‟ny lafiny ara-nofo, sy ny ara-panahy, ary izany resaka voninahitra sy fitafiana izany dia samy efa hananany izany. – Fa mbola misy ihany koa ny olona tsy ho tafavoaka ato anatin‟ity famatimatesana ity.Hoy ihany koa i Jesosy Kristy hoe Apokalypsy 3:18 « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. »

ka ireo olona tsy mety mividy aminy volamena, sy fitafiana sy odi-maso io ihany koa izany dia tsy ho tafavoaka mihitsy amin‟ny fahamatimatesana. Ka izy koa efa tsy hividy izany intsony satria efa manan-karena izy ka hataony inona intsony moa izany volamena voasedra izany, fa efa manana izy? – Ny antony manaraka ihany koa satria isika tsy hivoaka ny soratra masina mihitsy fa izay voalaza ato ihany no horesahintsika dia hoy i Jesosy Kristy: Apokalypsy 3:19 « Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. » Izany hoe ireo olona ireo izany, satria izy efa manana ny ampy sy mihevi-tena fa ambony sy mihevi-tena fa manan-karena amin‟ny tenin‟Andriamanitra, dia tsy hahatsiaro tena mihitsy izy hoe io avonavom-panahy ananany io, dia mahatonga azy, ho any amin‟ny fahaverezana ka dia mila fibebahana izy hialany amin‟io toerana misy azy io. Kanefa izy tsy mahatsiaro tena hoe miavonavona, izy tsy mahatsiaro tena hoe manota, izy tsy mahatsiaro tena hoe mahantra na hoe diso, fa izy mihevi-tena ho marina ka inona moa no hibebahany eo. Fa ny olona mahatsiaro tena ho miavonavona, sy nanota sy diso no mibebaka.

Dia ny farany Apokalypsy 3:20 « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » dia tsy mamoha varavarana ireo, ka dia tsy ho tafavoaka ao amin‟io toerana matimaty io ka ho halohan‟ny vavan‟i Jesosy Kristy. Ka andeha ary ho jerentsika io fanafody raha araka ny torohevitra nomen‟i Jesosy Kristy : Apokalypsy 3:18 « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. »

– Inona moa ity volamena voadio asain‟i Jesosy Kristy ho vidiana ity?

– Inona no dikan‟ity fitafiana fotsy asainy vidiana ity?

– Nahoana no hividy odi-maso haositra ny maso?

-Inona moa ity hoe mividy volamena voadio asain‟i Jesosy Kristy ho vidiana ity?

 

Inona no sary hasehon’ity volamena ity?

1 Petera 1:7 « mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy ; » Hoy i Jesosy Kristy hoe manoro hevitra anao aho hividy volamena voadio tamin‟ny afo. Izany hoe ilay finoana izany no takiana ho vidian‟ny mponina Laodikia izay manana toe-tsaina sy toem-panahy matimaty. Ka io volamena io izany dia tsy inona fa finoana, finoana voazaha toetra tamin‟ny afo ka tsara lavitra noho ny volamena. Ka dia be dia be tokoa ny olona mampifangaro ny finoana sy ny fahalalana.

Ny fahalalana dia izao

Ianao mahalala fa misy teny ao ami‟ny baiboly manao hoe ny dian-kapoka tamin‟ny Jesosy Kristy no fanasitranana ny aretina rehetra, ianao ihany koa mahalala fa Jesosy manasitrana. Ianao mahalala fa i Jesosy Kristy nanome fahefana androahana devoly, ianao mahalala fa ny soratra masina milaza fa hoe toero ny devoly dia hanalavitra anareo izy. Fa izao, ianao tsy mino rehefa marary fa mahasitrana anao Jesosy Kristy fa lasa ianao mankany amin‟ny dokotera mitady fanafody rehefa marary, dia lasa fahalalana fotsiny izany ilay voalaza ao ami‟ny baiboly, satria fantatrao tsara fa ny dia-kapoka nihatra tamin‟i Jesosy Kristy no fanasitranana. I Jesosy Kristy manasitrana.

Efa nomen‟i Jesosy Kristy antsika ny fahefana handroahana ny devoly fa tsy mino ianao hoe azo hiainan‟ny mponina ao Laodikia izany. Dia manjary mijanona ho fahalalana fotsiny ihany izany ilay izy, fa tsy mino ny mponina ao Laodikia hoe azo ampiharina ao aminy izany fanasitranan‟i Jesosy Kristy izany. Ka izay fiangonana rehetra manana toetra antonony sy ny mponina ao Laodikia ka manana izay toetra matimaty izany dia samy tratran‟izany tsy finoana izany avokoa. Ny dikan‟izany dia izao ilay olona milaza fa mino an‟i Jesosy Kristy rehefa tsy nividy volamena izy, dia tsy maintsy mihazakazaka manantona dokotera izy, na fanafody gasy io na vazaha, na tanimanga io na tany ravo raha vao marary. Ka raha misy olona hidiran‟ny devoly dia misy milaza fa tsy ampy calcium, io no mampihinjitsindritra azy io, ka raha mbola mitohy izany dia misy milaza fa voan‟ny androbe, dia raha mbola mitohy ihany izany dia mbola aterina any amin‟ny 18 indray, ary ny farany aza dia hiakatra ho 19 ny naotiny ary dia mbola hiakatra 20 indray izany vao hiteny hoe avoahay tao indray aloha hoentina ambavaka e! Ka antonony izay satria rehefa tsy ao ilay fanahy masina, dia tsy hisy finoana hananan‟ilay olona mihitsy ao.

Ny finoana

Ka ity volamena vidiana ity izany dia finoana izany no faritan‟izy ity. Andeha isika hijery soratra masina vitsivitsy mahakasika izany finoana izany: Marka 16:16-18 «16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] 18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny] »

Izay no famantarana manaraka izay mino. Ka izay mino sy natao batisa izany dia misy famantarana manaraka izay mino sy vita batisa. Tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy izao dia niseho sy voamarina ireo. Rehefa avy vita batisa i Jesosy Kristy dia nanomboka ny asany: namoaka devoly izy; nanasitrana ny marary izy, nanome hanina ny tsy manan-ko hanina izy, dia famantarana maro no nataony, eny fa na dia ny maty aza natsangany.

Fa inona no zavatra nitranga? Nisy mpitondra fivavahana (mpivavaka sabata ihany koa tamin‟izany) izay tsy nino an‟izany dia inona no nataon‟reo olona ireo? Ny niampanga an‟i Jesosy Kristy, izay lazainy fa mpamitaka, ary lazainy fa fanahin‟ny demonia no tao anatiny no nataon-dry zareo ireo. Dia lasalasa saina ihany izany i Jesosy Kristy tamin‟izany andro izany, satria ireto mpivavaka nanenjika an‟i Jesosy Kristy ireto dia mpivavaka: mivavaka sy manaja sabata, tsy mihinana kisoa, tsy mihinana” crabe”, sy “langouste”, tsy mihinana” chauve sourit” na “ramanavy” na fanihy, tsy mihinana gadradraka, kanefa tsy nahavita nanasitrana ny marary, tsy nahavita nandroaka ny devoly, kanefa dia i Jesosy Kristy izay nandroaka ny devoly indray, no nompaompain‟ndry zareo. Dia karazany ahoana moa ny ompa nataony izany? Fanahin‟ny demonia hoy izy no hamoahan‟io ny devoly fa ianareo aza dia manaiky fitahin‟ny olona sahala amin‟io, tsy marina ny zavatra ataon‟io:

ohatra iray Matio 9:32-34 «32 Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ny olona tany amin’i Jesosy. 33 Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ny Isiraely. 34 Fa ny Fariseo kosa nanao hoe: Ny lohan’ny demonia no amoahany ny demonia. » Ireto Fariseo ireto izany dia ilay mivavaka sabata sy tsy mihinan-kisoa, kanefa tsy nahavita namoaka demonia, ka ny nataony dia ny nanompa an‟i Jesosy Kristy satria tsy mba nividy volamena ireo.

Dia jereo ihany koa izany fa ny mponina ao Laodikia, rehefa marary, dia alefa any ami‟ny hopitaly, na mividy fanafody, hany ka rehefa marary ny mponina ao Laodikia dia lany vola any amin‟ny hopitaly sy mividy fanafody, ny mpitondra ao Laodikia anefa dia sady tsy mivavaka ho anao, nno tsy manampy amin‟ny fividianana fanafody, ka rehefa tsy manana vola ividianana fanafody dia fahafatesana no miandry satria tsy nividy ilay volamena voasedra, fa nividy fanafody. Ka raha ohatra izany ka mba nanam-bola nividiana fanafody dia milaza indray hoe nivaly ny vavaka fa tena sitrana aho tany amin‟ny hopitaly satria dia nanana vola be nitsaboana tena, fa tsy hoe sitrana aho deraina ny tompo satria ny dia-kapoka tamin‟i Jesosy Kristy no nahasitrana ahy tsy nisy fanafody, tsy nandoavam-bola.

 

Ka izay izany no mahatonga ireto mponina any Laodikia ireto ho mahantra fa tsy nividy volamena. Ka mazava tsara izany fa hoe : Marka 16:16-18 «16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] 18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; ametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny] »

Ka raha mino izany ianao dia ho vonjena maimaim-poana amin‟ny aretina, sy amin‟ny fatoran‟ny devoly, ny amin‟ny tsy fahampiana sy ny fahantrana. Fa maninona moa izany no tsy mety mino sy tsy mety arahina fahagagana ny mponina ao Laodikia?

Efesiana 1:13-14 «13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ny tenany, ho fiderana ny voninahiny. »

Jereo tsara fa hoe ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. Ka izay mino sy atao batisa no hovonjena, ary izay natao batisa dia hanaraka azy ireo famantarana ireo. Ka ianao izay mponina ao Laodikia izany, ka mamaky ity boky ity, dia lazao ahy ary raha efa mba nividy volamena ianao? Moa ve ka narary ianao ka tsy nanantona dokotera?

Aiza no hiazakazahanao raha marary ianao? Any amin‟ny dokotera ve sa amin‟ny finoana? Tsy mivelona amin‟izany volamena izany ny mponina any Laodikia, satria raha marary izy dia mba hametrahan-tanana ihany fa ny fanampiny dia hoe: mankanesa ihany any amin‟y dokotera. Ka tsy aleo ihany tsy mametra-tànana fa dia avy dia entina any amin‟ny dokotera? Sa ve hoe: an an an! Dia sady mba hametrahan-tanana ihany no entina any amin‟ny dokotera kosa e! Fa ny tena olona nividy volamena dia tsy misy mividy fanafody izany eo!

Nividy fitafiana fotsy

Rehefa avy nividy volamena izany ianao dia tsy maintsy mividy fitafiana fotsy satria ny fitafina tao Laodikia dia volonondry mainty no hamidiny, izany hoe nisy loko mainty maizimaizina izany tao izay midika fa misaona, sy fahafatesana ara-panahy ihany koa. Dia tsy maintsy vidiana izany ilay fitafiana fotsy midika hoe fahamarinana, fahadiovana, fandresena. Ka ialana izany ilay avonavona, sy ny hambom-po, sy ny fiheveran-tena ho zavatra sy ambony noho ny sasany.

Ka inona ary ity fitafiana fotsy izay ho vidiana ity indray?

Galatiana 3:27 « Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. » Izany hoe io fitafiana vidiana io izany dia ao amin‟ny batisa no handraisana azy. Ka ny fanontaniana tsy maintsy hapetraka dia izao: iza ary io Jesosy Kristy hatafy anao io?

Ny valiny: Romana 6:3-4 «3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. »

Izay mino sy hatao batisa no ho vonjena. Izany hoe ilay fitafiana noraisiana tamin‟ny batisa izany dia tsy maintsy mino ilay olona fa miara-maty tamin„i Jesosy Kristy tamin‟ny batisa. Andro inona no nahafatesan‟i Jesosy Kristy satria io Jesosy Kristy io no hinonanao fa niara-maty taminao tamin‟ny batisa. Dia hoe koa niara-nilevina tamin‟i Jesosy Kristy tamin‟ny batisa, firy andro sy firy alina izy no nilevina tao ampasana tao satria io no hinoanao sy handraisanao ny fitafiana; hiara-mitsangana amin‟i Jesosy Kristy amin‟ny fiainam-baovao, andro inona no nitsanganan‟ilay Jesosy Kristy hinoanao sy miara-mitsangana aminao, satria io Jesosy Kristy io no hinonao.

Fa raha sanatria ka Jesosy Kristy maty tsy araka ny soratra masina, nilevina tsy araka ny soratra masina, ary nitsangana tsy araka ny soratra masina no hanaovana batisa anao dia manao fitafiana hafa ianao izany. Sahala amin‟i Adama sy EVA, fa izy ireo rehefa nanota (nihinana voankazo voarara) dia niala ilay fitafina nanaovany dia nitanjaka izy, ary dia nanjary nitady fitafiana izy mivady mba hanaronany ny fitanjahany ka dia naka ravin‟aviavy izy ireo mba hanaovany. Dia zipo ravin‟aviavy na pataloha na “short” ravin‟aviavy, no nanaovany. Fa rehefa tonga Andriamanitra, ka nahita azy mivady, dia nanao hoe: inona ity ataonareo ity, maninona ianareo no manao toy izao, dia nilaza izy mivady hoe nihinana ilay hazo voarara izahay ka mahatsiaro mitanjaka.

 

Dia inona no nataon’Andriamanitra?

Nosoloiny ilay ravin‟aviavy, tsy izy io fitafiana namboarin‟olombelona io, fa nomeny fitafiana hodi-biby ilay izy. Ka io fitafiana hodi-biby izay nomen‟i Jehovah azy mivady io dia midika fa hoe nisy biby novonoina aloha tao, nisy biby nalatsa-drà tao mba hahazoana ny hodiny. Ny dikan‟izany dia nisy fanasana ny fahotana tamin‟ny rà izany tao, izay mbola horesahintsika betsaka any aoriana. Nisy famelan-keloka tao, satria tsy misy famelan-keloka raha tsy misy rà latsaka. Dia tahaka izany koa izay isika, asaina mividy fitafiana isika ary dia indraindray koa dia mividy fitafiana tsy izy: Genesisy 3: 7 – 19, fa ny andininy faha 11 no tena milaza an‟izany.

Dia mazava izany fa misy koa fitafiana tsy izy izay efa nolazain‟i Jesosy Kristy tamin‟izany: Matio 22:11-14 «11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady. 12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Dia sina izy. 13 Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tànany, dia ario any amin’ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 14 Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina. »

Ity lehilahy ity izany dia sakaizan‟i Jesosy Kristy manao fitafiana ihany nefa dia fitafiana tsy izy no hanaovany. Aiza anefa no handraisana io fitafian‟i Jesosy Kristy io? Ao amin‟ny batisan‟i Jesosy Kristy irery ihany no handraisana izany fitafiana izany. Ka raha mino ianao fa tena mandray izany fitafiana tena izy izany tamin‟ny batisa, dia tokony ho hamarininao tsara aloha fa:

– Niara-maty taminy tamin‟ny batisa tokoa ianao, oviana izy no maty?

– Niara-nalevina taminy tamin‟ny batisa, nilevina firy andro sy firy alina tokoa izy?

– Ary miara-mitsangana aminy tamin‟ny batisa, nitsangana tamin‟ny andro faha firy tokoa izy? Tsy maintsy mino an‟izay ianao, fa maty izy araka ny soratra masina, nilevina izy araka ny soratra masina, ary nitsangana izy araka ny soratra masina.

Ka raha diso izay ka andro hafa no lazainao fa nahafatesan‟ilay Jesosy hinoanao, dia ho fitafiana hafa izany no tsy maintsy hanaovanao, ka dia ho diso ny fitafianao. Ka noho izany dia efa manoro hevitra i Jesosy Kristy ho an‟ny mponina ao Laodikia, hoe mividiana fitafiana fotsy ry mponina ao Laodikia fa tsy izy io fitafiana anaovanao io. Ny torohevitra faha telo dia ny hoe Mividiana odi-maso haositra ny masonao

Fa maninona indray ny mponina ao Laodikia no asaina mividy fanafody maso?

Satria jamba izy, nefa izy dia mihevitra ny tenany hoe mahiratra. Dia io moa ilay efa notenenin‟i Jehovah tamin‟i Isaia hoe ataovy jamba ny mason‟ity firenena ity mba tsy hahita izy, ataovy jamba mandrakariva izy: Isaia 6:9-10 «9 Ary hoy Izy: Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahalala; Ary mijere mandrakariva ihany ianareo, nefa aza mahafantatra. 10 Ataovy adala ny fon’ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka ho sitrana. »

Miseho ho mahiratra izany ny mponina ao Laodikia nefa izy dia jamba. Dia sahala amin‟izany ihany koa ny tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy, miseho ho azy ho mahiratra ireo Fariseo sy mpanora-dalana ireo kanjo jamba : Raha nanasitrana ilay lehilahy teraka jamba i Jesosy Kristy dia izao no voasoratra Jaona 9:24-25 «24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany. 25 Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao. »

Izay izany no nolazain‟ilay olona jamba tonga nahiratra ity hoe tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao. Fa ilay mpanora-dalana sy Fariseo kosa ilay mivavaka sabata, ilay tsy mihinan-kisoa, ilay mpanaja lalàna, dia nilaza fa hoe mpanota izany lehilahy izany. Fa ilay lehilahy teraka jamba kosa dia niteny hoe tsy haiko aloha na mpanota na tsy mpanota izy, fa ny ahy dia izao, ianareo miseho ho azy manaja ny sabata io, tsy mihinana hena-kisoa sy mitandrina ny biby fihinana io, tsy nahasitrana ny masoko jamba hatrizay, fa ankehitriny io olona lazainareo fa mpanota io no nampahiratra ny masoko,

Dia ankehitriny koa dia be dia be ireo olona jamba ara-panahy, mivezivezy eny rehetra eny ary dia ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ireo tsy nahavita nampahiratra ny masony, fa ireo izay nahavita nampahiratra ny masony indray, ka nahitany ny fahazavan‟ny soratra masina indray no lazaina fa demoniaka mpamitaka, mpaminany sandoka. Dia ny niafarany dia nanjary niady hevitra ry zareo Jaona 9:39-41 «39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. 40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba? 41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo. »

Izao hoy i Jesosy Kristy no nahatongavako tamin‟izao tontolo izao: dia ny ho fitsarana izao tontolo izao, hampahiratra ny tsy mahiratra, ary ho tonga jamba kosa ireo miseho ho azy mahiratra. Dia hoy ireto mpanora-dalàna sy Fariseo ireto: izahay koa ve izany dia mba jamba koa ve izany izahay aminao? Dia hoy i Jesosy Kristy hoe: raha jamba ianareo dia afaka ny helokareo, fa raha ohatra kosa hoy ianareo hoe mahiratra izahay, dia tsy ho afaka ny helokareo. Ka io moa izany ilay fiheveran-tena hoe manan-karena dia tsy mety mividy volamena ka rehefa tsy mety mividy izy dia inona moa no azo ato?

 

Inona moa ilay volamena nasaina novidiana?

Dia tsy inona fa io ilay finoana noresahina teo, io ilay fanahy masina noresahina teo aloha, io ilay fitafina izay nasaina notafianao, satria hiara-maty amin‟i Jesosy Kristy amin‟ny fanaovana batisa ianao ka dia ho fantatrao hoe inona ny andro nahafatesany, firy andro izy no nilevina tao ampasana, ary nitsangana tamin‟ny andro faha firy izy izany?

Koa satria izy milaza azy ho mahiratra sy manan-karena dia tsy mety mino an‟izany izy, dia manjary tsy voavela ny helony, satria tsy mety mino, satria ny batisa famelan-keloka ho fanasana ny fahotana, dia mazava ho azy fa dia hitoetra ao amin‟ny fahajambana ao ihany izy izany, fa hoy i Jesosy Kristy hoe ny hampahiratra ny jamba no hahatongavako, ary hahajamba ny efa mahiratra kosa. Izany hoe ny olona mbola tsy mahalala ny soratra masina dia hahalala fa hoe tsy maintsy mividy volamena aho izany amin‟ny finoana, ka hiara-maty amin‟ny Jesosy Kristy araka ny soratra masina aho izany, miara-milevina amin‟i Jesosy Kristy araka ny soratra masina aho izany, ary hiara-mitsangana amin‟i Jesosy Kristy araka ny soratra masina aho izany, voasasa ny helony dia voavonjy izy. Fa ho an‟ireo izay miziriziry kosa sy tsy te hivoaka tao dia milaza hoe izahay indray dia tsy azonao frappé-na amin‟izany, izahay indray dia manana ny finoanay, olona adala sy vendrana no azonao hozongozonina amin‟izany. Izahay mahalala ny zavatra hinoanay, izahay tsy hiala amin‟izany fa io ihany no fiangonan-drazanay.

Ka ny olona jamba moa raha mandre an‟izany dia mahiratra ny masony dia manokatra ny fony izy, fa ny olona milaza ny tenany ho efa mahiratra kosa raha mandre an‟izany dia manidy ny fony izy, ka dia tsy mividy odi-maso. Ka hoy i Jesosy Kristy Apokalypsy 3:19-20 «19 Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. »

Efa mandodona eo ambaravaran‟ny fonao i Jesosy Kristy ary dia miandry anao hanokatra ny fonao izy. Izay maharesy no hipetraka eo amin‟ny seza fiandrianan‟ Andriamanitra. Mila manana masom-panahy izany ny mponina ao Laodikia fa tsy maso roa fotsiny ihany. Ka raha vao mividy odi-maso izany tokoa isika, dia hahita ilay toerana misy antsika hoe matimaty, ka hitady izay fomba rehetra hivoahana tao, satria ho haloan‟ny vavan‟i Jesosy Kristy tokoa izay rehetra mijanona ao, ary dia tsy maintsy hiaritra izay levilevy sy fitenenana ataon‟i Jesosy Kristy izay. Ny fahendrena dia mitady izay fivoahana ao amin‟izany fitoerana matimaty izany mba tsy ho alohan‟ny vavan‟i Jesosy Kristy?

Ary rehefa mahatsapa, ihany koa fa manan-karena nefa mahantra sy jamba sy malahelo, dia mitady ihany koa izay fomba rehetra hivoahana amin‟izany, satria ny masom-panahin‟i Jesosy Kristy dia nahita antsika ihany koa, fa tokony hividy volamena ianao dia ny finoana ary tokony hividy fitafiana fotsy fa tsy izy ity fitafiana volon‟ondry mainty ity. Ka ny volamena dia ny finoana, ny fitafina dia ny batisa ilay tena izy, ary ny odi-maso dia ilay masom-panahy mahita fa ao anatin‟ny toerana tsy izy, ilay mahantra sy antonony isika; ka raha vao mahita ny masotsika dia mihezaka ny miala ao anatin‟izany toerana matimaty izany isika. Fa ny fijerin‟Andriamanitra dia tsy mba tahaka ny fijerintsika: 1 Samoela 16:7 « Fa hoy Jehovah tamin’i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. »

Ka raha vao mijery ivelany izany ianao dia mazava ho azy, fa dia tonga ho azy ny fitsarana ivelany: io koa ve dia mba inona, inona no mba mari-pahaizany , inona no fahaizan‟io, sns… Ry anona ireny no tena izy, jereo ny tsanganany, jereo nymari-pahaizany, jereo ny fahaizany, taiza ny toerana tsy nandehanany, fa inona koa izay io tsinontsinona io!. Dia tahaka izany koa ny nanaovan‟ny olona an‟i Jesosy Kristy, tsy ilay zanaka mpandrafitra ve ity?, taiza ihany koa no mba nianaran‟ilety?, tsy mpanarato koa ve ireto ka taiza no nianaran‟ireto?, toa tsy nandia sekoly akory ireto? Ka izay no fomba fijery ivelan‟ny olona, fa Andriamanitra kosa tsy mba izany no fomba fijeriny, fa ny ao anatin‟ny fo no jereny. Ka rehefa mividy io odi-maso io izany ianao dia mahita ny ao anatin‟ny fo ny tsiariray avy ao.

Dia tahaka izany ny fomba fijerin‟i Jesosy Kristy tamin‟ny fotoana niasany tety ambonin‟ny tany: Matio 6:22-23 «22 Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben’izany fahamaizinana izany! »

Raha ohatra izany mbola tsy nividy odi-maso dia maizina foana ny fomba fijeriny. Ka raha mijery anao izy izany dia izay ratsy hatrany no tsy maintsy hitany, satria mbola takona hatrany ilay fahazavana. Ka raha miresaka anao izany izy dia tsy maintsy izao hatrany no hitany hoe: inona koa izay iny?, fantatro anie ny fiainanan‟iny e!, izao iny, izao iny. Ny anton‟izay fomba fijery izay izany dia ilay izy mbola tsy nividy odi-maso, dia izay fahamaizinana izay hatrany no ,iainany sy hivoaka avy ao ampony. Tahaka an‟izany izao raha tafaresaka tamin‟i Jesosy Kristy i Petera, tamin‟ilay Jesosy Kristy niteny hoe ny zanak‟olona tsy maintsy hovonoina ka hitsangana amin‟ny maty amin‟ny andro fahatelo. Ny valitenin‟i Petera namaly an‟i Jesosy Kristy dia nilaza hoe: sanatria aminao raha ho avy aminao izany, dia tena tezitra i Jesosy Kristy raha nijery an‟i Petera, satria fantatry Jesosy Kristy fa tsy i Petera no io miteny io fa ilay devoly ao anatiny ao no mampiteny an‟i Petera tamin‟izany : Matio 16:21-23 «21 Hatramin’izany no vao natoron’i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo. 22 Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany! 23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona. »

Ireto mpianatr‟i Jesosy ireto izany dia mpivavaka Jiosy miaraka aminy isan‟andro, mivavaka sabotsy sy tsy mihinana kisoa sy ny biby maloto hafa. Jereo ilay mason‟i Jesosy Kristy izay mijery azy: izy tsy nanao hoe mankanesa ato ivohoko ianao ry Petera, fa hoy izy hoe mankanesa ato ivohoko ianao ry satana. Fa amin‟ny maha olon-tsotra an‟i Petera dia miheritreritra izy hoe: tsy marina kosa rangahy raha i Jesosy Kristy izay nanao famantarana maro sy fahagagana betsaka io ve, dia ho azon‟ny olona ho vonoina, sy ny hoe tsy possible kosa izany fa dia ireo loholona sy mpisorona be, samy mivavaka sabata, samy tsy mihinan-kisoa sy biby maloto hafa ireo ve dia hahavita hamono an‟i Jesosy Kristy, ary tsy azo ekena ihany koa moa raha izany no misy e! Ary amin‟ny maha-olombelona azy moa izany dia toa vonona ny hiaro an‟i Jesosy Kristy izy. Fa ny amin‟ity nampiteny an‟i Petera ity kosa dia ny masom-panahin‟i Jesosy Kristy no nahita satria i Jesosy Kristy dia efa nividy io odi-maso io, dia nahita fa i satana no tsy nanaiky ny hahafatesan‟i Jesosy Kristy satria raha vao tsy maty i Jesosy Kristy dia maty izao tontolo izao, matin‟ny aretina, sy ny fijaliana, matin‟ny fahoriana, matin‟ny problèmes satria i Jesosy Kristy ho faty io no hitondra ny fijalianao, ny aretinao, ny fahorianao, ny problèmes nao, ka izay miara-maty amin‟i Jesosy Kristy dia ho voalevina miaraka amin‟izay ihany koa ireo fahoriana, sy ny aretina sy ny fahalotoana, sy ny problèmes nao rehetra.

 

Fa rehefa miara-mitsangana aminy kosa dia efa tonga olom-baovao. Ka dia aleon‟i satana tsy maty Izy ka izay no nampitenenany an‟i Petera hoe sanatria aminao izany, fa avelao hiara-mijaly aminay ny olona. Dia izay no nahatonga an‟i Jesosy Kristy hiteny hoe any ivohoko ianao ry satana, satria misaina izay ho an‟olombelona ianao hoy izy fa tsy izay ho an‟Andriamanitra. Ka i Jesosy Kristy tsy niteny mihitsy hoe any ivohoko ianao ry Petera fa hoy izy hoe any ivohoko ianao ry satana. Dia jereo ny fomba fijerin‟ireo Fariseo sy mpanora-dalàna be ireo nijery an‟i Jesosy Kristy, hoe mpaminany sandoka io, demonia io, fampianaran‟ny demonia no hataon‟io.

Dia jereo ihany koa fa amin‟izao fotoana izao dia be dia be tokoa ny olona mitory filazantsara no maka ny toeran‟ireo Fariseo sy mpanora-dalana ireo, ary dia mihorakoraka hoe aza mihaino ireo apokalypsy ireo, fa fampianaran‟ny demonia ireo, mpaminany sandoka ireo, mijery ivelany, satria nahoana? tsy nividy odi-maso ireo olona ireo, ka tsy fidiny ho azy izany ary tsy hanomezan-tsiny azy izany,fa lasa fiampangana no hataony Jereo tsara ireto olona tonga hiampanga ilay vehivavy azo nijangajanga, dia nihazakazaka daholo na lehilahy na vehivavy, ka nanao hoe araka ny lalàna dia toraham-bato izay rehetra azo nijangajanga ka raha araka ny hevitrao dia ahoana, lazao aminay malaky inona ny valin-teninao. Ka ny masom-panahin‟ireto olona ireto izany dia manao hoe: izay rehetra manota na mijangajanga dia samy ho torahim-bato avokoa, kanefa izy ireo koa mba mpandainga, izy ireo koa mba mpanota, dia ny valinteny nomen‟i Jesosy Kristy azy ireo dia ny hoe izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy. Ny tian‟i Jesosy Kristy ho lazaina izany dia hoe izay tsy nijangajanga taminareo no aoka hitorabato izay mijangajanga, izay tsy nisotro toaka taminareo no aoka hitorabato izay nisotro, izay tsy nandainga taminareo no aoka hitorabato azy sns, ary dia niondrika i Jesosy Kristy dia nosoratany teo amin‟ny tany avokoa izay karazana fahotana rehetra nataon‟ny olona niampanga ity vehivavy ity, fa hay ireto mpiampanga ireto no tena mpanota. Dia jereo tsara ny fomba fijery ivelany ataon‟ireto olona tsy nividy odi-maso ireto: dia izy mijery ivelany, fa i Jesosy Kristy mijery ny ao anatiny, dia fantany fa tsy fidiny ho azy ny nanao io heloka io, ka izy tsy hiampanga an‟io, ka dia nopotsipotsirin‟i Jesosy Kristy avokoa ny fahotan‟ireto mpitorabato ny mpanota ireto, na tamin‟ny toriteny na ny zavatra hataony, dia nopotsipotseriny avokoa izany. Ka zavatra tena mpitranga matetika io, satria raha misy olona tena mpanenjika sy mpanisy teny maharary ny mpanota, na inona na inona hataon‟ilay olona dia mazava ho azy fa io ilay olona io mihitsy no tena manao ilay ota, fa saingy tsy zakany rehefa ny olona no manao ilay izy, fa rehefa ny tenany dia sarontsaromany eo fotsiny. Dia izay mihitsy no nahatonga an‟i Paoly milaza hoe: Romana 7:16 « Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna. »

ny dikan‟izany dia izao, raha ohatra izany i Paoly nagalarin‟ny olona ny entany, na nisy namono ny fianankaviany, dia eo izy vao mahatsapa hoe tsara ihany kay izany raha misy polisy, na gendarme manenjika ilay mpangalatra sy mpamono olona, fa rehefa izy mihitsy no lasa mpangalatra sy mpamono olona dia eo izy vao mahatsapa fa tokony tsy hisy intsony ilay polisy sy gendarme fa manenjika azy ilay izy. Izany hoe: rehefa ianao no niharan‟ilay izy dia hitanao fa hoe tsara ihany raha toa mba misy polisy sy zandary hanenjika ny olon-dratsy, fa rehefa ianao kosa no ho henjehana dia hilaza indray ianao fa hoe tokony tsy hisy ny polisysy zandary, fa herim-pamoretana fotsiny. Dia sahala amin‟izay ny fipetrany, ka amintsika ny olona tsy nividy odi-maso dia mijery ivelany izy, ka rehefa tsy hitany ny anoherany ny fahamarinana dia miampanga fotsiny no hataony.

Ka iza moa no mpiampanga?

Ny devoly no mpiampanga, ary ny zanaky ny devoly no mpiampanga ihany koa ankehitriny. Kanefa na izany na tsy izany rehefa tena mividy volamena isika, rehefa tena mividy fitafiana fotsy isika, ary rehefa mividy odi-maso isika dia tsy maintsy ho tafavoaka sy ho mpandresy. Ka io akory tsy ho azonao raha tsy misy Fanahy Masina mitarika ianao, ary miasa aminao amin‟ny fahafenoana mba hialana amin‟ilay toerana matimaty.

Faranantsika ny resaka odi-maso: Tiako isika mamaky ity boky ity no mba hiala amin‟ny toetra matimaty ka mba handray ampitiavana ilay toro-marika sy toro-hevitra marina ny amin‟izany. Ka mba hananantsika masom-panahy mahiratra tokoa mba tsy hijerentsika ivelany ka ho lany andro hifampiampanga haka ny toeran‟ny zanaky ny devoly. Ho an‟ireo olona izay mbola manao izany fiampangana izany kosa dia hoentintsika am-bavaka izany olona izany, mba hialany ao anatin‟izany toetra mpiampanga izany, satria tsy fidiny ho azy koa anie ny hanana izany toetra mpiampaga izany, satria efa hipetrahan‟ilay fanahy ratsy io dia sarotra be ny manavaka azy.

Kanefa rehefa entintsika am-bavaka ireny olona ireny fa sahala antsika afaka tamin‟ireny toerana ireny ihany dia mba ho afaka ihany koa izy ireny. Tiako hiverenana kely ihany ity voasoratra ao amin‟ny Jaona ity rehefa nanasitrana ilay jamba i Jesosy Kristy, dia nenjehin‟ireo mpanora-dalana Izy. Fa ilay jamba nilaza hoe jamba aho teo aloha fa mahiratra aho ankehitriny. Jaona 9:39-41 «39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. 40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba? 41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo. »

Ny tian‟i Jesosy Kristy hahatongavana izany dia izao: ny olona tao anatin‟ny maizina, ny olona tsy nahalala ny soratra masina, ny olona jamba tao anatin‟ny fahalalana ny soratra masina, rehefa tonga i Jesosy Kristy dia nampahiratra ny mason‟ireo olona ireo ka dia nahatonga ireo olona hisokatra ny fijeriny hoe: hay moa izaho ity tokoa ka matimaty, hay moa ka izany tokoa ny voalazan‟ny soratra masina, hay moa ka izany tokoa no tena izy, hay moa izaho ity ka mahantra nefa nihevitra ny tenako ho manan-karena, hay ka ory sy mitanjaka! Andeha aho hividy volamena sy fitafiana fotsy, andeha aho hividy odi-maso. Izay izany ilay jamba nampahiratan‟i Jesosy Kristy. Fa ho an‟ilay olona izay mihevi-tena ho mpanan-karena sy mahiratra “hoe izahay indray dia tsy hampianarinao izahay e! tsy ianao izay olona toy izao no ampianatra anay, tsy ianao izay tsy nandia ny sekolin-draby io akory no hampianatra anay, ka taiza moa ianao no nianatra, demonia no amoahanao devoly, mpaminany sandoka, mpamitaka, sns… dia ireny izany ilay mahiratra lasa jamba satria tsy mahita intsony hoe Andriamanitra no niasa tamin‟ny alalan‟i Jesosy Kristy ka nanaovany fahagagana, nanasitranany, sy nampahiratany ny mason‟ny jamba, dia ilay mpitondra fivavahana miseho ho azy tena mahay baiboly mihitsy no tsy nino an‟i Jesosy Kristy tamin‟izany fotoana izany dia ilay mpitondra fivavahana izay mivavaka sabata, tsy mihinana kisoa, sy ny zava-padiana rehetra, ireny olona ireny mihitsy, no tsy mino an‟i Jesosy Kristy taminizany. Ka jereo koa amin‟izao fotoana zanak‟Isiraely ao fa ireo olona tena mpitondra fivavahana mihitsy no tsy manaiky hividy odi-maso, ka ny hataony amin‟izao fotoana izao, dia ny manaratsy sy manompanompa ity apokalypsy ity no hataon‟izy ireo. Ka dia gaga indray ireo olona jamba rehetra mahita an‟izany hoe ahoana izany?

 

Fa isika izay manaraka ity fampianarana ity, izay tsy nahafantatra mihitsy ny tantaran‟izany fiangonana fito izany teo aloha kanefa nandre sy lasa nahafantatra izany dia isika izany ilay jamba teo aloha fa nahiratra ankehitriny. Saingy ireo mpitory ny filazantsara izay tena mahay baiboly kosa dia tsy te hahalala an‟izany, fa lazainy fa ianao jamba tany aloha indray nefa efa mahiratra ankehitriny no adala sy voafitaka.

Dia inona no ataon‟izy ireo: « Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba? » « Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo. »

Izany hoe: raha nitoetra ho jamba ireto mpanora-dalana ireto dia ho nanaiky ho nosokafan‟i Jesosy Kristy ny masony, ka dia ho nidera an‟Andriamanitra izy ireo avy eo satria tonga nahiratra. Kanefa ianareo kosa hoy Jesosy Kristy mihevitra ny tenanareo ho efa mahiratra dia hitoetra hatrany ao anatin‟ilay matimaty, ary dia ho feno avonavom-panahy. Satria hoy ianareo hoe mahiratra, mahiratra ahoana moa izany? Miseho ho mahiratra amin‟ny fahaizana ny baiboly, dia hilaza hoe tsy izy io e! sandoka io e! Mpaminany sandoka e! mivoaha tao ianareo fa tsy izy io e!. tahaka ireo mpitory sasany ireo izay miteniteny foana (miala tsiny aho) fa dia sahy milaza hatrany anaty onjam-peo manambara hoe: izy hono tsy manota intsony, fa ireo olona izay mbola miforiporitra manaja ireo didin‟Andriamanitra no mbola mpanota fa izahay tsy manota intsony.

Ny sasany dia tsy menatra mihitsy no milaza fa hoe izy hono no Jesosy, satria hono i Kristy no velona ao anatiny, ka dia izy mihitsy hono izany no jesosy. Dia misy jesosy Malagasy koa izany, ary ao Antananarivo ao izy no mipetraka, ary dia mampianatra izany amin‟ny radio izy, ka dia tonga aty amintsika aty amin‟ny faritany aty ihany koa izy e! ny fomba hahafantarantsika azy dia rehefa misy mampianatra ilay hoe foana ny didin‟Andriamanitra, ary na iza na iza mitondra izany fampianarana izany dia efa ry zalahy izay. Ka izay no mahatonga azy tsy hahazo famelan-keloka satria mahiratra izy ka tsy hahazo famelan-keloka. Rehefa avy nividy ilay odi-maso isika dia izao no voalaza ao Apokalypsy 3:19 « Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.» Ahoana moa no dikan‟izany? Tena fitiavana mihitsy izany no namotsipotsiran‟i Jesosy Kristy ny vay mba hivoaka tao ny nana ka tsy handranoka ao ka ho tonga homamiadana na “cancer”. Izany no hanomezany teny maharary sy levilevy ka nanomezany torohevitra hoe “mividiana volamena sy fitafiana fotsy sy odi-maso. Ka dia izay rehetra tiako no hanariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha”.

Ka inona moa izany hoe fibebahana izany? Efa noresahintsika ny mahakasina io:

Ny FIBEBAHANA = METANOEA +METAMORPHOSE+ STREFOmiova saina + miova bika + miova làlana (direction) 1 Ka raha ao anatin‟io toerana antonony io izany no misy anao dia miala ao anatin‟io. 2 Mividiana volamena fitafina fotsy sy odi-maso fa aza mitoetra fotsiny ao fa ho jamba sy ory sy malahelo sy hahantra fotsiny ianao raha mijanona ao. 3 ilay saina mihitsy no ilaina fiovana tanteraka, ka miova hatraty ivelany mihitsy izany, miova hatramin‟ny fitafinao. Ka izaho tsy mino mihitsy hoe olona tonga amin‟ny fibebahana tanteraka dia ho any ampiangonana ihany izy no manao ankanjolava sy maontina tsara, fa rehefa eny an-dalambe izy dia lasa manao jupe misy varavaran-kely. Ka tsy izany no fibebahana takian‟i Jesosy Kristy, fa tsy hoe any ampiangonana ihany ianao no mitoetra ho zanak‟isiraely manana ny fahamaontinana sy fahamasinana, fa rehefa eny an-dalana ianao dia mitovy amin‟ny babyloniana rehetra ihany ka mitoetra ao na ny fitafy na ny fiteny na ny fihetsika ny hambompo ny avonavona sy ny fanenjehana sns. Ka mialà amin‟izany làlana izany fa tena miovà amin‟izany toetra izany.

Ka avelao izany fanenjehana ny hafa izany, fa raha misy olona hitanao ho mpijangajanga dia mivavaha ho azy fa tsy ny hitorabato azy no mahamaika anao, sy ny hanalabaraka azy no hataonao. Raha mbola misy olona fatoran‟ny toaka sy ny sisa dia mivavaha ho azy, mba ho afaka amin‟izany izy. Fa tsy fantatrao izay hivavahany ao ampiangonana ao foana sao dia efa mitolona ambavaka amin‟izany izy, koa ahoana no hanenjehanao azy amin‟izany? fa raha ny anao no mba misy mikororoka ohatra an‟izany, tsy efa any amin‟ny fitsarana ve fa hoe fanalam-baraka imasom-bahoaka na “diffamation” publique izany zavatra izany? Fa mivavaha ho azy satria izany no atao hoe olona tonga amin‟ny fibebahana marina, satria i Jesosy Kristy dia tsy mba nanenjika mihitsy ireo olona nanota na nijangajanga, na nangalatra, na niteny ratsy, na nisotro toaka, na nifoka rongony, … fa ny nahatongavan‟i Jesosy Kristy dia ny hamonjy antsika amin‟izany fahotana rehetra izany.

Ka raha tonga amin‟izany fibebahana marina izany tokoa isika dia lasa halahelo ny mpanota isika, halahelo ny mpijanganjaga, sy ny mpisotro toaka, sy ny mpifoka rongony sy sigara, halahelo ny mpanompo sampy, dia hanampy azy hivoaka amin‟io toerana io fa tsy hanoto azy sy hanenjika azy amin‟izany fotsiny. Fa raha toa ka tsy misy ataonao hafa tsy ny mikororoka azy fotsiny, sy ny manoto na manenjika azy amin‟izay fotsiny ianao dia mibebaha amin‟izany toetra izany ianao, fa hidiran-doza amin‟izany ianao. Fa matoa ianao mbola manenjika olona sy mikororoka azy dia mbola ao anatin‟izany koa ianao izany.

Dia ataoko ohatra kely ireo mpanao ady arts martiaux ireo: raha ohatra ireo mpanao arts martiaux ireo no mbola ceinture bleu, na jaune, sns izany hoe mbola mari-boninahitra ambany, dia eny an-dalambe eny izy no mandakandaka sy manao katas, fa tsy misy olona “3ème dan” na” 4ème” hanao an‟izany eny an-dalana handakandaka eny rehetra eny, fa ny tapany ihany no mikobana. Dia sahala amin‟izany ihany koa ireny olona manam-pahaizana be ireny, miafina sy tsy misehoseho ireny olona ireny fa ilay mbola tapany ihany no mikobana eo. Dia sahala amin‟izany ihany koa ny olona mpanota, ilay olona efa afaka amin‟ny ota dia malahelo ilay olona mbola ao anatin‟ny ota izy, ary manampy ilay olona hivoaka ao anatin‟ny ota no hataony, fa tsy handeha hiampanga azy sy hikororoka azy no hataony.

Fa raha ilay olona no mbola mpanota, dia mba hanafenany ny azy dia raha vao mahita olona manota izy dia riatany ery amin‟ny toriteny, na radio, na eny amin‟ny namany eny, hoe miala amin‟io ianareo, fa fanompoan-tsampy io, demonia no hivavahan‟ireo,sns…; Fa angaha ny fitabatabanao eo no hanafaka azy amin‟izany? fa ny fitondrana azy am-bavaka no hanafaka azy amin‟izany. Dia sahala amin‟izany no nataon‟i Jesosy Kristy, Izy tsy mba nitabataba na nikororoka ilay mpijangajanga ka nanao hoe misaotra anareo fa izaho koa dia mba mitady ireto mpanota ireto ho toraham-bato!!, tsy nanao izany mihitsy Izy, fa ny hamonjy ilay mpijangajanga no nataony, mba ho tonga amin‟ilay fibebahana marina tokoa, ka ho afaka amin‟ny ota. Noho izany, isika izany raha toa ka izany toe-tsaina izany tokoa no ao aminao hoe hamonjy ny mpanota no ao anatintsika, dia tonga amin‟ilay fibebahana marina tokoa isika, ary dia mazava fa nividy izany volamena sy fitafina sy odi-maso izany tokoa isika.

 

Fa raha mbola isika no mitatatata amin‟ny fiampangana ireo mpanota rehetra ireo, nefa isika mbola ao anatin‟ny ota dia mbola mila mividy isika, satria izay ilay toe-tsainaantonony, ka alohan‟ny amin‟ny vavany.

Ka io aza dia ahilika hoe “ Adventiste” ihany no resahiny amin‟ity Laodikia ity, fa rehefa manana izany toe-tsaina izany ianao, na inona ny fivavahana misy anao na inona rehefa mbola manana izany toe-tsaina matimaty izany ianao, ka tsy manana toe-tsaina hafa tsy ny miampanga olona izany ianao dia izany no toe-tsain‟ny mpanora-dalàna sy fariseho. Ary izany toe-tsaina izany no tian‟i Jesosy Kristy ho faizina, sy hanarina.

Noho izany dia mibebaha ianao, miverena amin‟ny lalàna izay tena izy, samia mitolona am-bavaka, hividy volamena sy fitafiana ary odi-maso haosotra ny masontsika. Ka raha izany no jerena dia efa tonga eo amin‟ilay andininy faharoam-polo isika: Apokalypsy 3:20 « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. »

ka raha tena nividy isika, raha tena nibebaka isika, dia mandondona eo ambaravaran‟ny fontsika i Jesosy Kristy ary dia mora amintsika ny hamoa ny varavarana ary dia mora amintsika ny hanaraka an‟i Jesosy Kristy, dia hiara-mandeha amin‟i Jesosy Kristy isika ary dia hiara-misakafo aminy. Fa raha sanatria ka hoy isika hoe: tsy ianao rangahy no hitsapaloha ahy amin‟izany a! iza moa ianao, mba inona ny mari-pahaizanao, mba nianatra taiza ianao, mba miseho anao ho iza ianao, tsy misy valeur ny amiko ianao e! nefa ianao mpivavaka no manana izany toe-tsaina izany, ianao manompo an‟Andriamanitra no manana izany toe-tsaina izany, dia izaho manoro hevitra anao, mitalahoa mafy amin‟Andriamanitra ianao, ary izaho tsy hanozona an!, fa mitalahoa mafy amin‟Andriamanitra ianao satria tsy izany mihitsy no toetran‟i Jesosy Kristy, ary tsy hiditra ao anatin‟ny fonao mihitsy i Jesosy Kristy ka hiara-monina aminao amin‟izany. Heverinao ve fa io Jesosy Kristy io dia hiditra ao amin‟ny fonao, dia hanaiky ny honina ao, nefa ianao dia miteny hoe iza koa izay ianao io, dia teneninao izany i Jesosy Kristy hoe aleo aloha Jesosy mba ho halantsika baraka kely aloha ireto mpanota ireto e! tena tsy manjary mihitsy ny hataondry zalahy ireto fa aleo aloha halana baraka kely izy. Tonga dia hoy i Jesosy angamba hoe: aiza ny varavarana ivoahako fa tsy mbola misy toerana ho ahy ato anatin‟ity rahalahy ity, na ity ranabavy ity!

Dia ianao ve dia mihevitra fa dia lasa ianao miditra any an-tranon‟olona dia ikororoka sy anaratsy ny rahavavinao, na rahalahinao, dia i Jesosy Kristy ve izany no lazainao fa ao anatinao dia entinao manao izany toetra tsy izy izany? Hoe lasa ianao mijangajanga nefa milaza ianao fa i Jesosy Kristy no ao anatinao, dia i Jesosy Kristy ve izany no entinao mijangajanga, na entinao mamitaka, na entinao mangalatra, na entinao miteny ratsy olona, na entinao manompo sampy!! Sns…Tsy marina izany, tsy izy izany, fa hoe mandondona amintsika i Jesosy Kristy ka raha vao tena nividy isika ka tena nibebaka dia niditra tao aminao Izy, dia lasa manana fahalemem-panahy ianao, afaka ho azy ilay fihatsaram-belatsihy, ilay avonavona, ilay toetra tsy izy rehetra, dia gaga ny olona. Nefa izany rehetra izany anefa dia lazaiko fa tsy mora izany, ary tsy mora ny hoe miala amin‟ny toerana matimaty izany, ka ho tonga amin‟ny fibebahana tena izy.

Ka na dia tsy mora aza izany dia izao no voalaza:

Apokalypsy 3:21 « Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany. » napetraky Jesosy Kristy tsara izany fa tsy maintsy miady isika, ka izay maharesy, (ohatra ny toetranao dia izaho hoe : raha vao olona ivelan‟ny fiangonana misy anao no mahavita mampianatra na manasitrana, na mamoaka devoly, na miteny amin‟ny fiteny tsy fantatra dia hoy ianao hoe demoniaka io, na mpaminany sandoka io,fantatro ny toerana nisy an‟io tany aloha, haiko ny toetran‟io,)

Dia toetra miampanga toy izany foana no ao anatinao, dia miady izany ianao mba haharesy ka hivoaka ao anatin‟izany toetra miampanga izany ka dia hipetraka eo amin‟ny seza fiandrianan‟ny Ray ihany koa. Fa raha ohatra izany ianao miresaka amin‟ny Radio, ka miresaka fivavahana ka miteny ilay olona tsy tianao, dia ato ohatra hoe i Pasitera Mailhol no tsy tianao, dia isaky ny hiteny ianao, na any antokatrano na eny amin‟ny toriteny, na aiza na aiza dia i Pasitera Mailhol foana no ompaompainao evangelika eo sy ny namany eo, dia mbola tsy nandresy izany ianao ka mila miady mba hialana amin‟izany. Ka raha ohatra izany izao hoe hanenjika ny Pasitera Adventiste, na ny Fiangonana Jesosy Kristy eto Madagasikara, na ny katolika, na ny Pasitera sekta hatrany no ataoko eto, ka raha toa aho ka tsy nividy odi-maso dia tsy hibebaka amin‟izany mihitsy aho. Fa raha ohatra kosa aho nividy odi-maso dia hanao hoe mba tahio aho tsy anenjika an-dry zalahy mpanenjika sy mpankahala ahy ireny, ampio am-bavaka aho hiala amin‟izany fanenjehana izany.

 

FAMINTINANA FIANGONANA LAODIKIA

Mizara roa mazava tsara izy ity. Ity misy boky nosoratan‟i Ellen White, ilay mpaminany vavin‟ny fiangonana Adventiste, mitondra ny lohateny hoe “FIOMANANA AMIN‟NY RANONORANA FARANY” pejy faha 9, fizarana faha efatra.

Vehivavy dimy Hendry, sy vehivavy dimy adala

“io toetry ny fiangonana sy ny virjina adala dia lazaina koa fa toetry ny vahoakan‟ny Laodikia.” Izany hoe hoarin‟ity mpaminany vavy ity ho toy ny virjiny 5 hendry sy virjina 5 adala izany ny fiangonana Laodikia. Ka ity fiangonana Laodikia ity izany dia fahafito fa ilay adala dia misintaka miala amin‟ilay hendry, ary rehefa misintaka izany ilay adala dia fantatsika fa ny hendry dia tafiditra tao amin‟ny vavahady, fa ny adala tsy tafiditra tao. Dia lasa mizara roa izany ny fiangonana, ka tsy fito intsony izany ny isan‟ny fiagonana fa valo, satria ity farany dia mizara roa.

Ka ny iray izany dia ilay hoe: Apokalypsy 3:15-16 «15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan’ny vavako ianao; » io izany ilay fiangonana Laodikia iray izay matimaty, ka alohan‟ny vavany. Io fiagonana io ilay lazain‟i Jesosy hoe Apokalypsy 3:17 « fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; » na dia mihevitra ny tenany ho manan-karena aza izy dia ambaran‟i Jesosy Kristy fa ory sy mahantra sy mitanjaka, sy jamba.

Ka na dia nomen‟i Jesosy Kristy torohevitra aza izy ireo: Apokalypsy 3:18 « dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. » dia na nomena izany torohevitra izany aza ireto virjina adala ireto dia tsy mety nividy izy, ary na nasaina mibebaka aza izy dia tsy mety mibebaka. Dia tonga i Jesosy Kristy mandondona varavarana kanefa tsy ampandrosoany satria efa milaza izy fa efa manana Jesosy, ka tsy ampandroso Jesosy hafa intsony, ny anay hoy izy ilay Jesosinay ilay tsy mibebaka, ny Jesosinay ilay tsy mividy, ilay Jesosinay ilay miseho azy ho manan-karena, ilay Jesosinay ilay matimaty.

Fa ny Laodikia anankiray indray rehefa nividy odi-maso izy ireo, dia nahita tokoa, fa tena matimaty, tena nahita fa tena mahantra, na dia nihevi-tena ho manan-karena aza ka dia nandeha nividy volamena, fitafiana fotsy, ary odi-maso, fa jamba isika hoy izy ireo, ka dia tena nibebaka ary dia namoha ny varavarany. Dia io izany ilay virjina hendry. Mizara roa mazava tsara izany ny fiangonana Laodikia, ny iray ilay virjina 5 adala, ary ny iray ilay virjina 5 hendry, izany hoe ny iray tsy ampy solika fa ny iray ampy solika. Ny iray mbola lasa nividy solika,

 

Ka inona moa izany ny hoe solika?

Io izany ilay Fanahy Masina io, ka ny iray milaza ny tenany hoe ampy ilay Fanahy Masina ao anatiny, nefa hay tsy ampy ilay izy ka lany teo ampiandrasana, ary dia lasa nandeha nividy Fanahy Masina indray, kanefa tsy nisy intsony tao amin‟ny mpivarotra. Ka rehefa niverina avy tany ry zareo dia efa tara loatra. Izany hoe misy olona izany efa miaina na efa mandray an‟ilay ranonorana farany, ilay Fanahy Masina efa mirotsaka izany, fa misy kosa mbola tsy miaina na tsy mandray an‟izany ranonorana farany izany, ka dia mazava ho azy izany fa tsy ampy ilay solika ao aminy.

Ka rehefa tsy ampy ny solika dia tsy mafana izy izany fa matimaty. Ka na tianao na tsy tianao, dia mizara roa ilay  fiangonana ao Laodikia, ary efa hitantsika amin‟izao fotoana izao fa tsy azo sakanana tokoa ary mizotra ho amin‟izany fizarana roa izany ilay fiangonana ao Laodikia. Taloha isika dia nahita tsara fa ny fivavahana Jiosy dia iray ihany: mivavaka sabata sy manavaka ny zavatra voarara rehetra, ka na dia efa tonga aza i Jesosy Kristy dia mbola nijanona tao anatin‟izany ihany ilay izy. Fa taty aoriana dia nanjary nisy ny nivavaka alahady, maty izany ilay nivavaka sabata.

Taty aoriana dia niverina indray ilay nivavaka sabata, fa tsy nisy hafa tsy ny fiangonana Adventiste irery ihany no nivavaka sabata, fa amin‟izao fotoana iainantsika izao, dia tsy ny Adventiste irery ihany no mivavaka amin‟ny andro sabotsy, fa lasa be dia be tokoa. Dia efa mizotra mankany amin‟ilay fizarana izany io, ilay virjina 5 adala sy 5 hendry, ilay manana solika sy tsy manana solika, ilay fantatry Jesosy sy ilay tsy fantany. Mizara roa mihitsy izy amin‟izao fotoana izao. Ka ho hitantsika moa fa ilay fitafiana ity mihitsy no hampiavaka azy satria misy ny hatao batisa amin‟ilay Jesosy Kristy maty zoma mitsangana alahady, ary misy ny hatao batisa amin‟ny Jesosy Kristy maty amin‟ny antsasaky ny herinandro ary mitsangana amin‟ny andro sabata.

Ka samy mivavaka sabata ireo, fa misy ny mafana ary misy ny mangatsiaka ary misy manao ny fitafian‟ilay maty zoma mitsangana alahady, ary misy ny manao ny fitafian‟ilay maty alarobia mitsangana sabata. Dia mizara roa tsara izany izay ny lalana dia izay mividy odi-maso aloha dia tena hahita an‟ilay Jesosy tena izy. Dia izay no tantaran‟ny fiangonana Laodikia, ny iray virjina 5 adala ny iray kosa dia ilay virjina 5 hendry. Mipetraka izany ny fanontaniana izao hoe: aiza no misy anao?.