FIANGONANA FAHAROA: SMYRNA

FIANGONANA FITO TOMBO-KASE FITO (Apokalypsy toko fahenina)
FIANGONANA FAHAROA: SMYRNA Ny Tombo-kase faharoa : Ny soavaly mena
Apokalypsy 2:8 – 11 « [Smyrna] Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana* any Smyrna : Izao no lazain’ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [* Gr. eklesia] »

Apokalypsy 2:9 – 11 «9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3) 10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. 11 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia] »

NY HEVITRY NY TENY SMYRNA = FANGIDIANA, Tena mangidy, fiainana mangidy,

NY VANIMPOTONA NAHITANA NY TANTARA Taona faha 100 ka hatramin‟ny 313, ka io moa dia mazava ny fahitana hitan‟i Jaona fa hoe: soraty izay zavatra hitan‟ny masonao, sy izay mbola ho avy.

NY NIHAVIAN’NY TENY

Ny teny hoe Smyrna dia avy amin‟ny zava-maniry hoe “SMYRNA”. Izy io dia tena mangidy tokoa rehefa hoanina, nefa kosa rehefa torotoroina sy kosikosehina kosa izy dia mamoaka fofona manitra be mihitsy. Io izany dia efa ahitana sahady ny tantaran‟ny fiangonana tamin‟ny taon-jato voalohany ka hatramin‟ny taon-jato fahatelo, satria raha mijery ny tantaran‟ny fiangona isika dia nahitana fa vanim-potoana nanenjehan‟ny fanjakana Romana ny mpivavaka kristiana tokoa io vanim-potoana io, ary dia tena nandriaka tokoa ny rà tamin‟izany fotoana izanyka izay nivavaka tamin‟izany Jesosy Kristy izany, dia nisy ny nodorana velona, nisy ny notapahin-doha, ary dia maro ny apostoly notapahin-doha toa an‟dry Paoly sy ry Petera.

Ary tsy vitan‟izany ihany koa, fa izay kristiana tratra dia natsipy tany an-davaky ny liona ho viravirainy Ary satria tany Roma moa no nisy izany fety nankalazaina isan-taona izany, tao amin‟ilay kianja lehibe ao Roma izay mbola hitantsika mbola mijoro hatramin‟izao, dia tao no nisy izany adin‟ny” gladiateurs” izany, izay tena ady tena izy na “combat à mort” mihitsy, ka izay resy tamin‟izany dia tapahina ny lohany ary dia atao sakafon‟ny liona sy ny leopard, izay efa tsy nomena sakafo efa ho andro maromaro. Ka rehefa misy fotoana malalaka kely dia alefa ao anaty kianja ireo kristiana izay voasambotra, ary dia avoaka ihany koa ny liona, andrapaka sy anenjika ireo Kristiana ireo.

Ka misy ny hoe: ny zanany dia eo imason-drainy eo mihitsy no andrapahan‟ny liona azy, indraindray ilay raim-pianakaviana no mba miaro ilay zanany dia itsambikinan‟ny liona eny amin‟ny tendany, dia avy dia tapaka hatramin‟ny traotraokany mihitsy, ka dia tena mangidy dia mangidy tokoa ny fiainan‟ny Kristiana tamin‟izany fotoana izany; kanefa na dia teo aza izany fandripahana izany, dia ny ràn‟ireo Kristiana ireo indray no nanjary zezika nampiroborobo ny fivavahana kristiana.

SONIA NA EN-TETE NA FAMANTARANA

Izao no lazain’ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: dia mbola mazava indray io fa i Jesosy Kristy no tompon‟ny hafatra eto fa tsy i Pasitera Mailhol akory .

NY FIDERANA AZY, NA FANKASITRAHANA AZY “Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao”. Tsy inona akory,izany, fa ilay fanenjehana mivaivay izay nahazo ny kristiana, ary mazava ho azy tokoa, fa nahantra ireto olona ireto, satria very avokoa ny fananany rehetra fa tsy maintsy nandositra noho ny fanenjehana nahazo azy izy ireo. “Nefa manan-karena ianao.” Inona moa ny harena hananan‟izy ireto? Io akory tsy hoe, ny haren‟ny tany fa ny haren‟ny lanitra, izay homen‟ny Tompo efa miandry azy.

“Fa aoka hatoky hatramin’ny fahafatesana ianao dia omeko anao ny satroboninahitry ny lanitra. Ary ny fitenenan-dratsy* ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’i Satana”.

Ireto izany dia misy vahoaka izay milaza ny tenany hoe Jiosy mihevitra fa hoe manompo an‟Andriamanitra tena Izy, ary milaza fa ireto Kristiana izay manaradia an‟i Jesosy Kristy ireto izay nambaran‟i mpaminany Daniela hoe maty tamin‟ny antsasaky ny herinandro, ilay nanome famantarana hoe nitoetra telo andro sy telo alina tao anatin”ny tany, ary ilay nitsangana tamin‟ny andro fahatelo dia lazain‟izy ireo fa tsy izy. Ny kristiana izay nanaraka an‟io Jesosy Kristy io izany voalazan‟ny Mpaminany Daniela izany, dia ompaompain‟ireto Jiosy ireto, sy itenenany ratsy, nefa ireto Jiosy ireto hoy ny Soratra Masina dia tsy inona akory fa synagogan‟i satana.

Izany hoe: ireto olona mitabataba sy manenjika an‟ireto olona mino an‟ilay Jesosy Kristy maty araka ny Soratra Masina ilay nambaran‟i Daniela, fa maty tamin‟ny antsasaky ny herinandro, ilay nanome famantarana fa hijanona ao anatin‟ny tany telo andro sy telo alina, ary hitsangana amin‟ny andro fahatelo ity,ka iizay kristiana mino azy izany dia ompaompain‟ireto milaza ny tenany ho Jiosy ireto, nefa izy ireo hoy ny fanambaran‟i Jesosy Kristy Tompon‟ny hafatra, dia ny synagogan‟i satana.

Dia nampahery azy ireo anefa Jesosy hoe: “aza matahotra azy ireo”, aza matahotra ireo olona manompanompa antsika ireo, isika izay tena mino an‟ilay Jesosy Kristy tena Izy,fa izy ireo no tena synagogan‟i satana. Ka izany synagoga izany, dia tsy inona akory fa fiangonana, ka na izy ireo fiangonana araka ny maha fiangonana azy, ka ny mampanompa azy sy ny mampiteny ratsy azy ohatra an‟io dia ny maha synagogan‟i satana azy. Ny trano hivavahany izany dia synagogan‟i satana, ka ny olona izay miditra ao rehetra dia efa eo ambanyfahefan‟i satana avokoa.

“Indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana”.

Io dia tanteraka tokoa tamin‟ny andron‟ny apostoly. Tamin‟ny taona 303, dia nogadraina avokoa ny kristiana rehetra tratra nandritra ny 10 taona, satria ny andro iray soloina taona iray: (ezk 4:6 sy nomer 14:34).

Ka ny hoe: “aza matahotra izay efa hiaretanao, indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana”. Nandritra ny folo taona izany dia nogadraina izay kristiana voababo.

Fa ny torohevitra omen‟i Jesosy Kristy azy dia ny hoe: “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana”.

Ireto vahoaka tamin‟ny taon-jato voalohany ireto tokoa dia niharan‟ny fijaliana sy famonoana avokoa. Fa raha amin‟izao vanimpotona misy antsika amin‟izao fotoana izao izany no misy olona manompanompa antsika sy manenjika antsika toy izany, dia ireny ihany koa izany ireo synagogan‟i satana, ireny miteniteny ratsy antsika ireny satria isika no manaraka ilay Jesosy Kristy tena voalazan‟ny Soratra Masina (maty araka ny Soratra Masina, nilevina sy nitsangana araka ny Soratra Masina).

Ka tsy mahagaga ihany moa izany raha misy jiosy be dia be (inona moa no antsoina hoe jiosy? Ny atao hoe jiosy dia ireo olona mivavaka amin‟Andriamanitra, ary mety mivavaka sabata ihany koa, ary mety tsy mihinana kisoa ihany koa, izay ankilany, fa izay rehetra milaza fa manompo an‟Andriamanitra nefa any amin‟ny làlana tsy izy no andehanany, na dia tsy jiosy aza izy dia ao anatin‟ilay synagogan‟i satana avokoa no misy azy).

Fa firifiry moa isika kristiana no hiaran‟izany fanenjehana izany, na eo amin‟ny ray aman-dreny sy ny zanaka, na ny mpiara-monina, sns. Kanefa hoy Jesosy Kristy: “manankarena ianao, Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana”.

Ny soavaly mena no mifanitsy amin‟ity fiangonana Smyrna ity.

Apokalypsy 6:3 – 4 «3 Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan’aina faharoa nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)] 4 Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy. » Ny soavaly dia maneho ny firaisan‟ny mpino;

 Ny loko mena

Ny lokony kosa dia manambara ny toetoe-piainan‟ireo fiangonana ireo sy ny zavatra hanjo azy sy ny zavatra hiainany,

Ny mitaingina azy

Ny mitaingina azy dia maneho ny fahefana mitondra io fiangonana io, na ny “organisation” na ny” programme” na ny fandaharam-potoanan‟ny fiangonana io, na ny toetoem-piainana an‟io fiangonana io. Ka ny mitondra azy no mibaiko ny rafim-pandaminana izay mifehy ny fiangonana. Ity soavaly ity dia misy mpitaingina, ary ilay mitaingina azy, dia navela hanaisotra ny fihavanana amin‟ny tany mba hifamonoan‟ny olona. Dia nomena sabatra lehibe izy.

Dia jereo tsara fa ny loko mena dia maneho toetra rà mandriaka, ary ny soavaly anefa dia midika hoe fiainan‟ny mpino na ny fiangonana. Raha miloko mena izany ny soavaly, dia midika fa ilay vahoaka na ny fiainan‟ireo olona ao anatin‟ny fiangonana mihitsy no hisy rà handriaka.

Dia hitantsika tamin‟ny tantaran‟ny fiangonana izany, tamin‟ny taon-jato voalohany ka hatramin‟ny taon-jato fahatelo io, fa dia tena naripaky ny fanjakana Romana mihitsy ny mpino tamin‟izany. Tanteraka ara-bakiteny izany ilay voasoratra hoe: “navela nanaisotra izay fihavanana amin’ny tany izay mitaingina azy”. Ka na ao anatin‟ny fianakaviana aza, dia misy ny mifanondro molotra hoe: iretsy misy manaraka izany fivavahana kristiana izany, mivadim-pinoana lasa ho kristiana nefa jiosy no niandohany, ka dia hatorony ny toerana misy azy, dia avy ny miaramila misambotra sy mamono na mampiditra azy am-ponja.

Dia izay ilay zavatra nolazain‟i Jesosy ao amin‟ny Jaona fony Izy mbola tety an-tany niaraka tamin‟ny mpianany, Jaona 16:1–4«1 Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo. 2 Handroaka anareo hiala amin’ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro*[* Gr. ora], ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy. 3 Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho. 4 Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan’androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany izany, satria mbola taty aminareo ihany Aho. »

Izany hoe: napetrak‟i Jesosy Kristy tsara izany ny hoe fandroahana ireto mpanaradia azy ireto ao amin‟ny synagoga, fa ho avy ny andro hoy izy fa hataon’izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy. Dia misy sahy hilaza mihitsy hoe: tena asa ampanaovin‟Andriamanitra mihitsy no hanapotehako sy handravana an‟ireto! Ka na dia ny apostoly Paoly aza dia voan‟izany, satria dia nandray anjara tamin‟izany fanenjehana ny mpianatr‟i Jesosy Kristy izany ho tena fanompoana an‟Andriamanitra mihitsy izy, tamin‟ny fanenjehana izay nataony.

Ka na dia eto amintsika eto Madagasikara fotsiny ihany aza, dia tena manahirana be mihitsy ny amin‟ity resaka fihavanana ity, satria tsy hita intsony ny ametrahana ity resaka fihavanana ity, fa sao dia efa tonga any amin‟ny vaninandro apokalyptika ihany koa ary isika amin‟izao fotoana izao? Satria araka ny voalaza ao amin‟io boky apokalypsy io dia misy ny hoe soavaly mena, ary izay mitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin‟ny tany mba hifamonoan‟ny olona.

Dia jereo fa mifamono ny olona, efa itantsika izany eto Madagasikara. Ohatra amin‟ireny fihetsiketsehana izay ataon‟ny mpanao politika ireny, rehefa tonga ny tsy fifanarahana misy eo aminy mpanao politika, dia lasa samy mamory ny mpomba azy avy izy, dia raikitra ny fifampitorahana, ary dia miditra ny mpitandro filaminana mitifitra. Dia efa hitantsika zany tamin‟ny fanjanahan-tany, nisy ny samy Malagasy nifamono tamin‟izany, nitranga indray koa izany tamin‟ny 1972, resaka politika dia nifamono ny Malagasy samy Malagasy.

Dia mbola niverina tamin‟ny taona 1991, ny 2002 sy ny 2007 ary ny 2009 ny fifamonoana eo amin ny samy Malagasy,ka sao dia efa mba tonga amin‟ilay vaninandro apokalyptika ary isika ity?

 

NY FANANKIANANA HATAO AZY

Tsy nisy fanankianana mihitsy ity fiangonana ity, fa avy hatrany dia torohevitra no nomena azy .

NY TORO-HEVITRA

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana « Izay maharesy » dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa”.

Ny teny hoe izay maharesy: dia midika ho ady, ary Izany ady izany dia tsy vita mora fa tena ho ady be mihitsy, kanefa tsy maintsy hatrehina ary dia tsy maintsy handresy tokoa, kanefa “aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana”.

FAMINTINANA

Hitantsika fa ny fiangonana Smyrna izany dia fiangonana niorina sy hita tamin‟ny taona faha 100 ka hatramin‟ny taona 303 na taon-jato voalohany ka hatramin‟ny taon-jato faha telo. Ny Smyrna dia zavamaniry mangidy dia mangidy, fa rehefa kosikosehina izy io, dia mamoaka fofona manitra.

Ary io no nahitana ny tantaran‟ny fiangonana satria nahitana ny fahantran‟ny fiangonana sy ny fahoriany, sy ny fitenan-dratsy nataon‟ireo milaza azy ho Jiosy nefa synagogan‟i satana tokoaizany vanimpotoana izany, kanefa Jesosy Kristy nanome teny fikasana hoe:

“Aza matahotra izay efa hiaretanao, fa aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana”. Misy ady be mihitsy izay atrehan‟ny fiangonana izany eto, satria ilay tantara izay niainan‟ny fiangonana tamin‟izany, dia tena nanome tokoa ny hevitr‟io teny Smyrna io.

Ny fanarahana io fivavahana Kristiana io, dia niharan‟izany fangidiana izany: misy ny very fananana, misy ny rava tokantrano, misy ny enjehina ho faty, misy ny voailika tsy ho isan‟ny fianankaviana intsony. Ary tena mavesatra ny fanenjehana tamin‟izany satria ny fanjakana Romana mihitsy no mitarika ny fanenjehana, ary izay no nahatonga an‟i Jesosy Kristy nilaza hoe “Aza matahotra izay efa hiaretanao, Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana”.

Dia maro tokoa ny maritiora no nivoaka mpandresy tamin‟izany, satria dia betsaka ireo nisafidy ny fahafatesana ho ao amin‟ny Tompo, satria ny ao amin‟ny apokalypsy dia milaza hoe “sambatra izay maty ao amin’ny Tompo fa ny asany manaraka azy”; dia aleon-dry zareo maty mahazo ny fiainana mandrakizay ao amin‟ny Tompo, satria ny olona moa maty dia tsy maheno fanaintainana, tsy maheno hirifiry intsony, tsy maheno fahoriana intsony. Misy koa Malagasy maritiora izany teto, toa an‟ i Ralaimazoto sy Rasalama, ary dia tsy maintsy misy foana ny maritiora ho an‟io fivavahana io.

Fa maro koa moa no miteny hoe: “koa raha tsy olona adala aho ka andeha hanao sorona ny tenako amin‟izay fivavahana tsy hihinanan-kanina izany”. Tsy hifanomezan-tsiny izany ho an‟ny olona izay tsy mino, fa ny olona izay mino ny Soratra Masina sy ny herin‟Andriamanitra kosa, dia matoky izy, fa tanteraka aminy ny teny izay nolazain‟i Paoly hoe: “tombony ho ahy hoy izy ny fahafatesana ao amin’ny Tompo”.

Izany hoe: ny olona ao amin‟Andriamanitra izany, dia mahazo tombony raha maty ao amin‟ny Tompo, satria efa nahazo ny satro-boninahitry ny fiainana izy, ary dia tombony ho azy izany. Izany no tokony tsy hahalelovana mihitsy, raha maty ao amin‟ny Tompo ny olona iray, fa ny olona maty tsy ao amin‟ny Tompo no tokony ho hitomaniana mafy mihitsy raha maty, satria efa miandry azy ny afobe.

Nomena sabatra lehibe

Manaraka an‟izany dia hoe: “nomena sabatra lehibe izy”, ka izany sabatra izany anie dia tsy hoe: hitonoana masikita, fa tena hifamonoana mihitsy izany sabatra izany. Fa sabatra no notenenina tamin‟izany fotoana izany,satria mbola izany , satria mbola izany no fitaovam-piadiana nisy tamin‟izany, fa tsy mbola nisy basy na” mass 36, “na kalaknikow na pistolet tamin‟izany. Fa tamin‟izany dia tena mbola sabatra no niasa, ka tena ripadripaka mihitsy ny olona tamin‟izany.

Fa amin‟izao fotona izao efa tsy miteny loatra intsony izany sabatra izany, fa ny mpanao ninja ihany sisa no tena mbola mampiasa izany sabatra izany, fa efa basy aman-tafondro indray no ampiansain‟ny olona amin‟izao. Hisaorantsika moa Andriamanitra fa mbola tsy nisy izany adin‟ny samy mpino izany, hafa tsy izay efa nitranga tany Irlande, izay nifamonoan‟ireo protestante sy ny katolika ireo. Ary io ady io ihany no tena naharitra. Fa iny moa dia mbola an-dry zareo any ampitan-dranomasina any, fa ny antsika eto Madagasikara dia ilay fihavanana no lazain‟ny baiboly.

Dia hoy i Jesosy Kristy tamin‟izany hoe Apokalypsy 6:4 « Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy. » mifanandrify tsara izany ny Smyrna sy ny soavaly mena,

Ny tantaran‟ny Smyrna izany dia Apok. 2:9–10«9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon’izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan’i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3) 10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. »

Dia nitranga tokoa io fampahoriana nihatra tamin‟ny Smyrna io fa dia nogadraina tokoa ireo mpino ireo nandritra ny 10 taona rehefa nojerena ny tantaran‟ny fiangonana, nytaona 303 – 313. Nitondra izay mangidy tokoa izy ireo tamin‟izany.