FIANGONANA FAHATELO: PERGAMOSY

FIANGONANA FITO TOMBO-KASE FITO (Apokalypsy toko fahenina)
FIANGONANA FAHATELO: PERGAMOSY Ny Tombo-kase fahatelo : Ny soavaly mainty
Apokalypsy 2:12 – 17 «12 [Pergamosy] Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana* any Pergamosy: Izao no lazain’ilay manana ny sabatra roa lela maranitra: [* Gr. eklesia] 13 Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny seza fiandrianan’i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana. 14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’isiraely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga. 15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ny Nikolaita tahaka ny an’ireny. 16 Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako. 17 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*.

Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.

NY HEVITRY NY TENY PERGAMOSY = FISANDRATANA

NY VANIMPOTONA NAHITANA NY TANTARA

Ny taona 313 ka hatramin‟ny 538 taorian‟i Jesosy Kristy Milaza zavatra ho avy daholo izany ny voasoratra ato, izany hoe: ho avy daholo izany tamin‟ny fotoana nanoratana azy. Efa lasa izany raha amin‟izao vanim-potoana iainantsika izao, ary ny apostoly aza dia efa saika maty avokoa tamin‟io fotoana io.

Apokalypsy 6:5 – 6 «5 Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan’aina fahatelo nanao hoe: Avia*(ka izahao). Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty: ary izay nitaingina azy nitondra mizàna teny an-tànany. 6 Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan’ny zava-manan’aina efatra nanao hoe: venty*[* Gr. denaria] ny vary tritika eran’ny fatam-bary kely**[** Gr. koiniksa] , ary venty* koa ny vary hordea intelon’ny fatam-bary**; ary aza manimba ny diloilo na ny divay ianao. »

Ny soavaly dia maneho ny firaisan‟ny mpino; Ny lokony kosa dia manambara ny toetoe-mpianinan‟ireo fiangonana ireo sy ny zavatra hanjo azy sy ny zavatra hiainany, Ny mitaingina azy dia maneho ny fahefana mitondra io fiangonana io, na ny “organization” na ny “programme”ny fiangonana io, na ny toetoem-piainana an‟io fiangonana io. Ka ny mitondra azy no mibaiko ny rafi-pandaminana izay mifehy ny fiangonana.

Ny hevitry ny soavaly mainty

Ny hevitry ny soavaly mainty izany, dia mifanandrify amin‟ny tantaran‟ny Pergamosy, ary ny tantaran‟ity fiangonana ity dia efa hitantsika fa niseho tamin‟ny 313 – 538. Ka raha jerena izany ny tantaran‟io fiangonana tao amin‟io taon-jato faha telo sy faha dimy ity, dia niova ho kristiana ny amperora romana, ary ny vahoaka romana dia nivadika ho Kristiana ihany koa.

Fa ny raharaha tamin‟izy ity dia izao: ry zareo no nivadika ho kristiana, fa ny fomba fanao kosa izay efa nolovainy tamin‟ny razambeny tany aloha, mbola notazoniny ihany amin‟ny maha romana azy. Nentin‟izy ireo niditra tao ampiangonana ny fombany, ka raha raisintsika izany ny hoe soavaly mainty dia izao no heviny:

 

NY VANIMPOTONA NAHITANA NY TANTARA

Ny taona 313 ka hatramin‟ny 538 taorian‟i Jesosy Kristy Milaza zavatra ho avy daholo izany ny voasoratra ato, izany hoe: ho avy daholo izany tamin‟ny fotoana nanoratana azy. Efa lasa izany raha amin‟izao vanim-potoana iainantsika izao, ary ny apostoly aza dia efa saika maty avokoa tamin‟io fotoana io.

SONIA NA ENTETE NA FAMANTARANA

Iza no tompon‟ny fanambarana? mba hialako amin‟izay mety ho filazana, fa sao dia hisy hihevitra indray fa hevitry Pasitera Mailhol io.

Ny mpanao ny fanambarana izany dia araka izay voalaza hoe : “Izao no lazain’ilay manana ny sabatra roa lela maranitra”: Iza ilay manana sabatra roa lela maranitra? Dia i Jesosy Kristy ihany io manana ny sabatra roa lela io:

Apokalypsy 1:16 « Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny. »

manao sonia izany ilay Tompon‟ny fanambarana dia ilay manana sabatra roa lela maranitra. Inona ilay sabatra roa lela mivoaka avy tamin‟ny vavany? Ilay sabatra roa lela izany dia ilay tenin‟Andriamanitra: ny iray ilay testamenta taloha, ny iray dia ny testamenta vaovao.

NY FIDERANA AZY, NA FANKASITRAHANA AZY Apokalypsy 2:13 « Fantatro izay onenanao, dia ao amin’ny itoeran’ny seza fiandrianan’i Satana; ary mitàna mafy ny anarako ianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’izay onenan’i Satana. »

Nomen‟i Jesosy Kristy izany ny fankasitrahana ity fiangonana ity, satria ity fiangonana kristiana tany pergamosy ity, dia nipetraka teo amin‟ny toerana iray izay nantsoina hoe: “seza fiandrianan‟i satana”, izany hoe: toerana iray izay, nanjakan‟ny fivavahan-diso, na sandoka, na ny fanompoan-tsampy izany ity fiangonana Kristiana ity.

Mety ilay tanàna iray manontolo mihitsy no mety ho manompo sampy, fa misy kosa fiangonana kristiana mbola mijoro eo afovoan‟izany tanàna izany, ary mandà tsy hanompo an‟i satana. Dia toy izany koa, mety ho ny fianakaviana iray manontolo mihitsy no mety manompo-sampy sy ho synagogan‟i satana, kanefa dia misy olona iray, na tokatrano iray amin‟ny fianakavina, dia tsy azo mihitsy hanompo andriamanin-kafa, na hanompo sampy, ka sady tsy menatra izy ny hanompo Andriamanitra no tsy hanompo sampy mihitsy ao anatin‟izany.

Dia fantatry Jesosy Kristy ny toerana misy antsika na dia eo anivon‟ny synagogan‟i satana aza isika. Na izany aza ny toerana misy azy dia mbola nisy ihany ny Izany hoe ny tananan‟ny Pergamosy izany dia tananan‟ny fivavahan-diso, sy ny faharatsiana sy ny filibana, sy ny fanompoan-tsampy. Ka na dia teo aza izany ny toerana misy ity fiangonana ity, tamin‟izay toerana niorenany izay, dia mbola nitana mafy ny anaran‟i Jesosy Kristy izy, na dia nisy aza ireo maritiora ary dia nodorana velona izany olona izany toa an‟i Antipasy, ary dia tsy menatra mihitsy izy milaza an‟izany.

Ohatra hoe: misy manontany izy: ianao ve anisan‟ireo kristiana mino an‟ilay Jesosy Kristy tompon‟ny fanambarana ao amin‟ny bokin‟ny apokalypsy iny, dia tena mamaly tsy misy fihambahambana na fisalasalana akory izy manao hoe: eny tena mino izany tokoa aho; ka ianao ve tsy matahotra ny ho faty no mbola sahy milaza ny finoana an‟izany Jesosy Kristy izany ihany?

Dia mbola hamaly ihany izy hanao hoe: an! An! izayataonareo ao ataonareo fa izaho aloha dia efa izay, fa ilay Andriamanitra izay hivavahanay dia mahavonjy anay amin‟izany, ka dia noderain‟i Jesosy Kristy tokoa izany finoany izany. Dia toy izany koa rehefa voababo tany Babylona ny taranak‟i Joda dia babo tany Daniela, sy Mesaka, ary Abednego, ry Sadraka.

Ny fiainan‟i Babylona ihany koa dia nambara fa hoe synagogan‟i satana ihany koa.

Dia zavatra mety hitranga ihany koa amin‟izao vanim-potoana iainantsika izao. Manompo sampy, fa misy kosa fiangonana kristiana mbola mijoro eo afovoan‟izany tanàna izany, ary mandà tsy hanompo an‟i satana. Dia toy izany koa, mety ho ny fianakaviana iray manontolo mihitsy no mety manompo-sampy sy ho synagogan‟i satana, kanefa dia misy olona iray, na tokatrano iray amin‟ny fianakavina, dia tsy azo mihitsy hanompo andriamanin-kafa, na hanompo sampy, ka sady tsy menatra izy ny hanompo Andriamanitra no tsy hanompo sampy mihitsy ao anatin‟izany.

Dia fantatry Jesosy Kristy ny toerana misy antsika na dia eo anivon‟ny synagogan‟i satana aza isika. Na izany aza ny toerana misy azy dia mbola nisy ihany ny fanakianana nomen‟i Jesosy Kristy azy:

 

Ny hevitry ny loko mainty

Ny hevitry ny loko mainty dia hoe: fahamaizinana fahamaintisana, fisaonana, izay no hevintry ny loko mainty. Izany hoe: ilay loko mainty izany dia midika fa ny zavatra hitranga sy handalovan‟ny fiangonana amin‟ity taon-jato faha 3 sy faha 5 ity dia handalo amin‟ny fahamaizinana sy fahafatesana; izany hoe hisy fahafatesana ara-panahy izany hiseho amin‟ny fiangonana, ary hisy fahamaizinana amin‟ny fahazavana. Raha nilaza i Jesosy Kristy fa hoe “Izaho no fahazavan‟izao tontolo izao”, dia mazava ho azy fa ilay satana izany, dia tsy hamela ny mazava ho tonga ao amin‟ny fiangonana

Jaona 8:12 « Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. »

Rehefa i Jesosy Kristy no fahazavan‟izao tontolo izao, dia nitondra fahazavana sy fahamarinana Izy, fa mazàna dia tsy zakan‟ny olona loatra izany fahazavana sy fahamarinana izany. Dia mbola i Jesosy Kristy ihany no niteny hoe:

Jaona 3:19–21 «19 Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. 21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’Andriamanitra izany. »

Izao no fanamelohana, tonga amin‟izao tontolo izao ny mazava nefa aleon‟ny olona ny maizina noho ny mazava satria ratsy ny asany, fa izay rehetra manao ny ratsy dia mankahala ny mazava. Dia misafidy ny maizina hatrany ny olona, izany hoe: ny manao zava-dratsy no metimety amin‟ny olona noho ny manao ny zavatra mazava. Ka nisy fahamaizinana izany tao amin‟ny fiangonana eto amin‟ity soavaly mainty ity, ary ilay fahazavan‟ny Tenin‟Andriamanitra dia lasa maizina, satria ilay romana jentilisa dia tafatsofoka tao amin‟ny fiangonana kristiana, ka lasa nisy hery roa nifanandrina tao anatin‟ilay fiangonana.

Ka izay no mahatonga ilay mitaingina ilay soavaly mihazona mizana eny an-tanany, ka azontsika na hitantsika tsara, fa ny mizana na ny “balance” rehefa misy vesatra manindry ny ilany ankavia dia miakatra ny havanana, na mifanohitra amin‟izany, izany hoe: misy hery roa mifanandrina ao izany, dia ny mazava sy ny maizina.

Izany hoe: raha tany amin‟ny tantaran‟ny Pergamosy izany, na dia tany amin‟ny tanin‟i satana aza izany, dia nisy kristiana nijoro ihany tao nihazona ny fahazavan‟i Jesosy Kristy.

Fa ankilany dia nokianin‟i Jesosy Kristy ilay fiangonana, satria ireo fiangonana ireo ihany koa izany, dia nisy nandray ny fampianaran‟ny Nikolaita sy ry Balama, ka lasa nandray roa ny fahatsaran‟Andriamanitra sy ny fomba hafahafa. Ka lasa nisy hery roa nifanandrina, ohatra ny hoe: misy fomba be dia be tsy tokony ho tafiditra tao ampiangonana dia tafiditra tao izany Ohatra ahitantsika amin‟ny izany izao dia ny tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy, izay nahitana fa nisy varotra tonga tao ampiangonana, ka dia noroahin‟i Jesosy Kristy izany rehetra izany, ary dia naripany avokoa ny latabatra.

Ka io varotra io dia tsy hoe tao ampiangonana, fa tety an-tokontanim-piangonana no nahitana ireo fanakalozam-bola, sy ny varotra hafa. Ary dia sosotra ny olona, tamin‟izany, satria efa fomba fanao hatrizay izany. Dia nisy ny nanao voka-dehibe eo an-tokontanim-piangonana, nisy ny nivarotra hani-masaka, dia tezitra ny olona rehefa niteny an‟izany Jesosy Kristy :

Jaona 2:13 – 16 «13 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy. 14 Ary hitany teo an-kianjan’ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izaynipetraka teo; 15 dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra; 16 dia hoy Izy tamin’ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ny Raiko. »

Tena navoakany avokoa ny biby rehetra, tena nobatainy ny latabatra ary nakorontany ny vola, dia angamba nifandrombahana mihitsy ny vola niparitaka tamin‟izany. Izany rehetra izany no niverina taty amin‟ny tantaran‟ny fiangonana Pergamosy.

 

NY FANANKIANANA HATAO AZY

Apokalypsy 2:14 – 15 «14 Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’isiraely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga. 15 Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ny Nikolaita tahaka ny an’ireny. »

Misy fanakianana roa miseho ao, dia ilay fampianarana roa nataon‟i Balama sy ‟i Nikolaita. Ny fampianaran‟i Balama, dia azontsika vakiana ao amin‟ny Nomery 22 ka hatramin‟ny toko 25 dia fampianaran‟i Balama sy Balaka ity. Ka ity fampianarana omeny eto ity dia mampiseho tantarana mpanjaka jentilisa iray, dia i Balaka izany sy mpaminanin‟i Jehovah iray dia i Balama izany. Ka ity mpanjaka Balaka ity, dia nanao izay anambatambazana ny mpaminanin‟i Jehovah Balama.

Ny zavatra nitranga dia ity, noteren-dry zareo ity mpaminanin‟i Jehovah ity, handeha hanozona ny zanak‟isiraely ka raha mahavita an‟izany dia homeny volabe. Satria ity mpaminany ity rehefa manozona dia tanteraka tokoa izay ozona izay, ary rehefa milaza fitahiana dia tanteraka ihany koa izany fitahiana izany, ary dia fantatry ry zareo tsara izany.

Nanantona an‟i Balama ary ny mpanjaka Balaka ka nanao hoe: “ozony ho ahy ny zanak’isiraely dia omeko fitahiana be ianao”:

Nomery 22:4 – 6 «4 Ary Balaka, zanak’Isiraely pora, no mpanjakan’i Moaba tamin’izany andro izany. 5 Dia naniraka olona izy ho any amin’i Balama, zanak’i Beora, any Petora, izay eo amoron’ny Ony, dia eo amin’ny tanin’ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko; 6 koa ankehitriny mba mankanesa aty, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin’ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona. »

Dia nanaiky ity Balama ity nony farany fa rehefa tonga ilay ora dia tsy nahatonona ozona izy fa nanjary fitahiana indray no voatonony ka dia tezitra Balaka:

Nomery 23:11–12 «11 Dia hoy Balaka tamin’i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao. 12 Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon’i Jehovah eto am-bavako? »

Dia tsy nandeha araka ny tokony ho izy tokoa izany kanefa ny zavatra nisy rehefa handeha hanozona ny zanak‟israely i Balama dia nitaingina boriky, fa rehefa nandeha kelikely izy dia nitokona ilay boriky satria nisy anjely nijoro teo anoloany, ka nokapohiny mafy tokoa, ary dia niteny aza ilay boriky nony farany hoe: izaho angaha efa nandà ny baikonao na nanao ratsy anaono velesinao mafy toy izany, fa noho ny hatezeran‟i Balama, dia tsy tao an-tsainy akory hoe: niteny taminy mihitsy ny boriky fa namaly ihany izy hoe: ka ianao anie mahasosotra ahy koa, nahoana ianao no tsy mety mandeha? nefa izaho mba misy tombotsoa be ho raisiko ao. Ka rehefa anonona ny ozona izy dia lasa ny fitahiana indray no nivoaka ny vavany. Ka sahala amin‟izay izany ny mahakasika ity Balama ity Ka raha alaina sary izany ny ilazana izany aty amin‟ny apokalypsy ity, dia hoe Apokalypsy 2:14 « Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’i Balama, ilay nanome fo an’i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ny Zanak’isiraely, hihinana hena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga. »

Izany hoe: ity fiangonana izay atao hoe ao anatin‟ny seza fiandrianan‟i satana ity izany, dia tena miorina tsara tokoa amin‟ny finoana an‟i Jesosy Kristy, fa saingy rehefa misy tombotsoa ara-nofo, na fitahiana, na nahazo valisoa be, dia indraindray mivadika ilay Kristiana na ilay mpitory filazantsara,ka raha fitahiana no tokony ho tononiny amin‟ny fiangonana dia manjary mivadika izany satria misy manamby azy tombotsoa be ao.

Dia mbola misy ihany koa ao Kristiana izany mamadika ny rariny ho tsy marina, hitantsika izany ao amin‟ireny biraom-panjakana maro ireny, dia misy sahy mamadika ny marina ho tsy marina nefa dia kristiana betsaka tokoa no miasa amin‟ireny sehatra marobe ireny. Sahala amin‟izany ihany koa ny zavatra misy amin‟ny  fampianaran‟ny Nikolaita: rehefa jerena indray ny fampianarany dia izao: mampifangaro ny fivavahana marina sy ny fanompoan-tsampy izy ity, na fivavahana marina sy ny fampianaran-diso.

Apokalypsy 2:15 « Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ny Nikolaita tahaka ny an’ireny. »

Afangarony izany ny fivavahana marina sy ny fanompoan-tsampy, ary dia tsy mampaninona azy ireo izany, fa aminy dia rehefa mivavaka fotsiny ianao dia efa ampy izay. Satria hono ny olona mivavaka ao amin‟i Jesosy Kristy izany, dia olona afaka ao amin‟ny Tompo, tsy voafatopatotra intsony, tsy misy didy sy lalàna intsony,tsy misy didy folo izany intsony fa mahazo manao izay tianao atao ianao, fa dia izao: “mivavaha fotsiny”.

Dia raha te hanompo sampy izany ianao dia afaka manao izany satria hono Andriamanitra dia tsy manampy izay tsy manampy ny tenany, fa dia mivavaha fotsiny rehefa avy eo. Te hanao “mini-jupe” misy varavarakely ianao eo aloha sy aoriana, ary ny akanjo mitanjatanjaka rehetra ireny, dia anaovy izay tianao amin‟izany fa mivavaha ihany avy eo; ny sabotsy alina ianao mamonjy “bal de nuit”, fa ny alahady kosa dia mandeha mivavaka. Ny sabotsy ianao manao ny fanompoan-tsampy rehetra dia ny alahady mandeha mivavaka.

Na alahady ianao mivavaka, ny ampitso ianao mangalatra akoho, dia toy izany koa, na mivavaka ianao sabata , ny ampitso ianao mangalatra akoho. Dia mifangaro ao ilay fivavahana, ary tsy misy fivavahana tian‟ny olona sahala amin‟izany, ny fivavahana mamela azy malalaka amin‟ny tombotsoanyrehetra, mamela azy hanao ny afera maizina sy ny afera maloto izay ataony, tsy mikitikitika ny filany rehetra, fa na manana vady 15 na 100 aza ianao dia izao: mivavaka foana dia ampy izay, ary izay ny fomba fanao Nikolaita.

Hita tao am-piangonana avokoa na varotra na ny lavanty maro isan‟karazany, entina atao vokatra ao am-piangonana avokoa na vary na akondro, na hena-kisoa 5 kg no ingaina dia avy dia miantomboka: 3000 ariary,miha-miakatra eo hatrany ny vidiny, ary mety ho tonga hatrany amin‟ny 30000 Ariary mihitsy izany. Dia tena horakoraka be tsy misy toa izany mihitsy ao am-piangonana, ary dia hita ao daholo na fatorana fary, na mangahazo, na vomanga, na voanjo sns,

Izany no zavatra mitranga ao amin‟izany toerana izany, ary dia raikitra ny rotaka. Dia tafiditra tao ihany koa ny fivavahana amin‟ny maty, sy ny “spirutisme”, maro isan-karazany. Ka izany rehetra izany no lasa olana tao am-piangonana.

Raha tena anompo an‟i Jesosy tokoa isika, dia andeha tena anompo azy araka ny tena izy, ka dia ho esorina io mizana ao am-piangonana io, ho esorina io Balama sy Nikolaita io etsy ankilany, ka halàna izany fa ilay fanompoana an‟i Jesosy Kristy no tokony ho tazonina. Fa rehefa tena lehibe ny mizana Balama sy Nikolaita io dia lasa maty ny fanahy.

Izao no voalaza ao amin‟ny Efesiana 2:1–7 «1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, 2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana; 3 teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. 4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika, 5 na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); 6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy, 7 mba hasehony amin’ny andro ho avy ny haben’ny haren’ny fahasoavany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy. »

Efesiana 2:1 « Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, »

Inona moa no nahafaty an’ireto olona ireto?

Efesiana 2:2 « izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana; »

Inona ilay fomba fanaon’izao tontolo izao?

Ny dihy sy ny filan’ny nofo

Ohatra: malaza amin‟izao tontolo izao ohatra ny dihy kilalaka, dia lasa tonga hatrany am-piangonana ny kilalaka, ary dia mandihy kilalaka ny tanora lahy sy vavy ao am-piangonana. Dia toa izany koa ohatra ny hira rock. Dia tafiditra ao am-piangonana ihany koa ny kerimesy, ary ny hiran-dry “Din Rotsaka” daholo no mandeha ao, ary dia mitsoratsoraka avokoa ny olona rehetra ao; hita ao ihany koa ny hiran‟i Vaiavy Chila, na ry Dr Sakiss?

Na ny kilalao hafa toy ny kodiakely, sy ny toraka kapoaka dia samy hita ao an-tokotanim-piangonana avokoa. Dia maro tokoa ny fomba fanaon‟izao tontolo izao no tafiditra ao ampiangonana. Ka tsy manenjika an‟iza na iza isika fa tantaran‟ny fiangonana Pergamosy no resahina eto.

Ny fanao sy ny fihinana

Efesiana 2:3 « teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika. »

Izany hoe: tsy nampaninona intsony ny fiangonana, izany rehetra izany, fa ny fiangonana izany dia mahazo manao izay tiany atao. Tsy mampaninona intsony izany, na mbola mamo lava aza ianao, na mbola mifoka sigara ianao, na mpitondra fivavahana na olon-tsotra ianao, dia tsy mampaninona ny fiangonana izany, fa ny azy dia ny hoe: mivavaka fotsiny ihany dia ampy.

Io ilay lazain‟i Isaia 4:1 « Ary amin’izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin’ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso »

Izao no dikan‟izany: Vehivavy 7 mihazona lehilahy 1: ny code vehivavy dia fiangonana, ka ny hoe misy vehivavy 7 mihazona lehilahy iray izany dia hoe: misy fiangonana 7 izay mihazona lehilahy iray; ka ny lehilahy iray dia tsy iza fa i Jesosy Kristy. Ka ireto fiangonana 7 ireto izany dia samy milaza hoe: izahay dia kristiana mino an‟i Jesosy Kristy, ary dia tsy azonao hozongozonina amin‟ny finoanay satria mino an‟i Jesosy Kristy izahay.

Fa izao ihany ny anay, ny haninay ihany no haninay: hoaninay daholo na scorpion, na bibilava, na henakisoa, na voalavo, na ondry na osy, na ramanavy, na fanihy, na sokina na trandraka; na sokake, sns… hoaninay daholo izany rehetra izany, fa izao, tonony fotsiny izahay hoe kristiana, fa aza mba mifampitsaratsara, fa ny haninay ihany no hoaninay, ny lambanay ihany no hotafianay, aza mba mifampi-tsaratsara amin‟ny lamba tafianay izany, fa inona no olanao na “juste au corps”, na mini-jupe misy varavaran-kely aloha sy aoriana no entinay any am-piangonana??

Tsy misy olana mihitsy izany, fa aza mba mifampitsaratsara, fa izao fotsiny no angatahinay, tonony fotsiny ihany hoe: kristiana izahay, tonony fotsiny ihany hoe manompo anao izahay Jehovah o! Fa na mitondra pataloha mifinjifinjy izahay mankany ampiangonana, dia asisika ny lobaka, dia ny ilany misisika, fa ny ilany mikiraviravy aty, dia inona no iraharahianao an‟izany, na dia ny ilany ihany aza no mihetsika, tsy misy olana aminao izany, na inona na inona no hanaovanay fa tonony fotsiny hoe: kristiana izahay.

 

Inona no nahatonga izany?

Ity vanim-potoana 313 – 538 ity, raha jerena ny zavatra nitranga tao Azia Minora sy taty Roma dia izao ny zavatra niseho: io no vanim-potoana niovan‟ireo amperora Romana ho Kristiana. Raha ny zava-niseho tany Smyrna, dia ny mifanohitra amin‟izany no niseho tany, dia ny fanenjehana ny kristiana izay nivavaka; fa rehefa tonga io vanim-potoana (313 – 538) io, dia lasa tsy nenjehina intsony ilay Kristiana, fa ireo mpitondra Romana indray no tonga kristiana, ka lasa nampidirin-dry zareo ao amin‟ny fomba fivavahana kristiana ihany koa ny fomba jentilisa sy ny fomban-tsampy rehetra, toy ny fombam-pivavahana haitraitra, na ny fivavahana amin‟ny sary, na fivavahana eny amin‟ny lanitra sy ny kintana, ny fomba Babylona rehetra, dia tafiditra tao am-piangonana avokoa.

Ka izany no nahatonga an‟i Jesosy Kristy hilaza fa hoe: “tafiditra ao ny fomba-mpivavahana Balama sy Nikolaita”. Fa na teo aza izany rehetra izany dia izao no torohevitra nomen‟i Jesosy Kristy azy ireo:

NY TORO-HEVITRA

Apokalypsy 2:16 « Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako. »

Tsy vitan‟ny hoe nokianiny fotsiny dia navelany teo, fa nomeny torohevitra hoe: “mibebaha”, fantatsika ny dikan‟ny hoe mibebaha: (izay averina ihany fa midika hoe mitodika, miverina, miova lalana). Mibebaha (metanoea), miova ny fotom-pisainana, miova ny saina ratsy, ilay maramara io dia miova. Miova ny saina, fa misy aza vao mahita tanora zazalahy sy zazavavy miresaka dia ratsy saina sahady, hoe inona koa izao no hataon‟ireo eo, sao dia hanao vetaveta eo indray ireo.

Ka ianao izay manompo sampy io sady mandeha mivavaka ihany koa, dia tokony hiova ihany koa, satria tsy miaraka intsony ireo, fa na ianao manompo sampy na ianao mivavaka amin‟Andriamanitra. Samy fivavahana izy roa ireo, na ianao hanompo sampy na ianao hivavaka amin‟Andriamanitra.

“Ka dia mibebaha ianao fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako”.

Inona ilay sabatry ny vavako?

Io ilay tenin‟Andriamanitra marobe, izay mitondra ozona ihany koa raha tsy mitandriana sy tsy manaja ny teniny. Ka sao dia izany aza no mahatonga ny tokatranonao ho tsy mandeha araka izay tokony ho izy, manjary feno ratra na ady lava na aretin-dava, ny vady tsy mampiditra vola ao an-tokantrano ny zanaka maditra misotro toaka, mangalatra sy mifoka rongony, ect, ka dia velom-panontanina isika hoe: inona ary no tsy mampandeha ity tokatranoko ity? Dia jereo ihany, fa sao dia nampifangaroantsika ny fivavahana amin‟Andriamanitra sy ny fivavahana araka ny sampy.

Jereo fa sao dia misy ody amin‟ny tavoahangy kely,na amin‟ny taratasy kely miafina any ambany fandriana any, na ondana kely miloko fotsifotsy na menamena, na maintimainty, miafina any anaty “armoir” na any anaty poketra, na mifatotra amin‟ny sandritsika, na amin‟ny fehikibontsika na manaraka antsika eny amin‟izay rehetra alehantsika rehetra, mety ho any anaty kiraro, na any ambadiky ny sofina, nefa isika mivavaka dia mitondra izany any amintsika any fa tena tsy miaraka ireo.

Apokalypsy 2:17 « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany.”

Ady koa no hialana amin‟izany hoy ny Soratra Masina izay milaza hoe: izay maharesy. Misy ady tsy maintsy atao ao izany mba ialana amin‟izany fomban‟ny Balama sy ny Nikolaita izany. Fa izay maharesy, dia hahazo valisoa lehibe dia ny fiainana mandrakizay.

Tsy mora anefa ny miala amin‟izany, indrindra ho antsika Malagasy, noho ireo fomba marobe izay efa tena tafiditra ao amin‟ny kolon-tsaintsika, satria rehefa manangan-trano ohatra, dia tsy maintsy manantona mpisikidy sy mpanandro vao manao izany, dia efa niaina sy nizatra an‟izany isika.

Tao ihany koa ny hoe rehefa te hanankarena sy te hampandeha ny varotra dia manao izany. Fa tsy mora ny miala amin‟izany, ary dia tena ady be tokoa, fa izay maharesy dia handray fiainam-baovao. Mino aho fa hivoaka mpandresy ihany koa ny fiangonana rehetra mahakasika izany rehetra izany, ka raha tapa-kevitra isika ny hiala amin‟izany dia ho mpandresy tokoa.

FAMINTINANA

Ny zavatra lehibe indrindra tamin‟ity fiangonana ity izany, dia ny fipetrahan‟izy ireo teo amin‟ny synagogan‟i satana, kanefa dia nitana mafy an‟i Jesosy Kristy izy na dia nisy aza ny maritiora maro isan‟karazany; hita taratra tao amin‟ity fiangonana ity ny fampianaran‟i Balama, sy ny Nikolaita ka nanomezan‟i Jesosy Kristy azy ireto toro-hevitra ny hibebahana sy ny hialana amin‟izany. Ny fampianaran‟i Balama moa, dia ity fivavahana tambazam-bola ity, ka rehefa misy ny vola dia hadino avokoa izay tokony hataon‟Andriamanitra sy ny sitrapon‟Andriamanitra fa ny vola no lasa mibaiko.

Ny Nikolaita kosa dia ilay fivavahana mahay atsy sy mahay aroa, sy maka ny fomba fanaon‟izao tontolo izao, ka na dia nankasitrahan‟i Jesosy Kristy aza ity fiangonana Pergamosy ity, satria nitoetra teo anivon‟ny synagogan‟i satana izy, nefa nitazona mafy ny maha-kristiana azy ihany, dia nokianiny kosa izy tamin‟ny nampifangaroany ny fomban‟izao tontolo izao sy ny fivavahana, na ny fampifangaroana ny fombam-pivavahana sy ny sampy, na ny vola na fanaon‟izao tontolo izao, ka rehefa tsy mifanaraka amin‟io vola na fomba io dia ady sy korontana no hita ao amin‟ny fiangonana.

Ity ihany koa dia karazana tetezamita n‟ny tantaran‟ny fiangonana niainga avy tamin‟ny tantaran‟ny fiangonana Pergamosy ho any amin‟ny fiangonana katolika, satria tamin‟ny 538 no nanosorana na nametrahana ny Papa voalohany ho filohan‟ny Eglisy Katolika, rehefa nivadika ho kristiana ireto mpitondra romana izay nanenjika ny kristiana teo aloha. Dia nivadika ny tantara satria ny amperora indray no lasa kristiana,

Ny fitafy

Indray mandeha dia nisy pasitera iray izay nitantara tamiko hoe: indray andro aho dia tena tsy nisy toriteny nandeha tamin‟izay izy mihitsy tao ampiangonana, fa nisy madama iray niditra tao ampiangonana, dia nipetraka izy teo amin‟ny seza aloha indrindra tao ampiangonana, ny akanjony dia tena “mini-jupe” be mihitsy miloko menamena, ary dia nipetraka izy ary dia tsy mety mikombona mihitsy ny feny. Ianao mitory teny dia tsy mety ny maso fa dia mandeha foana any anatin‟ilay zipo mena hatrany.

Tsy nisy toriteny nandeha araka ny tokony ho izy intsony tao ampiangonana, fa efa avily ny maso nefa tsy mety, satria izy tena eo anoloanao eo mihitsy no mipetraka, fa mbola mivily ao ihany ny maso. Ka ny fitafinay ihany no fitafinay rapasy, fa ny masonao aza avily aty. Ka vokatry ny mini-jupe an‟ilay madama sy ny feny fotsifotsy be eo anoloany eo, dia tsy nisy mandeha amin‟izay tokony ho izy ny toriteny. Ny hoaninay ihany no hoaninay, ny fitafianay ihany no fitafinay.

Dia asa angamba izay nahazo an-drapasy tao ampiangonana, fa dia hoy izy misy fakam-panahy ngezabe, misy devoly be ato ampiangonana hoy rapasy, ka dia samia isika mivavaka, ny fiangonana moa tsy mahalala hoe: ny zipon‟i madama io ambarany io!!, ka dia izay moa ilay izy hoe: ny hoaninay ihany no hoaninay, ary ny fitafianay ihany no fitafianay, fa izao fotsiny: afaho tondromaso izahay ka tonony amin‟ny anaranao. Izany no tantaran‟ny fiangonana Pergamosy, sy ny fiainana tao amin‟ny fiangonana Pergamosy tamin‟izany fotoana izany.

Raha ohatra hoy ianareo hoe: misy an‟izany amin‟izao fotoana izao, dia ianareo no nilaza an‟izany fa tsy izaho an!. Fa ohatra fotsiny no nolazaiko tamin‟izao fotoana izao, satria hatramin‟izany dia efa nisy ny “mini-jupe” na ny sarimbavy tena izy.

Dia ajanontsika eo ny tantaran‟iny fiangonana Pergamosy sy ny soavaly mainty iny, fa mazava angamba ny amin‟iny satria misy hery roa izay mifanandrina ao izany. Maty ara-panahy ny olona, ary aleon‟ny olona ny maizina toy izay ny mazava. Ary ambonimbony kokoa ny tahan‟ny finoan‟ny olona zavatra lainga, noho ny finoan‟ny olona zavatra marina. Raha milaza zavatra marina ianao dia hoy ny olona hoe: izany ve dia marina, izany ve dia ho marina, tsy marina izany rangahy ity; fa raha andainganao ilay olona, dia hoy izy, tena mba tsy nampoiziko mihitsy indray izany, hay ve izany ny marina tamin‟ilay izy e! nefa lainga variraraka fotsiny ihany no nafafinao taminy teo. Mora amin‟ny olona izany ny mino ny lainga tsara lahatra alefa any aminy, toa izay ny marina alefa any aminy.

Fa aleon‟ny olona ny maizina, toy izay ny mazava.

Ohatra iray amin‟izany izao ny fitoriana ny tenin‟Andriamanitra, na mandeha amin‟ny radio na amin‟ny boky toy izao, ka raha vao misy hira mahafinaritra azy mandeha amin‟ny fahitalavitra, ohatra ry Dr Sakis, Mickael Jackson, Madonna, Céline Dion, Lady Gaga, ry Big MJ dia leon‟ny olona mijery ny hira babyloniana sy ny hiran‟izao tontolo izao, toa izay mihaino ny tenin‟Andriamanitra. Satria ny an‟ny olona dia aleony ny maizina ihany no hataony. Taiza koa ianareo no nahita mpangalatra niseho imasom-bahoaka izany? Fa tsy maintsy misitrika any amin‟ny maizimaizina sy ny takotakona any ihany izy no manao izany!.

Dia sahala amin‟izay ilay izy hoe: aleon‟ny olona ny maizina, toa izay ny mazava. Ka izany anie re olona dia zavatra efa voasoratra ato amin‟ny baiboly ihany e! fa tsy zavatra vao noforonina akory. Dia samia isika mijery tokoa hoe: ity tantara izay ato amin‟ny apokalypsy efa tany amin‟ny 2000 taona lasa tany ity tokoa ve, no hiainantsika amin‟izao fotoana izao ity?, ka dia ilay tantara nisy tany Azia Minora ity tokoa, no nakan‟i Jesosy Kristy ohatra nentiny ato, ho tantaran‟ny fiangonana.