Fihaonam-be rezionaly Antananarivo faha 10 oktobra 2015

image1Taorian’ireo fitetezam-paritra maro samihafa teto amin’ny rezionaly Antananarivo dia nanatanteraka fihaonam-be rezionaly indray ny fiangonana Apokalypsy rezionaly Antananarivo tetsy amin’ny Fiangonana Apokalypsy AMbohimarina Itaosy. Marihina fa tamin’io fotoana io no namaranana ny fanoloran-tena sy fifadian-kanina 40 sabata izay natomboka tamin’ny volana janoary 2015, teo ihany koa ireo izay nahatratra ny tanjona izay nokinendriny satria dia nahavita ny 40 sabata im-pito, izany hoe fito (7) taona.

 

Fotoana miavaka ity sabata ity satria dia nisy ihany koa ny firaisana latabatra tamin’ny Tompo na fandraisana tao anatin’izany, vahoaka an’aliny maro moa no tonga teny an-toerana nanatrika izany fotoan-dehibe izany izay hita fa dia nisy fivoarana lehibe tokoa raha ny zavatra hita teny an-toerana; nisy ny fanehoana ny fotam-bavaka rehetra tamin’ny alalan’ny fahitalavitra lehibe (ecran LED) izay samy nisy izany avokoa ny zorony roa ankavia sy ankavanana ary dia na ny lavitra na ny akaiky dia samy nahita mivantana ny fizotrin’ny fandaharam-potoana rehetra.

 

Mialohan’ny nidirana tamin’ny firaisana latabatra tamin’ny Tompo dia nisy ihany koa ny fanosorana loholona sy diakona izay avy any ivelan’ny Madagasikara dia tsy iza izany fa ny diakona RARIVO Adrien na fantatry ny be sy ny maro amin’ny anarana hoe Tojo, sekretera jeneralin’ny Fiangonana Apokalypsy Frantsa, izay nohosorana ho loholona sy ramatoa Hasina vady andefomandriny izay nohosorana ho diakona. Tontosa soamantsara araka izany ny fanosorana azy ireto sy ny fanatanterahana ny firaisana latabatra tamin’ny Tompo nandritra io sabata io ary dia hita ho faly sy ravo ny ankamaroan’ireo vahoakan’Andriamanitra izay tonga teny an-toerana ka ny masoandro maty no nampalahelo hoy ny fomba fiteny izay.

Nisy ihany koa ny vaovao lehibe izay nambaran’ny pasteur Mailhol tamin’ny fomba ofisialy tamin’io fa dia hisokatra tsy ho ela ny fahitalavitra TNT izay an’ny Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany moa izany ary nampitondraina ny anarana hoe « Gasy TV » izay marihina etoana moa fa dia efa mandeha ara-dalana io fahitalavitra io ankehitriny ary efa manomboka ny andrana ara-tekninka na ny « essai technique » izany.