FIANGONANA VOALOHANY: FIANGONANA EFESOSY

Raha araka ny planina na ny drafitra efa nomena antsika tany aloha amin‟ny fampianarana ity bokin‟ny apokalypsy ity dia tonga eo amin‟ny fizarana voalohany isika izao, izany hoe ny tantaran‟ireo fiangonana fito izany.
Izany moa dia voasoratra manomboka ao amin‟ny Apokalypsy toko 1 andininy faha 9, ka hatramin‟ny apokalypsy toko faha 3.

Ao amin‟ny toko 1 ao dia misy hafatra nomena an‟i Jaona manao hoe
Apokalypsy 1:10–11 «10 Voatsindrin’ny Fanahy tamin’ny Andron’ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon’ny trompetra, 11 nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ny boky, ka ampitondray ho any amin’ny fiangonana*[Gr. eklesia] fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia. »

Dia mbola namafisiny ihany io fanambarana io any amin‟ny andininy faha 19 sy faha 20 io
Apokalypsy 1:19-20 «19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, 20 dia ny zava-miafina ny amin’ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny fiangonana* fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana* fito. [* Gr. eklesia] »

Ny code ny KINTANA dia efa fantantsika fa milaza hoe ANJELY; ny isa FITO dia efa fantatsika fa milaza hoe isa MASINA izany, na fahatanterahana; ny FANAOVAN-JIRO FITO izany dia milaza hoe FIANGONANA FITO.
Eto izany dia misy zavatra tokony ho marihina kely, fa rehefa milaza kintana izy, dia milaza anjely, ary mety ho anjely tsara io ary mety ihany koa ho anjely ratsy.
Ary rehefa milaza fanaovan-jiro izy dia milaza fiangonana, fa eto dia misy heviny anankiroa ny fiangonana raha ato amin‟ity bokin‟ny faminaniana ity: raha milaza izy hoe vehivavy dia milaza hoe fiangonana, fa raha milaza ihany koa izy hoe fanaovan-jiro dia mbola milaza ihany koa hoe fiangonana izy izay.

Ny sary hasehon’ny fanaovan-jiro sy ny vehivavy

Tsara ho marihina izany, fa ilay fanaovan-jiro raha lazaina ho fiangonana no hiantsoana azy, dia midika fa misy endrika roa ny hilazana ny fiangonana:
– ny endrika voalohany: dia ilay olona mihitsy no lazainy hoe fiangonana. Izany hoe: ilay fitambaran‟ilay olona mivavaka ao no antsoiny hoe fiangonana. Ilay olona mihitsy izany no resahiny amin‟izay.

Ohatra
Eksodosy 17:1 « [Ny nimonomononan’ny Zanak’Isiraely noho ny tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan’Andriamanitra azy rano avy tamin’ny vatolampy] Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ny olona. » Ilay olona mihitsy izany no lazainy eto fa fiangonana.
– Ny endrika faharoa: ilay trano indray no lazaina fa
fiangonana, io no ilay marihiny matetika hoe “Eklesia”. Ka eto izany dia mila havahana tsara mihitsy ny hoe fiangonana “olona” sy ny fiangonana “trano”. Ka raha milaza izy fa hoe “EKLESIA” dia “FIANGONANA TRANO” izay no lazainy. Ka raha ohatra izy milaza fiangonana olona dia tsy mitovy izay. Ka indraindray izany dia “vehivavy” no hilazany ny fiangonana ary indraindray ihany koa dia fanaovan-jiro no hilazany ny fiangonana. Ka arakaraky ny heviny ao, no hanavahana ny hoe: ity fiangonana resahina ity ve, ilay fiangonana trano sa ilay fiangonana olona.

Ka dia hijery ity fiangonana fito ity izany isika.
Rehefa hijery azy ity izany isika, dia ho zaraintsika roa ny boky satria miaraka ho jerentsika ny tantaran‟ny fiangonana fito sy ny tombo-kase fito satria mifanandrify tsara izy roa ireo. 

FIANGONANA FITO TOMBO-KASE FITO (Apokalypsy toko fahenina)
FIANGONANA VOALOHANY: EFESOSY Ny Tombo-kase voalohany : ny soavaly fotsy
Apokalypsy 2:1 – 7 «1 [Ny Epistily ho an’ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain’ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia] 2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. 4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao. 6 Kanefa izao no toetranao:* halanao ny asan’ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao] 7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra. [* Gr. eklesia] »

NY HEVITRY NY TENY Efesosy (grika)= mahatsiriritra

NY VANIMPOTONA NAHITANA NY TANTARA

Ity fiangonana Efesosy ity, dia tamin‟ny taonjato voalohany no nahitana ny tantarany. Izy ity dia fiangonana niorina tamin‟ny taona 52 taorian‟i Jesosy Kristy, ary ny apostoly Paoly no nanorina azy ity. Ary avy eo dia i Jaona no nitondra azy mandram-pahafatiny, eny nandritra ny fahanterany, satria i Apostoly Paoly dia maty maritiora novonoin‟ny fanjakana Romana.

NY SONIA NA « EN-TÊTE » NA FAMANTARANA Ny andininy voalohany no ahitana ny tompon‟ny sonia. Izao no sonia napetrany eo : “Izao no lazain’ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito” Iza io manao ny fanambarana io? « Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny. »

apokalypsy 1:16 hoy izy hoe: “Izao no lazain’ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana sady mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito” Aiza moa Izy no mandeha? Eo afovoan‟ny fanaovan-jiro volamena fito! Apokalypsy 1:12 – 13 «12 Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito; 13 ary teo afovoan’ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ny tratrany.[Na: toa zanak’olona] » Tsy iza izany no manao ny sonia fa i Jesosy Kristy eo amin‟ny voninahiny, Izy no ilay mihazona ilay kintana fito eo an-tanany ankavanany sady tompon‟ny hafatra.

NY FIDERANA AZY, NA FANKASITRAHANA NY FIANGONANA

Ny andininy faharoa no misy ny fankasitrahana Apokalypsy 2: 2 – 3 “2Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.”

Apokalypsy 6:1–2 «1 [Ny namahana ny tombo-kase enina] Ary nahita aho, rehefa novahan’ny Zanak’ondry ny anankiray tamin’ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin’ny zava-manan’aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia*. [* Ampio hoe: (ka izahao)] 2 Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy. »

Nanana tsipìka; ary nomena satro-boninahitra Izy; dia nivoaka Izy ka naharesy sady mbola haharesy.
Iza ity noresahina eto ity?

NY HEVITRY NY TENY Efesosy (grika)= mahatsiriritra

Eto dia misy soavaly iray izay miloko fotsy, izay misy mitaingina, ary dia misy marika hamantarana azy ilay mpitaingina.  Misy heviny daholo izany rehetra izany.
Soavaly fotsy no resahina eto:
Ny soavaly izany eto dia hanehoana ny firaisan‟ilay vahoakan‟Andria-manitra ao amin‟ny fiangonana iray izay mandeha.

Ny lokon‟ilay soavaly izany dia maneho ny toetr‟ireo fiangonana ireo.
Ny mitaingina azy dia maneho ilay fahefana mifehy ny fiangonana. Izay endrikendrika hisehoan‟izy io no hamantarana ny toetoetry ny fahefana mihefy azy, na mamelona na mamono no endrikendrik‟ilay mitaingina ny fiangonana.
Mazava be izany eto fa ity soavaly ity dia mifanandrify amin‟ny tantaran‟ny fiangonana Efesosy, saingy aty amin‟ny tantaran‟ny fiangonana 7 dia mijanona amin‟ny endriky ny lafiny ara-panahy fotsiny ihany no hilazany azy fa rehefa tonga aty amin‟ny tombo-kase faha 6 kosa dia tonga amin‟ny lafiny ara-nofo ilay izy.

NY LOKO FOTSY
Dia maneho fahadiovana, faha-marinana, fandresena.
Izay no mahatonga an‟ilay hoe: ilay fiangonana voalohany no mifanandrify amin‟ity soavaly fotsy ity, satria ilay fiangonana voalohany dia ny fiangonana apostolika, ary dia mahatsiriritra izy ity.
Voalaza ary fa ity soavaly ity dia misy mitaingina azy, ary izay miatingina azy dia manana tsipika sy satro-boninahitra Izy. Ary rehefa jerena io satro-boninahitra io, dia nivoaka ilay famantarana ‟izay mitaingina azy, dia ny hoe naharesy ary mbola haharesy.
Dia tsara ny hanamarihantsika kely azy io

 

NY FANANKIANANA HATAO AZY

Ny andininy faha 4 Apokalypsy 2: 4“Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao.”Niala tamin‟ny fitiavana voalohany no fanankianana niseho teto

NY TORO-HEVITRA

Apokalypsy 2:5 – 7“5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.” Ny fibebahana izany no torohevitra eo “6 Kanefa izao no toetranao:* halanao ny asan’ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao] 7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra. »

INONA NY LESONA AZO TSOAHINA AMIN’IZANY?

Efa hitantsika teo fa fiangonana niorina tamin‟ny taonjato voalohany izy ity, ny taona 52 taorian‟i Jesosy Kristy, ary i Paoly no nanorina azy, ary i Jaona kosa no karazana pasitera nitondra ny fiangonana mandram-pahafatiny. Izany hoe: tamin‟izany fotoana izany dia tsy mbola nisy fiangonana be dia be sahala ny misy amin‟izao fotoana izao, fa mbola fiangonana tokana no nisy tao. Ity tanàna ity mantsy dia tanàna izay niorina tao Azia minora, ary dia nisy fiangonana kristiana tao, sahala amin‟ny hoe: any Ambozontany izao ohatra dia misy fiangonana iray kanefa dia ao amin‟ny faritanin‟i Fianarantsoa no misy azy, sns…. Fa rehefa vita ny sonia dia niditra tao amin‟ny fankasitrahana Izy. Nolazainy tamin‟izany fa:

Apokalypsy 2:2 – 3 “2Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.”

Iza moa ilay nomena satro-boninahitra
Raha araka ny Soratra Masina izany dia misy karazana olona izay omena ity satro-boninahitra ity:
1 Korintiana 9:24 – 27 «24 Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin’ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo. 25 Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò. 26 Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; 27 fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin’ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako. »Ny mpihazakazaka amin‟izao fiainana izao hoy izy dia manao “entrainement” mba hahazo satro-boninahitra, fa isika kosa hoy izy dia mihazakazaka mba hahazo satro-boninahitra, ary satro-boninahitra tsy mety lo. Izany hoe: raha oharina kely izany dia mety ho varahina izany ny satro-boninahitra azon‟ny mpihazakazaka eto amin‟izao tontolo izao, izany hoe: mety ho mihofaka sy ho simba fa ny an‟Andriamanitra dia satro-boninahitra volamena no omeny azy. Ka iza ary ireo olona homena satro-boninahitra ireo:Jakoba 1:12 « Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain’ny Tompo homena izay tia Azy. »Jereo tsara ilay lokon‟ilay soavaly fa fotsy, ary ny olona omena ilay satro-boninahitra dia olona mpihazakazaka, ary nivoaka mpandresy tamin‟ny hazakazaka ara-panahy izay nataony izy, dia ny nitoriany ny filazantsara izany.
Ny olona voazaha toetra indray, izany hoe: tahaka ny volamena voasedra izany, dia omena izany satro-boninahitra izany. Fa aty amin‟ny apokalypsy toko fahefatra dia misy toe-javatra sahala amin‟izao mikasika io satro-boninahitra io:

Apokalypsy 4:2–4 «2 Ary niaraka tamin’izay dia voatsindrin’ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana. 3 Ary ny tarehin’ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana  mitarehin’emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana. 4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin’ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona* efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena. [* Gr. presbytera] »
: misy satro-boninahitra volamena izay nisatrohan‟ireto vahoakan‟Andriamanitra ireto izany eo, izay olona nomena fitafiana fotsy izany dia olona nivoaka mpandresy izy ireo.
Ka asa ihany koa isika raha hivoaka mpandresy toa ireo ihany koa, ka mba hahazo satro-boninahitra izany.
Raha jerena amin‟ny lafiny iray izany dia ny vahoakan‟Andriamanitra mpandresy no mahazo satro-boninahitra. Ka eto aloha, tsy ilay fiangonana no resahiny hoe nahazo satro-boninahitra fa ilay mitaingina soavaly.

Izany hoe: ity fiangonana ity izany, amin‟ny maha fiangonanana mahatsiriritra azy, amin‟ny maha apostolika azy, dia fantatry Kristy ny fiainan‟ny olona tao, sy ny asan‟ny olona ary ny fikelezan‟ny olona aina tao amin‟ny fiangonana. Izany hoe: tena niasa mihitsy izany ny vahoakan‟Andriamanitra tao amin‟ity fiangonana ity, na lehibe na kely, dia samy nanao asa fanompoana mihitsy. Ary dia nikely aina fatratra, nandeha tongotra lava, nandeha bisikileta nandeha fiaramanidina sy hélicoptère, (fa tamin‟izany moa mbola tsy nisy izany rehetra izany, kanefa dia ho nitovitovy tamin‟izany no zava-nisy).

Fa izany rehetra izany no tsy maintsy ho lalovana avokoa raha hanao ny asan‟Andriamanitra. Ka ireny ezaka sy hazakazaka hataontsika fiangonana ireny izany, dia fantatry Jesosy Kristy ireny. Tsy misy miafina aminy ireny, ary ny tsy fahazakanao izay mpanao ratsy, ary ny tsy hamelanao fotsiny izao izay mpanao ratsy, fa tsy maintsy faizina na hitoriana ny tenin‟Andriamanitra ireny, dia hitan‟i Jesosy Kristy.

Apokalypsy 2:2b“Ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy”, izany hoe: misy olona ihany koa izany ao milaza fa mafana fo amin‟ny fitoriana ny filazantsara, kanefa dia mandainga fotsiny ireny, satria ny toetrany dia toy ny hoe: tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany. Ohatra hoe: misy olona heverinao manana fiainam-panahy ambony dia ambony, nefa rehefa tezitra izy dia mitranga ny tandrony. Ka ireny olona ireny izany dia ilay lazain‟ny apostoly Paoly hoe: “milaza ny tenany ho Jiosy kanjo tsy izy, milaza ny tenany ho apostoly kanjo tsy izy, kanjo mpandainga”, misy olona miseho ho manana ny fiainam-panahy ambony izy, kanjo zavatra kely tsy misy dikany ery dia efa mampisendaotra be azy, sy mahatafintohina azy.

Apokalypsy 2:3 “3ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka.” Izany hoe:  manana faharetana amin‟izany fanompoana an‟Andriamanitra izany. Indraindray misy olona mivavaka ao ampiangonana ao, ka rehefa harivariva iny dia efa im-polo kely izy no mijery ora, fa maika hono sao hilaozan‟ny” taxibe”, ary raha tara kely ny firavana dia efa lasa izy sady mimenomenona tsy mahandry ny tsodrano akory.

Fa etsy andanin‟izany, dia misy kosa anefa ireo olona izay tena maharitra tokoa amin‟ny fiaraha-mivavaka, ka na dia efa toriteny tsy manjary aza no miseho eo, dia tsy mihetsika mihitsy izy fa miaritra eo, na dia efa toriteny efa mampanoaka aza no miseho dia miaritra eo izy. Manana faharetana izy, ary maharitra hatramin‟ny fiandrasana valim-bavaka, maharitra amin‟ny fanenjehan‟ny olona azy, ary dia fantatry ny tompo izany na ny fikelezanao aina, mahafoy fotoana, mahafoy fananana, mahafoy hery sy tanjaka amin‟ny fibatana” banc “sy latabatra, sonorisation,sns.

Ka ireny fanompoana ireny izany ireny ilay lazain‟i Paoly any amin‟ny Hebreo 6:10 « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany. » Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ireny fikelezantsika aina ho an‟ny fiangonana ireny, ary dia izany no nahatonga an‟i Jesosy Kristy nanome fankasitrahana ity fiangonana tany Efesosy ity, izay tena nikely aina fatratra tamin‟ny asa fanompoana. Fa na dia nanana izany toetra mahatsiriritra izany aza ity fiangonana ity, dia mbola nahazo fanakianana ihany izy:

Apokalypsy 2: 4 “Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany ianao.” Ny fialana tamin‟ny fitiavana voalohany no fanankianana niseho teto.

Ahoana izany hoe miala amin’ny fitiavana voalohany izany?

1- Raha atao ohatra akaiky dia akaiky ilay izy dia izao: raha vao nihaino ity fampianarana apokalypsy ity ianao dia nanao hoe: tena mahafinaritta be mihitsy izy izany, dia nikasa ianao ny hoe hanaraka an‟ity hatramin‟ny farany, fa tsy mba hatory mihitsy aho. Dia rehefa mandeha tokoa ilay fandaharana, dia tsy matory sy tsy tapaka mihitsy ianao hatramin‟ny fampianarana fahadimy, fa rehefa nizotra tao aoriana kely dia nihakamo; niha-nalaina niha-te hatory, dia any aoriana dia aleo matory, mihitsy.

2- Ohatra ihany koa raha vao nanolo-tena ho an‟Andriamanitra ianao tamin‟ny voalohany dia tsy mba tara mihitsy fa tonga aloha hatrany. Raha miditra amin‟ny sivy ora ny fiangonana, dia amin‟ny valo ora sy sasany ianao dia efa tonga, kanefa rehefa mandeha ny fotoana dia efa tena hiditra mihitsy ny fiangonana vao avy mihazakazaka be, ary dia mbola tsy hadino ireo fitaovana fanoratana sy ny baiboly sy ny cahier rehetra, fa rehefa mandeha ny fotoana dia miha-tara, ary dia mihadino avokoa ny fitaovana rehetra. Rehefa mandeha ny fotoana dia tara vao miditra ny fiangonana, ary dia tsy hita intsony ny fitaovana rehetra, ary ny hiafarany dia ny tsodrano sisa no enjehana any ampiangonana, ary ny hiafarany dia tsy tonga intsony fa dia hoe aleo aloha amin‟ny heriny indray no mandeha fa androany aloha mbola kamo; ary ny hiafarany dia ny hoe: aleo hitambatra amin‟ny krismasy sisa. Dia sahala amin‟izany ny hoe miala amin‟ny fitiavana volaohany.

3- Dia ohatra izany koa ny hoe: tamin‟ny voalohany dia mazoto manao fanatitra, sy ny fahafolon-karena. Efa tena manomana vola tena madio be, fa rehefa taty aoriana dia niova efa savasavaina ny paosy aloha raha mba misy vola madinika, jerena ny paosy ilany dia hita fa hay dimy arivo ariary na 5000ar daholo no tao, dia miteny irery eny an-dalana hanao fanatitra hoe: aiza ary izay vola madinika? Ialahy koa tena manao “erreur” mihitsy tsy mba manakalo vola aloha vao mandeha aty, aiza izao izay vola madinika hatao fanatitra eo?

Tsapaina indray ny paosy ilany dia hita fa hay iray alina ariary na 10000 ar daholo indray no tao, ny filaharana hanao fanatitra miha-mandroso ihany, ary farany dia efa tena akaikin‟ny fanatazan-drakitra mihitsy, dia notsapaina ihany ny paosy, dia nahatsapa vola mitokana, ity angamba ilay madinika fa ity no halefako. Rehefa nalatsaka ilay izy, dia teo vao hita fa hay 5000ar no voarotsaka tao anaty fanatazan-drakitra, dia mbola nojerena tsara indray aloha hoe le 200 ar ve no latsaka ao sa le 5000ar, teo vao tena hita fa hoe tena ilay 5000 ar no latsaka tao. Dia sady mamonjy toerana no miteny irery eny an-dalana hoe: tena hadalana be tsy roa aman-tany mihitsy iny nataon‟ialahy iny, fa aiza ve ka efa fiainana efa sarotra izao dia mbola dimy arivo ihany no rakitra ataon‟ialahy. Tena mila miomana sy manakalo vola mialoha mihitsy izany amin‟ny heriny. Tonga any an-trano koa, efa eny ambonin‟ny fandriana dia mbola miteny irery ihany hoe: tena mila mitandrina mihitsy ialahy amin‟ny manaraka, ka aiza ve letsy raha tsy minisitra ialahy na DG ko 10000 no atao rakitra, fa tena perte mihitsy, mila mitandrina ialahy amin‟ny manaraka. Nefa izy tamin‟ny voalohany raha manao rakitra, izany manao rakitra 10000 ar izany dia tamin‟ny fo mihitsy, ary dia tena miteny mihitsy hoe: deraina ny tompo ary hirotsaka ny fitahiana sy ny fahasoavany amin‟ity fanatitra ity, fa amin‟izao fotoana izao dia anenenana ilay izy. Ary dia izay ilay hoe niala tamin‟ny fitiavana voalohany. Ka hoy ny Tompo manoro hevitra anao hoe “5Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao.

Hidirantsika manaraka ary izao ny momba ny hoe FIBEBAHANA Fa matoa mbola maheno izao ianao dia mbola tian‟Andriamanitra izany ianao, ka ny fanarahana an‟Andriamanitra dia tsy mora satria dia tena ady tokoa izany. Tsy hoe mpandresy foana akory ianao, fa mety ho resy koa indraindray, fa tsy hoe ho resy foana koa akory, fa mba mpandresy ihany koa.

Ka iza marina ary ity mitaingina ity soavaly fotsy ity?
Ao no milaza fa hoe: “mpaminany sandoka,” hono, no mitaingina ity soavaly fotsy ity.
Fa ny valiny dia tsy iza fa i Jesosy Kristy io, ary dia diso dia diso tokoa ny filazana fa mpaminany sandoka na Jesosy Kristy sandoka ity mitaingina ny soavaly fotsy ity, satria:
– voalohany indrindra dia ny fahefana nifehy ny fiangonana tamin‟ny taonjato voalohany izay notarihan‟ny apostoly Paoly sy Jaona dia vanim-potoana niasany sy nanjakan‟ny Fanahy Masina izany taonjato voalohany izany. Ary izany dia nahitana fahitana na fihaonana matetika izay nataon‟i Jesosy tamin‟ny fiangonana tamin‟izany, ary ny farany izany dia ity hitantsika ato amin‟ny apokalypsy ity. Ity soavaly fotsy ity dia indroa ihany no miverina ato amin‟ny bokin‟ny apokalypsy ity. Tsy miverina in-telo izy ity fa in-droa ihany, ary dia saika i Jesosy Kristy hatrany no mitaingina azy ity, satria Izy no fahamarinana, ary Izy no fahendrena, sy fahadiovana ary fandresena, izany hoe: ny hevitr‟io soavaly fotsy io izany dia fahamarinana, fandresena, fahadiovana, fahendrena.Apokalypsy 19:11–13 «11 [Ny amin’ilay nitaingina soavaly fotsy sy ny miaramilany, izay naharesy ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka] Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. 12 Ary ny masony dia lelafo, ary tamin’ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany. 13 Ary miakanjo akanjo voafafy rà* Izy; ary ny anarany dia antsoina hoe Ny Tenin’Andriamanitra. »Mahatoky sy Marina izany no mitaingina azy, ary jereo tsara fa ny mason‟izay mitaingina azy dia lelafo, ary ny lohany dia misy diadema maro. Miankanjo akanjo fotsy lava izy, ary ny anarany dia nantsoina hoe Tenin’Andriamanitra. Dia io efa hitantsika, fa dia marobe tokoa ny anarana izay hiantsoana an‟i Jesosy Kristy dia:
 Tenin’Andriamanitra,
 Imahagaga,
 Imanoela,
 ny Zanak‟Andriamanitra
 Tompo,
 Zanaky ny Ray,
 Mesia,
 Mikaela,
 Kristy, sns…
Ary betsaka ny anarana azo iantsona an‟i Jesosy, eny fa na dia amin‟ny fitenim-pirenena samihafa aza dia samy manana ny teny iantsona Azy avy:
 ny teny hebreo, dia Yessoa,
 ny grika Essoa,
 ny frantsay Jesus, ny anglisy Jesus,
 ny Malagasy, Iezo, Jeso, na Jesosy, sns…

Ary mbola misy hafa marobe ihany koa any, dia mazava ho azy fa ilay mitaingina soavaly fotsy dia tena i Jesosy Kristy mihitsy.
Raha vao manomboka ny tantaran‟ny fiangonana Efesosy dia manomboka ihany koa ny tantaran‟ny Tombo-kase, fiangonana ihany koa no resahin‟izany.

Ny voalohany izany dia tsy maintsy i Jesosy Kristy, satria Izy no voalohany tamin‟ny asa famoronana izao tontolo izao, Izy no voalohany amin‟ny fahafatesana, Izy no voalohany amin‟ny fitsanganana amin‟ny maty, sns… Izy no voaloham-bokatra, ka ny dikan‟izany, dia raha vao miainga ny tantaran‟ny fiangonana dia tsy maintsy i Jesosy Kristy ihany no voalohany ho resahina. Mazava hoa azy izany, fa ity soavaly fotsy ity dia midika ho ny fiangonana voalohany, ary izay mitaingina azy dia manana tsipika mandresy ary mbola handresy, hatramin‟ny fahafatesana.

Apokalypsy 1:18 « dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades] »
Jesosy Kristy izany no manana ny fanalahidin‟ny fiainan-tsi-hita. Io ilay efa maty nefa velona, ilay nandresy ny fahafatesana, ary nandresy ary mbola handresy. Ka tsy misy satana mandresy izany ato amin‟ny baiboly, na hoe mbola handresy izany, fa i Jesosy Kristy no mpandresy ary mbola handresy hatramin‟ny farany. Ary dia mitana tsipika Izy io. Ka ny mpanao Salamo dia efa nilaza izany hatry ny taloha, satria moa Jesosy efa nilaza fa hoe: tsy maintsy tanteraka izay nanoratan‟ny Mpaminany sy ny mpanao Salamo azy:
Salamo 18:13–14 «13 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo. 14 Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy. »

Nandefa ny zana-tsipìkany Izy, ilay Izy dia tsy iza fa i Jesosy Kristy, ka ilay mitaingina soavaly fotsy izany dia tsy iza fa i Jesosy Kristy, ary satria nandresy i Jesosy Kristy dia nomena satro-boninahitra Izy ary dia satro-boninahitra tena volamena.
Dia nivoaka i Jesosy Kristy ka nandresy,

Ka taiza izy no naharesy?

Naharesy izy rehefa maty novonoina, dia nitsangana tamin‟ny maty, nandresy ny fahafatesana, ka rehefa tonga ny fotoana izay handringanana ny ratsy fanahy rehetra, dia io ilay ady lehibe farany, izay natao tany amin‟ny apokalypsy toko 20, rehefa tapitra ny arivo taona, ary dia io ady lehibe farany io ihany koa no nandresen‟i Jesosy Kristy ka nanipazan‟i Jesosy Kristy an‟i satana any amin‟ny farihy afo sy solifara. Ka noho izany dia tena fampianarana sandoka sy diso mihitsy izany ny fampianarana fa hoe: ity mitaingina soavaly fotsy ity dia mpaminany sandoka sy jesosy sandoka, ka dia nomena satro-boninahitra, ka nandresy sady mbola handresy, fa izany loko fotsy izany dia midika fahamarinana sy fahadiovana izany, ka tsy misy mpaminany sandoka hitafy an‟izany.

NY FIBEBAHANA

Misy heviny telo ny fibebahana raha ny teny Grika no hijerena azy. Dia ohatra ny teny frantsay izy io, ohatra hoe:” rentable” ohatra dia misy heviny maro ao. Dia toy izany koa ny teny gasy, ohatra hoe: tonga dia misy heviny maromaro koa, tonga = io izy io; na iny avy iny izy; na avy dia ataovy, ect. Ka ny hevitry ny teny hoe fibebahana voalohany amin‟ny teny Grika ary dia ny hoe STREFO;

STREFO: na MIOVA LALANA na hoe MITODIKA Izany hoe: ny olona tonga amin‟ny fibebahana marina izany dia miova làlana. Ohatra hoe ny olona tonga amin‟ny fibebahana marina izany, rehefa sabotsy izy teo aloha dia mamonjy bal de jeune, na kilalaka, na mandeha misotro toaka, ect. Fa rehefa tonga amin‟ny tena fibebahana marina ilay olona, dia manjary tsy manao izany intsony izy fa lasa mamonjy fianaran-kiran‟ny chorale, lasa mamonjy fotoam-bavaka, sns. Ohatra faharoa: taloha izy rehefa tonga ny alahady dia lasa mamonjy loka, na manao sport any amin‟izay alehany any, fa rehefa tonga amin‟ny tena fibebahana marina izy dia tsy manao izany intsony, fa lasa any ampiangonana foana no ahitana azy rehefa alahady, tsy hitanao mandehandeha izany, fa rehefa alahady ny andro dia efa voahomana ny ankanjo sy ny ranomanitra, fa andeha hivavaka.

Ohatra fahatelo: misy ihany koa ireo toetra hafa tsy mety izay fanao fahiny toy ny hoe zatra mangalatra dia tsy manao izany intsony, na koa hoe zatra mandainga dia tsy manao izany intsony, zatra miteny ratsy, na manompo sampy, na mijangajanga, na zatra manodikodina volam-panjakana dia tsy manao izany intsony izy, rehefa tonga amin‟ny tena fibebahana marina tokoa.

Ohatra koa zatra tsy mandoa taxes sy mpanao risoriso, dia miova làlana tsy manao izany intsony izy rehefa tonga amin‟ny tena fibebahana marina.

Ny heviny faharoa ihany koa dia ny hoe: MITODI-DOHA no hilazana azy, ka raha zatra manao izay ratsy izy teo aloha, dia tsy manao izany intsony izy rehefa nibebaka. Izao no hilazan‟ny baiboly azy. Ohariny tahaka ny zazakely ny hoe: Fibebahana.

Matio 18:2 – 3 «2 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany 3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova* ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo.[*Gr. mitodika] » Izany hoe: isika izany rehefa lehibe, dia lasa misotro toaka, lasa mangalatra, lasa mpisoloky, lasa mpiteny ratsy, lasa mpiatsaravelatsihy, lasa mpifoka rongony, lasa mpijangajanaga, lasa mpialona, lasa mpangala-badin‟olona.

Fa fony mbola zaza izany isika dia tsy nanao izany fa madio ny fo, madio ny saina. Dia hoy Jesosy Kristy hoe: “raha tsy miova toy ny zazakely isika dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy”, ka rehefa lasa toy ny zazakely izany isika dia tsy olona mpanota be lolompo intsony, tsy mpiteny ratsy intsony, tsy mpangalatra, tsy mpijangajanga, ect Fa ho olona mahafatifaty sy tsy manantsiny intsony, dia hoy ny olona hoe: mba niova tokoa i Razozo iny, fa tena tsy nampoizina mihitsy, fa tena afaka amin‟ny toaka sy rongony mihitsy ary dia tena niova ho olom-banona tokoa, satria efa tonga amin‟ilay tena fibebahana marina tokoa izy.

Ohatra koa raha olona zatra nanao mini jupe hatrany am-potompe, na juste au corps sahala ny saosisy be ireny, fa rehefa tonga amin‟ny fibebahana izy, dia miova ny toetrany sy ny fitafiny, fa tsy ankanjo je m‟en fou intsony no hanaovany fa tena miova tanteraka tokoa.

Ezekiela 18:30 « Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak’Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany. » Hoy izy hoe mitodiha, ka mibebaha amin’ny fahadisoanareo rehetra, izany hoe: “miverena amin‟ny fahadisoanareo rehetra”, izany no tiany resahina eto.

Raha ohatra izany ianao mizotra amin‟ny làlana hafa, fa tsy tena tonga amin‟ny làlana tena izy, dia mbola omena antsika eto ihany koa izany ny fomba rehetra hahatongavantsika amin‟izany fibebahana marina izany.

META NOEA = MIOVA SAINA (META = MIOVA, ohatra hoe Métamorphose; NOEA = SAINA)

Ka ny olona tonga eo amin‟ny tena fibebahana marina izany, dia olona miova ihany koa ny toe-tsainy. Io ilay dradradrain‟ny mpanao politika hoe: “raha tsy ny toe-tsaintsika Malagasy mihitsy no miova, tsy ho tafarina ity firenena ity”. Dia raha tsy mihezaka izany isika amin‟ny fiovan‟ny toe-tsaina, dia sy hisy fiovana.

Ohatra hoe: “robinet” vaovao tsy nisy herinandro akory dia efa simba sahady, satria ilay toe-tsaina mihitsy no tsy ao. Na dia asiana daba-pako aza eo, dia mbola eny ivelany ihany ny sasany no manary fako, ary tsy vitan‟izany ihany, fa na dia hita aza fa zaridaina tena mahafinaritra ny manoloana anao eo, dia mbola misy manitsaka sy manipy fako ihany eo amboniny, ka ilay toe-tsaina mihitsy no tsy mety.

Dia ohatra izany ihany, na eny anaty fiara eny aza, dia betsaka mihitsy no romidromitra, vao mifampikasoka kely fotsiny dia efa vavabe, sy faharomontana tsy misy sahala amin‟izany. Fa na ao an-trano aza, raha vao tsy mifanaraka amin‟ny sitrapon‟ny iray, dia efa ady ny ao an! Efa kotaba sy monjimonjy ary dia avonavona be sy tsy mifampiteny mihitsy, dia sahala amin‟ireny hoe: mifampiandry kendry tohana fotsiny.

Dia tonga hatrany amin‟ny hoe: matetika moa izany ny tanora zazalahy dia tsy mahavatra manasanasa tongotra izay, ka dia mamofona be ihany ilay kiraro dia raikitra ny hoe alefaso any andakozia any io kiraro io, na hoe alefaso any andavarangana any. Tena ilay toe- tsaina mihitsy no tsy izy, ka hatrany amin‟ny kiraro froma sy mamofona be izany dia mila izany fiovana toe-tsaina izany ihany koa. Ka ny tena fibebahana marina izany dia ny hoe fiovana ny toe-tsaina.

Romana 12:1 – 2 «1 [Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany. [* Na: fanompoam-pivavahana] 2 Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka]. »

“Atolory ny tenenanareo ho an‟Andriamanitra, ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina”, izay no atao hoe fibebahana: miova mihitsy ny saina. Roa izay ny famaritana ny Fibebahana hitantsika teo: ny voalohany dia ny hoe fibebahana izay midika ho fiverenana amin‟ilay lalan-dratsy faleha taloha; fa ny faharoa kosa dia ilay saina mihitsy no voaova rehefa tonga amin‟ny fibebahana marina ilay olona, ka ilay sainao maramara io, na ilay lazaina fa hoe: “ity tena maramara saina mihitsy” dia tena hiova ho fotsy tokoa iny sainao maramara iny, satria hoy isika ny fotsy dia mariky ny fahadiovana.

Satria dia misy tokoa moa ny olona sasany, izay tsy mba azo atokisana mihitsy fa tena maramara tokoa ny toe-tsainy, fa raha tonga mivahiny ao an-trano izy, dia tena ambenana mihitsy, andrasana toy ny miandry omby mihitsy, satria raha vao misy zavatra mipetrapetraka eo, na telephone, na CD, na” jeux video”, sns, dia angalariny sy amidimidiny eny rehetra eny rehefa avy eo. Mila miova ilay toe-tsaina.

Ianao tena masiaka be ao an-tokatrano, satria dia misy tokoa anie ny olona tena masiaka be mihitsy ao an-tokatrano ao e! toa an-dry tantine izay sorisorena avy any an-dakozia any izy, dia efa mamely ny hoe: hataoko mahita ny anarako ianareo androany, saka tsy maninona mipetraka tsara ery an-joron-trano ery, no omeny ny daka, ary dia mipitika ery amin‟ny rindrina, na ny alika na ny inona dia mahazo daka daholo.

Fa rehefa tonga amin‟ny tena fibebahana marina ilay olona, dia miova ny toe-tsaina, lasa malemy fanahy ilay olona. Ohatra ihany koa: ilay lehilahy mamo lava isan‟andro iny, tsy mampidi-bola an-trano, manao vady telo na efatra, mpamono vady sns…, rehefa tonga amin‟ilay tena fibebahana marina ilay olona dia miova, tsy mamo intsony, tsy tara fodiana intsony, tsy mampijaly vady aman-janaka intsony, fa rehefa tonga aza izy, dia tonga miaraka amin‟ny laoka kely, hena fahefany sy angivy, sns , fa taloha anefa izy tsy mba mitondra izany mihitsy fa laniny tamin‟ny fisotron-toaka sy ny fijangana tany ny vola. Dia gaga ny olona ao an-trano manao hoe: tena niova marina ity vadiko ity, niova i dada:! Fa inona ary no nahatonga azy ity niova sahala amin‟io e! Dia tsotra fotsiny ny valiny: tonga amin‟ilay tena fibebahana marina izy, napoakan‟ny apokalypsy tany izy io.

Ka rehefa tonga amin‟ilay tena  fibebahana marina izany isika, dia miova daholo: tsy ilay dada mamo lava intsony, tsy i neny masiaka intsony no ao an-trano, fa izy mivady miova ho olom-baovao tokoa. Toy izany koa ny tanora, tsy ilay tanora be mokondoha intsony no ao an-trano, tsy ilay mpamalivaly sy kamo be intsony, tsy ireo tanora mpimamo lava sy mpijangajanga intsony fa tanora mankatoa ray aman-dreny.

Tanora miova toe-tsaina, sy mitodika tanteraka. Izany ny olona tonga amin‟ny tena fibebahana marina. Ka raha ny fanjakana Malagasy no tonga amin‟izany metanoea izany avokoa, na ny mpiasam-panjakana, na ny polisy, na ny zandary, na ny mpitsara, na ny mpampianatra, na ny mpamily sns… no tonga amin‟ny tena fibebahana marina dia lazaiko antsika, fa efa tafavoaka ity firenena ity. Izany dia miainga amin‟ny filoham-pirenena ka hatramin‟ny filoham-pokotany, ka hatrany an-tokatrano tsirairay dia ho tafavoaka isika manontolo.

METAMORPHOSE: (META = MIOVA. MORPHOSE = BIKA na ENDRIKA)

 

Rehefa tonga amin‟ny tena fibebahana marina izany ny olona iray dia hita amin‟ny endrika ety ivelany izany fibebahana izany. Tsy any anatiny ihany fa mivoaka avy ety ivelany mihitsy izany fihovana izany. Izany hoe: tsy possible izany ny hoe tanora iray na lehilahy iray, na mompera iray, na pastera iray, na presbitera iray, hoe tonga amin‟ny fibebahana dia ny hetim-bolony, dia kakasany daholo ny sisiny rehetra, fa ny eo amin‟ny tampon-dohany ihany no misy ala-kirihitra kely; na koa hoe olona tonga amin‟ny fibebahana, dia hanao kavin‟ila amin‟ny sofiny iray ankavia. Dia anontaniana izy hoe: fa nahoana ianao no manao kavina dia hoe efa tonga amin‟ny fibebahana marina aho izany!!; fa tena miova mihitsy izany olona izany, na ny bikany na ny endriny dia miova daholo.

Ohatra hoe: vehivavy tonga amin‟ny fibebahana ve, dia hanao “mini-jupe” hatrany ampotom-pe, amin‟izay indray dia mbola misy varavaran-kely avy ao aoriana, nefa ny andro amin‟io ririnina be. Na koa hoe: handeha hiangona izy, dia akanjo faran‟izay tena manify be no hoentina any, na koa hoe handeha hiangona dia “juste au corps” no entina any, dia milaza indray avy eo hoe: Andriamanitra tsy mijery ny ety ivelany fa ny ao anatin‟ny fo no jereny. Dia amin‟izay indray, dia mbola tara ianao vao miditra ao am-piangonana, dia mbola manivaka eo amin‟iny afovoan‟ny “couloirs” iny indray, dia sady maneno ilay kiraro, ary dia miherika daholo ny olona mijery, hoe iza ary ity ramatoa manao “juste au corps” be ity. Dia tsy misy miditra amin‟ny sain‟ny olona intsony izay fivavahana atao ao, fa dia lasa amin‟iny avokoa ny sain‟ny rehetra.

Fa izany hoe: olona tonga amin‟ny fibebahana izany dia miova avokoa: na ny endrika ivelany na ny avy ao anatin‟ny fo sy ny saina, na ny fiteny, na ny fihetsika dia miova avokoa, tsy olona mitrerotrerona intsony, fa olona malefaka. Ka izay no atao hoe tonga amin‟ny fibebahana marina. Tsy manao ny fanaon‟izao tontolo izao intsony ianao fa tena igagan‟ny olona rehetra.

Ka ny Tenin‟Andriamanitra ihany, no afaka manatanteraka izany fiovana ao anatin‟ny fibebahana izany. Tsy vitan‟ny tenanao fotsiny amin‟izao izany, fa tsy maintsy miandry ny fanomezan‟Andriamanitra mihitsy, vao afaka tena mahazo izany fibebahana marina izany:

Asan’ny Apostoly 5:31 « Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra* ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ny Isiraely. [* Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra] »

Asan’ny Apostoly 11:18 « Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana. »

Fanomezana avy amin‟Andriamanitra izany ny fibebahana, izany hoe “cadeau” ho anao io. Io ilay tenenin‟i Jesosy Kristy Tompo hoe: “katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanaraka ho azy ny zavatra rehetra”. Ka ianao izany tsy hoe manao ezaka be hoe hiafy tsy hanao izao sy izao intsony, fa tonga aho azy ao anatinao io, ka na dia ianao aza dia gaga hoe tanteraka amiko tokoa izany; ny olona mpiray trano gaga , ny mpiray monina gaga, ny mpiray firenenea gaga, eny fa na dia ny alika eo amin‟ny tanàna aza dia gaga, satria rehefa mandalo izy taloha, satria mamo dia izay alika lalovany rehetra dia voadaka avokoa, fa amin‟izao izy rehefa mandalo dia tsy mamo intsony, dia tsy voadaka intsony ny alika. Kanefa na izany na tsy izany, rehefa azonao io fibebahana io dia izao no voalazan‟ny Soratra Masina

Matio 3:8 « Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo; »

Izany hoe: rehefa nomena antsika ilay fibebahana, dia tokony ho mendrika izany tena fibebahana izany tokoa isika, na amin‟ny bika na amin‟ny endrika na amin‟ny toetra na amin‟ny fotom-pisainana. Ka ny zavatra tokony hataontsika izany rehefa tonga amintsika izany fibebahana izany, dia ny fanoloran-tena ho an‟Andriamanitra isika:

Romana 12:1 « [Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany. [* Na: fanompoam-pivavahana] » Ny zavatra tsy maintsy ataontsika izany dia ny anolorantsika tena ho an‟Andriamanitra, fa rehefa vitantsika ny manolontena ho an‟Andriamanitra dia Andriamanitra amin‟izay no mahita ny fotoana hizarana ity fibebahana ity amintsika Izay ny momba ny fibebahana. Tohizantsika ny fanazavana momba ny fiangonana EFESOSY;

Apokalypsy 2:5 « Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao. »

Raha ohatra izany teo amintsika efa nisy nihemotra, na nangatsiaka kely tamin‟ny fanompoana an‟Andriamanitra dia mbola misy vanim-potoana famindram-po izay omeny antsika.

Dia hoy izy hoe: “miverena amin‟ny fitiavana voalohany”, raha nahavita tonga aloha ianao tany ampiagonana taloha, fa amin‟izao fotoana izao ianao tsy mahavita intsony, dia miverena amin‟izany; raha nahavita nanao fahafolon-karena dia miverena amin‟izany; raha nahavita nahafoy fotoana hanompoana an‟Andriamanitra dia miverena amin‟izany; raha nahavita nivavaka in-telo isan‟andro dia miverena amin‟izany.

Ny fampaherezana nomeny ny fiangonana

Apokalypsy 2:7 « Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra. [* Gr. eklesia] »

Io no fampaherezana nomeny ny fiangonana Efesosy, rehefa avy nokianiny tamin‟ny andininy faha 4 hoe: “niala tamin’ny fitiavana voalohany” Dia nomeny torohevitra tamin‟ny andininy fahadimy hoe: “izany hoe miverena amin’ny fitiavana voalohany, ary mibebaha, fa sao halàna aminao indray io fanaovan-jiro ao aminao io” izany hoe io ilay fitahiana efa ao aminao io izany dia ho hafindran‟Andriamanitra ho amin‟olon-kafa indray, raha tsy miverina amin‟ny fitiavana voalohany ianao.

Miala io, dia mifindra any an-kafa ka omen‟i Jesosy Kristy ho an‟ny hafa indray io fitahiana io raha tsy mibebaka ianao. Aty amin‟ny andininy faha 7 indray izy, dia manome teny fikasana: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana”, ka isika izay mamaky izao boky izao , dia tokony hihaino izay ambaran‟ny fanahy amintsika, ary izay maharesy dia avelako hihinana ny amin‟ny hazon‟Aina ao amin‟ny paradisan‟ Andriamanitra. Ka raha tena niala tamin‟ny toerana nisy anao teo aloha ianao, izany hoe nisy strefo mihitsy tao, tena nitodika mihitsy ianao niala tamin‟ny ratsy teo aloha, ka nisy metanoea teo amin‟ny fiainanao, izany hoe niova tokoa ny toe-tsainao, ary nisy “metamorphose” tokoa teo amin‟ny fiainanao, izany hoe niova hatramin‟ny bika tety ivelany tokoa, dia hihinana ny hazon‟aina tokoa, ary dia ho any amparadisan‟Andriamanitra tokoa izany ianao.

Samy hafa ny fibebahana sy nyfaneken-keloka, satria ny fibebahana dia midika fa tena tsy hiverenana intsony mihitsy izay tsy nety natao, fa ny fiaiken-keloka kosa, dia miaiky fotsiny fa mety mbola hiverenana.

Raha ohatra izany ka tena nibebaka ilay olona, ka raha tena namono olona izy teo aloha, dia tsy mamono olona intsony izy izany manomboka teo, raha nigoka toaka izy teo aloha dia tsy misotro intsony izy, raha mora tezitra dia tsy mora tezitra intsony izy ankehitriny, raha mpihinam-paraky izy fahiny, dia tsy mihinana intsony izy, raha tsy mpivavaka mihitsy izy teo aloha, dia lasa mpivavaka sns. Fa ny fiaiken-keloka kosa dia tsy mitovy amin‟izany: miaiky fotsiny fa nanota, ary iny dia mety ho zavatra miverimberina matetika, ka izany no maha-mpanota anao izany.

Fa ny fibebahana kosa, dia afaka tanteraka amin‟ny izay natao.

Ny fiaiken-keloka dia izao:1 Jaona 1:7-10 «7 Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. 9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. 10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny marina tsy ato anatintsika. »

Raha misy olona izany milaza fa efa tsy manota intsony izy, satria efa foana ny lalàna ka tsy manota intsony izy, dia azo omena azy io toko sy andininy io. Satria raha hoy isika: Tsy manana ota izahay, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy-fahamarinana rehetra. Izay no antsoina hoe fiaiken-keloka, miaiky ianao fa nanota, ary mikasa sy miezaka ny tsy hiverina amin‟izany intsony