Ifarihy & Anosimahavelona – 17 septembre 2015

Fitsidihana roa sosona no notontosain’ny Pasteur Mailhol ny sabata faha 12 ny volana septambra lasa teo satria dia teny amin’ny Fiangonana Apokalypsy Ifarihy ny tenany ny marainan’io sabata io ary nitsidika kosa indray ny Fiangonana Apokalypsy Ankeniheny Anosimahavelona indray izy ny harivan’io. Fotoana roa miavaka samy nanana ny lanjany na ny tetsy Ifarihy na ny teo Ankeniheny Anosimahavelona tamin’io vanin’Andro io, Ifarihy izay avy nanamarika ny faha 10 taona niorenany ; Anosimahavelona kosa dia nanokatra ny fanamarihana ny fahadimy taona niorenany.

Chorale Ifarihy
Chorale Ifarihy

Nisongadina manokana tamin’ny tenin’Andriamanitra izay noentin’ny Pasteur Mailhol tetsy Ifarihy ary fa tsy mora ny lalana vao tonga amin’izany hoe 10 taona izany. Tsy mitsaha-mitombo mantsy ity fiangonana ity raha jerena satria dia efa intelo izao no nanao fanitarana ny teo anivon’ny Fiangonana Apokalypsy Ifarihy saingy mbola tsy antonona ihany izany ankehitriny ary dia efa mikasa sahady ny hanorina fiangonana vaovao eo an-toerana ihany.

Fiangonana Apokalypsy Ifarihy

 

Raha ny fantatra mantsy dia nambaran’ny pasteur Mailhol fa hovidiana hanorenana fiangonana ilay tany izay nofain’ny fiangonana hatramin’izay ary dia hatomboka tsy ho ela ny fanorenana eo an-toerana. hafaliana sy haravoana araka izany ny an’ny vahoakan’Andriamanitra satria na sia tsy teo aza ny mpanompon’Andriamanitra nandritra ny fanokafana sy ny famaranana ny faha 10 taona niorenany dia anisan’ny fanomezana lehibe nentin’ny mpanompon’Andriamanitra izany vaovao lehibe izany.

Fiangonana Apokalypsy Anosimahavelona

Fa ny hariva kosa dia nihazo ny fiangonana Apokalypsy Ankeniheny Anosimahavelona ny pasteur Mailhol, izay marihana etoana moa fa ao anatin’ny fanokafana ny fanamarihana ny fahadimy taona niorenany ny fiangonana tamin’io fotoana io. Raha ny fiangonana Anosimahavelona manokana no asian-teny dia anisan’ny mandrafitra ny paroasy Iavoloha izy ary tsy dia lavitra loatra ny Fiangonana Ifarihy. Somebiseby ny fiangonana teo am-piandrasana izay fihavian’ny mpanompon’Andriamanitra izay satria dia efa nanatena fatratra sy niandry fantratra izany ireto vahoakan’Andriamanitra ireto nanomboka ny maraina ka dia izao tojo ny tanjona niriny izao izy ireo. Nanakoako re manodidina ny fahatongavana teo an-toerana ary dia saika hita taratra teny an-toerana fa teo ireo nitazana teo ambaravaran-kely, teo koa ireo nivoaka ny trano mihintsy nijery ny zava-misy.

Raha vantany vao tonga ny Pasteur Mailhol dia nanomboka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo vahoakan’Andriamanitra mahakasika ny lalana nolalovan’ity fiangonana ity, ary avy eo dia nitondra fampaherezana manokana ho an’ity fiangonana ity ny pasteur Mailhol taorian’izay. Nambarany tamin’izany ary tao anatin’ny fampaherezana hariva izay nentiny teny an-toerana fa na dia kely aza no niandohan’ity fiangonana ity dia ho lehibe indrindra no hiafaran’ity aoriana. Porofon’izany moa ny zavatra hita teny an-toerana tamin’io fotoana io satria dia efa ao anatin’ny fanorenana tanteraka ny fiangonana ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao vanin’andro izao ary dia efa tafakatra avo dia avo ny rindrin’ny fiangonana ankehitriny ka hiditra eo amin’ny fametrahana ireo rihana na ilay antsoina koa hoe « Balcon ».

Toy izay ireo zava-nisy teny amin’ireo fiangonana roa notsidihin’ny pasteur Mailhol ny sabata 12 septambra 2015 lasa teo ary mbola maro no azo lazaina saingy misy ny horonan-tsary izay mirakitra izany azontsika jerena ihany koa.

https://youtu.be/LBFJ-cKuMZI?list=PLPMxY5UhE6K3DcW20S5hcNxktHHP3F4Ll

https://youtu.be/MgGslPuYpkw