Jesosy Kristy maty, nilevina, nitsangana araka ny soratra masina

Fampidirana

Efa hitantsika teo ambony, fa Jesosy Kristy dia nanana ny mpianany sy ny anjeliny marobe nanaraka azy teny amin‟izay rehetra nalehany; fa etsy andanin‟izany ihany koa, dia eo ihany koa i satana izay manana ny mpianany, sy ny anjeliny marobe ihany koa manaraka azy.
Dia efa hitantsika ihany koa fa satana dia mpaka tahaka, ka raha tamin‟izany fotoana izany izao ohatra, raha niteny Jehovah hoe manaova fanatitra ho Ahy, ka biby madio tsy misy kilema no atolory ho Ahy dia mba maka tahaka an‟izany ihany koa satana. Dia toy izany koa raha naka fanahy an‟i Abrahama Jehovah dia nilaza fa hoe: ento ny zanakao lahy dia ilay tena tianao indrindra no ento hatao fanatitra ho ahy, dia ataoko ho tonga ho firenena lehibe ianao, izany hoe: ho tahiana hatao tonga mpanefoefo na « milliardaire » ianao; dia ho an‟ireo mpanao majika ireo ihany koa, dia takian‟i satana zavatra sahala amin‟izany ihany koa izy ireo, ka misy ny atao hoe « magie blanc, » ary misy ihany koa ny hoe « magie noire. » Ka rehefa tonga eo amin‟io « étape magie noire » io ny olona iray, dia takian‟i satana zavatra sahala amin‟io, hany ka mba te ho « milliardaire » ihany koa ry zareo, dia lasa manao fanatitra olona ry zareo, ka izay olona tena tiany no asainy atao sorona: raha ny zanakao lahy no tena tianao dia io no takiany; raha ny vadinao no tena tianao dia io no angatahiny, raha ny ray aman-dreninao dia io no angatahiny, asain‟i satana ho vonoina atao sorona ho azy.
Dia asainy mamono olona betsaka ihany koa ilay olona, dia mba miha-mitombo ny fahefany.

Dia toy izany koa ny zavatra miseho taty amin‟ny vanim-potoana nahatongavan‟i Jesosy Kristy. Raha ohatra i Jesosy Kristy manasitrana sy manao fahagagana dia ilay jesosy kristy sandoka ihany koa manasitrana sy manao fahagagana, raha mampianatra Soratra Masina ilay Jesosy Kristy tena Izy dia mampianatra toy izany koa ilay jesosy kristy sandoka. Fa ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mahazo mamoa voa tsara.

Ahoana marina ary ity Jesosy Kristy ity?

Izay filazantsaran‟ny famonjena izay no fototra hiorenan‟izy rehetra, fa ny sisan‟izay dia fampandriana adrisa fotsiny ihany, fa ny zavatra rehetra dia ao amin‟i Kristy avokoa. Izany no nahatonga an‟ny apostoly Paoly ilaza hoe tsy amarinina amin‟ny lalàna ny olona fa amin‟ny finoana an‟i Jesosy Kristy, ary izany ihany koa no mahatonga ny olona marobe hilaza fa hoe: i Kristy ihany no fototry ny zavatra rehetra, fa rehefa tsy ao amin‟i Jesosy Kristy dia manidintsidina fotsiny ny zavatra rehetra. Ka izany no mahatsara ny mahafantatra ny hoe: “iza marina ity Jesosy Kristy tompon’ny fanambarana ny boky apokalypsy ity?” Dia mazava ho azy izany fa tsy maintsy ho Jesosy roa izany no ho voaresaka eto, ny iray dia ilay tena Izy araka ny Soratra Masina ary ny iray kosa ilay sandoka, izany hoe sandoka satria tsy mifanaraka velively amin‟izay voalazan‟ny Soratra Masina ny fanambarana azy.
Misy izany ilay Jesosy Kristy tena Izy, miaraka amin‟ny olona izay mino sy manaraka Azy, mitondra ny fanambaran‟i Jesosy Kristy ao amin‟ny bokin‟ny apokalypsy; fa ankilan‟izay dia misy ihany koa ilay jesosy sandoka izay manana ny vahoakany sy ny miaramilany ihany koa, ka ilay jesosy sandoka io koa izany dia hitondra ny vahoakany sy ny miaramilany mba hanazava ny apokalypsy ihany koa. Dia mbola ho hitantsika eto ihany ny tohiny, fa rehefa mazava tsara ny momba ilay Jesosy Kristy tena Izy dia mandeha ho azy ny fanazavana an‟io. Ka rehefa ilay fanazavan‟ilay jesosy sandoka moa izany no hitanao fa marina dia fampianarana ny apokalypsy sandoka ihany koa izany no harahinao. Ka mila havahana tsara sahady izany dia ny ety ampiandohana.
Hidirantsika amin‟izay ary ny fanazavana:

Maty Izy araka ny Soratra Masina

1 Korintiana 15:3–4 «3 Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4 dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; »
Inona ary ny soratra masina tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy?
Dia hofaritantsika amin‟izay ny amin‟ny hoe: “nahafatesany araka ny soratra masina ny nilevenany sy ny nitsanganany”
Lioka 24:44–47 «44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. »
I Jesosy Kristy izany talohan‟ny niakarany tany an-danitra dia nanambara fa hoe: “tsy maintsy ho tanteraka hoy izy izay rehetra nanoratana ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo”.

Ny bokin‟ny lalàn‟i Mosesy izany dia nanoratra momba an‟i Jesosy Kristy, ary izay mpaminany rehetra hatraty amin‟ny andron‟i Jesosy Kristy dia nanoratra sy nanambara ny momba an‟i Jesosy Kristy. Ary ny bokin‟ny Salamo dia niresaka momba an‟i Jesosy Kristy. Dia mazava tsara izany, fa ity Jesosy Kristy ity, izay tompon‟ny fanambarana ato amin‟ny Apokalypsy, dia efa noresahin‟ny bokin‟ny lalàn‟i Mosesy; efa noresahin‟ireo mpaminany maro, na dia i Jesosy Kristy tenany aza ,noho ,ny maha-mpaminany Azy, dia efa niresaka ny tenany Izy: niresaka Izy fa ny zanak‟olona tsy maintsy ho faty ary ho halevina, ary tsy maintsy hitsangana ary hiverina any amin‟ny Ray, amin‟ny maha Tenin‟Andriamanitra Azy, dia niresaka an‟izany Izy.
Ka i Jesosy Izy tenany mihitsy izany no milaza fa: “tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana azy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny Salamo”. Dia ho fantarintsika izany rehetra izany, mba tsy hahatonga antsika hovoafitaka, ka rehefa fantatra io dia izay vao mazava ny tompon‟ny hafatra sy ny mpanoratra ary izay hiantefan‟ny hafatra dia afaka miroso amin‟izay isika.

Ahoana no niresahana Azy tany amin’ny lalàn’i Mosesy izany?

Dia handray ohatra vitsivitsy izany isika fa tsy manana fotoana betsaka hivalamparana eto:
Miresaka momba ny zanak‟ondry izay tsy maintsy vonoina mialoha ny Paska ny Eksodosy,
izay tandindon‟i Jesosy Kristy izany zanak‟ondry izany.
Eksodosy 12:5-6 «5 Zanak’ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izy; 6 ary hotehirizinareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ity volana ity; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. »
Eksodosy 12:11 « Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’i Jehovah. »
Io ilay Zanak‟ondry vonoina amin‟ny Paska amin‟ny faha14 volana Abiba rehefa hariva ny andro. Ka io Zanak‟ondry io dia voaresaka aty amin‟ny Jaona 1:29 « Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra* ny fahotan’izao tontolo izao! [*Na: mitondra] »

I Kristy izany io Zanak‟ondry io, izay hanalana ny fahotan‟izao tontolo izao. Ka io Zanak‟ondry io anefa any amin‟ny lalàn‟i Mosesy, dia vonoina rehefa tonga ny andro Paska ny 14 Abiba na volana voalohany.
Ka jereontsika ihany koa fa rehefa tonga ihany koa ny Paska dia i Jesosy Kristy mihitsy no tsy maintsy ho vonoina:
Jaona 19:14–16 «14 ary andro fiomanana amin’ny Paska ny andro, tokony ho tamin’ny ora fahenina dia hoy izy tamin’ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo! 15 Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin’ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin’ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan’ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay. 16 Ary tamin’izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ny hazo fijaliana. Dia noraisin’ireo Jesosy; »

Eto izany dia i Jesosy Kristy rehefa tonga ny andro fiomanana amin‟ny Paska, dia indro Izy fa natolotra teo ambonin‟ny hazo fijaliana, dia tsy maintsy novonoina tokoa Izy.
Any amin‟ny lalàn‟i Mosesy dia voalaza fa rehefa mamono zanak‟ondry amin‟ny Paska dia tsy hisy tapahina ny taolany:
Eksodosy 12:46–47 « 46 Ao an-trano iray no hihinanana azy; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza. 47Ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, hitandrina izany. »
Tsy hisy ho tapahina ny taolany rehefa mihinana an‟io. Ka dia jereo ihany koa i Jesosy Kristy rehefa novonoina fa tsy nisy notapahina ihany koa ny taolany
Jaona 19:30–34 «30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. 31 Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry
ny andro Sabata eo amin’ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany. 32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’i Jesosy
tamin’ny hazo fijaliana. 33 Fa nony nankeo amin’i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony. 34 Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy rà sy rano nandeha. »

Tsy notapahina izany ny taolan‟i Jesosy Kristy, fa nolefonina kosa ny lanivoany ary nisy rano sy rà nandeha.
Hitantsika izany izay fa i Jesosy Kristy dia Zanak‟ondry izay tsy maintsy ho vonoina alohan‟ny Paska ary ireny zanak‟ondry ireny izany dia tandindon‟i Jesosy Kristy. Tsy maintsy natao izany ny fitondrana zanak‟ondry talohan‟ny vanim-potoana nahatongavan‟i Jesosy Kristy mba hahazoana famelan-keloka. Fa ankehitriny kosa dia tsy misy intsony izany ny Kristiana izay mitondra biby hatao fanatitra izany, satria efa vitan‟i Jesosy Kristy izay sorona izay, satria Izy mihitsy ilay Zanak‟ondry, ka dia mifarana teo izay fitondrana fanatitra izay satria izay mihitsy koa no voalazan‟i Soratra Masina.

Dia milaza ihany koa ny mpaminany mikasika an‟ity Jesosy Kristy ity, ka na dia ny fotoana nahaterahany aza dia efa voalazan‟ny soratra masina :Isaia 7:14 « Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’anaka ny virijina*[*Na: zazavavy]ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] »
Isaia 9:5 « Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga] »

Ity zaza ity izany dia nomena anarana hoe:
– Mahagaga,
– Mpanolo-tsaina,
– Andriamanitra Mahery,
– Rain’ny mandrakizay,
– Andrian’ny fiadanana.
Ary ny virjina no hiteraka azy. Dia aty amin‟ny Matio toko voalohany dia milaza ny nahaterahan‟i Jesosy Kristy, izay mitantara ny nahatanterahan‟izany faminanina izany:
Matio 1:18–21 «18 Ary ny nahaterahan’i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin’i Jesosy, ho fofombadin’i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy. 19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho taminy tamin’ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, 21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy]»

Jereo izany fa raha raisintsika ilay tany amin‟ny Isaia toko faha 9 dia efa nahitana anarana tokony hiantsona Azy, dia ilay hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Izany hoe anarana 5 no fitambarany, kanefa any amin‟ny toko faha 7 ihany koa dia efa ahitana ny hoe Imanoela izay midika hoe Amintsika Andriamanitra indray no hiantsoana azy. Rehefa tonga aty amin‟ny testamenta vaovao indray, dia i Jesosy no iantsoana Azy, izany hoe Jehovah no Mpamonjy, na hoe amintsika Andriamanitra. Izany hoe ity Kristy ity izany dia misy anarana maro no azo iantsoana Azy, (ohatra:

– Zanak‟olona,
– Zanak‟ondry,
– Zanak‟Andriamanitra,
– Kristy,
– Jesosy,
– Tompo,
– Mpampianatra…)
ka rehefa teraka tokoa i Jesosy Kristy, dia fantatra fa tena virjina tokoa no niteraka azy araka izay nilazan‟ny mpaminany azy)

Matio 1:22–23«22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin’Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] 23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. »
Voalazan‟ny ireo Mpaminany ihany koa, fa ny hahatongavan‟izy io ety an-tany dia hiasa. Dia misy teny maro hahitantsika an‟izany, fa anisan‟izany ity voalaza ao amin‟ny:
Isaia 35:3–6«3 Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. 4 Lazao amin’izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika] 5 Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. 6 Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina. »

Izay no nolazain‟ny mpaminany, ary i Jesosy Kristy no resahiny amin‟io izay hampatanjaka ny lohalika malemy, hampahiratra ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana. Dia tanteraka ireo rehefa tonga Jesosy Kristy, hitantsika izany ao amin‟ny Matio 15:29–31 «29 Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo; 30 ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ny tongotr’i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy; 31 ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Isiraely izy. »

Santionany fotsiny io fa betsaka ny mitantara an‟izany ao amin‟ny baiboly. Io no nolazain‟ny mpaminany Isaia, izany hoe: efa noresahintsika tany aloha fa hoe, i Kristy dia tsy maintsy handeha araka izay nanoratan‟ny lalàn‟i Mosesy, sy ny Mpaminany, ary ny Salamo Azy. Efa hitantsika izay ny lalàn‟i Mosesy, sy ny nolazain‟ny mpaminany (izay ohatra vitsivitsy fotsiny ihany), dia andeha ho jerentsika indray izay voalazan‟ny bokin‟ny mpanao Salamo mahakasika Azy.

Ny nilazan’ny mpanao Salamo Azy

Ohatra io bokin‟ny mpanao Salamo io, dia efa nilaza fa ho fantsiana amin‟ny hazo fijaliana io Jesosy Kristy io: Salamo 22:16 « Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy* [Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy] »
– Ohatra ihany koa ny fitafiany nanaovana loka: Salamo 22:18 « Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny. »
– Ohatra manaraka: noharabian‟ny olona izy satria nilaza ny olona hoe raha Andriamanitra ianao dia mba vonjeo ny tenanao, fa namonjy ny hafa ianao koa tsy hahavonjy ny tenano ve?
Salamo 22:7–8 «7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: 8 Ankino amin’i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin’i Jehovah izy] » Dia jereo koa ny naovan‟ny olona azy hoe mba midina eo raha zanak‟Andriamanitra tokoa ianao fa raha midina eo ianao dia mba hino anao koa izahay!! Efa hitantsika daholo izany taty amin‟ny testamenta vaovao;- Efa hitantsika ihany koa fa i Jesosy Kristy rehefa teo ambony hazo fijalina, dia nampisotroina vinaigitra, fa ny mpanao salamo koa efa nilaza an‟izany mialoha: Salamo 69:21 « Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho. » Jereo fa nasainy nisotro vinaigitra izy rehefa nangetaheta, dia nampisotroina vinaigitra tokoa anie i Jesosy Kristy, ary voasoratra tokoa izany tao amin‟ny testamenta vaovao:

Jaona 19:21–24«21 Ary noho izany ny lohan’ny mpisorona tamin’ny Jiosy dia nanao tamin’i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan’ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jiosy Aho. 22 Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro. 23 Ary rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany. 24 Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko (Sal. 22. 18). Izany zavatra izany no nataon’ny miaramila. »

Jaona 19:28–30 «28 Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho. 29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ny hysopa ka nataony tamin’ny vavany. 30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny. »
Dia tanteraka avokoa ny nanoratan‟ny mpanao Salamo Azy,

– Fa mbola ambaran‟ny mpanao Salamo ihany koa fa ny sakaizany no hamadika azy: Salamo 55:12–14 «12 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho; 13 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra, 14 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ny maro ho ao an-tranon’Andriamanitra. »Izany hoe ny sakaizany mihitsy no hamadika Azy dia tsy iza moa fa i Jodasy izany, toy izao no hilazan‟ny testamenta vaovao izany:

Jaona 13:21–27 «21 Rehefa nilaza izany Jesosy, dia nangorohoro ny fanahiny, ka nanambara hoe Izy: Lazaiko
aminareo marina dia marina tokoa fa ny anankiray aminareo no hamadika Ahy. 22 Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy. 23 Ary nisy mpianatra anankiray
nipetraka nihinana teo anilan’i Jesosy, dia ilay tian’i Jesosy. 24 Simona Petera nanatrika azy ka nanao taminy hoe: Lazao izay izy. 25 Ary raha mbola nipetraka tahaka izany izy, dia niraika ho amin’ny tratran’i Jesosy ka nanao taminy hoe: Tompoko, iza moa izany? 26 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Ilay homeko ny sombin-kanina lemako no izy. Ary rehefa nolemany ny sombin-kanina, dia noraisiny ka nomeny an’i Jodasy, zanak’i Simona Iskariota. 27 Ary manaraka izany no nidiran’i Satana tao aminy, ka hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy faingana. » dia efa hitantsika teo fa efa voalazan‟ny mpanao salamo izany zavatra rehetra izany. Ka izay zavatra rehetra izay ambaran‟i Jesosy Kristy fa tsy maintsy ho tanteraka izany dia niseho avokoa.4.2.3.1.Raha izay no nanambaran‟ny mpanao Salamo Azy dia ahoana indray hoy ny mpaminany?

Ny nanambaran’ny mpaminany Azy?

Ny mpaminany ihany koa dia nilaza fa tsy maintsy ho vonoina io Mesia io, ao amin‟ny
Daniela 9:24–27 «24 Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina* ny fahotana, ary hanao fanavotana,,noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana** sy hanosotra izay masina indrindra.[*Heb. hanisy tombo-kase][**Heb. mpaminany] 25 Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana* dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro**; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’izay andro mampahory.[*Na: ilay andriana voahosotra][**Na: ary amin’ny herinandro roa amby enim-polo, dia etc] 26 Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia* ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.[Na: ilay voahosotra] 27Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ny antsasaky ny herinandro, ary amin’ny elatry* ny fahavetavetana no nihavian’ny mpandrava, hatramin’ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin’ny mpandrava**. [*Na: eo an-tampon’][**Na: ny efa lao] »
Milaza ny mpaminany fa rehefa afaka 62 herinandro dia ho vonoina ny Mesia, ary aiza no hamonoana ny Mesia: dia milaza ny mpaminany fa hatsahatra ny fanatitra alatsa-drà amin‟ny antsasaky ny herinandro.

Oviana moa izany fanatitra alatsa-drà izany no natsahatra?

Dia tamin‟i Jesosy Kristy nohombohona tamin‟ny hazo fijaliana. Tsy nisy biby natao sorona intsony fa efa vita ny sorona, tsy misy biby natao sorona intsony fa efa Izy no natao sorona farany, efa vitan‟i Jesosy Kristy ny fanatitra tamin‟ny antsasaky ny herinandro. Ka rehefa ho avy izany ny fotoana ahafatesan‟izany Jesosy Kristy izany, dia efa nolazain‟ny mpaminany ihany koa ny fotoana ahatanterahan‟izany.Izany hoe: maty i Jesosy Kristy rehefa afaka 62 herinandro, ary tamin‟ny antsasaky ny herinandro no nolazain‟ny mpaminany fa ahafatesany.

Ka rehefa maty sy nalevina ary Izy, dia firy andro indray no fotoana nilevenany?

Dia ho jerentsika indray izay voalazan‟ny mpaminany, satria i Jesosy Kristy koa dia mpaminany, dia Izy tenany mihitsy no nilaza izany, fa tsy maintsy ho faty Izy ary hitsangana amin‟ny andro fahatelo.Dia nilaza
an‟izay izany i Jesosy Kristy, ary dia in-telo ihany koa izy no nilaza izany tamin‟ny mpianany:

1. Matio 16:21 « Hatramin’izany no vao natoron’i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo. » nilaza izany i Jesosy Kristy fa hovonoina ary hatsangana amin‟ny andro fahatelo, nanamafy izy fa tsy maintsy ho vonoina rehefa afaka 62 herinandro, ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà amin‟ny antsasaky ny herinandro. Ka rehefa maty izy tamin‟ny antsasaky ny herinandro dia efa voalazany ihany koa ny fotoana hijanonany ao am-pasana.

2. Matio 12:38 – 40 «38 Ary tamin’izany ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo
namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. 39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy
famantarana homena azy, afa-tsy faman-tarana ny amin’i Jona mpaminany; 40 fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’Andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. »Izany hoe ity Jesosy Kristy ity koa izany rehefa milevina ao am-pasana araka ny nolazain‟ny mpaminany hoe: ho vonoina ny Mesia, ary na Izy Jesosy Kristy aza amin‟ny maha mpaminany Azy, dia Izy tenany mihitsy no milaza fa rehefa milevina ao am-pasana ao Izy dia tsy maintsy milevina ao araka ny Soratra Masina, maty Izy dia tsy maintsy maty araka ny Soratra Masina.

3. Jaona 2:19-21 «19 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy. 20 Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana? 21 Fa ny tenany no tempoly nolazainy. »

Inona moa ny Soratra Masina ?

Lioka 24:44-46 «44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo; » Efa hitantsika fa raha tamin‟ny andron‟i Jesosy Kristy ny Soratra Masina dia midika ho ny lalàn‟i Mosesy, sy ny bokin‟ny Mpaminany, ary ny bokin‟ny mpanao Salamo.Ka rehefa milevina ihany koa Izy izany dia tsy maintsy araka ny Soratra Masina, izany hoe araka ireo boky voalaza teo ambony ireo izany. Ka eto dia milaza Izy fa i Jona raha hamonjy ny olona any Ninive, dia tsy maintsy nitoetra tao ankibon‟ny hazandrano lehibe, telo andro sy telo alina vao nahavonjy ny mponin‟i Ninive. Dia i Jesosy Kristy ihany koa izany raha hamonjy ny olona rehetra, dia tsy maintsy mitoetra telo andro sy telo alina tao ankibon‟ny tany, izay vao hitsangana amin‟ny maty.

Andro inona no hitsanganany?

Dia voalazany ihany koa izany fa hitsangana izy amin‟ny andro fahatelo. Araka ny nolazainy fa ho faty ny zanak‟olona ary hitsangana amin‟ny andro fahatelo. Efa mazava izany fa ity Kristy ity dia ho faty, araka ny Soratra Masina, hilevina araka ny Soratra Masina ary hitsangana araka ny Soratra Masina. Dia mazava ny efa noteneniny, fa tsy maintsy ho tanteraka ny nanoratana azy araka ny Soratra Masina. Dia tanteraka tokoa ny nilazana azy hoe “Zanak‟ondry”, satria dia io tokoa Izy fa nantsoina hoe Zanak‟ondry, ary ny Zanak‟ondry dia vonoina alohan‟ny Paska, dia io tokoa Izy fa novonoina alohan‟ny Paska. Ny Zanak‟ondry hoy ny mpaminany rehefa afaka 62 herinandro, (ka rehefa tonga any ny lesontsika dia hanazavana an‟io 70 herinandro sy ny 62 herinandro io isika) dia hita tokoa fa novonoina.

Dia voalaza ihany koa fa hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà amin‟ny antsasaky ny herinandro Izy, ary dia nitsahatra tokoa ny fanatitra alatsa-drà tamin‟io antsasaky ny herinandro io. Dia mazava izany fa ity Jesosy Kristy izay tompon‟ny fanambarana ato amin‟ny bokin‟ny apokalypsy ity, dia tsy maintsy tanteraka izay nanoratana Azy tato amin‟ny amin‟ny Soratra Masina, fa izy dia ho faty araka ny Soratra Masina nilevina araka ny Soratra Masina ary nitsangana araka ny Soratra Masina.

1 Korintiana 15:3 – 4 «3 Fa natolotro anareo ho isan’ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, 4 dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina; »
Noho izany ity Jesosy Kristy izay nomen‟i Jehovah ny fanambarana ato amin‟ny boky Apokalypsy ity izany dia ilay Jesosy Kristy maty araka ny soratra masina voalazan‟ny mpaminany Daniela hoe: hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà tamin‟ny antsasaky ny herinandro. Ity Jesosy Kristy tompon‟ny fanambarana ity dia ilay Jesosy Kristy izay lazain‟Izy tenany mihitsy fa hitoetra telo andro sy telo alina ao anatin‟ny tany, ary ho famantarana nomeny ho an‟ireo ratsy fanahy sy mpijangajanga izany.

Ka iza moa ireo ratsy fanahy sy mpijangajanga ireo izany?

Tsy iza ireo fa IANAO, IZAHO, ISIKA rehefa nialona olona, rehefa namono olona, nanompa, nangalatra, nijangajanga, nanota dia kilasiana ao anatin‟io daholo. Ka amin‟ny maha-Andriamanitra fitiavana Azy, dia Izy tsy mba manavaka, tena mpamonjy izao tontolo izao Izy. Ka ilay Jesosy Kristy tompon‟ny fanambarana ity rehefa nilevina, dia hitoetra telo andro sy telo alina ao ampasana; io Jesosy Kristy io izay maty araka ny soratra masina, nitsangana tamin‟ny maty tamin‟ny andro fahatelo ity, dia Izy no tompon‟ity fanambarana ity. Hafatra avy aminy izany no raisintsika, ka raha misy Jesosy Kristy tsy maty araka ny Soratra Masina dia tsy izy izany, na misy olona milaza mihitsy mantsy fa izy hono no kristy, satria tsy izy intsony hono no velona fa i Jesosy Kristy no velona ao anatiny dia izy mihitsy,hono,izany no kristy, dia ny mahagaga dia mbola misy olona manaraka azy ihany amin‟izany. Kanefa moa tsy mahagaga ihany izany satria i Jesosy Kristy mihitsy no efa nilaza fa hisy ilaza fa izy no kristy na hitsangana fa izy no kristy.

Ka raha sanatrian‟izany ve ka hilaza eto koa i Pasitera Mailhol fa izy no kristy, satria i Jesosy Kristy mihitsy no velona ato anatiko dia izaho izany no kristy, dia hino an‟izany ve isika?!! Ka raha tsy olona vendrana isika mamaky eto ka hino hoe izaho mihitsy no kristy, dia hisy hanaiky an‟izany ve?!! Fa dia misy olona moa dia mino sy manaiky zavatra sahala amin‟izany, fitahiny amin‟izany ny olona ka milaza amin‟ny fahitalavitra sy ny radio izy fa izy hono no kristy dia misy manaiky an‟izany tokoa. Fantaro aloha ilay olona mitondra ny hafatra, Jesosy inona no torian‟io olona io? Satria mety ho betsaka ihany koa no hampianatra io bokin‟ny Apokalypsy io.

Fantaro aloha izay mitondra ny hafatra, fa raha tsy mazava ny tompon‟ny fanambarana, ka tsy mifanandrify amin‟izay voalazan‟ny Soratra Masina, dia tsy izy izay fa mety ho ny cousin-ny na ny rahalahiny izany na hafa mihitsy, izany hoe Jesosy” copie” izany, ka ny zavatra efa natao copie dia efa tsy manankery, ka aza mety ho fitahin‟ny olona amin‟izany.

Efa saika voavalintsika amin‟ny ankapobeny ihany ny fanontaniana hoe iza moa ity Jesosy Kristy tompon‟ny fanambarana ity, dia tsy ho sahirana intsony isika handray izay fanambarana izay.

FAMINTINANA

Raha ho fintinina kely vetivety ary ny hoe iza moa i Jesosy Krsity? Dia izao no azo ambara:
i Jesosy Kristy izay nomena ity fanambarana ity, dia voalazan‟ny Soratra Masina fa Izy io dia Tenin‟Andriamanitra ary io Tenin‟Andriamanitra io izany dia noharian„Andriamanitra na noforonin‟Andriamanitra voalohany indrindra tamin‟ireo zava-boahary rehetra, nataony ho zava-boahary nanana loha, rantsam-batana ary vatana, ka neken‟Andriamanitra io zavatra noforoniny io hanana izany endrika izany, fa saingy izy io dia manana endrika toy izao: nymasony dia sahala ny lelafo, ny tavany mamirapiratra sahala ny masoandro, ny akanjony dia akanjo fotsy lava, ny ranjony sy ny sandriny dia toy ny varahina manganohano, ny tratrany misy fisikinam-bolamena, ny feony dia toy ny vahoaka marobe. Io izany no zava-boahary noharina voalohany indrindra, izay vao nahary ireo zava-boahary rehetra any an-danitra Andriamanitra dia ireo anjely sy ny sisa.

Rehefa vita izany vao namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra, ary io Jesosy Kristy io no mpita-marika teo an‟ilany, Izy no niaraka tamin‟Andriamanitra ilay voalaza tao amin‟ny Genesisy hoe: “andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika”.
Rehefa avy eo anefa io Jesosy Kristy io dia nisy fotoana izay nisehoany tamin‟ny Daniela mpaminany, ka io endrika nolazaintsika teo ambony io no nisehoany tamin‟ny Daniela. Tsy zakan‟i Daniela ny fisehoany fa mamirapiratra be ka lavo sahala amin‟ny maty izy rehefa nahita azy. Noho izany io Kristy io raha eo amin‟io fisehoany io, na Iza no iantsoana Azy na Iza, na Mikaela, na Kristy, na Mesia, na Iza, dia tsy zakan‟ny olombelona ny mifanatrika aminy.
Fa nataon‟Andriamanitra ho tonga nofo izy io. Nirahiny io teny io, ary novolavolain‟ny Fanahy Masina, ka nampidirina tao ankibon‟i Maria, ary tonga olona. Rehefa tonga olombelona tety an-tany Izy, dia nofoanany io endrika izay itoviany amin‟Andriamanitra io, ary dia afaka niresaka tamin‟ny olona Izy, fa ny olona tamin‟izany no tsy nahalala fa hoe: ity Jesosy Kristy ity anie ka Ilay zanak‟Andriamanitra satria nofoanany avokoa ny endrika rehetra mety itoviany amin‟Andriamanitra,.Satria raha ilay endrika hitoviany amin‟Andriamanitra no entiny ety an-tany, dia tsy hisy olombelona mety hahazaka an‟izany. Ka rehefa tonga tety an-tany Izy dia tsy maintsy nandeha araka izay nanoratan‟ny Soratra Masina Azy, izany hoe nandeha araka ny:

– Voalazan‟ny lalàn‟i Mosesy ary fa Izy no ilay Zanak‟ondrin‟ny Paska izay vonoina alohan‟ny paska, ary tsy hisy ho tapaina ny taolany.
– Voalazan‟ny mpaminany ihany koa fa ny sakaizany ihany no hamadika azy dia i Jodasy izany.
– Voalaza ihany koa fa ho faty Izy rehefa tapitra ny 62 herinandro, ary Izy no
ilay hatao fanatitra alatsa-drà farany amin‟ny antsasaky ny herinandro. Ka raha ny voalazan‟ny fiangonana kristiana fa ny fotoana nampitsaharana ny fanatitra alatsa-drà farany, dia teo amin‟ny fotoana
namantsiana an‟i Jesosy Kristy teo amin‟ny hazo fijaliana, mazava izany fa tamin‟ny antsasaky ny herinandro no namantsiana an‟i Jesosy Kristy
teo amin‟ny hazo fijaliana.
– Voalaza ihany koa fa rehefa ho faty Izy dia hitoetra ao anatin‟ny fasana telo andro sy telo alina, araka ny nambaran‟i Jesosy Kristy ary hitsangana amin‟ny andro fahatelo, amin‟ny maha mpaminany Azy no naminaniany ny fahafatesany.

Izany hoe fantatra izany ity Jesosy Kristy tompon‟ny fanambarana ato amin‟ny apokalypsy ity, fa Izy dia Tenin‟Andriamanitra nohariana ho olombelona, ka noho izany rehefa miteny Izy dia Tenin‟Andriamanitra no ao aminy, ary izany no mahatonga azy hiteny hoe: “Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko”. Sy ny hoe “nirahin’ny Ray aho nidina tety an-tany ary dia mbola hiverina any amin’ny Ray Aho hoy Izy”.

Dia ady hevitra be mihitsy izany tamin‟izany andro izany, satria Izy dia nanambara fa hoe mbola tsy hary akory i Abrahama dia efa nisy Izy hoy Izy. Nefa ny olona dia nahalala tsara mihitsy ny ray aman-dreniny, nisy ihany koa olona niara-nilalao taminy, ary mety koa aza nisy nahita ny nahaterahany tamin‟ireo tanora niarahany ireo. Dia mety ho nisy niara nilalao rugby, volley sy basket, na foot, na kapsily, na zoera, na tosika pneu taminy an! Ka vetivety eo dia ilaza izy hoe “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”, ary dia tsy azon‟ny olona mihitsy izany resany izany. Izany ihany koa no mahatonga Azy iteny hoe “izaho no lalana sy fahamarina ary fiainana, tsy misy mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako”. Izany hoe raha tsorina izany ilay izy dia izao: “ny tenin’Andriamanitra no làlana sy fahamarina ary fiainana, tsy misy mankany amin’ny Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra.” Milaza Izy hoe: “izao no fiainana mandrakizay dia ny mahalala anao izay Andriamanitra tokana”, izany hoe Andriamanitra izany dia tokana, fa tsy maro, tsy dimy na enina na telo fa tokana, sy i Jesosy Kristy izay nirahiny. Ka iza moa ity Jesosy Kristy izay nirahina ity? Mila fantarina io satria ny fahafantarana Azy ity no an‟isan‟ny hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Io Jesosy Kristy io dia tsy iza fa ilay Tenin‟Andriamanitra izay nirahina tety ambonin‟ny tany. Ka fantatra izany fa Jesosy Kristy izay tompon‟ny fanambarana ato amin‟ny bokin‟ny apokalypsy ity dia:
– Maty araka ny voalazan‟ny Soratra Masina, izany hoe maty Izy ity rehefa afaka ny 62 herinandro,
– Maty tamin‟ny antsasaky ny herinandro Izy ity,
– Fantatra ihany koa fa rehefa maty Izy ity dia nilevina telo andro sy telo alina tao anatin‟ny tany,
– Fantatra ihany koa fa nitsangana tamin‟ny maty tamin‟ny andro fahatelo izy ity,

Ka raha misy Jesosy Kristy hafa izany ivelan‟izany fanamarihana rehetra izany, dia mpisandoka izy fa tsy izy no tompon‟ny fanambarana. Ka raha milaza izany io Jesosy Kristy io fa hoe: tsy nahazo telo andro sy telo alina tao anatin‟ny tany izany izy, ary tsy maty tamin‟ny antsasaky ny herinandro, dia mazava ho azy izany fa dia sandoka izany fanambarana izany ka aoka isika tsy ifamitapitaka amin‟izany. Ary anjarantsika no mamantatra ilay hoe iza ilay Jesosy Kristy torian‟ilay mpitory ny boky apokalypsy io.