Nandritra ny kaongresy nasionalin’ny antoko GFFM na Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara, dia tapaky ny biraon’ny antoko fa ho arotsaka ho isan’ny kandida an’ity antoko politika ity ny pasteur Mailhol izay filoha mpanorina ny FAM na Fiangonana Apokalypsy Maneran-tany, izy rahateo ihany koa no nanorina ny antoko GFFM izay efa nisy hatramin’ny taona 2012.
« Tonga ny fotoana hoy ireto mpikambana avy amin’ny antoko GFFM ireto izay nanambara fa tokony hanavotana an’i Madagasikara ao anaty lavaky ny fahantrana ka tsy manana olona azo antoka afatsy ny pasteur Mailhol izahay , izy izay sady olon’Andriamanitra fa tsy toy ny mpanao pôlitika ka hinoanay fa tahaka ny fangaraharany amin’ny fitondrana fiangonana dia ho toy izay koa ny fangaraharan’ny fitantanany ny firenena. »
Raha ny hita tokoa mantsy dia roapolo taona izay no niorenan’ny fiangonana Apokalypsy; ary efa saika henika azy avokoa ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara, ary efa miparitaka hatrany ampita-dranomasina aza, raha tsy hilaza fotsiny toy ny ao Frantsa, la Réunion, Maurice, sy ireo faritra maro hafa izay efa ahitana mpino avy amin’ity fiangonana ity.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny pasteur Mailhol raha namaly ny fangatahan’ny antoko izay nandrotsaka azy ho kandida dia nambarany fa vonona sy sahy ny tenany ary tsy handefitra amin’ireo izay minia mampahantra ny gasy ka minono ny harenam-pirenena, izay tokony hampandrosoana lavitra an’i Madagasikara tokoa raha ny habetsahany. Nanambara ihany koa ny tenany fa tapitra hatreo ny fanaovan’ny vahiny sy mpanao pôlitika ampihimamba ny fananam-pirenena fa tsy maintsy mandroso i Madagasikara, ka n’iza n’iza vonona hiara-hiasa hikatsaka ny tombo-tsoa iombonan’ny malagasy rehetra dia vonona ny tenany handray izany.
Ambetin-teniny matetika ihany koa ny hoe: « tsy hanao toy ny mpanao pôlitika aho ka hihinam-be toy ny fanaon’izy ireo amin’ny harem-pirenena izay 1% sisa no tonga any amin’ny vahoaka fa saika voatelina avokoa ny 99% fa hanova kosa ny fitantanana ka ny 90% dia tsy maintsy miditra amin’ny vahoaka fa kosa ny 10% na ny ampahafolony ihany no tokony hotakiana amin’ny vahoaka fa ny 90 mijanona amin’ny vahoaka ».
tsy fotoana tokony hitanondrehan’ny firenena intsony izao fa fotoana tokony handrosoana ka « roso toy tsa mipody koa » hoy ny pasteur Mailhol
Maro ireo vinam-piarahamonina kasainy ho tanterahina, ary raha ireo vina ireo tokoa no tanteraka dia tsy ho ela dia handroso sy ho sambatra i Madagasikara raha ny nambaran’ireo nanatrika ity kaongresy nasionalin’ny antoko GFFM ity.