Olona 178 no nanolo-tena niroso tamin’ny ranon’ny Batisa ny sabata 02 Aogositra 2014 lasa teo

Nanatanteraka batisa lehibe ny Fiangonana Apokalypsy teto Madagasikara ny sabata faha 02 Aogositra 2014 lasa teo. Ririnina ny andro kanefa tsy nahasakana ireo olona nanolo-tena ho an’Andriamanitra izany fa dia mbola maro ireo vita batisa tao anatin’izany. Rehefa nojerena ny toetr’andro dia toa tsy araka ny nieritreretana azy fa dia naneho ny voninahiny Andriamanitra; nibaliaka soamantsara ny masoandro ary azo lazaina ho amin’ny antonony ny mari-pana. 178 ary ireo olona vita batisa tamin’io sabata io izay toa tsy dia fahita loatra raha amin’ireo fiangonana zandriny avy taty aoriana izany hoe olona an-jatony vita batisa izany, tsy mora anefa ny lalana miandry azy ireo raha ny nambaran’ny mpanompon’Andriamanitra ny pasteur Mailhol ka dia nisy ny hafatra lehibe izay nampitainy tamin’izany. Tsy ho an’ireo vita batisa ihany anefa fa dia natokana ho an’ny rehetra izany hafatra izany. Eto ary izahay dia miarahaba manokana ireo izay nanolo-tena tamin’izany ranon’ny batisa izany ary maniry indrindra ny mba haharetan’izy ireo hatramin’ny farany sy hijoroan’izy ireo mahatoky indrindra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.