Paroasy Ambohidratrimo sabata faha 26 Septambra 2015

Nanatanteraka fihaonam-ben’ny paroasy ny sabata 26 septambra lasa teo ny teo anivon’ny Paroasy Ambohidratrimo izay ahitana fiangonana fito (7) mandrafitra izany paroasy izany. Tetsy amin’ny Fiangonana Apokalypsy Soamanandray no nanatanterahana izany ary saika nahitana solon-tena avokoa ny teo anivon’ireo fiangonana fito ireo ary dia vory lanona ny vahoakan’Andriamanitra satria nanamarika izany manokana ny fahatongavan’ny Pasteur Mailhol teny an-toerana sy ireo delegasiona maro niaraka taminy avy teto anivon’ny foibe.

 

Raha ny fiangonana Soamanandray manokana mantsy no asian-teny dia efa hita fa tena nivoatra dia nivoatra ity fiangonana ity satria raha ny fiangonana tamin’ny voalohany dia kely dia kely no niandohany saingy ankehitriny dia efa lasa fiangonana lehibe izany raha ny hita teny an-toerana. Raha ny tamin’ny voalohany mantsy dia ny antsasany ihany no nisy ny fiangonana fa ankehitriny kosa dia efa avo roa heny izany fitombon’ny fiangonana izany fa tsy toy ny teo aloha intsony, ary dia raha ny hita mihintsy aza moa dia efa nihamaro ihany koa na ireo vahoakan’Andriamanitra mivavaka ao ka dia tanteraka teo amin’izany fiangonana izany mihintsy ilay hoe « kely no niandohanao fa lehibe indrindra kosa no hiafaranao », ary dia anisan’ny fampaherezana manokana nomeny ho an’ity fiangonana ity mihintsy moa izany tenin’Andriamanitra izany.

 

Fa raha niditra tao amin’ny perikopa kosa indray ny pasteur Mailhol dia nilaza sy nanambara fa efa mitobaka ny fitahiana ary « hiompampana ny fanambinana ny olon’Andriamanitra amin’ity taona ity na dia eo aza ireo fanenjehana maro samihafa izay ataon’ny fahavalo » mbola nanampiany izany ihany koa ny hoe: « ho taom-panambinana ity taona ity,ary hihinana ny maniry ho azy ny olona na ny ara-panahy na ara-nofo » . Hafaliam-be araka izany ny an’ny vahoakan’Andriamanitra izay tonga teny satria dia voky ny matavy ny fanahin’ny olona ary dia niravoravo sy nidera an’Andriamanitra.

Toriteny Pasteur Mailhol Soamanandray le 26 09 15