Mitohy manohy ny asany amin’ny maha-pastora azy ny pastora Mailhol na dia eo aza ireo fanenjehana sy fanaratsiana samihafa, taorian’ny fanambarana lehibe izay nataony ny amin’ny irotsahany ho isan’ireo mpifaninana amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny taona 2018. « Manan-jo haneho ny heviny sy izay tiany hambara ny rehetra » hoy ny nambarany raha noezahina nalaina ny heviny mahakasika ireo fanehoan-kevitra samihafa izay mipoitra etsy sy eroa indrindra ny mahakasika azy manokana, ary « tsy azonao sakanana koa ny hafa tsy hilaza ny ao am-pony satria raha tsy misy ny mpanohitra sy mpanenjika dia tsy manana antoka ianao fa any aloha, satria ny mpanenjika dia any afara foana » hoy ity pastora ity hatrany rehefa nitafa tamin’ny mpanao gazety samihafa.
Ny mahavariana tokoa mantsy dia toa efa maro ihany ireo izay naneho mivantana sy nilaza mivantana na ankolaka ny firotsahany hofidiana saingy toa tsy dia nanaitra ny maro izany sady toa tsy dia nampiova zavatra be dia be, saingy raha vao ity mpitondra fivavahana ity no namoaka ny fanapaha-keviny izay nolazainy fa iraka na koa baiko avy amin’Andriamanitra dia toa niteraka resa-be teo anivon’ireo karazana haino aman-jery samihafa sy tambazotran-tserasera samihafa izany.
Ao ny mankasitraka, ao ny manohitra, samy manana ny fomba entiny manohana ny heviny avokoa ny tsirairay ; ao kosa anefa ireo izay toa minia manenjika be fahatany fotsiny ka tonga amin’ilay fiteny hoe « halako bika, tsy tiako tarehy » fotsiny fa tsy mba manana foto-kevitra ijoroana , asa angaha mety izay tokoa angaha ilay hoe « ny malagasy ory hava-manana » ka n’inona inona endrika fampandrosoana sy fiovana tian’ny hafa atao dia aleo amin’izao fotsiny toy izay hiova ho amin’ny tsaratsara kokoa.
Misy kosa anefa ireo toa tsy dia manan-kevitra loatra ka miloa-bava hoe « aleo mba mpitondra fivavahana indray no ho eo fa mba maka aina kely aloha ny mpanao politika e ». Dia samy manana ny fijeriny sy ny heviny tokoa ny tsirairay kanefa ny namaranan’ny pastora Mailhol ny teniny dia ny hoe : « hamonjy ny malagasy rehetra no hahatongavako eo, ary izay no mission na hiraka nampanaovin’Andriamanitra ahy, ka na ny mpanohana, na ny mpanenjika dia adidiko sy andraikitro ny manafaka azy ao anatin’izao fahatrana izao », hoy izy hatrany rehefa mamarana ny fandraisam-pitenenany ; ka asa tokoa angaha hoe olombelona toy ny ahoana, ary malagasy avy aiza no tsy mba maniry ny hahafaka an’i Madagasikara ao anatin’ny fahantrana ka dia handeha hanao bingo manao matso indray ka hisalovana ny anjaran’ny sasany , na koa ndeha hanao valala an-karona ka tsy mahay afatsy ny hifanipaka ihany ? raha samy handroso ihany tsy aleo ve hatambatra ny hery ho entina mampandroso sy manatsara toy izay hanao asa jamba rafozana toy ny nifidianana mpanao pôlitika hatrizay ?