Fotoam-bavaka lehibe no notontosaina teo amin’ny Fiangonana Apokalypsy Antsahatsiresy ny sabata 12 Janoary 2019 lasa teo. Teo ihany koa no nanokanan’ity fiangonana ity fotoana manokana niarahabana ny filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalypsy dia ny pasteur Mailhol nahatratra ny taona 2019, vao miandoha tokoa ny taona ka dia adidin’ny zanaka no miarahaba ny Ray aman-dreniny, na ny ara-nofo izany na ny ara-panahy, ka dia izany no notontosain’ireto fiangonana ireto nandritra ity fotoana ity.
Nitohy tamin’ny firaisana latabatra tamin’ny Tompo ity fotoana ity.
Ny fiangonana Antsahatsiresy raha tsiahivina dia, mbola ao anatin’ny fanorenana Fiangonana, ary le be dia lehibe raha ity fiangonana izay haorin’ireto vahoakan’Andriamanitra ireto ka dia mila ny tolo-tanana manokana avy amiko sy avy aminao.
Misokatra ho an’izay rehetra malala-tanana araka izany ity fiangonana ity koa dia miantso ireo tsara sitrapo rehetra ka afaka manohana ity fiangonana ity mba hanatitra izany etsy amin’ny foibe Apokalypsy Ambodin’Isotry isan’andro mandritra ny ora fisokafan’ny birao.