Pasteur Mailhol nitsidika ny faritra Antanetikely Ambohijoky

 

DSCN0469Ny sabotsy faha 09 ny volana septambra 2017 lasa teo dia nitsidika ny faritra Antanetikely Ambohijoky, ao anatin’ny faritra Androhibe Antsahadita ny Pasteur Mailhol mivady sy ny ankohonany. Sabata niavaka satria dia fotoam-bavaka lehibe no natao tamin’izany ary narahina fandraisana fanasan’ny Tompo sy fitsofan-drano ny zaza; saingy tsy diso anjara tamin’izany koa anefa ny teo amin’ny lafiny fiaraha-monina.

DSCN0422
Tananan’Antanetikely Ambohijoky

Nangataka fihaonana manokana tamin’ny pasteur Mailhol mivady ireo filoham-pokontany manadrafitra ny kaominina Androhibe Antsahadita, izay notarihin’ny ben’ny tanàna tany amin’iny faritra iny. Nafana ny resaka narahina ady hevitra satria dia mbola be ireo misalasala sy miroa saina ary nangata-panazavana ny amin’ny antony hoe fa maninona ny pasteur Mailhol no hirotsaka hofidiana indray?

DSCN0506
Pasteur Mailhol miaraka amin’ireo sefo fokontany mandrafitra ny kaominina Androhibe Antsahadinta

Taorian’ny ady hevitra sy ny tafatafa izay nifanaovana dia nisy ny sakafom-pirahalahiana izay natao niaraka tamin’ireo sefo fokontany sy ny ben’ny tanàna tao an-toerana, ary dia toa naneho taratra sahady fa dia tokony hahavita zavatra tsara sy goavana rehefa miray hina ho amin’ny tanjona iray ny vahoaka na dia mbola tsy dia nasian-dresaka loatra aza ny tontolo pôlitika sy tetik’asa fampandrosoana teo an-toerana.

RSCN0513
Mponina Antetikely Ambohijoky liana amin’ny fandalovan’ny Pasteur Mailhol

Na teo aza anefa izany rehetra izany dia tsy nanakana ireo sefo fokontany izay toa nanararaotra sahady namoaka ny hetahetam-pony ny amin’ireo olana samihafa atrehiny amin’ny fampivoarana ny tontolo misy azy; izay hita tokoa fa dia toa tany lavitr’andriana ihany izy ireo noho ny halaviran-toerana, moa eo ihany koa ny haratsian’ny lalana izay mila fanamboarana tokoa.

Saika tantsaha mpiompy sy mpamboly avokoa moa ny ankamaroan’ny olona mipetraka amin’ity kaominina Androhibe Antsahadita ity, ka voalaza sy hita fa olana lehibe ho azy ireo ny famoahana ny vokatra avy any an-toerana noho izay haratsian’ny lalana izay, eo ihany koa ny olana eo amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny tsy fisian’ny fotodrafitr’asa maharitra ho amin’ny fampandrosoana iny faritra iny. Raha ny hita tamin’ny fotoana nandalovana teny an-toerana ny sabotsy lasa te odia saika ritra avokoa ireo renirano manondraka iny faritra iny, ary dia miandry loha-orana ny mpamboly mba hahafahany mampiasa ny tanim-bariny indray.

DSCN0502
Atoa ben’ny Tanàna Androhibe Antsahadinta mandray ny pasteur Mailhol

Raha atao bango tokana dia maro ireo faritra toy ny kaominina Androhibe Antsahadita no saika misedra olana avokoa eo amin’ny lafiny foto-drafitr’asa sy tsy fandriam-pahalemana saingy toa tany lavitr’andriana ka zara aza misy fotoana toy ny tamin’ny sabotsy teo nahafahana nitafa sy nizara izany tamin’ny Pastora Mailhol izay nilaza fa hitondra fanovana ho an’i Madagasikara. Maro tokoa mantsy izay nilaza ny hitondra fiovana sy fanatsarana ny tontolo ambanivohitra izay saingy tsy mba nijery ifotony tahaka ny nataon’ity mpitondra fivavahana ity fa dia zatra mihaino tatitra ambony latabatra fotsiny ka hany ka lasa manamaivana ny hetahetam-bahoaka ary dia zara raha misy hetsika atao saingy hetsika tsy mahavita taona fa mándalo ihany.