Pasteur Mailhol nitsidika ny Rezionaly Mahajanga ny 26 03 16 sy ny 02 Aprily 2016

Taorian’ny fitsidihana nataon’ny Pasteur Mailhol sy ireo mpiara-dia taminy ny rezionaly Antsirabe dia ity fitsidihana notontosaina tao Mahajanga ity indray fitsidihana nivoaka ny faritany Antananarivo voalohany, naharitra teo amin’ny roa herinandro teo izay fitsidihana izay ny sabata 26 martsa 2016 sy ny sabata 02 aprily 2016 lasa teo. Marihina moa fa dia ny alarobia 23 martsa 2016 no nigadona tao Mahajanga ny Pasteur Mailhol tokony ho tamin’ny 5 ora hariva teo ho eo,ary dia nihazo avy hatrany ivon-toeran’ny Fiangonana Apokalypsy tao Mahajanga  rehefa avy nijery ny manodidina ny tanànan’i Mahajanga. Vahoaka maro no tonga nitsena azy nandritra izay fotoana izay ary mbola mazava rahateo moa ny andro ka nisy ny fiodinana ny tanàna izay natao ho karazana fampahafantarana ny mponin’i Mahajanga fa dia tonga tao Mahajanga izany mpanompon’Andriamanitra izany. Taorian’izay kosa vao nihazo ny foiben’ny Fiangonana Apokalypsy tao Mahajanga ny tenany izay noraisin’ireo komity tao an-toerana, ary dia dinik’asa avy hatrany no notanterahina tao anatin’izay, mahakasika indrindra ity fitsidihany ity ary indrindra mandritra ny fotoana nivahinianany tao an-toerana; Nitohy izany dinik’asa maro samihafa izany ampitson’io andro nahatongavany io ary dia niafara tamin’ny fiarahana miala voly izany ny talata 29 martsa taona 2016 teny amin’ny morondranomasin’i Maroala izay niarahany nitsangatsangana tamin’ny vahoakan’i Mahajanga, fety be araka izany ny andron’io 29 martsa io satria dia saika nahitana solon-tena avokoa ireo faritra manodidina teny antoerana ary dia ny masoandro mody mihintsy aza moa no nampalahelo tao anatin’izay. Fa nialoha io fitsangatsanganana io dia nanararaotra ihany koa ny teo anivon’ny dorkasy rezionaly mahajanga nandritra ny fandalovan’i Ramatoa Aurella Mailhol tao an-toerana satria dia nisy ny seminera manokana izay natokana ho an’ny vehivavy rehetra ny alahady 24 martsa tao amin’ny fiangonana Apokalypsy Tsararano Mahajanga, ary dia fahombiazana tanteraka no hita tao anatin’izay satria dia vehivavy maro no tonga nanatrika izany fotoana manokana izany ary dia samy nilaza ho afa-po avokoa ireo teny an-toerana rehefa nohadihadiana akaiky ny mahakasika ny fizotry ny seminera.

DSCN0081 DSCN0085 DSCN0086 DSCN0091 DSCN0092 DSCN0094 DSCN0097 DSCN0098 DSCN0102 DSCN0105

Tsy tapitra teo anefa ny hetsika fa dia mbola nitohy tao amin’ny « Maison des Jeunes Mahajanga » ny sabata 02 aprily 2016, nandritra ny fihaonam-be rezionaly notontosaina tao an-toerana, feno hipoka io toerana io araka izany satria dia tonga avokoa ny ankamaroan’ireo vahoakan’Andriamanitra manodidina an’i Mahajanga, izany hoe raha ny marimarina kokoa dia ny Vahoaka Apokalypsy mandrafitra ny rezionaly Mahajanga, fa tsy latsa-danja tamin’izany ihany koa anefa ny vahiny teo amin’ny manodidina.