Famintinana ny Planin’ny boky

Misy ny atao hoe « prologue », na « introduction » na koa hoe fampidirana:
Izay no fototry ny trano, ka tsy maintsy mandalo an‟izany aloha, fa tsy avy dia tonga dia hoe any amin‟ny toko fahefatra ambin‟ny folo 14 no hiazakazahana ho hazavaina. Ny“prologue” na ny “introduction” na ny teny fampidiarana dia ny apokalypsy toko voalohany andininy voalohany ka hatramin‟ny andininy fahavalo.

Misy koa ny hoe « developpement » na ny famelabelarana:
Ny toko ahitana an‟izany indray dia ny Apokalypsy 1: 9 ka hatramin‟ny apokalypsy toko faharoa amby roampoloandininy fahadimy. Izay izany no famelabelarana azy iray manontolo.
Io ilay famelabelarana na « developpement » io izany dia misy planina ihany koa ao anatiny ao, fa tsy sanatria mandehandeha ho azy.
Mbola mizara fito izany io famelabelarana io, satria ny isa fito dia milaza fahafenoan-javatra, na fahatanterahan-javatra, na isa masina. Ka raha nanao ity boky apokalypsy ity izany Andriamanitra dia nataony tamin‟ny fahafenoana izy ity, satria ny fahendren‟Andriamanitra dia lalina sy ambony indrindra, ary dia avo lenta ny fisainan-Andriamanitra.

Ny fizarana voalohany na ny fahitana momba ny fiangonana fito (fiangonana fito)
Apokalypsy 1: 9 ka hatramin‟ny Apokalypsy 3. Izany hoe rehefa mianatra ity bokin‟ny apokalypsy ity izany isika dia mianatra ny tantaran‟ny fiangonana. Ka io fiangonana fito io izany, dia haneho ny fahafenoan‟ny tantaran‟ny fiangonana rehetra eran-tany, na ny tamin‟ny lasa na ny ankehitriny na ny mbola ho avy. Tsy hisy tantaran‟ny fiangonana izay tsy ho hita ao izany ka mbola mivavaka amin‟ilay Andriamanitra iray tsitoha mpahary ny lanitra sy ny tany, ary mino an‟i Jesosy Kristy, izany hoe ny fiangonana kristiana rehetra.
Ho voaresaka ato koa ny mizilmana ohatra, ny israeliana, ny fiangonana apostolika, ny fiangonana katolika, ny fiangonana protestanta, ny fiangonana sekta, ny fiangonana apokalypsy. Ka tsy maintsy ho voaresaka ao daholo izany ny anaram-piangonana rehetra. Dia misy milaza hoe: maninona moa raha ny fiangonana apokalypsy ihany no teny teneninao ao fa maninona no manonona ny anaram-piangonan‟ny sasany ianao? Fa angaha moa fady na tsy azo atao ny manonona ny anaram-piangonana hafa, na jiosy izy, na mizolmana izy na katolika na FJKM, na pentekotista na adventista, na temoin de Jehovah, ect? Angaha fady sa tsy azo tononina izany? Tantara misy izany, ary dia miresaka an‟izany avokoa ny olona rehetra, ka raha anontanianao ny olona hoe: inona moa ny fiangonana misy anao?
Dia hamaly anao tsotra fotsiny izy hoe izaho mivavaka amin‟ny FJKM , na Katolika, na ect, fa tsy hisy olona ka hamaly anao hoe fady na fahotana ny manonona ny anaram-piangonako ka! Raha tsy hoe olona marary saina angaha na tsy ampiampy kely. Hianatra ny tantaran‟ny eglizy izany isika eo.

Fizarana faharoa dia ny tombo-kase fito
Apokalypsy toko fahefatra ka hatramin‟ny toko fahavalo. Inona no zava-miafin‟ny izany tombo-kase fito izany. Ny tombo-kase izany dia manambara fahefana. Tsy misy fahefana raha tsy misy tombo-kase hanamarihana ny maha manam-pahefana ilay hafatra. Ka misy tombo-kase fito izany voaresaka eto. Inona no hifandraisan‟io amin‟ny fiangonana fito?

Fizarana fahatelo na ny Fahitana momba ny trompetra fito
Apokalypsy 8:2 ka hatramin‟ny Apokalypsy 11. Miresaka momba ny trompetra fito. Inona no tiany ho lazaina amin‟ity trompetra ity? Ny mpitsoka mozika dia mitsoka ireny trompetra ireny. Mafy faneno izy io ka tsy maintsy taitra izay olona maheno ny feony. Fa maninona no nataony fito fa tsy enina? Dia misy dikany hatrany izany io isa fito io, ny fiangonana ,syny tombo-kase, ary ny trompetra dia samy isa fito avokoa.

Fizarana fahefatra, na Ivombesatry ny bokin’ny apokalypsy, na “pivot de l’apocalypse”
Apokalypsy 12 ka hatramin‟ny Apokalypsy 14. Ao izany no fon‟ilay boky. Rehefa tonga eo ny fampianarana, dia be dia be ny mpiazakazaka no mihintsana an-dalana, ary dia enjana sy mafy ny fampianarana rehefa tonga eo, satria nahoana? Ao anatin‟io no mivoaka ny fampianarana ny isa 666. Ka rehefa tonga eo amin‟io fanazavana io dia milaza hatrany aho hoe: aza manasa olona hafa intsony hihaino ny fampianarana, satria rehefa tonga ao, dia tsy hisy ho azony intsony ny fampiana rana fa dia ho romodromotra sy hanimba zavatra fotsiny sisa no ataony ao. Ho be ny radio no ho vaky sy potika, satria tsy ho zakany ny fampianarana any. Ka izaho dia manoro hevitra fa hoe: aza mihaino intsony raha any ianaovao maheno ny fampianarana.Ka rehefa tonga any amin‟io ny fampianarana, dia romotra mihitsy ny devoly, ary misy aza dia vao tonga any dia maty ny radio, ka rehefa vita ny fampianarana an‟io lohanteny io dia mandeha indray ny radio. Satria manodidina ao avokoa ny zava-miafin‟ny devoly rehetra, ny secret ny ny fitaovana hanapotehana azy, noho izany dia tena tsy zakan‟i satana ny fanazavana an‟io. Ary dia izay no handefasany ireo miaramilany marobe izay manenjika antsika anompanompa antsika amin‟ny ompa evagelika rehetra hoe: mpaminany sandoka io, sy ny sisa, satria io fampianarana ny ivombesatry ny apokalypsy io mihitsy no tena tsy zakan‟izy ireo.

Fizarana fahadimy miresaka ny loza fito, kapoaka fito
Apokalypsy 15 ka hatramin‟ny apokalypsy 16 no miresaka azy io. Io ilay lazaindry zareo vazaha rehefa milaza loza ngezabe izy ohatra ireo loza voajanahary ngezabe horohorontany, cyclones, na terroriste lehibe,na kamikaze (izany hoe fonosiny baomba marobe ny tenany ary dia miditra any amin‟ny toerana be olona izy ka dia apoakany miaraka aminy ny baomba, dia miara-maty amin‟ny olona marobe izy). Ka any amin‟ny tany arabo no tena betsaka ahitana an‟izany. Ny niatomboan‟izany dia tamin‟ny ady lehibe faharoa, miara-maty amin‟ny fiaramanidina entiny, izay mianjera amin‟ny sambo mpiady amerikana ny mpanamory fiaramanidina japoney ka dia miara-mipoaka amin‟izany izy. Ka ireny fisehoanjavatra manaitra sy enjana ireny no antsoin‟ny olona matetika fa hoe fisehoan-javatra apokalyptika, na évenement apocaliptique. Ka ny boky apokalypsy dia miresaka loza tokoa ary dia mivarahontsana ny olona raha vao maheno ilay anarana fotsiny, fa ny an‟ny sasany kosa, tonga dia sekta no ao an-tsainy raha vao maheno izany anarana izany izy, ary dia mihorohoro tokoa satria lazainy fa sekta mamoa-doza izany. Ka ny loza voalaza ato amin‟ny boky apokalypsy dia tena loza mahatsiravina tokoa satria tena feno ny fanambarana hilazana izany loza izany.

Fizarana fahenina dia miresaka an’i Babylona:
Miresaka an‟izany Babylona izany ny ao amin‟ny apokalypsy 17 ka hatramin‟ny apokalypsy 19: 10. Misy ny hira babyloniana, misy ny sofina babyloniana, misy fiankanjo babyloniana,misy fandihy babyloniana, misy fatory babyloniana, misy fihinana babyloniana, misy fisotro babyloniana, misy film babyloniana, misy fiteny babyloniana, misy fijery babyloniana, misy fomba babyloniana.

Fizarana fahafito farany dia miresaka an’i Jerosalema
Apokalypsy 19:11 ka hatramin‟ny apokalypsy 22: 5. Izany hoe eto amin‟ity fizarana farany ity, dia mifanatrika ny mponina ao Babylona sy ny ao Jerosalema. Mifampisintona ny mponina ao Babylona sy ny ao Jerosalema. Sarihan‟ireo mponina ao Babylona amin‟ny rendrarendran‟nymaso sy ny filany nofo ny mponina ao Jerosalema. Fa etsy ankilany dia misy koa ny fomban‟ny mponina any Jerosalema, misy ny fiteny, ny fomba fiainana, misy ny fihira, ny film, ny radio fiheno, ny sakafo fihinana, ny fisotro, ny fomba fihetsika ny mponina any Jerosalema.
Fa mbola ny mponina any Babylona aloha no mbola mahasarika olona hatramin‟izao: andramo ange hoe misy fampisehoana ataon‟ny “groupes évangeliques “maromaro atao ao amin‟ny “coliseum”, Antsonjombe, moa ve hahazo olona, fa zara raha mahafeno ny ampahaefatry ny toerana. Fa raha manao fampisehoana ohatra i Vaiavy chila, miaraka amin‟i Tence Mena sy DinRotsaka, i Ninie Donia ao amin‟io toerana io ihany, izay hampiseho ny dihy fitombenana, sy fitafiana mitanjatanjaka, dia ho feno hipoka ny toerana, nefa iza ireo mijery an‟ireo fampisehoana mampandihy fitombenana sy mitanjatanjaka ataon‟ny mponina any Babylona ireo? Dia tsy iza ireo, fa dia ireo milaza fa Kristiana avokoa. Ka mbola ady sarotra noho izany ny fitarihana ny olona hiverina any Jerosalema.

Misy indray ny « épilogue », na « conclusion » na ny famintinana:
Izay famintinana izay dia tsy maintsy hamaranana azy.