Vao niandoha ny taona 2019, ny sabata 05 janoary, dia nifamotoana tetsy amin’ny fiangonana Apokalypsy Ambohimarina Itaosy ireo mpino marobe mandrafitra ity fiangonana foibe ity.
Sabata niavaka no notontosaina nandritra io fotoana io satria dia teo no nanatanterahan’ireto mpino ireto ilay tenin’Andriamanitra hoe: « Manaja ny ray sy reninareo…. » izay tsy iza fa dia ny pasteur Mailhol mivady no anisan’ny Ray, ary reny izay loharano nipoiran’ity fiangonana ity. Rariny loatra araka izany raha mahatsiaro ireto mpitondra sy mpitarika azy ireto ireo mpino marobe ireo ka dia nirary soa sy niarahaba azy ireo nahatratra ny taona 2019, ary nahatafita ihany koa ny taona 2018.
Teto ihany koa no nanararaotan’ny ireto zanaka ara-panahy maro dia maro ireto niandry manokana ny tso-drano feno avy amin’ny mpitarika azy, ary dia tsy diso tamin’izany izy ireo.
Rehefa miandoha tahaka izao moa ny taona dia misy ny firaisana latabatra amin’ny Tompo, ka izany indrindra no namaranana ity fotoan-dehibe ity. Saika nahitana solon-tena avokoa araka izany ny avy amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo indrindra moa amin’ny maha fiangonana foibe ity Ambohimarina Itaosy ity dia eto ihany koa no misy ilay fiangonana anisan’ny lehibe indrindra eto Afrika izay haorina ho reharehan’ny firenena Malagasy sy ho voninahitr’Andriamanitra.