Sabata 15 Aogositra 2015

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha 15 taonany ny Fiangonana Apokalypsy Mahitsy amin’izao fotoana izao, ary nanomboka ny fanamarihana izany izy ny sabata 15 Aogositra 2015 lasa teo. Nomarihana tamin’ny fotoam-bavaka miavaka izany izay nontronin’i Pasteur Mailhol André Christian Dieu Donné mivady sy ireo delelgasiona niaraka taminy.

Niavaka tokoa ny fotoana tamin’io satria dia fifaliana tanteraka ny an’ny vahoakan’Andriamanitra ary dia nisy ihany koa ny fanolorana fanomezana izay avy amin’ny foibe nasionaly ho an’ity fiangonana ity, tao ny « ampli de puissance, table mixeur, clavier, Baffle, Batterie. Ny maraina dia natomboka tamin’ny fotoam-bavaka lehibe ny fotoana narahina hira fiderana sy tenin’Andriamanitra fampaherezana.

Ny atoandro moa dia nisy ny dinik’asa mahakasika ny fandroson’ny asan’Andriamanitra tany an-toerana ka tao no nasian-dresaka ny momba ilay fiangonana lehibe izay mirefy 40 metatra ny lavany ary 13 metatra ny sakany. Raha ny fizotrin’ny asa moa amin’izao fotoana izao dia efa tafakatra eo amin’ny 1 metatra sy sasany eo ho eo ny fototr’izany fiangonana izany izay vato avokoa moa no iaingan’izany fiangonana izany na ny fototra izany

Mbola maro ny ezaka izay mbola hotratrarin’izy ireo ka dia maniry indrindra izy ireo ny fanohanana avy aminao na ara-bavaka izany na ara-pitaovana.