Fiandohany
Daty niforonany : 30 mars 1996
Antony niforonany : hitory ny bokin’ny Apokalypsy
Filoha : Pasteur MAILHOL André Christian Dieu Donné
Saika efa nisy an’i pasitera Mailhol daholo ny fiangonana teo aloha (fiangonandehibe, « sekta ») talohan’ny fiangonana Apokalypsy, anisan’ny mpitory ny tenin’Andriamanitra sy nampianatra ny bokin’ny Apokalypsy tamin’ny fitetezana tokantrano. Olona roa no tena mpianatra raikitra hatramin’izao (Rhy RAVELOMANANTSOA James Chapard sy Rhy RAVELOARISON Jean Pierrot).
Nalefa tamin’ny Radio Tsioka vao ny fampianarana tamin’ny taona 1994 – 1995, nefa tapaka teny antenantenany noho ny antony tsy miankina aminy. Dia natao mivantana teny amin’ny EPP Ampasanisadoda ny fampianarana nanomboka tamin’ny 17 jona 1995. Nahatratra olona 200 teo ho eo ny mpianatra.
Rehefa vita ny fampianarana, dia nangataka ireo mpianatra ireo mba hatao batisa. Mba hahazoana manantanteraka izany anefa dia nohosorana ho Pasitera Atoa MAILHOL André Christian Dieu Donné tamin’ny 28 marsa 1996 tao amin’ny Akanin-jazavavy Behoririka. Dia notanterahina ny batisan’ireo mpianatra ireo ka olona 70 eo ho eo no nanolo-tena tamin’izany. Tao Soaniaranana – Vontovorona – Antananarivo.
Noho ny fahamarinana voalazan’ny Baiboly nefa, dia sarotra ho an’ireo vita batisa ireo ny hiverina any amin’ny fiangonana niandohany, ka nanapakevitra izy ireo mba hanorina Fiangonana tarihin’ny Pasitera MAILHOL.
Nitsangana ny fikambanana araka ny didim-pitantanana laharana faha 1346/96/FAR/ANT/ASS tamin’ny 30/12/96.
Ary ny toerana nivavahana isan-tSabata dia teny amin’ny EPP Faravohitra.
Nitombo ny olona liana ny fampianaranaka nizara telo ny toerana nanaovana izany :
- EPP Ampasanisadoda
- EPP 67 Ha
- Ankanin-jazavavy Behoririka
Tsy nitsahatra nitombo ny mpianatra ny Bokin’ny Apokalypsy, ary nanapa-kevitra hanagana Radio ny Fikambanana (Radio Fanambarana RFA 98.4) tamin’ny taona 1997. Natao tao amin’ny Radio isan’andro ny fampianarana ny Bokin’ny Apokalypsy izay narahin’ireo mpikambana fifadian-kanina impito Sabata.
Ny vokany dia olona 676 no nanolo-tena sy vita batisa ny 20 Septambra 1997 sy ny 11 Oktobra 1997.
Nifindrafindra ny toeram-pivavahana tany :
- Ankatso (Bloc 3)
- Nanisana (Parc)
- Andranotapahina
- Antsavatsava Itaosy
- Ambohimarina Itaosy
Adiresin’ny Fiangonana Apokalypsy eto Madagasikara :
IVO 69 b Bis Antohomadinika Atsimo
Antananarivo 101 – BP 7562
Tél. (+261) 22 657 87 – 032 02 029 56 – 033 14 064 70 – 034 01 745 13
Mail: contact[at]apocalypse-mada.com